2018
Mafy orina sy mifototra ao amin’ny finoana an’i Kristy
Nôvambra 2018


Mafy orina sy mifototra ao amin’ny finoana an’i Kristy

Ny fikirizana ho mafy orina sy mifototra ao amin’ny finoana an’i Kristy dia mitaky ny filentehan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao am-pon’ny olona iray sy ao anatin’ny fanahiny.

Ao amin’ny tantaran’ny Testamenta Taloha dia ahitantsika vanim-potoana nifanesy izay nanaovan’ny zanak’i Isiraely fanekempihavanana tamin’i Jehovah sy nivavahany Taminy ary nisy ireo fotoana izay tsy niraharahian’izy ireo izany fanekempihavanana izany ary nivavaka tamin’ny sampy na Bala izy ireo.1

Ny fotoana nanjakan’i Ahaba no iray amin’ireo fotoana nisian’ny apôstazia tany amin’ny fanjakana avaratra tany Isiraely. Indray mandeha ny mpaminany Elia dia niteny tamin’i Ahaba Mpanjaka mba hamory ny vahoakan’ny Isiraely ary koa ireo mpaminany na ireo mpisoron’i Bala tany an-tendrombohitra Karmela. Rehefa tafavory ny vahoaka dia nilaza tamin’izy ireo i Elia hoe: “Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo? [na amin’ny teny hafa, “Rahoviana ianareo no handray fanapahan-kevitra tanteraka?”] Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly azy akory.”2 Noho izany dia nanome torolalana i Elia ny mba hanapahan’izy sy ireo mpaminanin’i Bala vantotr’ombilahy ary hametraka izany eo ambonin’ny kitay hazo eo amin’ny alitaran’izy ireo tsirairay avy fa “tsy hasiana afo ao.”3 Avy eo, “Miantsoa ny anaran’ny andriamanitrareo hianareo, ary izaho kosa hiantso ny anaran’i Jehovah; koa Izay Andriamanitra mamaly amin’ny afo, dia aoka izy no ho Andriamanitra. Ary ny olona rehetra namaly hoe: Marina izany teny izany.”4

Hotsaroanao fa niantsoantso an’ilay andriamanitr’izy ireo izay tsy nisy ireo mpisoron’i Bala nandritra ny ora maro mba handefa afo saingy, “tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory.”5 Rehefa tonga ny anjaran’i Elia dia namboarin’i Elia ny alitaran’ny Tompo izay rava, ary napetrany teo ambonin’izany ny kitay hazo sy ny fanatitra ary avy eo dia nanome baiko izy ny hanondrahana rano izany rehetra izany ka tsy indray mandeha fotsiny fa intelo. Azo antoka fa na izy na ny herin’olombelona hafa dia tsy afaka nandrehitra ilay afo.

“Ary nony tamin’ny fotoan’ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah ô, Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin’ny Isiraely, ary Izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao. …

“Dia latsaka ny afon’i Jehovah ka nandevona ny fanatitra odorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin’ny hady kely.

“Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.”6

Amin’izao fotoana izao dia mety hiteny i Elia hoe:

  • Na ny Andriamanitra Raintsika any An-danitra dia misy, na Izy tsy misy, kanefa raha misy Izy dia mivavaha Aminy.

  • Na i Jesoa Kristy ilay Zanak’ Andriamanitra, no ilay Mpanavotra an’izao tontolo izao nitsangana tamin’ny maty, na tsy Izy izany. Saingy raha Izy izany, dia manaraha Azy.

  • Na ny Bokin’i Môrmôna dia tenin’ Andriamanitra, na tsy tenin’ Andriamanitra. Saingy raha izy izany dia “[manatòna bebe kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandalinana] ny fepetra ao anatiny.”7

  • Na i Joseph Smith nahita ny Ray sy ny Zanaka sy niresaka tamin’izy ireo tamin’ny andro lohataona tamin’ny taona 1820, na tsy niaina izany izy. Saingy raha niaina izany izy dia araho ny mpaminany ary tafiditra ao anatin’izany koa ireo fanalahidin’ny famehezana izay nomeko, izaho, Elia, azy.

Nandritra ny fihaomben’ny Fiangonana farany teo dia nanambara ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Tsy mila manontany tena mikasika izay marina ianareo [jereo ny Môrônia 10:5]. Tsy mila manontany tena ianareo hoe iza no azonareo itokiana. Amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana, no ahafahanareo mahazo fijoroana ho vavolombelona anareo manokana fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna, fa mpaminany i Joseph Smith, ary ity no Fiangonan’ny Tompo. Na inona na inona mety holazain’ny hafa na hataony, dia tsy misy olona afaka hanaisotra ny fijoroana ho vavolombelona napetraka tao am-ponareo sy ao an-tsainareo momba izay marina.”8

Rehefa nampanantena i Jakoba fa Andriamanitra dia “manome malalaka ho an’ny olona rehetra” izay mikatsaka fahendrena,9 dia nampitandrina koa izy hoe:

“Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory. Fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany.

“Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo izany olona izany.

“Olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra.”10

Ny Mpamonjy antsika etsy ankilany dia ohatra iray eo amin’ny tsy fiovaovana. Hoy Izy hoe: “Tsy nandao Ahy ho irery Andriamanitra, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva.”11 Diniho ireto famaritana avy ao amin’ny soratra masina ireto mikasika ireo lehilahy sy vehivavy izay mafy orina sy mifototra, tahaka ny Mpamonjy:

Izy ireo dia: “Niova fo ho amin’ny finoana marina; ary tsy te hiala tamin’ izany izy fa niorina sy nifototra ary tsy niova, vonona hitandrina ny didin’ny Tompo tamin’ ny fahazotoana rehetra.”12

“Mitombina ny sainy, ary apetrany lalandava amin’ Andriamanitra ny fitokiany.”13

“Ary indro, fantatry ny tenanareo ihany, satria efa nijoro ho vavolombelon’izany ianareo, fa izay rehetra taminy ka entina ho amin’ny fahalalana ny marina … dia miorina sy mifototra amin’ny finoana izy, sy ao amin’ny zavatra izay efa nanafahana azy.”14

“Ary izy ireo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.”15

Ny fikirizana ho mafy orina sy mifototra ao amin’ny finoana an’i Kristy dia mitaky ny filentehan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao am-pon’ny olona iray ao anatin’ny fanahiny. Izany dia midika fa ny filazantsara dia tsy lasa iray amin’ireo zavatra maro mitarika eo amin’ny fiainan’ny olona iray fotsiny fa fototra ijoroan’ny fiainany sy ny toetrany. Hoy ny Tompo:

“Ary homeko fo vaovao hianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary esoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.

“Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy.

“Ka … ho oloko hianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.”16

Izany no fanekempihavanana ataontsika amin’ny alalan’ny batisantsika sy ao anatin’ireo ôrdônansin’ny tempoly. Misy olona sasany anefa mbola tsy nandray tanteraka ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo. Na dia nilaza aza i Paoly fa izy ireo dia “niara-nalevina tamin’i [Kristy] tamin’ny batisa,” dia mbola tsy tanterak’izy ireo ilay ampahany hoe “mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty … no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao [iray].”17 Mbola tsy ahafahana mamaritra azy ireo ny filazantsara. Mbola tsy mifototra amin’i Kristy izy ireo. Fidifidin’izy ireo izay fotopampianarana sy didy harahin’izy ireo sy ny toerana ary ny fotoana hanompoan’izy ireo ny Fiangonana. Kanefa amin’ny alalan’ny fitandremana amin’ny antsipiriany ireo fanekempihavanan’izy ireo no hisorohan’ireo izay “olom-boafidy [araka ny filazantsara]”18 ny famitahana sy hijanonan’izy ireo ho mafy orina ao amin’ny finoana an’i Kristy.

Ny ankamaroantsika amin’izao fotoana izao dia eo anelanelan’ny fandraisana anjara amin’ireo fomba fanao ao amin’ny filazantsara izay entanin’ny maha-ao anatin’ny vondrona iray fotsiny ihany etsy an-kilany, sy ny fanolorantena amim-pahamatorana araka ny nataon’i Kristy mba hanao ny sitrapon’ Andriamanitra etsy an-daniny. Ao anatin’izany fivoarana izany dia hidiran’ny vaovao mahafalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny fontsika ary lasa hanjakan’izany ny fanahintsika. Mety tsy hitranga ao anatin’ny indray mipi-maso izany, kanefa tokony hizotra mankany amin’izany toe-javatra tena tsara izany isika rehetra.

Sarotra nefa tena manan-danja ny fijanonana ho mafy orina sy mifototra rehefa hitantsika fa diovina “ao amin’ny memin’ny fahoriana,”19 isika, izay zavatra hitranga amintsika rehetra eto amin’ny fiainana an-tany na ho ela na ho haingana. Rehefa tsy miaraka amin’ Andriamanitra dia toa mitondra any amin’ny fahaverezan’ny fanantenana, fahakiviana ary fahatezerana mihitsy aza ireo zavatra maloka niainana ireo. Rehefa miaraka amin’ Andriamanitra, dia fampaherezana no lasa eo amin’ny toeran’ny fanaintainana, fiadanana no lasa eo amin’ny toeran’ny korontana, ary fanantenana no lasa eo amin’ny toeran’ny alahelo. Ny fijanonana ho mafy orina ao amin’ny finoana an’i Kristy dia hitondra ilay fahasoavany sy fanohanany maharitra.20 Hanova ny fitsapana ho fitahiana Izy ary araka ny tenin’i Isaia dia “hanome … hamama ho solon’ny lavenona.”21

Mamelà ahy hitanisa ohatra telo izay fantatro manokana:

Misy vehivavy iray, ianjadian’ny aretina mampahaosa sy tsy ahitam-panafana, izay mikiky azy na dia eo aza ny fitsaboana sy ireo tsodranon’ny fisoronana sy ny fifadian-kanina ary ireo vavaka natao. Na izany aza dia tsy nihena ny finoany ny herin’ny vavaka sy ny tena fisian’ny fitiavan’ Andriamanitra azy. Tohizany hatrany isan’andro (ary indraindray isan’ora) ny fanompoana noho izy manana antso ao amin’ny Fiangonana sy ny fikarakarany miaraka amin’ny vadiny ilay fianakaviany izay ahitana zanaka mbola kely ary ny fitsikitsikiany araka izay azony atao. Ny fangorahany ny hafa dia zavatra lalim-paka ao anatiny ary nampivelarin’ilay fijaliana niainany manokana, ary mirotsaka ao anatin’ny fanompoana ny hafa izy matetika. Tohiziny tsy tapaka izany ary mahatsapa fifaliana ny olona manodidina azy.

Misy lehilahy iray, lehibe tao amin’ny Fiangonana, nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno sy nanambady vehivavy mahafinaritra iray, izay taitra rehefa nanomboka nitsikera ny Fiangonana sy ny Mpaminany Joseph Smith ny sasany tamin’ireo iray tampo aminy. Fotoana fohy taorian’izany dia niala tamin’ny Fiangonana izy ireo ary niezaka ny nandresy lahatra azy mba hanaraka azy ireo. Toy ny miseho mahazatra amin’ny toe-javatra toy ireny, dia nototoran’izy ireo lahatsoratra, horonam-peo azo alaina amin’ny alalan’ny internet, ary horonan-tsary novokarin’ireo mpitsikera izy, ary ny ankamaroan’izy ireo dia olona mpikamban’ny Fiangonana teo aloha izay manana lolom-po. Nandrabiraby ny finoany ireo mpiray tampo aminy ary nolazain’izy ireo fa minomino foana sy voafitaka izy. Tsy nanana zavatra nentina namaliana ireo fanaporofoana rehetra nataon’izy ireo izy, ary nanomboka nihozongozona ny finoany teo anatrehan’ilay fanoherana tsy tapaka. Nanontany tena izy raha toa ka tokony hijanona tsy hiangona. Niresaka tamin’ny vadiny izy. Niresaka tamin’ny olona nananany fitokiany izy. Nivavaka izy. Rehefa nandinika niaraka tamin’izany saina nikorontana izany izy dia nahatsiaro ireo fotoana nahatsapany ny Fanahy Masina ary nandraisany tenivavolombelona momba ny fahamarinana tamin’ny alalan’ny Fanahy. Namoaka fehinkevitra izy hoe: “Raha mahitsy fo aman-tsaina amin’ny tenako aho dia tsy maintsy miaiky fa mihoatra ny indray mandeha ny nikasihan’ny Fanahy ahy ary tena misy ny fijoroan’ny Fanahy ho vavolombelona.” Manana fahatsapana fifaliana sy fiadanana vaovao izy izay iainan’ny vadiny sy ny zanany koa.

Misy mpivady iray izay nanaraka tsy tapaka sy tamim-pifaliana ny torohevitr’ireo Rahalahy teo amin’ny fiainan’izy ireo, izay nalahelo noho ny toe-javatra sarotra niainan’izy ireo mba hahazoana zaza. Nandany vola be izy ireo rehefa niara-niasa tamin’ny mpitsabo matihanina ary rehefa nandeha ny fotoana dia nahazo zazalahy izy ireo. Indrisy anefa fa herintaona taty aoriana teo, dia niharan-doza ilay zaza izay tsy fahadisoan’iza na iza, saingy lasa manana toe-tena antsoina hoe semi-comateux izy ary misy tsy fahatomombanana maro ao amin’ny atidohany. Efa nahazo fitsaboana faran’izay tsara izy saingy tsy afaka milaza ny zavatra hitranga any aoriana ireo dokotera. Io zaza izay notadiavin’izy mivady mafy sy nivavahany mafy io mba hoentina eto amin’izao tontolo izao dia nalaina tamin’izy ireo amin’ny lafiny iray, ary tsy fantatr’izy ireo raha haverina amin’izy ireo izy. Amin’izao fotoana izao izy ireo dia sahirana sady mikarakara ireo zavatra tena ilain’ilay zanak’izy ireo no manatanteraka ireo andraikitra hafa sahanin’izy ireo. Mitodika any amin’ny Tompo izy ireo ao anatin’izao fotoana faran’izay sarotra izao. Miantehitra amin’ny “[hanina sahaza isan’andro]” izay raisin’izy ireo avy Aminy izy ireo. Ampian’ireo namana sy fianakaviana feno fangorahana izy ireo ary ampatanjahan’ireo tsodranon’ny fisoronana. Nifanakaiky bebe kokoa izy ireo, ary ny fifandraisan’izy mivady angamba dia lalim-paka sy feno kokoa amin’izao fotoana izao noho ny amin’ny alalan’izay mety ho fomba hafa ahafahan’izany miseho.

Tamin’ny 23 jolay 1837, dia nomen’ny Tompo fanambarana iray i Thomas B. Marsh izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany. Ahitana izao manaraka izao izany:

“Ary mivavaha ho an’ireo rahalahinao ao amin’ny Roambinifololahy. Ampitandremo mafy tokoa izy ireo noho ny anarako, ary aoka hanarina izy ireo noho ny fahotany rehetra, ary aoka ianao ho mahatoky eo anoloako amin’ny anarako.

“Ary aorian’ny fakana fanahy azy ireo sy ny fahoriany be, dia indro, Izaho Tompo no hitady azy ireo, ary raha tsy manamafy ny fony izy ireo ary tsy manenjana ny hatony Amiko dia hovana fo ary hositraniko.”22

Mino aho fa ireo fitsipika nambara ao anatin’ireo andininy ireo dia miantefa amintsika rehetra. Ireo fakam-panahy sy fahoriana atrehantsika miampy an’izay mety ho fitsapana hitan’ny Tompo fa tokony holalovana, dia afaka mitondra any amin’ny fiovam-pontsika sy ny fahasitranantsika tanteraka. Saingy rehefa tsy manamafy ny fontsika sy tsy mampihenjana ny hatotsika Aminy isika, vao hitranga izany. Rehefa mitoetra ho mafy orina sy mifototra isika, na inona na inona mitranga, dia tratrantsika ilay fiovam-po tian’ny Tompo hahatongavana rehefa nilaza tamin’i Petera izy hoe: “Rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.”23 Dia fiovam-po tena feno izay tsy hay ravana izany. Ilay fahasitranana nampanantenaina dia ilay fanadiovana sy fanamasinana ny fanahintsika voaratran’ny fahotana, izay mampahatonga antsika ho masina.

Tsaroako ny torohevitry ny reninay hoe: “Hano ireo legioma nomena anao fa hahatsara anao izany.” Marina ny an’ireo renintsika ary ao anatin’ny sahan-kevitry ny fifotorana ao amin’ny finoana, ny hoe, “mihinana ny legioma nomena anao” dia midika hoe, mivavaka tsy tapaka, mivoky ny soratra masina isan’andro, manompo sy mivavaka any am-piangonana, mandray ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana isan-kerinandro, mitia ny namantsika ary mitondra ny hazofijaliantsika ao anatin’ny fankatoavana an’ Andriamanitra isan’andro.24

Tsarovy foana ilay fampanantenana ireo zavatra tsara ho avy amin’izao fotoana izao sy any aoriana ho an’ireo izay mafy orina sy mifototra ao amin’ny finoana an’i Kristy. Tsarovy ny “fiainana mandrakizay, sy ny fifalian’ny olomasina.”25 “Ô, ianareo rehetra izay madio am-po, andrandrao ny lohanareo ary raiso ny teny mahafinaritra izay an’ Andriamanitra ary mivokisa amin’ ny fitiavany; fa azonareo atao mandrakizay izany, raha mitombina ny sainareo.”26 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.