2018
Vaovao mikasika ny Tempoly
Nôvambra 2018


Vaovao mikasika ny Tempoly

Nanao filazana ny Filoha Russell M. Nelson tao anatin’ny lahateny famaranana nataony tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana fa mikasa ny hanorina tempoly vaovao miisa 12 ny Fiangonana. Nolazainy tao ihany koa ireo drafitra mba hanavaozana ny Tempolin’i Salt Lake sy ireo tempoly hafan’ny “taranaky ny mpisava lalana”, ary nampiany hoe homena ao aoriana kely ao ny antsipiriany momba izany.

Ireo tempoly ireo dia haorina ao Mendoza, Argentine; Salvador, Brésil; Yuba City, Californie, Etazonia; Phnom Penh, Cambodge; Praia, Cape Vert; Yigo, Guam; Puebla, Mexique; Auckland, Nouvelle Zélande; Lagos, Nigéria; Davao, Philippines; San Juan, Porto Rico; ary Washington County, Utah, Etazonia.

Hisy Tempoly efatra hotokanana afaka fotoana vitsy dia: ny Tempolin’i Concepción Chili ny 28 ôktôbra; ny Tempolin’i the Barranquilla Colombie ny 9 desambra; ny Tempolin’i Rôme Italie ny herinandron’ny 10 martsa ka hatramin’ny 17 martsa 2019; ary ny Tempolin’i Kinshasa Repoblika Demôkratikan’i Congo ny 14 aprily 2019.

Ary nisy tempoly roa naverina notokanana vao haingana: Tempolin’i Houston Texas izay naverina notokanana ny 22 aprily 2018, ary ny Tempolin’i Jordan River Utah izay naverina notokanana ny 20 mey 2018.

Hamoaka printy