Mitoera eo amin’ny vatolampin’ny fanambarana
Nalaina avy tamin’ny lahateny nandritra ny fivoriana fankaherezam-panahy iray izay mitondra ny lohateny hoe, “Mitoera mandrakizay,” izay nozaraina tao amin’ny Onivesiten’i Brigham Young tamin’ny 22 janoary 2019.
Rehefa mifototra amin’ny vatolampin’ny fanambarana isika dia afaka mahita ny valin’ireo fanontaniana manan-danja indrindra.
Tao anatin’ny andraikitro tamin’ny maha-Manampahefana Ambony ahy taona vitsy lasa izay dia namaky fitaovana novokarina betsaka manohitra Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, sy ny mpaminany Joseph Smith, ny Bokin’i Môrmôna, ary ireo tranga tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny aho. Hatramin’ny niovan’io fanendrena io dia tsy niverina niditra kizo tamin’izany intsony aho.
Ny famakiana izany loharanom-pitaovana izany dia namela ahy hahatsapa ho maloka, ary indray andro izany fahatsapana haizina izany dia nanome aingam-panahy ahy hanoratra ampaham-balinteny ho an’ny filazana ny zavatra rehetra izay manohitra toy izany. Te hizara ny sasany amin’ireo hevitra izay nosoratako tamin’izay andro izay aho, ary na dia ho tombontsoako manokana aza ny zavatra nosoratako tamin’izay dia antenaiko fa hanampy anareo ihany koa izany.
Hitoetra mandrakizay ve isika?
Nilaza i Daniela mpaminany fa amin’ny andro farany ny “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay” (Daniela 2:44).
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fanjakan’ Andriamanitra. “Hitoetra mandrakizay” izany. Ny fanontaniana dia hoe: Moa ve izaho sy ianao hitoetra sa “te-hiala?” (Jaona 6:67). Ary raha miala isika, dia ho aiza?
Famantarana ny fotoantsika ny famitahana
Rehefa nanoritsoritra ny famantarana ny fiaviany sy ny fiafaran’izao tontolo izao ny Tompo dia nilaza zavatra maro Izy, tafiditra amin’izany ny ady sy ny tabataban’ady, firenena hitsangana hamely firenena, mosary, areti-mandringana, horohorontany, ary famantarana maro hafa, anisan’izany ity anankiray ity: “Fa amin’ireo andro ireo dia hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ary haneho famantarana sy zava-mahagaga lehibe, ka raha azo atao, dia hofitahiny na dia ny olom-boafidy aza, izay olom-boafidy araka ny fanekempihavanana” (Joseph Smith—Matio 1:22; jereo ihany koa ny Matio 24:24).
Tsy azoko antoka tsara hoe inona daholo no tiana holazaina amin’ny hoe “raha azo atao, dia hofitahiny na dia ny olom-boafidy aza,” fa mieritreritra aho fa farafaharatsiny izany dia midika fa hotsapaina avokoa ny tsirairay amin’izao androntsika izao.
Betsaka ny hamitaka, ary maro ny karazana fitaka. Eo an-daniny dia eo ireo izay manafika ny Famerenana amin’ny laoniny, sy ny mpaminany Joseph Smith, ary ny Bokin’i Môrmôna. Manaraka izany dia eo ireo izay mino ny Famerenana amin’ny laoniny saingy milaza fa misy tsy fahampiany ny Fiangonana ary efa nivily lalana. Ny hafa indray dia milaza fa mino ny Famerenana amin’ny laoniny saingy diso fanantenana amin’ny fotopampianarana izay mifanohitra amin’ireo fihetsika miovaova amin’izao androntsika izao. Ny sasany izay tsy manana fahefana dia mihambo ho nanana fahitana sy nofy ary fitsidihana entina hanitsiana ny Fiangonana, na hitarihana antsika ho amin’ny lalana avo kokoa, na hanomanana ny Fiangonana ho amin’ny fiafaran’izao tontolo izao. Ny sasany dia voafitaky ny fanahy sandoka.
Etsy ankilany indray dia ahitantsika tontolo iray manontolo feno rebireby. Tsy mbola nisy fampahalalana sy fampahalalana diso ary fampahalalana nodisoavina betsaka, fananana sy fitaovana ary kilalao betsaka, safidy sy toerana haleha ary zavatra hojerena sy hatao betsaka ka mampiasa ny fotoana sy ny fifantohana tsy ho amin’ny zavatra tena manan-danja. Izany rehetra izany sy ny maro hafa dia miparitaka vetivety manerana an’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fampitam-baovao elekitrônika. Andron’ny fitaka izao.
Zava-dehibe ny fahalalana
Ny fahamarinana dia manampy antsika hahita mazava tsara satria izany dia “fahalalana ny zavatra araka ny maha-izy azy, sy araka ny naha-izy azy ary araka ny haha-izy azy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:24). Zava-dehibe ny fahalalana mba hisorohana ny fitaka, sy hanavahana ny marina sy ny tsy marina, ary mba hahitana mazava tsara ka hahita fomba hialana ireo loza mitranga amin’ny androntsika.
Nilaza ny mpaminany Joseph Smith hoe: “Tena ilaina ny fahalalana ho an’ny fiainana sy ny toetra araka an’ Andriamanitra. … Ny fahalalana dia fanambarana. Henoy ity fanalahidy lehibe … ity: Ny fahalalana no herin’ Andriamanitra mitondra famonjena.”1
Milaza ny olona fa “Tokony ho marina amin’ny zavatra inoanao ianao.” Na marina aza izany dia tsy afaka ny ho tsaratsara kokoa mihoatra ny zavatra fantatrao ianao. Ny ankamaroantsika dia manao zavatra araka ny zavatra inoantsika, indrindra fa ny zavatra inoantsika ho tombontsoan’ny tenantsika manokana. Ny olana dia diso isika indraindray.
Mety hino an’ Andriamanitra ny olona sasany sy hino fa ratsy ny pôrnôgrafia kanefa mbola manokatra tranonkala misy pôrnôgrafia ihany, satria mino amin’ny fomba diso fa hoe ho falifaly kokoa izy rehefa manao izany, na hoe tsy mety raha tsy manokatra izany, na hoe tsy mandratra an’iza n’iza izy ireo. Diso tsotra izao izy ireo.
Ny sasany dia mety hino fa tsy mety ny mandainga nefa mandainga ihany indraindray, satria mino amin’ny fomba diso fa hoe tsatsara kokoa raha tsy fantatra ny marina. Diso tsotra izao izy ireo.
Mety misy olona mino ary mety mahafantatra mihitsy fa i Jesoa no Kristy kanefa mandà azy tsy indray mandeha fotsiny fa in-telo noho ilay finoana diso fa aleo ampitoniana ny vahoaka. Tsy ratsy akory i Petera. Tsy azoko antsoka mihitsy aza hoe nalemy izy. Fa diso izy. (Jereo ny Matio 26:34, 73–75.)
Rehefa manao zavatra ratsy isika dia mety hieritreritra hoe ratsy isika, kanefa raha ny marina dia diso isika. Ny fanamby dia tsy ny fanalana ny fahasamihafana eo amin’ny zavatra ataontsika sy ny zavatra inoantsika fa ny fanamby dia ny fanalana ny fahasamihafana eo amin’ny zavatra inoantsika sy ny fahamarinana.
Ahoana no hanalantsika izany? Ahoana no hisorohantsika ny fitaka?
Fanontaniana laharana voalohany sy fanontaniana laharana faharoa
Misy ireo fanontaniana laharana voalohany ary misy ireo fanontaniana laharana faharoa. Antombohy amin’ny famaliana ireo fanontaniana laharana voalohany aloha. Ny fanontaniana laharana voalohany no tena manan-danja indrindra. Fanontaniana vitsivitsy ihany no ao. Hilaza efatra amin’izany aho:
-
Misy ve Andriamanitra izay Raintsika?
-
Zanak’ Andriamanitra sy Mpamonjy izao tontolo izao ve i Jesoa Kristy?
-
Mpaminany ve i Joseph Smith?
-
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ve no fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany?
Mifanohitra amin’izany ireo fanontaniana laharana faharoa dia tsy misy farany. Tafiditra ao anatin’izany ireo fanontaniana momba ny tantaran’ny Fiangonana, ny fanambadiana maro, ny olona taranaka afrikanina sy ny fisoronana, ny vehivavy sy ny fisoronana, ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna, ny Voahangy Lafo Vidy, ny ADN sy ny Bokin’i Môrmôna, ny fanambadian’ny samy lahy na ny samy vavy, ireo tantara samihafa momba ny fahitana voalohany sy ny sisa sy ny sisa.
Rehefa mamaly ireo fanontaniana laharana voalohany ianao dia ho voavaly ihany koa ireo fanontaniana laharana faharoa, na tsy hanan-danja intsony. Valio ireo fanontaniana laharana voalohany dia ho afaka miatrika ireo zavatra takatrao sy tsy takatrao ary ireo zavatra ekenao sy tsy ekenao sady tsy miala amin’ny Fiangonana ianao.
Ny fomba fianarana araka an’ Andriamanitra
Misy karazany maro samihafa ny fomba fianarana, anisan’izany ireo fomba ara-tsiansa, ara-pandinihana, ara-pianarana ary araka an’ Andriamanitra. Ireo fomba efatra ireo dia ilaina avokoa hamantarana ny marina. Samy manomboka amin’ny fomba mitovy izy ireo: amin’ny fametrahana fanontaniana. Zava-dehibe ny fanontaniana, indrindra ireo fanontaniana laharana voalohany.
Ny fomba fianarana araka an’ Andriamanitra dia ahitana ireo singa ao amin’ireo fomba hafa saingy amin’ny farany dia mahafaoka azy rehetra amin’ny alalan’ny herin’ny lanitra. Amin’ny farany ireo zavatr’ Andriamanitra dia ampahafantarin’ny Fanahin’ Andriamanitra, izay matetika feo tony sy malefaka. Hoy ny Tompo: “Homen’ Andriamanitra anareo amin’ny alalan’ny Fanahy Masiny, eny, amin’ny alalan’ny fanomezana tsy hay lazaina ny Fanahy Masina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:26).
Nampianatra i Paoly Apôstôly fa tsy afaka mahafantatra ny zavatr’ Andriamanitra isika raha tsy amin’ny alalan’ny Fanahin’ Andriamanitra (jereo ny 1 Korintiana 2:9–11; jereo koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, 1 Korintiana 2:11). Hoy izy: “Ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’ Andriamanitra: fa fahadalana aminy izany.” Hitantsika izany isan’andro. Dia notohizan’i Paoly hoe: “Sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany” (1 Korintiana 2:14).
Amin’ireo olana rehetra mandalo amin’ny fiainanao dia misy anankiray ambonin’izy rehetra ary io no tena tsy azo indrindra. Tsy ny fahantrana, na ny aretina, na ny fanirery, na ny fanararaotana no zavatra ratsy indrindra iainan’ny olombelona, na dia tena ratsy aza ireo. Ny tena ratsy indrindra amin’ny zavatra iainan’ny olombelona dia ilay tena fahita: ny fahafatesana ara-panahy. Izany dia ny fisarahana tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra, ary amin’ity fiainana ity ny fisiany dia ny Fanahiny na ny heriny.
Mifanohitra amin’izany, tsy ny harena, na ny laza, na ny haja, na ny fahasalamana, na ny voninahitra, na ny fandriampahalemana no tsara indrindra amin’ny zavatra iainan’ny olombelona. Ny tena tsara indrindra amin’ny zavatra iainan’ny olombelona dia ny fehezina amin’ny herin’ Andriamanitra. Izany dia ny fahaterahana indray, ny fanana ny fanomezana sy ny fiarahan’ny Fanahy Masina, izay loharanon’ny fahalalana, fanambarana, hery, fahazavana, fitiavana, fifaliana, fiadanana, fanantenana, fatokian-tena, ary saika ny zavatra tsara rehetra.
Hoy i Jesoa: “Ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, … no hampianatra anareo ny zavatra rehetra” (Jaona 14:26). Amin’ny alalan’ny heriny dia azontsika “fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra” (Môrônia 10:5). “Izy no hampiseho [amintsika] ny zavatra rehetra izay tokony [hataontsika]” (2 Nefia 32:5). Izy no loharanon’ny “rano velona” izay miboiboika mankany amin’ny fiainana mandrakizay (Jaona 7:38; jereo koa ny andininy 37).
Efao ny sarany tsy maintsy efainao, ento izay enta-mavesatra tokony hoentinao, ary ataovy izay fanolorantena tokony hataonao mba hahazoana sy hihazonana ny fanahy sy ny herin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao. Ny zavatra tsara rehetra dia miankina amin’ny fahazoana sy ny fihazonana ny herin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao.
“Izay tsy mankahery”
Koa inona ary ilay aloka izay tsapako taona maro lasa rehefa namaky ireo fitaovana manohitra? Mety hilaza ny sasany fa ny haizina dia avy amin’ny fironana ara-pinoana, dia ny miraika amin’ny fakana sy fisafidianana ireo zavatra izay mifanaraka amin’ny eritreritsika sy ny zavatra inoantsika ihany. Ny fiheverana fa ny zavatra ninoan’ny olona sy ny nampianarina azy dia mety ho diso, indrindra fa tsy misy zavatra tsara kokoa hasolo azy, dia eritreritra maloka sy mampanahy tokoa.
Saingy ny haizina izay niainako rehefa nihaino ny vavan’ny olona izay manohitra ny mpaminany Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia hafa. Tsy fironana ara-pinoana izany haizina izany, ary tsy tahotra ny ho diso ihany koa. Izany dia ny tsy fisian’ny Fanahin’ Andriamanitra. Izany no toetran’ny olona rehefa “tavela ho irery” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:38). Izany dia ny haizim-pito sy ny “fahadontoan’ny saina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:9; jereo ihany koa ny andininy faha- 8).
Hoy ny Tompo:
“Ary izay tsy mankahery dia tsy avy amin’ Andriamanitra, sady haizina.
Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana; ary izay mandray hazavana sy mitoetra ao amin’ Andriamanitra dia handray hazavana misimisy kokoa; ary izany hazavana izany dia mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23–24).
Ny fanambarana avy amin’ny Fanahin’ Andriamanitra dia mahasolo ny fironana ara-pinoana satria tsy miantehitra amin’ny porofo fotsiny izany. Nandany ny androm-piainako nikatsaka ny hihaino ny tenin’ny Tompo sy nianatra ny hahafantatra sy hanaraka ny Fanahin’ Andriamanitra aho. Ilay fanahy izay miaraka amin’ireo feo ratsy manenjika ny mpaminany Joseph Smith sy ny Bokin’i Môrmôna ary ny Famerenana amin’ny laoniny dia tsy ny fanahin’ny hazavana sy ny faharanitan-tsaina ary ny fahamarinana. Tsy dia mahafantatra firy aho, saingy fantatro ny feon’ny Tompo, ary tsy ao amin’izany feo maizina izany ny feony.
Mifanohitra tanteraka amin’izany haizina sy fahadontoan’ny saina mahatsiravina izay mameno ny fisalasalana izany ny fanahin’ny hazavana, faharanitan-tsaina, fiadanana, ary fahamarinana izay ao amin’ireo tranga sy ny fotopampianarana be voninahitry ny Famerenana amin’ny laoniny, indrindra fa ireo soratra masina nambara amin’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Vakio fotsiny izy ireny ary manontania tena sy an’ Andriamanitra raha toa ka teny feno lainga sy fitaka ary rediredy izany na raha toa ka izany no marina.
Tsy afaka mianatra ny fahamarinana amin’ny fanilihana ianao
Ny sasany izay matahotra sao tsy marina ny Fiangonana dia mandany ny fotoany sy ny fifantohany mikaroka ireo fanontaniana laharana faharoa. Diso izy ireo amin’ny fiezahana mianatra ny fahamarinana amin’ny fanilihana, amin’ny fanalana ny fisalasalana rehetra. Hevitra tsy mety foana izany. Tsy ho mety mihitsy izany.
Misy filazana sy hevitra tsy mety tapitra manohitra ny fahamarinana. Isaky ny mikaroka valin’ny filazana manohitra iray ianao ka mitraka dia efa misy iray hafa manoloana anao. Tsy milaza aho hoe mila manampin-tsofina ianao, fa milaza kosa aho fa ho lany amin’ny fikarohana ny valin’izay filazana manohitra ny Fiangonana ny androm-piainanao ary tsy hahalala mandrakizay ireo fahamarinana tena manan-danja.
Ny valin’ireo fanontaniana laharana voalohany dia tsy ho azo avy amin’ny famaliana ireo fanontaniana laharana faharoa. Misy valiny ireo fanontaniana laharana faharoa saingy tsy azonao porofoina amin’ny fanadisoana izay tsy marina ny marina. Tsy azonao porofoina hoe marina ny Fiangonana amin’ny fanadisoana izay filazana hanoherana izany. Tetika tsy mety izany. Amin’ny farany dia tokony hisy porofo manamarina, ary miaraka amin’ireo zavatra momba an’ Andriamanitra, dia azo antoka fa avy amin’ny fanambarana amin’ny alalan’ny fanahy sy ny herin’ny Fanahy Masina amin’ny farany ny porofo manamarina.
Hoy i Jesoa tamin’ireo mpianany:
“Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza?
“Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona.
“Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra hianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-dra no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.
“… Hianao no Petera, ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy” (Matio 16:15–18; jereo koa ny andininy 13–14).
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia mifototra eo ambony vatolampin’ny fanambarana, ary ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita dia tsy haharesy azy. Izaho sy ianao no Fiangonana. Mila mifototra amin’ny vatolampin’ny fanambarana isika ary na dia tsy fantatsika aza ny valin’ny fanontaniana rehetra dia tokony ho fantatsika ny valin’ireo fanontaniana ambaratonga voalohany. Raha manao izany isika dia tsy haharesy antsika ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita ary hitoetra mandrakizay isika.
Mitoera eo amin’ny vatolampin’ny fanambarana
Misy Andriamanitra any an-danitra izay Raintsika mandrakizay. I Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra, ilay Mpanavotra izao tontolo izao. Mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith, izay nametraka ny fototry ny Famerenana amin’ny laoniny ny fanjakan’ Andriamanitra. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. Fantatro izany rehetra izany noho ny zavatra niainako. Fantatro izany amin’ny alalan’ny porofo, ary betsaka ny porofo. Fantatro izany amin’ny alalan’ny fandalinana. Ary ny tena azo antoka dia fantatro izany amin’ny alalan’ny fanahy sy ny herin’ny Fanahy Masina.
Ary amin’izany no ahaizako ny zavatra rehetra izay ilaiko fantarina mba hitoerana mandrakizay. Enga anie isika hitoetra eo amin’ny vatolampin’ny fanambarana, indrindra ny amin’ireo fanontaniana laharana voalohany. Raha manao izany isika dia hitoetra mandrakizay ary tsy hiala na oviana na oviana.