2020
Mizara hafatra mitondra fanantenana ireo apôstôly
Ôktôbra 2020


Mizara hafatra mitondra fanantenana ireo apôstôly

Manolotra hevi-baovao momba ny fiarahana akaiky amin’ Andriamanitra sy ny fanompoana amim-pitiavana ary ny fandrosoana amim-paharetana mandritra ny valan’aretina ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

women holding out their arms

Sary avy amin’ny Getty Images

Ho fiatrehana ny fiparitahan’ilay tsimokaretina manerana izao tontolo izao dia mandrara ny famoriam-bahoaka sy mampihatra ny fihibohana ireo mpitarika eo anivon’ireo fitondram-panjakana. Mikatona ireo sekoly, nofoanan’ireo mpitondra ara-pivavahana ireo fivoriam-piangonana ary ireo izay mivoaka ivelan’ny trano dia takiana hanao arotava ho fiarovana.

1919 no taona tamin’izay, ary ny valan’aretina gripa nahery vaika izay nanomboka ny taon-dasa dia naka ny ain’olona niisa am-polo tapitrisany maro.1 Ny Filoha Heber J. Grant (1856–1945), mpaminany vaovao tao amin’ny Fiangonana, dia voatokana tamin’ny nôvambra 1918 saingy tsy notohanana raha tsy tamin’ny jona 1919 satria nahemotra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany volana aprily.

Nandritra ny fanompoany taorian’ireo fotoana ireo sy ny fotoana feno fanamby hafa dia nanome torohevitra izay azo ampiharina amin’izao vanin’androntsika izao ny Filoha Grant rehefa nilaza izy hoe, “Tonga teto an-tany isika mba hahazo fahalalana, fahendrena sy traikefa, mba hianatra lesona, hisedra fanaintainana, hiaritra fakam-panahy, ary handray ny fandresena amin’ny fiainana ety an-tany.” Avy tamin’ny fahalalana azony tao anatin’ireo fitsapana nahery vaika izay nosedrainy dia nampiany hoe, “Fantatro … fa amin’ny fotoana feno zava-tsarotra ny Olomasin’ny Andro Farany dia mahazo fampiononana sy voatahy ary mahazo fankaherezana mihoatra ny olona hafa!”2

Amin’izao “fotoana feno zava-tsarotra” atrehantsika miaraka amin’ny coronavirus izao dia mandray fampiononana sy fankaherezana avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny isika. Ny fahafantarantsika fa ny Raintsika any An-danitra dia tia ireo zanany ary niantso mpaminany sy apôstôly amin’izao androntsika izao mba hitarika antsika hamakivaky ireo tafiotry ny fiainana ety an-tany dia fitahiana lehibe.

Avy tamin’ireo torohevitra nozaraina nandritra ny tafatafa natao vao tsy ela dia mpikambana maromaro ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no nampahatsiahy antsika fa afaka mahatsapa fifaliana isika ary mibanjina ny hoavy amin’ny fanantenana na inona na inona toe-javatra mitranga manodidina antsika.3

couple on computer

Sary nalain’i Welden C. Andersen

Mandroso hatrany ny asa

Nisy fotoana ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) no nampitaha ny Fiangonana tamina “valalamanjohy lehibe iray” izay nandroso hatrany na dia teo aza ny fanoherana.4 Ny Loholona David A. Bednar dia nilaza fa ny antony ahafahan’ilay valalamanjohy mandroso tsy an-kiato dia noho ny fiomanana nentanim-panahin’ny Fiangonana sy ny tantarany izay feno zava-tsarotra.

Nilaza izy fa “-Tsy misy tanan’olon-dratsy afaka ny hanakana an’ity asa ity tsy handroso,-5 ary tsy misy ihany koa valan’aretina afaka hanakana an’ity asa ity tsy handroso.” “Na dia eo aza ireo fanamby izay iainantsika amin’izao fotoana izao noho io tsimokaretina io dia mandroso hatrany ny asa. … Tsy fantatsika hoe haharitra hafiriana izany, saingy handresy isika. Ary mety tsy hiverina tanteraka hitovy amin’ny taloha toy izay nahafantarantsika azy ny fomba fiainantsika saingy ny maro amin’ireo fampifanarahana sy fanovana ireo dia ho zavatra tena tsara tokoa.”

Nilaza ny Loholona Quentin L. Cook fa ny fiomanana nentanim-panahy nataon’ny Fiangonana dia ahitana ohatra izay tonga amin’ny fotoana tena ilana azy toy ny fanamafisana ny fitsaohana amin’ny andro Sabata, ny fanamafisana orina ny kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana, ny fiovana ho amin’ny fanompoana, sy ny nanombohana ny Avia, hanaraka Ahy, ireo horonan-tsary momba ny Bokin’i Môrmôna, ary ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo.

Nilaza izy fa “Hanao jery todika momba izany isika ho toy ny fotoana fototra hanaovana fiomanana fa tsy zavatra izay tsy maintsy niaretana fotsiny ihany.”

Manohana izany ny Filoha M. Russell Ballard, Filoha mpisolo toerana an’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Na dia eo aza ny fikatonana vonjimaika ny tempoly sy ny trano fivoriana, ireo mpikamban’ny Fiangonana dia manana ireo fitaovana ara-panahy izay ilain’izy ireo mba hanohizana ny fandrosoana hatrany.

Tsaroan’ny Filoha Ballard ny fahatsapana nananany rehefa nody avy tany am-piangonana tamin’ny 7 desambra 1941 izy ka nahafantatra fa nisy nanafika ny Pearl Harbor ary i Etazonia dia mby hiditra amin’ny Ady Lehibe Faharoa. Toy ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana izao dia niasa saina izy ny amin’ny hoaviny ary nanontany tena raha toa ka hanana hoavy izy.

“Saingy tsy izany anefa no nitranga” hoy izy. Toy ny nandresen’ireo vahoaka afaka tao amin’izany ady izany dia handresy ny ady amin’ny coronavirus ihany koa izao tontolo izao. Hoy izy hoe, “Hilamina avokoa ny zava-drehetra rehefa mampitodika ny fontsika amin’ny Raintsika any An-danitra sy mibanjina Aminy sy amin’ny Mpamonjy izay Mpanavotra ny olombelona rehetra isika.”

Fomba iray androsoan’ny Fiangonana hatrany ny ezaka ataony amin’ny fitoriana ny filazantsara, izay mifanaraka amin’ireo fiovana misy eo amin’izao tontolo izao. Nilaza ny Loholona Dieter F. Uchtdorf fa ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia efa nandalina fomba vaovao hizarana ny filazantsara na dia talohan’ny nanombohan’ny fanakorontanan’ny COVID-19 ny asa fitoriana aza. Tao anatin’izany fanakorontanana izany ny namerenana misiônera an’arivony any amin’ny firenena niavian’izy ireo, ny nisaorana ny sasany amin’izy ireo mialoha, ary ny fanendrena ny hafa ho amin’ny toeran-kafa.

Nilaza izy fa ny “COVID-19 dia nanafaingana ny zavatra neritreretinay momba ity ary nanokatra ny masonay.” Vokatr’izany, ny teknôlôjia sy ny tambajotran-tserasera ankehitriny dia mamela antsika handroso ao amin’ireo ankohonana sy tokantrano izay tsy nahafahantsika niditra teo aloha noho ny fikatonan’ny fiarahamonina.

Nanamafy ny Loholona Uchtdorf fa “hitohy hatrany ny fandrosoan’ny asa fitoriana na dia eo aza ilay valan’aretina.” “Isika dia manohy mianatra ny fomba hanatsarana ny asa fitoriana amin’izao fotoana izao ary amin’ny hoavy. Ny Tompo dia efa nampanantena ny hanafaingana ny Asany ho fitahiana ny zanak’ Andriamanitra rehetra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:73). Tsapako fa tena ao anatin’izany dingana izany isika raha eo am-piatrehana izao fotoana feno fanamby izao. Ireo misiônera sarobidintsika ireo no mpisava lalana amin’izao androntsika izao, manokatra lalam-baovao hizarana ny hafatry ny filazantsara amin’ny fomba vaovao mifanaraka amin’ny toe-javatra misy eo amintsika mba hahafahan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy hitohy handroso mba -hikodiadia ambara-pamenoany ny tany manontolo-” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:2).

Tsy ny fahafahana vaovao mba hitoriana ny filazantsara ihany no zavatra izay hany misokatra. Ny fo ihany koa dia misokatra satria matetika ny fotoan-tsarotra no mampanetry ny olona ary mampitodika azy ireo amin’ Andriamanitra, hoy ny Loholona D. Todd Christofferson.

“Izy ireo dia lasa misokatra kokoa amin’ny fieritreretana ny hoe: -Ary toa tsy ny kaontiko any amin’ny banky ihany no ilaiko eo amin’ny fiainana. Mety misy zavatra lehibe kokoa mihoatra ny zavatra izay niainako angamba amin’ny fiainana-” hoy ny olona.

Mamporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana ny Loholona Christofferson hikatsaka fahafahana azo araraotina hitoriana ny filazantsara, toy ny fizarana hafatra sy sary maneho hafatra mifandray amin’ny filazantsara amin’ny alalan’ireo tambajotran-tserasera, fifaneraserana amin’ireo misiônera amin’ny fotoana feno momba ny fanampiana amin’ny fakana ho namana ireo olona izay ampianarin’izy ireo en ligne, ary ny fifandraisana amin’ireo olona izay tsy hitan’izy ireo matetika.

Fifanalavirana aman’olona ary fanatonana an’ Andriamanitra

Ny fomba iray hafa androsoan’ny Fiangonana hatrany dia hita taratra amin’ny fiatrehan’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny lafiny ara-panahy ireo fanamby ara-nofo toy ny COVID-19. Mba ho fiarovana ny tenantsika dia mampitombo ny fifanalavirana amin’ny hafa isika, saingy ho fiarovana antsika ara-panahy dia manakaiky bebe kokoa ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany Lahy isika. Nanome fahafahana misimisy kokoa ny mpikamban’ny Fiangonana maro mba hampitombo ny fiarovana ara-panahy ao amin’izy ireo amin’ny alalan’ny fanarahana ny torohevitry ny Filoha Russel M. Nelson mba hihaino ny Tompo ny COVID-19.

Nilaza ny Filoha Nelson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2020 fa “Fantatry ny Raintsika fa rehefa manemitra antsika manodidina ny tebiteby sy ny tahotra, dia ny mihaino ny Zanany no hanampy antsika indrindra.” Nampiany hoe, “Eo am-pikatsahantsika ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy dia vao mainka tokony ho avy amin’ny nahim-po kokoa ny ezaka ataontsika hihainoana Azy. Mila ezaka an-tsitrapo sy tsy tapaka ny famenoana ny fiainantsika isan’andro amin’ny teniny sy ny fampianarany, ary ireo fahamarinany.”6

Na dia tsy tiantsika aza ny fampiatoana ny fivoriam-piangonana, ny fanakatonana ny tempoly, na ny fahaverezan’asa, ny fandaniam-potoana bebe kokoa ao an-tokantrano dia manome antsika “fahafahana mba hisaintsaina momba ny fifohazana ho amin’ Andriamanitra” (jereo ny Almà 5:7), hoy ny Loholona Cook. “Mety ho fanairana ara-panahy mampifantoka antsika amin’ireo zavatra izay tena manan-danja indrindra angamba ireo tranga niseho vao haingana. Raha izany no izy, dia ho fitahiana lehibe amin’izao vanin’andro izao mba hifantohana amin’ny zavatra izay azontsika hatao lavorary eo amin’ny fiainantsika sy ny fomba hahafahantsika hitahy ny fiainan’ny hafa izany rehefa mifoha ho amin’ Andriamanitra isika ary mandroso hatrany manaraka ny lalan’ny fanekempihavanana.”

Nanampy ny Loholona Jeffrey R. Holland, nanao hoe, “Ny fotoana toy izany dia manasa antsika mba hijery ny ao anaty fanahintsika ao mba hahitana raha toa ka tiantsika ny zavatra izay hitantsika ao. Izany no miseho rehefa mieritreritra [isika] momba ny hoe iza marina [isika] ary inona marina no tena manan-danja.”

Ny fotoana toy izany dia manasa antsika mba hampitombo ny finoantsika, ny fanompoantsika, sy ny fankasitrahantsika, manosika antsika “hahatsiaro ny fiankinantsika amin’ Andriamanitra sy ireo fitahiana avy Aminy izay matetika no tsinontsinoavintsika,” hoy ny Loholona Holland. “Tokony ho feno fankasitrahana bebe kokoa amin’ny Raintsika any An-danitra isika, ho feno fisaorana bebe kokoa, sy hahatsiaro bebe kokoa ireo olana maro izay voavaha noho Andriamanitra, ireo anjely, ireo fampanantenana araka ny fanekempihavanana ary ny vavaka.”

Ny tena tokony ankasitrahantsika dia ny fitahiana avy amin’ny fahatsiarovana “ny naha-feno famindram-po ny Tompo tamin’ny zanak’olombelona, hatry ny nahariana an’i Adama ka hatramin’[izao] fotoana izao” (Môrônia 10:3). Ny mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza fa rehefa takiana mba “hihiboka ao an-trano” isika, dia afaka manaraka ny ohatr’i Nefia sy Almà, mahatsiaro fa Izy “izay nitokia[ntsika] ,” ny Mpamonjy Jesoa Kristy, “dia mbola hanafaka [antsika]” (2 Nefia 4:19; Almà 36:27). Ary isika dia afaka mahatsiaro, araka ny nampianarin’ny Apôstôly Paoly, fa tsy misy zavatra “hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy” (jereo ny Romana 8:35).

Ny Tompo Jesoa Kristy “no arontsika indrindra” (jereo ny Salamo 61:1–4), hoy ny Loholona Holland. “Na inona na inona zavatra hafa hitranga, isika dia tsy ho tafasaraka na oviana na oviana amin’ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny fanatrehany, na dia tsy tsikarintsika aza izany mandritra ilay fotoana. Ny Fanahy dia tsy voasakan’ny tsimokaretina, na ny sisin-tany iraisam-pirenena, na ny vinavina ara-pahasalamana.”

woman on a walk talking to women at window

Sary avy amin’ny Getty Images

“Manaova zavatra feno hatsaram-panahy”

Vao haingana izay, raha teo am-pamakiana tatitra novokarin’ny komity iray eo anivon’ny Fiangonana ny Loholona Christofferson dia lasa niasa saina momba ny vokatry ny “fanerena ho manirery” izay mety hiseho amin’ireo mpikambana tokan-tena eo anivon’ny Fiangonana—na antitra na tanora izy.

“Ny fanerena ho manirery dia afaka ny hitarika amin’ny fahatsapana ho irery, ary ny fahatsapana ho irery dia afaka ny hanana fiantraikany ratsy eo amin’ny toe-pahasalamana ara-batana sy ara-tsaina,” hoy izy. “Mba hanoherana izany dia mandrisika ireo izay mahatsapa ho manirery ny hitady fomba mba -hanaovana zavatra feno hatsaram-panahy- ho an’ny olon-kafa ny manampahaizana sasany misahana ny fahasalamam-bahoaka.”

Afaka mitady fomba mba hanompoana sy hanampiana ary hanomezana ho an’ny hafa, indrindra indrindra ireo izay manirery ny Olomasin’ny Andro Farany, hoy ny Loholona Christofferson, ary ny mpikambana manirery izay manao asa fanompoana ho an’ny hafa dia afaka mampihena ny fahatsapana ho mitoka-monina ao amin’izy ireo.

“Mifantoha amin’ny fanompoana,” hoy izy. “Maro ireo zavatra izay azontsika atao ho antsika samy isika mba hananana fahatsapana fiombonana sy firahalahiana ary firahavaviana. Izao dia fotoana hahafahan’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana tena hanatona ireo olona ao aminy ary hanolotra ny zavatra izay izy ireo no tena natao hitondra azy.”

Tsy handefa hafatra amin’ny alalan’ny sms foana hoy izy, fa “araka ny hevitro dia tena mahasoa ny miantso ny olona iray amin’ny fampiasana ilay teknôlôjia efa antitra antsoina hoe telefaonina. Miantsoa mba hiresaka sy hifandray. Avelao izy ireo haheno feo.”

Afaka hanova zavatra be sy hanazava ny tontolo andron’ny olona iray amin’ny fomba izay tsy takatry ny saintsika ny ezaka bitika mba hanolo-tanana ny hafa. “Tena ilain’ny olona izay tena mitoka-monina ny fanompoana ataontsika,” hoy ny Loholona Cook.

Nandroso ny Loholona Holland fa “tokony hanokana ny sasany amin’ny ampahan’ny androntsika isika mba hiresahana amin’ny olona izay mila tosika. Mazava ho azy, mahazo tosika isika amin’ny fanaovana izany, noho izany ny tsirairay dia, -nasandratra- (3 Nefia 27:14, 15), araka izay nolazain’ny Mpamonjy fa nanirahana Azy tety an-tany.”

Fomba iray hahafahantsika manandratra ny tenantsika sy ny hafa ny fiomanana ho amin’ny andro izay hisokafan’ny tempoly indray. Ny fikatonan’ny tempoly—na izany noho ny valan’aretina, na fanavaozana, na fanadiovana—dia “manolotra fahafahana mahatalanjona mba hianarana misimisy kokoa momba ny fikarohana ny tantaram-pianakaviana, ny firaketana faobe, sy ny fomba hanomanana anarana be dia be ho an’ny andro izay hisokafan’ireo varavaran’ny tempoly indray, ” hoy ny Loholona Bednar.

Na misokatra na mikatona ny tempoly, ny Loholona Bednar dia nanampy fa ireo mpikamban’ny Fiangonana dia mbola afaka miezaka ihany ny ho mendrika ny hanana fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly manan-kery.

Lesona tian’ny Tompo hianarantsika

Nanamarika ny Loholona Bednar fa na dia tsy misy olona te hisafidy ny ho tratran’ny valan’aretina COVID-19 aza dia misy ny areti-mandringan’ny andro farany izay mamely antsika.

“Miaraka amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay izay atolotry ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny sy ny fahasoavana izay tonga avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, isika dia afaka mianatra lesona avy amin’ny zava-tsarotry ny fiainana an-tany izay manomana antsika ho amin’ny fitahian’ny mandrakizay” hoy izy. “Tsy maintsy mivavaka isika. Tsy maintsy mikatsaka isika. Tsy maintsy mangataka isika. Tsy maintsy manana maso mba hahita sy sofina mba hihaino isika. Fa isika dia afaka ny ho voatahy amin’ny fomba mahatalanjona mba hianatra lesona izay hitahy antsika ankehitriny sy ho an’ny mandrakizay.”

Miaraka amin’ny fiantraikany mampivaloarika eo amin’ireo fianakaviana manerana an’izao tontolo izao, ny COVID-19 dia nampianatra ny olona mba hampiseho firaharahiana bebe kokoa ho an’ny hafa, hoy ny Filoha Ballard.

“Lasa tonga saina isika ny amin’ny maha sarobidy ny fianakaviantsika hoy izy, ny maha sarobidy ireo mpifanolobodirindrina amintsika, sy ny maha sarobidy ny mpiara-miangona amintsika,” hoy izy. “Misy ny lesona ianarantsika amin’izao fotoana izao izay hahatonga antsika ho lasa olona tsaratsara kokoa.”

Ary rehefa dila izao tafiotra izao, dia inona no hiandry antsika? Zavatra toy izany ihany, hoy ny Loholona Uchtdorf. Ireo zanak’ Andriamanitra ao anaty sy ivelan’ny Fiangonana dia mbola hiatrika fanamby.

“Miaina amina fotoana tokony ianarantsika zavatra isika,” hoy izy. Ary ny lesona tena manan-danja indrindra azontsika ianarana dia ny hoe ny vahaolana amin’ny fanamby izay mbola ho avy dia tsy inona fa ny vahaolana amin’ny fanamby atrehantsika amin’izao fotoana izao: dia ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izany.

Koa satria manana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ny Olomasin’ny Andro Farany, hoy ny Loholona Holland, dia afaka mianatra ny hijery ny lafitsaran-javatra sy hiandrandra zavatra tsara izy ireo, manao ny farany izay tsara vitan’izy ireo ary mitazona ny Tompo amin’ny teniny raha nilaza Izy hoe, “Aoka isika hazoto hanao ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika; ary rehefa izany dia enga anie ka hahajoro isika omban’ny fahatokian-tena lehibe indrindra fa hahita ny famonjen’ Andriamanitra ary ny fampisehoana ny sandriny”(Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:17).

“Maro ireo zavatra izay tokony hiravoravoana rehefa manadio ny finoantsika sy matoky bebe kokoa ny Tompo ary mahita ireo fahagagana amin’ny fanafahany isika,” hoy ny Loholona Holland.

Fanamarihana

  1. Jereo ny William G. Hartley, “The Church Grows in Strength,” Ensign, Sept. 1999, 35.

  2. Enseignements des Présidents de l’Église: Heber J. Grant (2002), 49, 48.

  3. Jereo ny Russell M. Nelson, “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 82.

  4. Bruce R. McConkie, “The Caravan Moves On,” Ensign, Nov. 1984, 85.

  5. Joseph Smith, ao amin’ny History of the Church, 4:540.

  6. Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 89.