2018
Fandaharam-potoana ho an’ny ôktôbra–desambra 2018
Nôvambra 2018


Fandaharam-potoana ho an’ny ôktôbra–desambra 2018

Ireo fivorian’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana isaky ny alahady ho an’ny taona 2018 dia manaraka izao fandaharam-potoana isam-bolana izao:

Alahady voalohany: Mifampizara hevitra momba ireo andraikitra sy fahafahana manao zavatra ary ireo olana misy eto an-toerana dia manao drafitra hanaovana asa.

Alahady faharoa sy fahatelo: Mianatra ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany izay fidin’ny fiadidiana na, indraindray, ny eveka na ny filohan’ny tsatòka.

Alahady fahefatra: Miresaka lohahevitra iray manokana izay nofidin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Manomboka amin’ny ôktôbra ka hatramin’ny desambra 2018 dia ny fandalinan’ny tena manokana sy ny fianakaviana ny soratra masina no lohahevitra.

Alahady fahadimy: Eo ambany fitarihan’ny episkôpà.

Hamoaka printy