2018
Mianatra avy amin’ireo hafatra tamin’ny Fihaonamben’ ny Fiangonana maneran-tany (2018 sy 2019)
Nôvambra 2018


Mianatra avy amin’ireo hafatra tamin’ny Fihaonamben’ ny Fiangonana maneran-tany (2018 sy 2019)

Ny fampianaran’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara velona dia afaka manome fitarihana nentanim-panahy ho an’ny asan’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana. Mandritra ireo herinandro handalinana ireo hafatra tamin’ny fihaonambe dia misafidy hafatra iray tamin’ny fihaonambe ny fiadidian’ny kôlejin’ny Loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana mba ho ampiasaina, arakaraka ny filan’ny mpikambana. Mety hisy fotoana ihany koa ny eveka na ny filohan’ny Tsatòka handroso soso-kevitra ny amin’ny hafatra iray. Ny hafatra avy amin’ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no tena tokony hamafisin’ireo mpitarika. Na izany aza dia afaka misafidy hafatra avy amin’ny fihaonambe farany indrindra ireo mpikambana ao amin’ny fiadidiana, arakaraka ny filan’ireo Olomasina eo an-toerana sy ny fitarihana avy amin’ny Fanahy.

Ny mpitarika sy ny mpampianatra dia tokony hitady fomba hamporisihana ny mpikambana hamaky mialoha ny hafatra voafidy. Tokony hamporisika ny mpikambana izy ireo mba ho vonona hizara ireo fahamarinan’ny filazantsara nianaran’izy ireo sy ny eritreriny momba ny fomba hanaovana zavatra araka ireo fahamarinana ireo rehefa mandeha mamonjy ny fivoriana. Ireo asa hoenti-mianatra naroso etsy ambany, izay mifototra amin’ireo fitsipika ampianarina ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia afaka manampy ny mpikambana hianatra avy amin’ireo hafatra tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
Loholona Quentin L. Cook

Quentin L. Cook, “Fiovam-po lalina sy maharitra ao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo”

Mety hahaliana ny mpikambana ny hifampizara ny fihetsik’izy ireo voalohany raha vao naheno ireo fiovana voafaritra ao amin’ny hafatry ny Loholona Cook. Raha misy namana iray avy amin’ny finoana hafa manontany azy ireo ny antony hanaovan’ny Fiangonana ireo fanovana ireo dia inona no holazain’izy ireo? Amporisiho izy ireo mba hitady ny mety ho valin’izany ao amin’ny hafatry ny Loholona Cook. Inona no azon’ny isam-batan’olona sy fianakaviana, sy ny kôlejy na ny Fikambanana Ifanampiana, atao mba hahazoana antoka fa manantanteraka ny zavatra andrasan’ny Tompo ireo fanovana ireo? Ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io dia afaka mizara ireo hevi-baovao avy ao amin’ny lahateny fanokafana nataon’ny Filoha Nelson ihany koa ianao izay mitaona ny mpikambana mba “[h]andray amim-pientanentanana” ireo fanovana ireo.

Sary
Loholona Ronald A. Rasband

Ronald A. Rasband, “Aza matahotra”

Ny hafatry ny Loholona Rasband dia manasongadina soratra masina maromaro izay afaka manampy antsika handroaka izay tahotra mety hananantsika amin’ireo fotoan-tsarotra iainantsika. Asao ny mpikambana hikaroka ao amin’ireo soratra masina ireo torohevitra izay azon’izy ireo zaraina amin’ny olona iray izay matahotra ny hoavy. Inona koa no azon’izy ireo zaraina avy amin’ny hafatry ny Loholona Rasband? Ahoana no “[hameran’ny tahotra] ny fomba fijerin’ny zanak’ Andriamanitra”? Asao ireo mpikambana mba hizara ny fomba nianaran’izy ireo nandresy ny tahony ka hiaina am-pinoana.

Sary
Loholona David A. Bednar

David A. Bednar, “Hanangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy”

Mitondrà tady sy lisitra lavabe iray mba haseho. Asao ireo mpikambana mba hifanakalo hevitra momba ny fahasamihafana eo amin’ny fijerena ireo fahamarinan’ny filazantsara sy ny fandaharam-potoan’ny Fiangonana ho toy ny tady sy ny fijerena azy ireo ho toy ny lisitra lavabe mikasika ireo lohahevitra tsirairay mba hohalalinina sy ireo asa hotontosaina. Amporisiho ireo mpikambana mba hitady hevi-baovao ao amin’ireo ohatra avy amin’ny hafatry ny Loholona Bednar. Inona no dikan’ny hoe “manangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy”? (jereo ny Efesiana 1:10). Inona no azontsika atao mba handraisana ilay fampanantenana ao amin’ny famaranana ny hafatry ny Loholona Bednar?

Sary
Filoha Dallin H. Oaks

Dallin H. Oaks, “Ny fahamarinana sy ilay drafitra”

Ahoana no hanampian’ny fahatakarana ny “fahamarinan’ny filazantsara tafaverina amin’ny laoniny” antsika rehefa miatrika fanoherana ny finoantsika sy ny fomba amam-panaontsika isika? Mba hamaliana io fanontaniana io dia afaka mijery ohatra amin’ny fahamarinana fototra ao amin’ny fizarana faha-II ao amin’ny hafatry ny Filoha Oaks ireo mpikambana. Afaka mijery ohatra ny amin’ny fomba hampiharana ireo fahamarinana ireo ihany koa izy ireo (jereo ny fizarana faha-III). Mety hanampy ny mpikambana ny hilalao an-tsehatra ny fomba hampiasan’izy ireo ny sasany amin’ireo fahamarinana fototra ireo mba hamaliana ireo tsikera momba ny fampianarana na ny fomba amam-panaon’ny Fiangonana iray.

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

D. Todd Christofferson, “Mafy orina sy mifototra ao amin’ny finoana an’i Kristy”

Afaka manomboka fifanakalozan-kevitra iray momba io hafatra io ianao amin’ny fanoritana tsipika eny amin’ny solaitrabe miaraka amin’ny hoe Entanin’ny fomba fiainana eo amin’ny fiarahamonina eo amin’ny faran’ilay tsipika ary ny hoe Fanolorantena araka ny nataon’i Kristy eo amin’ilay ilany iray. Asao ireo mpikambana mba hamaky ilay andiam-pehezan-teny izay manomboka amin’ny hoe “Ny ankamaroantsika amin’izao fotoana izao dia eo anelanelan’ny …” ary hisaintsaina hoe aiza ho aiza no tsapan’izy ireo fa misy azy ao anatin’izany. Inona no ianarantsika avy amin’ireo ohatra ao amin’ny hafatry ny Loholona Christofferson izay manentana antsika ho mafy orina sy mifototra tsara ao anatin’ny fahoriana? (jereo koa ny Almà 36:27–28). Amporisiho ireo mpikambana mba hizara ohatry ny olona iray fantany izay naneho fanolorantena araka ny nataon’i Kristy amin’ny filazantsara, na dia tamin’ny fotoana niatrehana fahoriana aza.

Sary
Loholona Ulisses Soares

Ulisses Soares, “Iray ao amin’i Kristy”

Araka ny nolazain’ny Loholona Soares dia ahoana ho hanehoan’ny renirano Amazone ny mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny? Inona no ampianarin’io fampitahana io antsika momba ny herim-pitaomana mety hananan’ireo mpikambana vaovao eo amin’ny Fiangonana? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny torohevitra nomen’ny Loholona Soares amin’ny maha-kôlejy na Fikambanana Ifanampiana antsika mba hankaherezana sy hanohanana ary hitiavana ireo olona vao niova fo? (jereo ny Môrônia 6:4–5). Mety hizara olana izay natrehany ireo mpikambana tamin’izy ireo mpikambana vaovao an’ny Fiangonana sy ny fomba nanampian’ny mpikambana azy ireo. Afaka mifanakalo hevitra momba ny fomba nanatanjahan’ireo mpikambana vaovao ny paroasy na ny sampana misy anao ihany koa ianao.

Sary
Loholona Gerrit W. Gong

Gerrit W. Gong, “Afon-dasin’ny finoantsika”

Manehoa sarina afon-dasy ary manasà olona iray hizara zavatra iray izay niainany ka nahafeno fankasitrahana azy noho ny fanaovany afon-dasy. Angataho ireo mpikambana mba hifanakalo hevitra momba ny zavatra tian’ny Loholona Gong holazaina amin’ny hoe “afon-dasin’ny finoana.” Dia azonao zaraina ho vondrona maromaro avy eo ireo mpikambana ka asao ny vondrona tsirairay mba hijery sy hizara ny iray amin’ireo fomba dimy izay natolotry ny Loholona Gong hankaherezan’ny “afon-dasin’ny finoana” antsika. Omeo fotoana ireo mpikambana mba hisaintsaina ny fomba mety nampatanjahany ny finoany na ny finoan’ny olona iray izay fantany.

Sary
Loholona Dieter F. Uchtdorf

Dieter F. Uchtdorf, “Minoa, mitiava ary manaova asa”

Azonao atomboka amin’ny fanoratana ireto eny amin’ny solaitrabe ny fifanakalozan-kevitra momba ity hafatra ity: Fahaverezan’ny fanantenana sy Fifaliana. Asao ireo mpikambana mba hikaroka ao amin’ilay hafatra ireo toetra sy finoana izay mitarika antsika mankany amin’ny fahaverezan’ny fanantenana sy ny fifaliana ka hitanisa izany eny amin’ny solaitrabe. Asao ireo mpikambana mba hizara ireo fomba efa nahatsapany ny fifaliana avy amin’ny finoana sy fitiavana ary fanaovana asa, araka ny ampianarin’ny Loholona Uchtdorf. Amporisiho ireo mpianatra mba hijery teny nambara mankahery ao amin’ilay hafatra mba hasehony ao an-tokantranony na zarainy amin’ny namana iray.

Sary
Rahavavy Joy D. Jones

Joy D. Jones, “Ho Azy”

Zarao ilay tantara ao am-piandohan’ny hafatra nozarain-dRahavavy Jones ary asao ireo mpianatra mba hieritreritra fotoana izay mety nahatonga ny ezaka nataony tamin’ny fanompoana ho toy ny “tsy nisy nahatsikaritra na … tsy nankasitrahana na tsy nilaina mihitsy.” Rehefa avy mifanakalo hevitra momba ilay tantara dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Nahoana isika no tokony hanompo? Asao ireo mpikambana mba hamaly io fanontaniana io amin’ny fijerena ny hafatra nomen-dRahavavy Jones ka hijery hevi-baovao (jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:5). Ahoana no hanovan’ny torohevitra nomen-dRahavavy Jones ny fomba fifampikarakarantsika sy ny fifanompoantsika?

Sary
Rahavavy Michelle D. Craig

Michelle D. Craig, “Tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra”

Rahavavy Craig dia niresaka momba ny “elanelana eo amin’ny hoe aiza no misy antsika ary iza isika, amin’ny hoe aiza ary iza no tiantsika hahatongavana.” Inona no tian’ Andriamanitra ho tsapantsika momba io elanelana io? Inona no tian’i Satana ho tsapantsika momba io elanelana io? Afa manadihady ny iray amin’ireo fizarana telo ao amin’ny hafatra nozarain-dRahavavy Craig ny mpikambana tsirairay mba hitadiavana ny valin’ireo fanontaniana ireo. Inona no azontsika atao mba hahazoana antoka fa tsy ho lasa “fahakiviana izay tsy mampandroso” ny “tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra” izay ananantsika?

Sary
Rahavavy Cristina B. Franco

Cristina B. Franco, “Ny fifaliana entin’ny fanompoana tsy misy tambiny”

Mba hampianarana “fa ny fitiavana dia hamasinina amin’ny alalan’ny fahafoizantena,” dia nizara tantara anankiroa Rahavavy Franco, ny iray momba an’i Victoria ary ny iray momba ny mpitondratena iray. Azonao atao ny manasa mpikambana roa mba ho vonona hizara ny zavatra ianarany momba ny fitiavana sy ny fahafoizantena avy amin’ireo tantara ireo rehefa manatrika ny fianarana. Inona koa ny zavatra niainana hafa izay azontsika zaraina ka mampianatra io fitsipika io? Ny fanehoana horonan-tsary izay maneho ny Mpamonjy manompo ny hafa dia mety hitarika fifanakalozan-kevitra momba ny fomba ahafahantsika manaraka ny ohatry ny fitiavana nasehony.

Sary
Filoha Henry B. Eyring

Henry B. Eyring, “Ny vehivavy sy ny fianarana ny filazantsara ao an-tokantrano”

Ireo andinin-tsoratra masina sy ireo teny nalaina avy tao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao” izay ampiasain’ny Filoha Eyring ao amin’io hafatra io dia manome hevi-baovao momba ny maha-zava-dehibe ny fitaomana ananan’ny vehivavy ao an-tokantrano. Ny mpikambana dia afaka miara-miasa mba hitady ireo andinin-tsoratra masina sy teny nindramina ireo ary hifanakalo hevitra momba ny zavatra izay ianarany. Inona no fanasana izay nomen’ny Filoha Eyring? Inona no fampanantenana nomeny? Eritrereto ny fomba hanatsaran’ny famakiana hira iray momba ny tokantrano toy ny hoe “Notre foyer ici-bas” (Cantique, no. 188) ny fifanakalozan-kevitra.

Sary
Filoha Dallin H. Oaks

Dallin H. Oaks, “Ray aman-dreny sy zanaka”

Eo am-piomananao hampianatra dia eritrereto hoe fizarana inona amin’ny hafatry ny Filoha Oaks no tena manan-danja amin’ireo olona ao amin’ny kôlejy na ny Fikambanana Ifanampiana misy anao. Ireto misy fanontaniana azonao apetraka mba hitarihana fifanakalozan-kevitra momba io hafatra io: Ahoana no hanoheran’ireo fironana maoderina voalaza ao amin’ny hafatry ny Filoha Oaks’s ao amin’ny fizarana voalohany ny drafitry ny Ray any An-danitra? Inona no ohatry ny vehivavy mahatoky azontsika zaraina izay maneho ireo zavatra voalaza momba ny vehivavy ao amin’ny fizarana faha-II? Ahoana ahafahantsika mamporisika ireo zatovovavy fantatsika mba hanaraka ny torohevitra manokana nomen’ny Filoha Oaks azy ireo ao amin’ny fizarana faha-III?

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Russell M. Nelson, “Ny fandraisan’ireo rahavavy anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely”

Raha mampianatra ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ianao dia zarao ho vondrona efatra ireo rahavavy ary asaivo mamaky ny iray amin’ireo fanasana efatra ao amin’ny hafatry ny Filoha Nelson ny vondrona tsirairay. Ireo vondrona ireo dia afaka mifanakalo hevitra momba ny zavatra nanaitra azy ireo momba ilay fanasana sy ny zavatra niainan’izy ireo raha nanao ilay zavatra nasaina natao, ary ny hevitra momba ny fomba hanaovana ilay zavatra nasaina natao amin’ny hoavy. Dia azon’ny vondrona tsirairay zaraina amin’ny rehetra avy eo ny zavatra noresahiny. Raha mampianatra mpihazona ny fisoronana ianao dia azonao atao ny mangataka azy ireo mba hitady fehezan-teny ao amin’ny hafatry ny Filoha Nelsona izay milaza ny fahatsapana ananan’ny Ray any An-danitra amin’ireo zanany vavy. Inona no azontsika atao mba hanampiana sy hamporisihana ny fandraisan’ireo rahavavy anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely?

Sary
Filoha M. Russell Ballard

M. Russell Ballard, “Ny fahitana momba ny fanavotana ny maty”

Azonao asaina ireo mpikambana mba hanaiky ny fanasan’ny Filoha Ballard ary hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 mialoha ny hifanakalozanareo hevitra. Amporisiho ireo mpikambana hizara ny zavatra niainany sy ireo hevi-dehibe avy amin’io fizarana io mandritra ny fivoriana. Ny fanontaniana tahaka ireto dia afaka hanampy ny mpikambana hahatakatra ny maha-zava-dehibe an’io fanambarana io: Ahoana no hitondran’io fanambarana io fankaherezana ho antsika? ary inona no fahamarinana hita ao amin’io fanambarana io izay mety hiantraika amin’ny ‘fomba hitondrantsika ny fiainantsika isan’andro’?

Sary
Rahavavy Bonnie H. Cordon

Bonnie H. Cordon, “Lasa mpiandry ondry”

Mba hanampiana ny mpikambana hieritreritra fomba mety hivoaran’izy ireo amin’ny ezaka ataon’izy ireo hanompo dia azonao zaraina ho vondrona telo izy ireo ary angataho ny vondrona tsirairay hamaky ny iray amin’ireo fizarana telo misy lohateny ao amin’ny hafatra nozarain-dRahavavy Cordon. Asao izy ireo hizara ireo fitsipika momba ny fanompoana izay nianaran’izy ireo. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fiezahantsika hanaraka ireo fitsipika ireo “ho tonga mpiandry ondry izay ilain’ny Tompo hahatongavantsika”? Asao ireo mpikambana mba hizara zavatra niainana izay nanampian’ny fanompoana nataon’ny olona iray hafa azy ireo hahatsapa ho fantatra sy tian’ny Mpamonjy.

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Jeffrey R. Holland, “Ny fanompoana fampihavanana”

Azonao anombohana ny fifanakalozan-kevitra momba hafatry ny Loholona Holland ny fanasana ireo mpikambana mba hieritreritra fifandraisana iray ao amin’ny fiainan’izy ireo izay mila fanasitranana na fampihavanana. Afaka mikaroka ao amin’ny hafatry ny Loholona Holland izy ireo ka hitady ny fomba nahafahan’i Brad sy Pam Bowen nanampy ny rainy ho sitrana. Inona no fitahiana tonga avy tamin’io ezaka io? Inona ireo hevi-baovao azon’ireo mpikambana ka afaka manampy azy ireo hanasitrana ny fifandraisan’izy ireo?

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Neil L. Andersen, “Maratra”

Mba hampidirana ny hafatry ny Loholona Andersen dia afaka miaraka mamaky ny Lioka 10:30–35 izy ireo. Inona no itoviantsika rehetra amin’ilay lehilahy izay azon’ny jiolahy? Araka ny Loholona Andersen, dia amin’ny lafiny ahoana i Jesoa Kristy no “Samaritana tsara fanahy ho antsika”? Ahoana no ahafahantsika manaiky ny fanasitranany? Azonao atao tsara ny manasa ireo mpikambana hizara ireo fomba nanasitranan’ny Mpamonjy ny ratran’izy ireo na ny ratran’ireo olona tian’izy ireo. Afaka manadihady ny tenin’ny Loholona Andersen ihany koa izy ireo mba hitady hafatra mankahery izay azon’izy ireo zaraina amin’ny olona iray izay maratra.

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Russell M. Nelson, “Ny anarana marin’ny Fiangonana”

I Jesoa Kristy dia nandidy ny hiantsoana ny Fiangonana amin’ny anarany. Afaka manampy ireo mpikambana hampitombo ny faniriany hanaraka io fitarihana io ianao amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo mba hanadihady ny hafatry ny Filoha Nelson, mba hitadiavana ny antony mahatonga ny hoe “ny anaran’ny Fiangonana dia tsy azo ovaina.” Dia asao izy ireo avy eo mba hijery ny fiafaran’ny hafatry ny Filoha Nelson hitadiavana ireo fampanantenana nolazain’ny Mpamonjy fa ho avy rehefa miasa isika mba “hamerina amin’ny laoniny ny anarana marin’ny Fiangonan’ny Tompo.” Inona no azontsika atao mba hanampiana amin’io ezaka atao io?

Sary
Filoha Henry B. Eyring

Henry B. Eyring, “Miezaha, miezaha, miezaha”

Nametraka “fanontaniana manan-danja anankiroa” ny Filoha Eyring hoe: “Inona no tsy maintsy ataoko mba hitondrana ny anaran[’ny Mpamonjy]?” ary “Ahoana no ahafantarako fa mivoatra aho?” Azonao atao tsara ny manoratra ireo fanontaniana ireo eny amin’ny solaitrabe dia manasa mpikambana hizara ireo hevi-baovao izay ananany mikasika ireo fanontaniana avy ao amin’ny hafatry ny Filoha Eyring sy ny ohatra nasehon-dRahavavy Eyring ireo. Niresaka ihany koa momba ilay fihirana hoe “Jésus Christ est mon modèle,” (Chants pour les enfants, 40) ny Filoha Eyring. Inona no anjara biriky entin’ny tonon’io hira io ao amin’ny fifanakalozan-kevitra?

Sary
Loholona Dale G. Renlund

Dale G. Renlund, “Misafidiana ianareo anio”

Afaka mieritreritra olona iray izay tian’izy ireo hamporisihina mba hanaraka ny drafitry ny Ray any An-danitra ireo mpikambana, tahaka ny havana iray na olona iray izay tompoiny. Dia afaka mamaky ny hafatry ny Loholona Renlund izy ireo avy eo mba hahafantarana ny zavatra tsapan’ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy momba antsika. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’Izy ireo antsika hisafidy ny fankatoavana? Inona no asehon’ny ohatr’Izy ireo momba ny fomba ahafahantsika mampivoatra ny ezaka ataontsika ao amin’ny fianakaviantsika sy ny fanompoantsika?

Sary
Loholona Gary E. Stevenson

Gary E. Stevenson, “Mitarika ireo fanahy”

Ireo olona ampianarinao dia mety efa nametraka fanontaniana tahaka ity iray napetraky ny Loholona Stevenson ity: “Ahoana no ahafantarantsika fa manompo araka ny fomban’ny Tompo isika?” Mety hahita tombontsoa amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny mety ho valin’io fanontaniana io izay hitany ato amin’ity hafatra ity izy ireo. Na azonao atao koa ny mitondra sarin’ny Mpamonjy izay miandry ondry (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 64) ary hanasa ireo mpikambana mba hizara fahamarinana iray avy amin’ny hafatry ny Loholona Stevenson izay asehon’ilay sary. Dia afaka mizara zavatra izay tsapany fa tokony hataony noho ilay fifanakalozan-kevitra ireo mpikambana.

Hamoaka printy