2020
Trano fiangonana—Toerana hanehoam-panajana sy hitsaohana
Ôktôbra 2020


Trano fiangonana—Toerana hanehoam-panajana sy hitsaohana

Ny Fanahin’ny Tompo dia manatrika ao amin’ireo trano fiangonantsika ary hanentana ny fanahintsika rehefa maneho fanajana eo anatrehany isika.

Sary
family sitting in sacrament meeting

Indray andro ny mpiara-miasa be fandavan-tena iray dia nizara tamiko ny zavatra niainany tamin’ny nanatontosany ny andraikitra fampirimana seza ary famerenana amin’ny laoniny ny ivontoeran’ny tsatòka taorian’ny fihaonamben’ny tsatòka. 30 minitra taorian’ny nanaovany an’ireo andraikitra ireo dia tonga saina izy fa izy irery sisa no tavela tao amin’ilay trano fiangonana. Tsy nahatsapa tena ho irery izy ka haniry ny handeha hody haingana, fa nahatsikaritra kosa fa ilay fahatsapana fiadanana tena tsara tsapany nandritra ny fihaonambe dia mbola nijanona tao aminy ary nihanitombo mihitsy aza.

Rehefa vitany ny andraikitra nankinina taminy ka niala ny trano fiangonana izy dia nifanena tamina mpikambana hafa izay toa nandinika tsara azy. Nony tonga saina ny amin’ny zavatra nataon’ilay namako io mpikambana io dia nalainy ny tanan’ilay namako dia nilaza izy hoe, “Rahalahy, mahita ireo zavatra kely ataonao ho Azy ny Tompo, mijery anao avy any ambony Izy ary mitsiky noho ny amin’izy ireo.”

Taona maro taty aoriana rehefa lasa eveka io namako io dia sendra irery indray tao amin’ny trano fiangonan’ny paroasy misy azy izy. Rehefa novonoiny ny jiro tao amin’ny trano fiangonana dia nipetrapetraka kely tao izy, ka ny hazavan’ny volana tafiditra tamin’ny alalan’ireo varavarankely dia tonga hatreo amin’ny polipitra.

Ilay fahatsapana fiadanana tsy zoviana aminy dia nanenika azy indray, nipetraka teny alohaloha tao amin’ilay trano fiangonana izy nisaintsaina ireo fotoana masina tsy tambo isaina niainany tao amin’io toerana io—ireo fotoana maro nandinihany ireo mpisorona manapatapaka ny mofo eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo, ireo fahafahana nahatsapany ny Fanahy Masina niaraka taminy rehefa nitondra ny lahatenin’ny fihaonamben’ny paroasy izy, ireo fotoam-batisa notarihany, ireo hira tena kanto nataon’ny amboaram-peo, ary ireo fijoroana ho vavolombelona marobe nanohina ny fony avy amin’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy. Raha nipetraka irery tao amin’ny haizina tao amin’io trano fiangonana io izy dia nahatsapa ho heniky ny fitambaran’ireo zavatra niainana teo amin’ny fiainany ireo sy teo amin’ny fiainan’ireo mpikamban’ny paroasiny, ka dia nanondrika ny lohany mba hanehoana fankasitrahana izy.

Nampianarina tsara sy tamim-pahendrena izy fa ireo toerana masina indrindra ety an-tany dia ny tempoly sy ny tokantrano, saingy tamin’ny alalan’ireo traikefa anankiroa mifandray eo ambony ireo dia lasa nahatakatra ihany koa ny maha masina an’ireo trano fiangonantsika izy. Noho izy ireo notokanan’ny fahefam-pisoronana dia lasa toerana handatsahan’ny Tompo fanambarana eo amin’ny olony ireo toerana ireo, ary “miharihary ao [amin’ireo toerana ireo] ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” amin’ny alalan’ireo ôrdônansy izay tanterahina ao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20).

Ny trano fiangonana dia mitambatra amin’ny tokantrano mba hitondrana ny fifaliana nampanantenaina izay afaka hiainan’ireo Olomasina mahatoky amin’ny andro Sabata. Izany dia lasa toerana hahafahan’ny fon’ny mpikambana “mifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavantsika samy isika” (Môzià 18:21) sy manoloana ny Mpamonjy noho ny fitsaohana miaraka ataon’izy ireo. Mba hahafahantsika maneho fankasitrahana sy fanajana araka ny tokony ho izy noho ireo fitahiana ara-panahy mirotsaka amintsika amin’ny alalan’ireo trano fiangonantsika, dia tokony hiditra ao amin’ireo toerana fitsaohana ireo miaraka amin’ny fanehoam-panajana lalina sy vokatry ny fo isika.

Sary
taking the sacrament

Ny dikan’ny hoe fanehoam-panajana

Ao amin’ny kolontsaintsika ao amin’ny Fiangonana amin’izao, ny teny hoe fanehoam-panajana dia lasa mitovy hevitra amin’ny teny hoe fahanginana. Na dia tena mety aza ny firesahana mora ao anatin’ireo trano fiangonantsika, dia lasa tsy mahafoaka ny hevitra fenon’ilay teny izany fomba fandraisana ny fanehoam-panajana voafetra izany. Ny Fanehoam-panajana dia azo avy amin’ny matoanteny amin’ny fiteny Latina manao hoe revereri, izay midika hoe “mitolagaga eo anatrehan’i/ny.”1 Moa ve isika afaka hahita teny mamariparitra tsara kokoa ny fahatsapan’ny fanahintsika mihoatra noho izany rehefa tena mandinika ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika tsirairay avy?

Tsaroako ny tononkiran’ny hira iray ao amin’ny fihirana fanaontsika ao amin’ireo trano fiangonana: “Mahagaga ny fitiavan’i Jesoa Ahy.”2 Izany fahatsapana fankasitrahana, fiderana, ary fitalanjonana lalina izany no iavian’ny fanehoam-panajana, ary izany dia manosika antsika hisoroka izay mety ho fiteny na fitondrantena mety hampihena ireo fahatsapana ireo ao anatintsika sy amin’ny hafa.

Sary
woman at pulpit

Sarina vehivavy eo amin’ny polpitra nalain’i Tiffany Myloan Tong

Trano fiangonana sy ny andro Sabata

Mahafantatra isika avy amin’ny fanambarana maoderina fa ampahany manan-danja iray amin’ny fitsaohantsika amin’ny Sabata ny “[m]andeha ho any amin’ny trano fivavahana ary [m]anatitra ny fanati-pisaoran[tsika] amin’ny andro masin’[ny Tompo]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9). Ireo trano fiangonantsika masina izay iangonantsika amin’ny Sabata no “trano fivavahana.”

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny fifandraisana akaiky eo amin’ny fanehoam-panajana ny Mpamonjy sy ny fahatsapana ananantsika manoloana ny andro Sabata. Raha nizara ny traikefany manokana amin’ny fanajana ny andro Sabata dia nilaza ny Filoha Nelson hoe, “Nianatra [aho] avy tamin’ny soratra masina fa ny fitondrantenako sy ny fihetsiko amin’ny Sabata dia nandrafitra famantarana teo amiko sy ny Raiko.”3

Toy ny hoe famantarana ny fanolorantenantsika amin’ny Tompo ny fitondrantenantsika sy ny fihetsitsika amin’ny Sabata, ny fitondrantenantsika, ny fihetsitsika, ary na dia ny akanjo anaovantsika ao amin’ny trano fivavahana mihitsy aza dia mety hanondro tahaka izany koa ny hoe hatraiza ny fanehoam-panajana ananantsika manoloana ny Mpamonjy.

Sary
people sitting in sacrament meeting

Trano fiangonana sy ôrdônansy

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampitombo ny fahatakarantsika an’io foto-kevitra io rehefa nilaza izy hoe:

“Ankoatra ny fanomezana fotoana ho an’ny fampianarana ny filazantsara miainga ao an-tokantrano, ny fanompoam-pivavahantsika isak’alahady … [dia] manamafy ny fanasan’ny Tompo ho fotoana masina, ho zava-manan-danja ifantohana amin’ny traikefan’ny fitsaohana isan-kerinandro. Natao hotsaroantsika amin’ny fomba an’ny tena manokana araka izay vita fa i Kristy dia maty noho ny fo torotoro avy tamin’ny fiantsorohana ireo fahotana sy alahelo ary fahorian’ny fianakaviamben’ny zanak’olombelona manontolo.

“Satria nandray anjara amin’izany enta-mavesatra naningotra aina izany isika, dia mitaky ny fanajantsika izany fotoana izany.”4

Zava-dehibe ny mahatsiaro fa ny toerana natokana ho an’izany fotoana masina indrindra hanoloram-panajana ny Mpamonjy izany dia ny trano fiangonana. Ankoatra ny fanehoam-panajana tsapantsika mandritra ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo fanaontsika isan-kerinandro dia mihamitombo ny fanehoam-panajana sy ny fanomezam-boninahitra avy amintsika rehefa misaintsaina ireo ôrdônansy sy tsodrano hafa ao amin’ny fisoronana atao ao amin’ny trano fiangonana isika, tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana anarana sy fitsofandrano zazakely, ny batisa sy fandraisana ho mpikambana, ny fanendrena ny fisoronana, ary ny fanokanana ho amin’ny antso. Ireo ôrdônansy sy tsodrano tsirairay ireo dia afaka mitondra ny fandrotsahana ny Fanahy Masina raha toa ka manana fitondrantena maneho fanajana ireo izay mandray anjara sy manatrika izany.

Sary
missionaries in chapel

Sary nalain’i James Iliff Jeffery

Trano fiangonana sy fitsaohana

Ny andro Sabata dia manolotra antsika fahafahana hitsaoka ny Tompo mandritra ny fandalinana ataontsika ao an-trano sy miaraka amin’ny daholobe mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ireo fivoriana hafa. Efa hatrany am-piandohan’ny Fiangonana ireo Olomasina no nankafy ny fiarahana mifanerasera sy manorina fifandraisana amin’ny maha-mpiray tampo ao amin’ny Tompo. Na ireo trano fiangonantsika aza dia ahitana faritra natokana hanamorana ny zavatra toy izany mandritra ny herinandro. Isika anefa dia tsy tokony hanadino velively ny tanjona voalohany hisian’ireny trano fiangonana ireny, dia ny hanomezana toerana hitsaohana izany.

Mifamatotra akaiky ny fitsaohana sy ny fanehoam-panajana. “Rehefa mitsaoka an’ Andriamanitra isika dia manatona Azy amin’ny fitiavana sy fanetrentena ary fiderana feno fanehoam-panajana. “Miaiky isika ary manaiky Azy ho Mpanjakantsika mahefa, ilay Mpahary an’izao rehetra izao, Raintsika malala ary feno fitiavana tsy manam-petra.”5

Ny tanjona fototry ny fitsaohana dia tokony hiantraika amin’ny fitondrantenantsika ao amin’ireo trano fiangonana na dia rehefa manao fiaraha-mientana ara-tsôsialy na fialam-boly aza isika. Tokony jerena akaiky ny fampihenana ny tsy filaminana, ny potipoti-javatra, na ny zavatra simba vokatr’ireo zavatra atao ao amin’ny Fiangonana ao amin’ny faritra rehetra ao amin’ireo trano fiangonana, ary tokony raisina haingana ny andraikitra amin’ny fanadiovana na fanamboarana izany raha toa ka ilaina izany.

Ireo ankizy sy zatovo dia azo ampianarina fa ny fanehoam-panajana sy fikolokoloana ny trano fiangonana dia mihoatra lavitra ny fivoriana fanao isak’alahady. Ny fandraisan’ny mpikambana anjara amin’ny fanadiovana trano fiangonana—indrindra ny fandraisana anjaran’ny ray aman-dreny sy ny zanaka mitambatra—dia fomba tena tsara hampitomboana ny fanehoam-panajana ho an’ireo toerana masina. Araka ny hita taratra teo amin’ny zavatra niainan’ilay namako tamin’ny fampirimana ny ivontoeran’ny tsatòkany taorian’ny fihaonamben’ny tsatòka, ny fikarakarana ny trano fiangonana dia tena fomba fitsaohana ary manasa ny Fanahin’ny Tompo.

Sary
woman cleaning door to the chapel

Sarina mpikambana mijoro any ivelany Massimo Criscione

Trano fiangonana sy ny Mpamonjy

Teo ambany fitarihan’ny Filoha Nelson amin’ny maha mpaminany azy dia manatanteraka ezaka manan-danja betsaka isika mba hakana antoka fa tsy voailika mihitsy ny anaran’i Jesoa Kristy rehefa manonona ny Fiangonany isika. Torak’izany koa, isika koa dia tsy tokony hamela mihitsy ny fanaovana ny Mpamonjy ho tsy ivon’ny fitsaohana ataontsika—ka tafiditra ao anatin’izany ny toerana hitsaohantsika.

Efa zatra milaza ny tempoly ho tranon’ny Tompo isika, izay fiantso marina sy manan-danja. Fa mety mora hanadino koa isika anefa fa ny trano fiangonantsika tsirairay dia notokanan’ny fahefam-pisoronana ho toerana hitoeran’ny Fanahin’ny Tompo sy hahafahan’ireo zanak’ Andriamanitra—na ny eo andaniny na ny eo ankilan’ny voaly—ho tonga “amin’ny fahalalana ny Mpanavotra azy” (Môzià 18:30).

Ny fanapahan-kevitra noraisina vao tsy ela ny handravaka ny trano fiangonantsika amina zava-kanto maneho amim-panajana ny Mpamonjy sy ireo zava-nitranga masina teo amin’ny fiainany tety an-tany sy ny taorian’izany dia natao mba hampanakaiky kokoa ny masontsika sy ny saintsika ary ny fontsika Aminy. Rehefa miditra ireo trano fivavahana ireo ianao hivoriana na hanaovana fiaraha-mientana, dia manasa anao am-pitiavana izahay hiato kely, hijery, ary handinika ireo sary hosodoko masina ireo, hijery azy ireny miaraka amin’ny zanakao, ary hamela azy ireny hampitombo ny fahatsapanao fitsaohana sy fanehoam-panajana ho an’ Andriamanitra.

Ny mpaminany Habakoka ao amin’ny Testamenta Taloha dia nanambara hoe, “Jehovah dia ao amin’ny tempoliny masina; Mangina eo anatrehany, ry tany rehetra” (Habakoka 2:20). Torak’izany koa dia aoka isika hahatsiaro fa ny Fanahin’ny Tompo dia manatrika ao amin’ireo trano fiangonantsika ary hiditra ny fon’ny tsirairay avy amintsika arakaraka ny fanehoantsika fanajana eo anatrehany.

Fanamarihana

  1. “Revereri,” Lexico avy amin’ny Oxford, lexico.com.

  2. “Endrey mahagaga ahy,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, faha-44.

  3. Russell M. Nelson, “Fahafinaretana ny Sabata,” Liahona, mey 2015, 130.

  4. Jeffrey R. Holland, “Indro ny Zanakondrin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2019, 45.

  5. Dean M. Davies, “Ireo fitahiana entin’ny fitsaohana,” Liahona, nôv. 2016, 94.

Hamoaka printy