2020
Manomboka eto ny ho an’ny Zatovo
Ôktôbra 2020


Zatovo

Garret W hugging someone

Rehefa natokana ho misiônera amin’ny fotoana feno hanompo ao amin’ny misiônan’i San Bernardino Californie aho dia niaraka tamiko ny fianakaviako. Ity dia sariko mamihina ny iray amin’ireo rahalahiko taorian’ny nanokanana ahy. Lava ny dia nahatongavana teo saingy feno fankasitrahana aho noho ireo fiovana hitako teo amiko sy teo amin’ny fianakaviako.

Tamin’izaho kilasy fahiraika ambin’ny folo tao amin’ny lycée dia niharan’ny lozam-pifamoivoizana goavana. Talohan’izay aho dia tsy nanao tsotra izao ireo zavatra izay tokony nataoko. Taorian’ilay loza anefa dia tena niova tanteraka ny fomba fijeriko. Saika maty aho tamin’izay, ary tsy naniry aho ny hiafaran’ny zava-drehetra tahaka izany. Ny evekako dia nanampy ahy hiverina eo amin’ny lalana tokony ho izy: famakiana ny Bokin’i Môrmôna isan’andro ary fiomanana hanao asa fitoriana.

Ny hazakazaka no fanatanjahan-tena fanaoko, no sady zavatra ankafiziko ihany koa. Taorian’ilay loza dia tsy afaka nandray anjara tamin’ny ambin’ny taona intsony aho ary nanontany tena aho hoe inona moa izany no mba hany sisa ananako. Saingy nitodika tamin’ny Tompo aho, ary rehefa nanao izany aho dia tena nahavariana ny taona nanaraka izay. Mbola nisy ireo zavatra nanahirana, saingy ny zavatra niova kosa dia tsy nihazakazaka ho an’ny tenako intsony aho fa nataoko ho an’ny Tompo kosa izany.

Ny fahitana fotsiny ireo fitahiana maro izay afaka ny ho tonga avy amin’ny fahafenoan’ny filazantsara no nanova ahy. Noho ny fahazoana izany fahasambarana sy fifaliana rehetra izany dia maniry ny hizara izany manerana an’izao tontolo izao aho. Maniry mafy ny hananan’ny olona ny fifaliana ananako isan’andro noho ny filazantsara aho. Ary izany no antony hanaovako asa fitoriana amin’ny fotoana feno: hanampy “[h]anatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).

Garret W., 18, Caroline du Nord Etazonia