Ny fahitana momba ny fanavotana ny maty
Mijoro ho vavolombelona aho fa marina ilay fahitana voarain’ny Filoha Joseph F. Smith. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny olona rehetra dia afaka mamaky izany ka hahafantatra fa marina izany.
Ry rahalahy sy anabaviko, ity lahateniko ity dia efa nomanina fotoana elaela talohan’ny fahalasanan’i Barbara vady malalako. Misaotra anareo izaho sy ny fianakaviako noho ny fitiavanareo sy ny fanoloranareo tanana tamin-kalemem-panahy. Mangataka aho ny hitahian’ny Tompo ahy raha hiresaka aminareo eto anio maraina.
Tamin’ny ôktôbra 1918, zato taona lasa izay dia nandray fahitana tena lehibe ny Filoha Joseph F. Smith. Rehefa nahafatra-po nanompo 65 taona mahery tao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy, ary herinandro vitsy monja talohan’ny nahafatesany tamin’ny 19 nôvambra 1918, dia nipetraka tao an’efitranony izy ary nandalina ny sorompanavotan’i Kristy sy namaky ny famariparitan’ny Apôstôly Petera mikasika ny fanompoan’ny Mpamonjy tao amin’ny tontolon’ny fanahy taorian’ny nanomboana azy teo amin’ny hazofijaliana.
Nanoratra toy izao izy: “Nampihetsi-po ahy fatratra ny zavatra novakiako. … Raha nisaintsaina ny amin’ireo zavatra ireo aho … , dia nosokafana ny masom-pahatakarako, ary nitoetra tamiko ny Fanahin’ny Tompo, ka hitako ireo vahoakan’ny maty.”1 Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 138 ny lahatsoratra feno mikasika ilay fanambarana.
Te hizara fampahalalana sasantsasany aho, mba hahafahantsika mankafy tanteraka ny fiomanan’i Joseph F. nandritra ny androm-piainany handray ity fanambarana miavaka ity.
Tamin’izy Filohan’ny Fiangonana, dia nitsidika an’i Nauvoo izy tamin’ny 1906 ary nandalina mikasika ny fahatsiarovana nananany fony izy vao dimy taona monja. Nilaza izy hoe: “Ity mihitsy ilay toerana nijoroako rehefa hiakatra teo amin’ny soavaly ho any Carthage i [Joseph, dadatoako sy i Hyrum raiko]. Tsy niala avy eny ambonin’ny soavaliny izy fa niondrika avy eo ambony lasely ka nibata ahy hiakatra ambony. Nanoroka ahy izy hanao veloma ary nampidina ahy indray dia indro hitako izy lasa, nitaingin-tsoavaly.”2
Ny fotoana manaraka nahitan’i Joseph F. azy ireo, dia izy notrotroin’i Mary Fielding reniny, hijery ireo martiora nalahatra nifanakaiky rehefa avy novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny fonjan’i Carthage tamin’ny 27 jona 1844.
Roa taona taty aoriana, i Joseph F., niaraka tamin’ireo fianakaviany sy ny reniny mahatoky, i Mary Fielding Smith, dia nandao ny tranony tao Nauvoo hihazo an’i Winter Quarters. Na dia tsy mbola valo taona akory aza i Joseph F. dia nasaina nitondra ny anankiray tamin’ireo andian’omby avy tany Montrose Iowa ho any Winter Quarters, ary taty aoriana hatrany amin’ny lohasahan’i Salt Lake, ary efa handray 10 taona izy nony tonga tany. Manantena aho ry zazalahy sy zatovolahy isany fa mihaino ianareo ary ho tonga saina amin’ny andraikitra sy zavatra nantenaina napetraka tamin’i Joseph F. nandritra ny fahazazany.
Efa-taona monja taty aoriana, tamin’ny 1852, raha feno 13 taona izy, dia maty ny reny malalany—ka namela an’i Joseph sy ireo iray tampo aminy ho kamboty.3
Nantsoina hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno tany amin’ny Nosy Hawaii i Joseph F. tamin’ny taona 1854, raha izy 15 taona. Io asa fanompoana io, izay naharitra telo taona mahery, no niantombohan’ny fiainana feno fanompoana tato amin’ny Fiangonana.
Rehefa tafaverina tany Utah i Joseph F. dia nanambady tamin’ny taona 1859.4 Nandritra ireo taona vitsivitsy taty aoriana, dia nameno ny fiainany ny asa, sy ny adidy tamin’ny fianakaviana, ary asa fanompoana roa fanampiny. Tamin’ny 1 jolay 1866, tamin’ny faha-27 taonany, dia niova tanteraka ny fiainan’i Joseph F. rehefa natokan’i Brigham Young ho Apôstôly izy. Ny volana ôktôbra tamin’ny taona manaraka an’izay, dia nameno ny toerana banga tao amin’ny Filankevitry ny Apôstôly Roambinifolo izy.5 Mpanolotsaina an’i Brigham Young, sy John Taylor, Wilford Woodruff, ary Lorenzo Snow izy mialoha ny nahalasa Filoha azy tamin’ny taona 1901.6
Niteraka an’i Mercy Josephine zanak’izy ireo voalohany ho isan’ny fianakaviana i Joseph F. sy Julina vadiny.7 Vao roa taona sy tapany monja i Mercy Josephine dia nodimandry. Fotoana fohy taorian’izay, dia nanoratra i Joseph F. hoe: “Iray volana omaly izao … no nahafatesan’i Josephine sombinaiko. Indrisy! Inay anie aho afaka namonjy azy mba ho nitomboany hatramin’ny fahalehibeazany. Malahelo azy aho isan’andro ary manirery. … Mamelà ny fahalemeko Andriamanitra raha toa ka fahadisoako ny mitia ireo zanako amin’ny fitiavako azy ireo.”8
Nandritra ny androm-piainany ny Filoha Smith dia namoy ny rainy, ny reniny, rahalahy anankiray, anabavy anankiroa, vady roa ary zanaka telo ambin’ny folo. Zatra fahoriana izy ary namoy olon-tiana.
Rehefa maty i Albert Jesse zanany lahy, dia nanoratra tany amin’i Martha Ann anabaviny i Joseph F. nilaza fa nitalaho tamin’ny Tompo izy ary nanontany hoe: “Inona no anton’izao? Andriamanitra ô! Nahoana no tsy maintsy ho toy izao izy ity?”9
Na dia teo aza ireo vavaka nataony tamin’izany fotoana izany, dia tsy nahazo valiny mikasika izany lohahevitra izany i Joseph F.10 Nilaza tamin’i Martha Ann izy fa “[toy ny hoe] varahina eo ambony lohantsika ny lanitra” raha ny amin’ny resaka fahafatesana sy tontolon’ny fanahy. Na izany aza, dia mafy orina sy tsy azo nohozongozonina ny finoany an’ireo fampanantenana mandrakizain’ny Tompo.
Tamin’ny fotoan’ny Tompo no nahatongavan’ireo valim-panontaniana fanampiny, sy fankaherezana ary fahatakarana mikasika ny tontolon’ny fanahy izay nokatsahin’ny Filoha Smith, tamin’ny alalan’ny fahitana mahatalanjona izay noraisiny tamin’ny ôktôbra 1918.
Io taona io dia nitondra fahoriana manokana ho azy. Nalahelo izy noho ireo aina nafoy tamin’ny Ady Lehibe Voalohany izay tsy nitsaha-nitombo ka olona 20 tapitrisa mahery no maty. Tetsy an-danin’izany ihany koa dia nihanaka nanerana izao tontolo izao ny valan’aretina gripa mahery vaika ary nahafaty olona mihoatra ny zato tapitrisa izany.
Nandritra io taona io no namoizan’ny Filoha Smith olona telo sarobidy hafa tao amin’ny fianakaviany. Ny Loholona Hyrum Mack Smith tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay zanany lahimatoa sady raibeko, izay maty tampoka noho ny appendicite vaky.
Nanoratra ny Filoha Smith hoe: “Tankina aho—[vonton’] alahelo!… Vaky ny foko; ary toa tsy manana hery iainana! … Indrisy! Tiako izy! … Hitia azy mandrakizay aho. Izany no izy ary ho izany hatrany miaraka amin’ireo zanako lahy sy vavy, kanefa izy no zanako lahimatoa, ilay voalohany nitondra fifaliana sy fanantenana ateraky ny anarana omem-boninahitra tsy misy fiafarana eo anivon’ny lehilahy. Avy amin’ny fanahiko lalina no hisaorako an’ Andriamanitra ho azy! Saingy indrisy! Nila azy aho! Nila azy isika rehetra! Nilain’ny Fiangonana tokoa izy. … Ary ankehitriny, … Indrisy! Inona no azoko atao! … Indrisy! Ampio aho Andriamanitra ô!”11
Ny volana manaraka an’iny, i Alonzo Kesler vinantolahin’ny Filoha Smith dia maty tamin’ny loza nahatsiravina.12 Nanao fanamarihana tao anatin’ny diariny ny Filoha Smith hoe: “Ity loza nahafaty mahatsiravina sy mampalahelo indrindra ity dia nahatonga alahelo goavana teo anivon’ny fianakaviako.”13
Fito volana taty aoriana, ny volana septambra 1918, dia maty i Ida Bowman Smith, vinantovavin’ny Filoha Smith sady renibeko, teo am-piterahana ny zanany fahadimy, dia i Hyrum dadatoako.14
Ary dia araka izany, tamin’ny 3 ôktôbra 1918, rehefa niaina alahelo lalina noho ny olona an-tapitrisany maty maneran-tany noho ny ady sy ny valan’aretina ary koa noho ny nahafatesan’ireo tao amin’ny fianakaviany, dia nandray ilay fanambarana avy any an-danitra ny Filoha Smith, izay antsoina hoe “ny fahitana momba ny fanavotana ny maty.”
Niresaka momba io fanambarana io izy ny ampitson’io nandritra ny fivoriana fanokafana ny fihaonambe maneran-tany volana ôktôbra. Tsy salama tsara ny Filoha Smith, kanefa niteny fohy izy hoe: “Tsy hanandrana aho, tsy sahy hanandrana hanomboka hiresaka zavatra maro izay ato an-tsaiko androany maraina, ka ahemotro ho any aoriana, raha sitraky ny Tompo, ny fanandramako hitantara aminareo ny sasany amin’ireo zavatra izay ato an-tsaiko ary tsy afaka ato am-poko. Tsy nitoetra irery aho nandritra ny dimy volana farany teo. Niaina tao anatin’ny fanahin’ny vavaka sy fitalahoana sy finoana ary finiavana aho; ary nanana fifandraisana tsy tapaka tamin’ny fanahin’ny Tompo.”15
Ilay fanambarana izay noraisiny tamin’ny 3 ôktôbra dia nankahery ny fony ary nitondra valiny ho an’ireo fanontaniana maro nananany. Isika koa dia afaka mahazo hery sy mianatra bebe kokoa mikasika ny hoavintsika manokana rehefa maty isika sy ireo olon-tiantsika ka mankany amin’ny tontolon’ny fanahy amin’ny fandalinana io fanambarana io sy ny fandinihana ny lanjany eo amin’ny fomba hitondrantsika ny fiainantsika isan’andro.
Anisan’ireo zavatra maro hitan’ny Filoha Smith ny nitsidihan’ny Mpamonjy an’ireo mahatoky tany amin’ny tontolon’ny fanahy taorian’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Avy amin’io fahitana io no angalako an’izao:
“Fa indro, avy teo anivon’ ny olo-marina Izy no nandrindra ny heriny ka nanendry iraka nitafy hery sy fahefana, ary nandidy azy ireo handeha sy hitondra ny fahazavan’ ny filazantsara ho an’ ireo izay tao amin’ ny haizina, dia ho an’ ny fanahin’ ny olona rehetra;16 ary dia toy izany no nitoriana ny filazantsara tamin’ ny maty. …
“Ireo dia nampianarina ny finoana an’ Andriamanitra, ny fibebahana amin’ ny fahotana, ny batisa isoloana tena ho famelana ny fahotana, ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ ny alalan’ ny fametrahan-tanana,
“Ary ireo fitsipika hafa rehetra an’ ny filazantsara, izay nilainy ho fantatra mba hahalany ny tenany, mba hotsaraina araka ny olona ao amin’ ny nofo izy, fa ho velona araka an’ Andriamanitra ao amin’ ny fanahy. …
“Satria ny maty dia nihevitra ny fisarahana maharitra eo amin’ny fanahiny sy ny vatany ho toy ny fatorana.
“Ireo no nampianarin’ ny Tompo, ary nomeny hery izy ireo mba hivoaka aorian’ ny fitsanganany amin’ ny maty ka hiditra ao amin’ ny fanjakan’ ny rainy, ary ao izy ireo no hosatrohina tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizay,
“Ary hanohy hatrizao ny asany, toy izay efa nampanantenain’ ny Tompo, ary ho mpandray anjara amin’ ny fitahiana rehetra izay notanana ho fiandry ho an’ ireo izay tia Azy.”17
Tao anatin’ilay fahitana dia hitan’ny Filoha Smith i Hyrum rainy sy ny Mpaminany Joseph Smith. Efa 74 taona lasa izay no nahitany azy ireo farany fony izy zazalahy kely tany Nauvoo. Azontsika alaina sary an-tsaina fotsiny ny fifaliany raha nahita ny rainy sy ny dadatoany malala. Tsy maintsy ho notaomin’ny Fanahy sy nahazo hery izy noho ny fahafantarana fa ireo fanahy dia mbola mitovy amin’ny endriky ny vatan’izy ireo mety maty, ary tsindrian-daona miandry ny andron’ny fitsanganan’izy ireo amin’ny maty efa nampanantenaina. Io fahitana io dia nanambara feno kokoa ny antsipirian’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany sy ny fitiavana manavotr’i Kristy ary ny hery tsy manam-paharoan’ny Sorompanavotana nataony.18
Amin’izao faha-100 taona miavaka izao dia manasa anao aho hamaky am-pisainana lalina io fanambarana io. Eo am-panaovanao izany dia enga anie hitahy anao ny Tompo hahatakaranao feno kokoa ary ankafizanao kokoa ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny drafitry ny famonjeny sy ny fahasambarana ho an’ireo zanany.
Mijoro ho vavolombelona aho fa marina ilay fahitana voarain’ny Filoha Smith. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny olona rehetra dia afaka mamaky izany ka hahafantatra fa marina izany. Ireo izay tsy mandray izany fahalalana izany eto amin’ity fiainana ity dia ho azo antoka fa hahafantatra ny fahamarinan’izany rehefa ho tonga ao amin’ny tontolon’ny fanahy daholo. Any ny rehetra dia hitia sy hidera an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Tompo noho ilay drafitra lehiben’ny famonjena sy ny fitahian’ny fitsanganana amin’ny maty nampanantenaina rehefa hatambatra indray ny vatana sy ny fanahy ka tsy ho sarahina intsony.19
Feno fankasitrahana tanteraka aho amin’ny fahafantarako hoe aiza no misy an’i Barbara tsy foiko ary hiaraka indray amin’ny fianakavianay mandrakizay mandrakizay izahay. Ny fiadanan’ny Tompo anie hitoetra amintsika tsirairay amin’izao fotoana izao sy ho mandrakizay, ary izany no vavaka amim-panetrentena ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo, amena.