2020
Ahoana no ahafahantsika miaina ny hery manasitran’i Kristy?
Ôktôbra 2020


Avia, hanaraka Ahy: Bokin’i Môrmôna

Ahoana no ahafahantsika miaina ny hery manasitran’i Kristy?

3 Nefia 17–19

(28 septambra–11 ôktôbra)

Sary
How can we experience the healing power of Christ

Tao amin’ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy tamin’ireo Nefita dia naneho fitiavana lehibe sy ny heriny manasitrana tamin’ireo rehetra izay nanatona Azy Izy. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’ireo Nefita niaraka tamin’ny Mpamonjy?

Fitsapana an’ireo Nefita

Sarotra ireo folo taona nialoha ny fahatongavan’i Jesoa. Ny Nefita dia niaritra:

Ny asa fanompoan’i Kristy teo anivon’ireo Nefita

Rehefa niseho tamin’ireo Nefita ny Mpamonjy dia nanasa ireo rehetra izay “ory na manao ahoana na manao ahoana izany” (3 Nefia 17:7) mba hanatona ka hositranina. Nihoatra lavitra ireo fitsapana niainan’ireo Nefita vao haingana ny fanasany. Mihatra amin’ireo ratra hita maso sy tsy hita izay mety nentin’ireo Nefita nandritra ny fiainany manontolo. Nositranin’ny Tompo “ny tsirairay avy taminy” (3 Nefia 17:9) ary notompoiny “tsirairay” izy ireo (3 Nefia 17:21).

Hamoaka printy