2018
Ireo zavatra nisongadina nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona faha-188
Nôvambra 2018


Ireo zavatra nisongadina nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona faha-188

Nisy fanovana goavana nambara indray tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana. Raha toa ka zavatra hafa no nambara tamin’ity indray mitoraka ity, dia mbola ny teo aloha ihany kosa anefa no tanjona ao ambadik’izany: Mahatsapa hamehana hanomana antsika amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany ny mpaminanin’ Andriamanitra ary manasa antsika izy hampatanjaka ny finoantsika ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy Zanany.

Ireto misy vitsivitsy monja amin’ireo fanasana sy fampanantenana fototra izay nantitranterin’ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny fihaonambe.

Ataovy masina kokoa ny tokantrano

Nandritra ny lahateny fanokafana nataony dia nampahafantatra ny filana manao fanovana eo amin’ny fiainantsika ny Filoha Nelson, izay hahatonga ny tokantranontsika ho lasa ivon-toeran’ny fianarana ny filazantsara. “Fotoana izao mba hahatonga ny Fiangonana ho mpanome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano, izay hamafisin’ireo zavatra mitranga any amin’ireo trano fiangonan’ny sampana sy ny paroasy ary tsatòka misy antsika.”

  • Vakio ireo fanovana naroso mba hatao any an-tokantrano sy ireo fanovana natao any am-piangonana izay manohana izany (jereo ny pejy 8).

  • Misy fampahalalana fanampiny momba izany ao amin’ny “Misy fanovana natao mba hampitovian-danja ny fianarana ny filazantsara any an-tokantrano sy any am-piangonana” (pejy 117).

“Avelao any izao tontolo izao”

Nanasa ireo rahavavy ny Filoha Nelson nandritra ny fivoriamben’ny vehivavy maneran-tany mba handray anjara amin’ny “tanjona lehibe indrindra … eto ambonin’ny tany ankehitriny.” Nampanantena izy fa “Rehefa miaraka isika dia afaka manao izay rehetra ilain’ny Raintsika any An-danitra ataontsika mba hanomanana izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’ [i Jesoa Kristy] Fanindroany.”

  • Vakio ireo fanasana efatra nomen’ny Filoha Nelson an’ireo rahavavy (jereo ny pejy 68).

“Hamerina amin’ny laoniny ny anarana marin’ny Fiangonan’ny Tompo”

Niantso ny mpikambana ny Filoha Nelson mba hiantso ny Fiangonan’ny Mpamonjy amin’ny anarana izay nomen’ny Mpamonjy izany. “Mampanantena anareo aho fa raha toa isika ka hanao ny tsara indrindra vitantsika mba hamerina amin’ny laoniny ny anarana marin’ny Fiangonan’ny Tompo, Izy izay tompon’ity Fiangonana ity no handrotsaka ny heriny sy ireo fitahiany amin’ny lohan’ireo Olomasin’ny Andro Farany toy izay mbola tsy fahitantsika.”

  • Vakio ny torolalana nomen’ny Filoha Nelson momba ny anaran’ny Fiangonana (jereo ny pejy 87).

“Ho ao amin’ny tranony masina”

Ny Filoha Nelson dia namarana ny fihaonambe tamin’ny fanambarana tempoly vaovao miisa 12 sy ny fanasana mba “[handeha] matetika … ao amin’ny tranony masina.” Hoy izy hoe: “Mampanantena anareo aho fa hitondra ireo fahagagana izay fantany fa ilainareo ny Tompo rehefa manolo-tena hanompo sy hitsaoka Azy any amin’ny Tempoly ianareo.”

  • Jereo hoe aiza no hisy an’ireo tempoly nambara (jereo ny jejy 113, 116).

Hamoaka printy