2018
Minoa, mitiava ary manaova asa
Nôvambra 2018


Minoa, mitiava ary manaova asa

Ny fanatratrarantsika izany fiainana be dia be izany dia tsy amin’ny alalan’ny fifantohana amin’izay zavatra ilaintsika manokana na ny zava-bitantsika manokana fa amin’ny alalan’ny fahatongavana ho mpianatr’i Jesoa Kristy marina, amin’ny alalan’ny fanarahana ny lalany sy ny firotsahana ao amin’ny asany.

Ry rahalahy sy ranabavy malalako, fahafahana tena mahafinaritra tokoa ny miaraka aminareo amin’ity fivoriana mahafinaritra amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany androany ity: mihaino hafatra avy amin’ny fitaomam-panahy, amboaram-peo mahavariana ahitana misiônera misolo tena an’ireo misiônera an’arivony maro manerana izao tontolo izao, ireo zanatsika vavy sy lahy, ary indrindra fa ny firaisantsika ao anatin’ny finoantsika izao anio izao, mba hanohana indray ny Filoha sy mpaminany malalantsika, dia ny Filoha Russell M. Nelson izany, sy ny Fiadidiana Voalohany, ary ireo Mpiandraikitra Ambony ato amin’ny Fiangonana. Androm-pifaliana tokoa ny miaraka aminareo eto androany.

Ny mpanjaka Solomona fahiny dia iray amin’ireo olombelona hita taratra fa faran’izay nahita fahombiazana teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao.1 Toa nanana ny zavatra rehetra izy—vola, fahefana, dera, voninahitra. Saingy taorian’ny taona maro niainana tao anatin’ny fanaovana izay tian’ny tena sy ny zavatra lafo vidy, dia ahoana no namintinan’ny Mpanjaka Solomona ny fiainany?

“Zava-poana ny zavatra rehetra,”2 hoy izy.

Izany lehilahy nanana izay rehetra notadiaviny izany dia lasa diso fanantenana, sy nihevitra ny zavatra rehetra ho ratsy ary tsy nanam-pifaliana, na dia teo aza ireo tombontsoa rehetra nananany.3

Misy teny iray hoe Weltschmerz amin’ny teny Alema. Izy io dia faritana tsotsotra ho toy ny alahelo tonga avy amin’ny fieritreretana lava ny fahambanian’izao tontolo izao raha oharina amin’ny tokony ho izy.

Mety ahitana Weltschmerz kely ao anatintsika rehetra.

Rehefa mandady mangina eo amin’ny fiainantsika ny alahelo, rehefa mandifotra ireo androntsika sy manamaizin-kitroka ny alintsika ny alahelo, rehefa mitranga ao amin’ny tontolontsika sy ao amin’ny fiainan’ireo olona tiantsika ny zava-doza sy ny tsy rariny, rehefa mandia ilay lalana feno vitan-dratsy izay an’ny tenantsika manokana ary manirery isika, ary manamaizina ny fahatoniantsika sy manimba ny filaminantsika ny fanaintainana, dia alaim-panahy hitovy hevitra amin’i Solomona isika fa zava-poana ny fiainana ary tsy misy lanjany.

Ilay fanantenana lehibe

Ny vaovao mahafaly dia misy ny fanantenana. Misy ny vahaolana ho an’ny fahabangana sy ny zava-poana ary ny Weltschmerz miseho eo amin’ny fiainana. Misy ny vahaolana na dia ho an’ny fahaverezan’ny fanantenana ary ny fahakiviana tena lalina izay mety ho tsapanao aza.

Io fanantenana io dia hita ao anatin’ilay hery manova avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary ao anatin’ilay hery manavotry ny Mpamonjy mba hanasitrana ny aretin’ny fanahintsika.

“Izaho avy” hoy i Jesoa “mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.”4

Ny fanatratrarantsika izany fiainana be dia be izany dia tsy amin’ny alalan’ny fifantohana amin’izay zavatra ilaintsika manokana na ny zava-bitantsika manokana fa amin’ny alalan’ny fahatongavana ho mpianatr’i Jesoa Kristy marina, amin’ny alalan’ny fanarahana ny lalany sy ny firotsahana ao amin’ny asany. Mahita ilay fiainana [feno amby ampy] isika amin’ny alalan’ny fanadinoantsika ny tenantsika sy ny fandraisantsika anjara amin’ilay tanjona lehiben’i Kristy.

Ary inona no tanjon’i Kristy? Ny hino Azy sy hitia tahaka ny nitiavany ary ny hanao tahaka ny nataony.

“Nandehandeha nanao soa”5 i Jesoa. Nandeha teny anivon’ny mahantra, ny nailika, ny marary sy ny mangaihay Izy. Nanompo ny trotraka sy ny osa ary ny tsy mana-namana Izy. Nanokana fotoana niarahana tamin’izy ireo Izy. Niresaka tamin’izy ireo Izy. “Dia nositraniny avokoa izy rehetra.”6

Nampianatra ny “vaovao mahafalin’ny”7 filazantsara ny Mpamonjy, na taiza na taiza nalehany. Nizara fahamarinana mandrakizay Izy izay manafaka ny olona ara-panahy ary koa ara-batana.

Ireo izay manolo-tena amin’izany tanjona izany dia hahita ny fahamarinan’ilay fampanantenan’ny Mpamonjy hoe: “Na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.”8

Diso i Solomona ry rahalahy sy ranabavy. Tsy “zava-poana” ny fiainana. Fa feno tanjona sy misy lanjany ary feno fiadanana aza izany.

Mitsotra ho an’ireo rehetra izay mitady Azy ireo tanana manasitran’i Jesoa Kristy. Lasa nahafantatra tsy misy fisalasalana aho fa ny finoana dia fitiavana an’ Andriamanitra ary ny fiezahana manaraka Azy dia afaka manova ny fontsika,9 sy manalefaka ny fanaintainantsika, ary mameno ny fanahintsika amin’ny “fifaliana mitafotafo.”10

Minoa, mitiava ary manaova asa

Mazava ho azy fa tsy maintsy manao zavatra bebe kokoa noho ny fahatakarana an-tsaina tsotra fotsiny ny filazantsara isika mba hitondran’izany fanasitranana eo amin’ny fiainantsika. Tsy maintsy ampidirintsika ao amin’ny fiainantsika izany. Ampidirina ao anatin’ilay mandrafitra ny maha-izy antsika sy ny zavatra ataontsika.

Mamelà ahy hanolotra hevitra hoe manomboka amin’ny teny tsotra anankitelo ny maha-mpianatra:

Minoa, mitiava, ary manaova asa.

Mitondra any amin’ny finoana an’ Andriamanitra sy ny fananana fahatokiana ny teniny ny mino an’ Andriamanitra. Ny finoana dia mahatonga ny fontsika hitombo fitiavana an’ Andriamanitra sy ny hafa. Rehefa mitombo izany fitiavana izany dia misy mandrisika antsika haka tahaka ny Mpamonjy sy hanomboka ilay diantsika mahafinaritra eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra.

“Saingy” hoy ianao hoe: “Toa tsotsorina izy izany. Ireo olana eo amin’ny fiainana, mety ho ny olako, dia tena sarotra loatra ka tsy ho voavahan’ny vahaolana tsotra toy izany. Tsy afaka manasitrana ny Weltschmerz amin’ny alalan’ny teny tsotra anankitelo ianao: Minoa, mitiava, manaova asa.”

Tsy ny oha-pitenenana akory no manasitrana. Ny fitiavan’ Andriamanitra no mamonjy sy mamerina amin’ny laoniny ary mamelona indray.

Fantatr’ Andriamanitra ianao. Zanany ianao. Tia anao Izy.

Na dia mahatsapa aza ianao fa tsy mendrika ny ho tiavina dia manolo-tanana anao izy.

Amin’ity anio ity, isan’andro, dia manolo-tanana anao Izy. Maniry ny hanasitrana anao sy hampitraka anao ary hanolo ilay fahabangana ao am-ponao amin’ny fifaliana maharitra Izy. Maniry ny hanala izay mety ho haizina manarona ny fiainanao Izy ary hameno izany amin’ny hazavan’ny voninahiny tsy manam-petra izay masina sy mamiratra.

Efa niainako izany zavatra izany.

Ary mijoro ho vavolombelona aho amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo ahy fa izay rehetra manatona an’ Andriamanitra, izay rehetra tena mino sy mitia ary manao asa dia afaka miaina izany koa.

Mino isika

Ny soratra masina dia mampianatra antsika fa “raha tsy amin’ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’ [Andriamanitra]; fa izay manatona an’ Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy izy.”11

Ho an’ny sasany dia sarotra ny hoe mino. Sakantsakanan’ny avonavona izany indraindray. Angamba mieritreritra isika fa noho isika marani-tsaina, na nahita fianarana, na manana traikefa dia tsy afaka tsotra izao ny hino an’ Andriamanitra. Ary manomboka mandray ny finoana ho toy ny fomba fanao adaladala isika.12

Raha araka ny zavatra niainako, ny hoe mino dia tsy toy ny sary hosodoko iray izay jerentsika sy ankafizintsika ary ifanakalozantsika hevitra sy hamoronantsika foto-pisainana. Fa tahaka ny angadin’omby entitsika eny an-tsaha izany ary amin’ny alalan’ny hatsembohan’ny tavantsika dia mahaforona soribainga eo amin’ny tany isika izay mandray voa ary mitondra vokatra izay hitoetra eo.13

Manatòna an’ Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.14 Izany no fampanantenana ho an’ireo rehetra izay mikatsaka ny hino.

Mitia isika

Ny soratra masina dia manambara fa arakaraka ny hitiavantsika bebe kokoa no hahafaly antsika bebe kokoa.15 Ilay fitiavana resahan’i Jesoa anefa dia tsy karatra fanomezana izay ahafahana miantsena, na zavatra ariana rehefa avy nampiasaina kely, na fitiavana fantarina fotsiny dia soloina zavatra hafa indray. Tsy fitiavana resahina izany dia avy eo hadinoina. Tsy karazana fitiavana manao an’ilay hoe “lazao aho raha misy zavatra azoko atao” izany.

Ilay karazana fitiavana resahan’ Andriamanitra dia ilay fitiavana izay miditra ao am-pontsika rehefa mifoha isika amin’ny maraina, sy mijanona miaraka amintsika mandritra ny andro iray manontolo ary mitombo ao am-pontsika rehefa manao vavaka fankasitrahana isika any amin’ny fiafaran’ny andro.

Izany ilay fitiavana tsy hay faritana atolotr’ Andriamanitra ho antsika.

Izany fangorahana tsy misy fetra izany no manome fahafahana antsika mba hahita mazava kokoa ny hafa araka ny maha-izy azy. Amin’ny alalan’ny mason’ny fitiavana madio isika dia mahita olona tsy mety maty izay manana hery anaty sy lanja tsy manam-petra ary zanakalahy sy zanakavavin’ilay Andriamanitra Tsitoha.

Raha vao amin’ny alalan’izany maso izany no ijerentsika dia tsy afaka ny hanambany na hankahala na hanavakavaka na iza na iza isika.

Manao asa isika

Ao anatin’ny asan’ny Mpamonjy, dia matetika “amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe.”16

Fantatsika fa ny fampiharana miverimberina no takiana mba hahaizana zavatra. Na eo amin’ny filalaovana kilarinety izany, na fandakana baolina hiditra ny harato, na fanamboarana fiara iray, na fanamoriana fiaramanidina, dia amin’ny alalan’ny fampiharana ihany no ahafahantsika mivoatra hatrany hatrany.17

Ilay rafitra naorin’ny Mpamonjy tety an-tany, Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia manampy antsika hanao izany mihitsy. Manolotra toerana iray mba hampiharana ny fiainana araka ny fomba nampianariny sy hitahiana ny hafa araka ny nanaovany Azy izany.

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia omena antso sy andraikitra ary fahafahana isika mba hanolo-tanana amin’ny alalan’ny fangorahana sy ny fanompoana ny hafa.

Vao haingana ny Fiangonana no nametraka zavatra imasoana iray izay nohavaozina, mikasika ny fanompoana ny hafa, na ny fitiavana ny hafa. Fandinihina lalina no natao mba hamaritana ny tokony hiantsoana izany zavatra imasoana manokana izany.

Ny iray tamin’ireo anarana neritreretina dia ny hoe mpamahana ondry, [berger amin’ny teny Frantsay], izay tena mahalaza tsara ilay fanasan’ny Tompo hoe: “Fahano ary ny ondrikeliko.”18 Misy indro kely anefa izany. Ny fampiasana io teny io dia mety hahatonga ahy ho Berger Allemand izay anaran’alika. Noho izany, faly ihany aho amin’ilay teny hoe fanompoana.

Natao ho an’ny rehetra ity asa ity

Mazava ho azy fa tsy vaovao ity zavatra imasoana ity. Izany dia fanomezana fahafahana nohavaozina sy nohatsaraina ho antsika mba hampiharana ilay didin’ny Mpamonjy “hifankatia”19 izay fomba iray nohatsaraina kokoa mba hampiharana ny tanjon’ny Fiangonana.

Eritrereto kely ny momba ny asa fitoriana. Ny olona be herim-po sy ny manetry tena ary matoky tena hizara ny filazantsara dia ohatra tena tsara maneho ny fanaovana asa fanompoana manoloana ny filàna ara-panahin’ny hafa, na iza na iza izy ireo.

Na ny fanaovana asa any amin’ny tempoly, ka mikaroka ireo anaran’ireo razambentsika sy manolotra azy ireo ireo fitahian’ny mandrakizay. Tena fomba masina iray hanompoana izany.

Eritrereto ny fitadiavana ny mahantra sy ny sahirana, ny fampakarana ny tanana izay miraviravy, na ny fitahiana ny marary sy ny ory. Moa ve ireny tsy ireo asa fanompoana madio nataon’ny Tompo mihitsy fony Izy tety an-tany?

Raha toa ianao ka tsy mpikamban’ny Fiangonana, dia manasa anao aho hoe “avia fa ho hita[nao].”20 Andao hiaraka aminay. Raha toa ianao ka mpikamban’ny Fiangonana kanefa tsy mandray anjara mavitrika amin’izao fotoana izao, dia miangavy aho hoe miverena. Mila anao izahay!

Avia, ary atambaro amin’ny herinay ny herinao.

Noho ireo talenta sy fahaiza-manao ary ny maha-izy azy anao dia hanampy anay ianao ho lasa tsara kokoa sy faly kokoa. Ho valin’izany dia hanampy anao koa izahay ho lasa olona tsara kokoa sy ho faly kokoa.

Avia, ampio izahay hanorina sy hanamafy orina kolontsaina manolotra fanasitranana sy hatsaram-panahy ary famindrampo amin’ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Fa miezaka isika rehetra ny hanana fiainana vaovao izay “efa lasana ny zavatra taloha” ary “efa vaovao … ny zava-drehetra.”21 Mampiseho antsika ny lalana tokony haleha ny Mpamonjy, izay mandroso ary miakatra. Hoy Izy hoe: “Raha tia ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.”22 Ndeha isika rehetra hiara-hiasa mba hahatonga antsika ho lasa ilay olona tian’ Andriamanitra hahatongavantsika.

Izany no karazana kolontsain’ny filazantsara tianay hovolena manerana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Mikatsaka ny hanamafisana ny Fiangonana ho toerana hifamelan’ny tsirairay isika. Toerana izay hanoheranay ny fakam-panahy hitsikera, hifosa, ary hanafintohina ny hafa. Toerana izay hifanohananay sy hifanampianay mba ho lasa olona tena tsara araka izay tratranay, fa tsy toerana hifantohana amin’ireo fahalemena.

Mamelà ahy hanasa anao indray. Avia fa ho hitanao. Miaraha aminay. Mila anareo izahay.

Olona tsy lavorary

Ho hitanao fa ity Fiangonana ity dia feno amin’ny sasany amin’ireo olona tsara indrindra azon’izao tontolo izao atolotra. Mandray tsara izy ireo, feno fitiavana, tsara fanahy ary mahitsy fo aman-tsaina. Olona miasa mafy izy ireo, vonona ny hahafoy tena, ary be herim-po mihitsy aza indraindray.

Ary indrisy anefa, fa tsy lavorary koa izy ireo.

Manao fahadisoana izy ireo.

Indraindray izy ireo milaza zavatra tsy tokony holazain’izy ireo. Manao zavatra izay nirin’izy ireo mba tsy ho natao izy ireo.

Saingy ity no zavatra iraisan’izy rehetra: maniry ny hivoatra sy hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika izy ireo.

Miezaka ny manao zavatra araka ny tokony ho izy izy ireo.

Mino izy ireo. Mitia izy ireo. Manao asa izy ireo.

Maniry ny tsy ho tia tena sy maniry ny hangoraka bebe kokoa ary ho tsara kokoa sy hitovy bebe kokoa amin’i Jesoa izy ireo.

Ny drafitra hahazoana fifaliana

Marina fa sarotra ny fiainana indraindray. Azo antoka fa samy manana ny fotoana iainany alahelo sy hakiviana isika rehetra.

Kanefa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manome fanantenana. Ary ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy isika dia miaraka amin’ireo olona hafa izay mitady toerana izay ahatsapantsika ho toy ny any an-trano, toerana iray hivoarana izay ahafahantsika miaraka mino, mitia, ary manao asa.

Na dia eo aza ireo fahasamihafantsika dia mikatsaka ny hifanohana isika amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra malala antsika.

Feno fankasitrahana lalina aho amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ahy sy noho ny fahafantarako fa tia ny zanany tokoa Andriamanitra ka nomeny drafitra hahazoana fahasambarana sy zava-manan-danja eo amin’ny fiainana izy ireo ary fomba iray hiainana fifaliana mandrakizay ao anatin’ireo efi-boninahitra any amin’ny fiainana ho avy.

Feno fankasitrahana aho fa nomen’ Andriamanitra fomba iray hanasitranana ireo aretin’ny fanahy sy ny Weltschmerz miseho eo amin’ny fiainana.

Mijoro ho vavolombelona aho ary mamela ny tsodranoko eo aminareo, fa rehefa mino an’ Andriamanitra isika, rehefa mitia Azy sy mitia ireo zanany rehetra ary miezaka ny manao asa araka ny torolalana nomen’ Andriamanitra antsika, dia hahita fahasitranana, fiadanana sy fifaliana ary fisiana lanjany isika. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Ny valim-panadihadiana iray tao amin’ny msn.com dia nandahatra an’i Solomona ho olona fahadimy faran’izay nanan-karena indrindra niaina teto an-tany. “Araka ny Baiboly dia nanjaka nanomboka tamin’ny 970 taona talohan’i Kristy hatramin’ny 931 taona talohan’i Kristy ny Mpanjaka Solomona, ary nandritra izany fotoana izany dia voalaza fa nahazo volamena 25 taonina isan-taona nandritra ny 39 taona nanjakany izy, izay efa ho an’arivorivo tapitrisa dôlara eo raha tamin’ny taona 2016. Miaraka amin’ireo harena mahatalanjona izay voahangony tamin’ny alalan’ny hetra sy ny varotra dia mety nihoatra ny 2 lavitrisa dôlara amin’ny vola amin’izao fotoana izao ny harena manokan’ity mpitarika tao amin’ny baiboly ity” (“The 20 Richest People of All Time,” Apr. 25, 2017, msn.com).

  2. Jereo ny Mpitoriteny 1:1–2.

  3. Jereo ny Mpitoriteny 2:17.

  4. Jaona 10:10.

  5. Asan’ny Apôstôly 10:38.

  6. Matio 12:15; jereo koa ny Matio 15:30.

  7. Ny teny hoe gospel (filazantsara) dia avy amin’ny teny Grika iray izay midika ara-bakiteny hoe “vaovao mahafaly” (jereo ny Bible Dictionary, “Gospels”).

  8. Matio 16:25.

  9. Jereo ny Ezekiela 36:26; Jeremia 24:7.

  10. 1 Nefia 8:12.

  11. Hebreo 11:6.

  12. Jereo ny 2 Nefia 9:28.

  13. Jereo ny Jaona 18:10

  14. Jereo ny Jakoba 4:8.

  15. Jereo ny 4 Nefia 1:15–16.

  16. Almà 37:6.

  17. I Aristote dia nino fa “amin’ny alalan’ny fanaovana asa tsara no hipoiran’ny olo-marina” (The Nicomachean Ethics, trans. David Ross, rev. Lesley Brown [2009], 28).

  18. Jereo ny Jaona 21:15–17.

  19. Jaona 15:12.

  20. Jaona 1:39.

  21. 2 Korintiana 5:17.

  22. Jaona 14:15.