2018
Fivoriana isaky ny alahady fahefatra (2018)
Nôvambra 2018


Fivoriana isaky ny alahady fahefatra (Ôktobra–Desambra 2018)

Fandalinana ny soratra masina ataon’ny tena manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana

Isaky ny alahady fahefatra amin’ny taona 2018 ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana dia hifanakalo hevitra momba ny fandalinana ny soratra masina ataon’ny tena manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana. Ireo mpitarika na mpampianatra dia afaka misafidy ny hitarika fifanakalozan-kevitra mikasika ireto fitsipika manaraka ireto.

Fandalinana manokana ny soratra masina

Mba hitaomana ny mpikambana handalina tsy tapaka ny soratra masina dia asao ny mpikambana tsirairay mba hisafidy ny iray amin’ireto soratra masina manaraka ireto: Josoa 1:8; 2 Timoty 3:15–17; 1 Nefia 15:23–25; 2 Nefia 32:3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:22–23; 33:16–18. Rehefa avy nanana fotoana ampy namakiana sy nisaintsainana izy ireo dia azon’izy ireo atao ny mizara amin’ny olona iray hafa ao amin’ny efitrano ny zavatra nampianarin’ny soratra masina nofidiany azy ireo mikasika ny fandalinana ny soratra masina.

Azonao asaina ihany koa ireo mpikambana mba hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ireo fitahiana azony rehefa mandalina ny soratra masina izy ireo. Mety ho tombontsoan’ireo mpikambana ihany koa ny mifampihaino ny fizaran’izy ireo ny zavatra hataony mba hanaovana fandalinana manokana ny soratra masina amin’ny fomba manan-danja (jereo ohatra ny ao amin’ny “Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina” ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Azonao zaraina amin’ny mpikambana ihany koa ny zavatra nampianarin’ny Loholona Quentin L. Cook momba ny “tanjona sy fitahiana mifandray amin’ [ireo fanovana amin’ny fandaharam-potoana isaky ny alahady] sy ireo fanovana hafa vao haingana” (jereo ny “Fiovam-po lalina sy maharitra ao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo,” Liahona, nôv. 2018). Ny mpikambana dia afaka mifanakalo hevitra momba ny fomba hanatsaran’ny ezaka ataontsika ny fandalinantsika ny soratra masina amin’ny fanatanterahana ireo tanjona.

Tsy fiovaovan’ny fandalinana ny filazantsara

Ny Loholona David A. Bednar dia nampitaha ny tsy fiovaovana eo amin’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ireo fahazarana hafa feno fahamarinana amin’ny diam-borosy kely izay manome sary hosodoko mahafinaritra. Mba hanampiana ny mpikambana hahatakatra ny zavatra nampianarin’ny Loholona Bednar dia azonao aseho ny sary hosodoko iray izay ahitana ny diam-borosin’ny mpandoko. Azon’ireo mpikambana vakiana avy eo ilay fanoharana nataon’ny Lohona Bednar izay hita ao amin’ny “Hazoto sy hikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano” (Liahona, nôv. 2009, 19–20), ary avy eo dia hifanakalo hevitra momba ny mampitovy ireo diam-borosy ao amin’io sary hosodoko io amin’ny soratra masina. Inona no nanampy antsika handresy ireo sakana mba hahafahana manao fandalinana ny filazantsara tsy miovaova, na rehefa mianatra manokana isika na miaraka amin’ny fianakaviantsika? Inona no nampanantenain’ny Filoha Russell M. Nelson an’ireo izay “miasa amim-pahavitrihana hanamboatra ny [tokantranony] ho lasa ivontoerana fianarana ny filazantsara”? (jereo ny “Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely,” Liahona, nôv. 2018). Omeo fotoana ireo mpikambana mba hisaintsainana sy hizarana ny zavatra izay hanentanan’ny Fanahy azy ireo mba hataony noho ny zavatra nianaran’izy ireo androany.

Fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara any an-tokantrano sy any am-piangonana

Mety ho fomba iray hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara any an-tokantrano sy any am-piangonana ny manasa ankizy iray hihira ny “Toroy handeha amin’ny mazava aho” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, pejy 129). Mampianatra inona antsika momba ny fianarana ny filazantsara ilay fifamaliana eo amin’ilay ankizy sy ilay ray na reny ao amin’ny tonon’ilay fihirana? Mety misy te hizara ny heviny momba fomba hanaovana ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara ho zavatra mandeha ho azy sy mahazatra ao amin’ny fiainam-pianakaviana angamba ny mpikambana sasany. Mety hitondra hevi-baovao ireto soratra masina ireto: Deoteronomia 11:18–20; 1 Petera 3:15; Môsià 18:9; Môrônia 6:4–5, 9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:122. Ahoana no hahafahan’ireo fifanakalozan-kevitra ataontsika any an-tokantrano sy any am-piangonana mitondra antsika ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Hamoaka printy