2018
Misy fanovana natao mba hampitovian-danja ny fianarana ny filazantsara any an-tokatrano sy any am-piangonana
Nôvambra 2018


Misy fanovana natao mba hampitovian-danja ny fianarana ny filazantsara any an-tokatrano sy any am-piangonana

Ao anatin’ireo ezaka mitohy mba hanampiana ny Olomasin’ny Andro Farany “hianatra fotopampianarana, hampatanjaka finoana ary hampitombo ny fitsaohana bebe kokoa ataon’ny tena manokana,” Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanambara fanovana mba hampitoviana lanja sy hampifandraisana ireo fomba miavaka sy manan-danja entin’ny mpikambana mitsaoka sy mianatra ary miaina ny filazantsaran’ny Mpamonjy any am-piangonana sy any an-tokantrano.

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia nanambara ireo fanovana eo amin’ny fandaharam-potoan’ny fivoriana alahady, manomboka ny janoary 2019, izay mifandray amin’ny famoahana fandaharam-pampianarana vaovao iray manome sehatra ny fiainana sy ny fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana. Ireo fanovana ireo sy ireo hafa dia miorina eo amin’ny asa maro teo aloha izay notanterahan’ny Fiangonana nifanesy tato anatin’ny taona vitsivitsy, izay natao mba hanampiana ireo mpikambana hampifantoka tanteraka ny fiainan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary hampiorim-paka ny finoan’izy ireo Azy Ireo. Anisan’ireny asa natao ireny ny fifantohana amin’ny fandalinana amin’ny fomba manan-danja kokoa ny filazantsara any an-tokantrano, ny fanajana ny Tompo amin’ny alalan’ny fitandremana ny andro Sabata ho masina, ary ny fifampikarakarana tahaka izay ho nataon’ny Mpamonjy sy araka izay hitarihan’ny Fanahy.

Nanazava ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, rehefa namintina ireo fanovana nandritra ny fivoriana sabotsy marainan’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fa ireo fanovana ireo, izay nentina mba hanomanana ny vahoakan’ny Tompo ho amin’ny fiaviany indray, dia natao mba hampiorenam-paka ny fioavam-pon’ny isam-batan’olona.

“Fantatsika ny fiantraikany ara-panahy sy ny fiovam-po lalina sy maharitra izay afaka miseho ao an-tokantrano… ,” hoy izy. “Ny tanjonay dia ny hampitovy lanja ny zavatra iainana any am-piangonana sy any an-tokantrano amin’ny fomba izay hampivelatra be tokoa ny finoana sy ny fiainam-panahy ary hampahalalina ny fiovam-po ao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo.”

Fanovana ao an-tokantrano

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia manao fanasana ny mba hifantohana bebe kokoa amin’ny fandraisana anjara lehibe kokoa ataon’ny tena manokana sy ny fianakaviana amin’ny fanomezana lanja ny fivavahana ao an-tokantrano, tafiditra ao anatin’izany ny fandalinana ny filazantsara ao an-tokantrano mandritra ny alahady sy mandritra ny herinandro ary ireo fanovana mikasika ny takarivan’ny mpianakavy.

Ny tokantrano izay sady toerana hampianarana no fanaovana fampiharana, dia ivon-toerana manan-danjan’ny fianarana sy fiainana ny filazantsara. Ny fandalinana ny filazantsara ataon’ny tena manokana sy ny fianakaviana ao an-tokantrano mandritra ny alahady sy mandritra ny herinandro dia manolotra fahafahana mba hahazoana tanjaka ara-panahy isan’andro ary mamela ny hisian’ny fahafahana bebe kokoa manao fandalinana sy mahazo fanambarana natao ho an’ny tena manokana. Ny fianteherana irery ihany amin’ny fotoana voafetra any am-piangonana mba hianarana ny filazantsara dia miteraka tsy fifandanjana izay tsy hahatratra ilay fiovam-po lalina sy maharitra ilaina.

“Tompon’andraikitra amin’ny fivoarana ara-panahin’ny tenantsika manokana isika,” hoy ny Filoha Nelson. “Ary ny soratra masina dia milaza mazava fa ny ray aman-dreny no manana ny andraikitra voalohany hampianatra sy hikarakara ny zanany.”

Ireo fanovana dia ahitana ny fampahafantarana ny loharanom-pitaovana vaovao ho an’ny fandalinana ny filazantsara izay hampiasain’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana any an-tokantrano. Ny olona tsirairay sy ny fianakaviana dia afaka mampiasa ilay Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana vaovao, raha toa ka maniry izany izy ireo, mba hitarihana ny fandalinan’izy ireo ny filazantsara any ivelan’ny fiangonana. Ilay loharanom-pitaovana vaovao dia miara-miasa amin’ireo loharanom-pitaovana namany ho an’ireo mpampianatra ny Sekoly Alahady sy ny Kilonga mba hampifandanjana ireo lesona mandritra ny alahady amin’ny fandalinana ny soratra masina any an-tokantrano sy ireo sosokevitra ho an’ny takarivan’ny mpianakavy.

Ankoatra ny famporisihana ny fandalinana ny filazantsara, ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia nanavao ny fanasan’izy ireo ny rehetra mba handray anjara isaky ny andro Sabata, sy mandritra ny herinandro, amin’ny filankevitry ny mpianakavy, amin’ny takariva iarahana ao an-tokantrano, amin’ny asa atao mikasika ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly, amin’ny fanompoana, amin’ny fitsaohan’ny tena manokana, ary amin’ny fotoana mampifalifaly iarahan’ny mpianakavy.

Ireo fitaovana alefa any amin’ny mpikambana sy ireo mpitarika dia manazava fa ireo mpitarika ny Fiangonana dia mandrisika ny mpikambana mba hanao takarivan’ny mpianakavy sy fandalinana ny filazantsara mandritra ny Sabata, na amin’ny fotoana hafa izay safidian’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Azo tanterahina isaky ny alatsinainy ny takariva fiarahan’ny fianakaviana mientana na amin’ny fotoana hafa. Noho izany antony izany dia tokony hotohizan’ireo mpitarika ny tsy fanaovana fivoriam-piangonana sy fiaraha-mientana an’ny Fiangonana isaky ny alatsinainy hariva. Na izany aza, ny fotoana hanaovana fandalinana ny filazantsara any an-tokantrano sy ireo fiaraha-mientana ho an’ny fianakaviana sy ny isam-batan’olona dia azo alamina arakaraka ny toe-javatra iainan’izy ireo.

Ny fitsaohana an’Andriamanitra any am-piangonana, sy ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansy masina ao, ary ny fiarahana miangona mba hifampianatra sy hifampatanjaka ary hifanompo dia singa manan-danja amin’ny fanaovana izay hahalalim-paka ny finoana sy ny fiovam-po an’ny tena manokana. Ny fampihenana ny habetsaky ny fotoana laniana any am-piangonana dia mety ho tsy mahomby raha tsy manam-piniavana ny hampatanjaka ny tokantranony ny tsirairay sy ny fianakaviana.

Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika dia efa zatra isika mieritreritra ny -fiangonana- ho toy ny zavatra izay miseho ao anatin’ireo trano fivoriantsika ary hamafisin’ireo zavatra miseho any an-tokantrano. Ilaina ny hanaovantsika fanovana an’izany lamina izany. Fotoana izao mba hahatonga ny Fiangonana ho mpanome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano, izay hamafisin’ireo zavatra mitranga any amin’ireo trano fiangonan’ny sampana sy ny paroasy ary tsatòka misy antsika.”

Fanovana any am-piangonana

Ireo fanovana ny zavatra iainana any am-piangonana dia natao mba hanohanana ny fitomboan’ny fianarana sy fiainana ny filazantsara any an-tokantrano. Ireo fanovana ireo dia ahitana ny fanovana ny fandaharam-potoana isaky ny alahady ho toy izao:

  • Fivoriana fanasan’ny Tompo maharitra 60 minitra,

  • Fiomanana maharitra 10 minitra mba hirosoana any amin’ireo fotoam-pianarana,

  • Ary fotoam-pianarana maharitra 50 minitra araka ny voafintina ao amin’ny santionan’ny fandaharam-potoana etsy ambany:

Fandaharam-potoana isaky ny alahady manomboka ny janoary 2019

60 minitra

Fivoriana fanasan’ny Tompo

10 minitra

Fiomanana mba hirosoana any amin’ireo fotoam-pianarana

50 minitra

Fotoam-pianarana ho an’ny olon-dehibe; fotoam-pianarana ho an’ny zatovo; Kilonga

Ilay fotoam-pianarana mandritra ny 50 minitra dia hahitana ny Kilonga isan-kerinandro ho an’ny ankizy ary hiovaova isan-kerinandro toy izao manaraka izao izany ho an’ny zatovo sy ny olon-dehibe:

  • Alahady voalohany sy fahatelo: Sekoly Alahady.

  • Alahady faharoa sy fahefatra: fivorian’ny kôlejin’ny fisoronana sy ny Fikambanana Ifanampiana ary ny Zatovovavy.

  • Alahady fahadimy: fivorian’ny zatovo sy ny olon-dehibe eo ambany fitarihan’ny eveka.

Raha betsaka ny ankizy ao amin’ny Kilonga ka ampy hozaraina ho Kilonga kely sy Kilonga lehibe, dia azon’ny mpitarika atao mifamadika izao fandaharam-potoana manaraka izao ho an’ny antsasak’ireo ankizy ary amboarina araka izay ilaina ny fotoana.

Fandaharam-potoana ho an’ny Kilonga manomboka ny janoary 2019

25 minitra

Vavaka, soratra masina na fanekem-pinoana, lahateny (5 minitra).

Fotoana fihirana: Hira manamafy ilay soratra masina nohalalinina tao an-dakilasy (20 minitra)

5 minitra

Fiomanana mba hirosoana any amin’ireo fotoam-pianarana

20 minitra

Fotoam-pianarana: Lesona nalaina avy tao amin’ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga

Ireo fanovana ny fandaharam-pampianarana

Ity fanovana ny fandaharam-potoan’ireo fivoriana ity dia miara-miasa amin’ny ilay fandaharam-pampianarana vaovao indrindra amin’ny fandaharam-pampianarana Avia, hanaraka Ahy an’ny Fiangonana. Manomboka ny volana janoary, ity fandaharam-pampianarana manome sehatra ny fiainana sy ny fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana ity dia hampifandray izay hianaran’ny olon-dehibe sy ny zatovo ary ny ankizy ao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady sy ny Kilonga, hanamora kokoa ny fiarahan’ny fianakaviana mandalina any an-tokantrano mandritra ny herinandro.

Ireo torolalana, rindran-damin’ny lesona, ary loharanom-pitaovana dia hita ao amin’ny:

  • Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kôlejin’ny Loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana (hita ao amin’ny Ensign sy Liahona nôvambra 2018)

  • Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kôlejin’ny Fisoronana Aharôna

  • Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Zatovovavy

  • Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady

  • Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga

Tsidiho ny comefollowme.lds.org raha mila fanampim-panazavana.

Ahitana izao manaraka izao ireo fanovana fototra hafa:

  • Ireo fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra dia hatao isan-telo volana fa tsy isam-bolana.

  • Ireo fandaharam-potoan’ny leson’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana dia tsy hahitana ny fivorian’ny filankevitra atao isaky ny alahady voalohan’ny volana intsony na koa ny lohahevitra manokana ifantohana mandritra ny alahady fahefatra. Hifantoka amin’ireo hafatra tamin’ny fihaonambe maneran-tany farany ireo lesona.

  • Hanolo ny fotoana ifanakalozana ny fotoana fihirana. Tsy ho ampiasaina intsony ny Rindran-damina ho an’ny fotoana ifanakalozana.

  • Tsy hisy intsony ny kilasy fianarana ny Fitsipiky ny Filazantsara. Ireo mpikambana rehetra sy ireo namana liana dia hasaina hanatrika ny kilasin’ny Sekoly Alahady ho an’ny olon-dehibe na zatovo araka izay tokony hisy azy ireo.

  • Ireo taranja izay ara-tsafidy ny fianarana azy, toy ny fanamafisana orina ny fanambadiana sy ny fianakaviana, ny fiomanana ho any amin’ny tempoly, ny fiomanana ho amin’ny asa fitoriana, ary ny tantaram-pianakaviana dia tsy hatao mandritra fotoam-pianarana isaky ny alahady. Ireo taranja ireo dia azo ampianarina amin’ny fotoana hafa ho an’ny isam-batan’olona, na fianakaviana, na vondrona araka izay ilaina eo an-toerana sy araka ny safidin’ny eveka.

Ny tanjon’ireo fanovana ireo

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia mikatsaka ny hamorona fifandanjana vaovao sy fifandraisana bebe kokoa eo amin’ireo tanjaka miavaka avy ao an-tokantrano sy ireo zavatra iainana any am-piangonana miaraka amin’ny tanjona manokana ao an-tsaina.

“Mifono zavatra bebe kokoa ity fanovana ity noho ny hoe fanafohezana ny fandaharam-potoana any amin’ny trano fiangonana isaky ny alahady fotsiny … ,” hoy ny Loholona Cook. “Ireo tanjona sy fitahiana mifandray amin’ity fanovana ity sy ireo fanovana hafa vao haingana dia ahitana izao manaraka izao:

  • “Fitondrana fiovam-po lalina ao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo ary fampatanjahana ny finoana Azy ireo.

  • “Fanamafisana orina ny isam-batan’olona sy ireo fianakaviana amin’ny alalan’ny fandaharam-pampianarana manome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana, izay mandrisika ny fiainana ny filazantsara amim-pifaliana.

  • “Fanajana ny andro Sabata miaraka amin’ny fifantohana amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo.

  • “Fanampiana ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra eo amin’ny lafiny roa amin’ny voaly amin’ny alalan’ny asa fitoriana ny filazantsara sy fandraisana ireo ôrdônansy sy ireo fanekempihavanana ary ireo fitahiana any amin’ny tempoly.”

Raha te hijery ny filazana momba ireo fanovana ireo dia jereo ny Russell M. Nelson, “Lahateny fanokafana,” ao amin’ny pejy 6 amin’ity gazetiboky ity; sy ny Quentin L. Cook, “Fiovam-po lalina sy maharitra ao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo,” ao amin’ny pejy 8. Raha te hahazo fampahalalana bebe kokoa mikasika ireo fanovana ireo dia tsidiho ny sabbath.lds.org mba hahitana taratasy iray avy tamin’ny Fiadidiana Voalohany, ireo valinteny ho an’ireo fanontaniana apetraka matetika, ary ireo loharanom-pitaovana fanampiny izay afaka manampy ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba hanaja ny Sabata.

Hamoaka printy