2020
Nareniny tamin’ny laoniny aho
Ôktôbra 2020


Nareniny tamin’ny laoniny aho

Nahare ny namako fa narary aho ka dia nandefasany piozila natokana manokana ho ahy izay namboarin’ny tenany ihany aho.

puzzle of a name

Sary nataon’i Joshua Dennis

Noheveriko foana hatramin’izay fa olona tsy mba marary izany ny tenako. Taitra aho noho izany raha nifoha indray maraina ka nahatsapa zavatra nanindrona be ny tratrako hany ka nila hipoaka izany. Noentina haingana tany amin’ny hôpitaly aho, nefa rehefa nandalo fitiliana nandritra ny ora maro aho dia tsy hitan’ireo dokotera ilay olana. Nalefan’izy ireo nody aho na dia mbola nijaly noho ny fanaintainana nila tsy ho zaka aza. Dia toy izany no niantombohan’ireo fotoana nifanaovana tamin’ny dokotera izay tena fahoriana tokoa nandritra ny fito volana, ny fijanonana tany amin’ny hôpitaly, ary ny fanaintainana mafy indrindra nahazo ahy teo amin’ny fiainako.

Nanomboka kivikivy aho. Tsy maintsy najanoko ny fianarako tany amin’ny oniversite ary niverina nipetraka niaraka tamin’ny ray aman-dreniko aho. Tsy afaka nivoaka niaraka tamin’ireo namako aho. Narary izaitsizy aho ka tsy afaka nanao ireo fialam-boly fanaoko. Nahatsapa aho fa ireo zavatra izay noraharahiako—ireo zavatra nandrandraiko, ny fifandraisako amin’ny hafa, ny talentako—dia voatorotoro avokoa, ary ilay izaho taloha dia toa tsy azo arenina intsony. Ary nanomboka nanontany tena aho hoe: Fa dia nahoana loatra no navelan’ny Ray any An-danitra hitranga amiko izao? Angaha moa Izy tsy tia ahy?

Taorian’ny fotoana iray hafa indray niarahana tamin’ny dokotera izay sady nahakivy no nahaketraka, ny hany niriako natao dia ny mamoy fo irery mitomany. Saingy rehefa tafaverina tany an-trano aho anefa dia nahita zavatra hafahafa teo amin’ny lavarangana kely fidirana ny trano: boaty fasiana kiraro efa tonta rovidrovitra mifono scotch natokana ho ahy.

Ny taratasy teo amin’ilay boaty dia nanambara fa avy amin’ny iray amin’ireo namako ilay izy. Nahare izy fa narary aho ka dia naniry ny hampifalifaly ahy izy. Rehefa nosokafako ilay boaty fasiana kiraro dia nahita aho fa feno polystyrène kely be dia be ilay izy. Piozila namboarina tanana natokana manokana ho ahy ilay izy.

Rehefa nanambatra ilay piozila aho dia nanomboka nitomany. Mampiseho ny anarako voahodidin’ny hafatra mifono fitiavana sy fankaherezana ilay piozila. Tsapako fa izaho izay voatorotoro dia lasa narenina tamin’ny laoniny indray izao rehefa nanambatra ilay fanomezana avy tamin’ny namako.

Fotoana fohy taty aoriana dia nanomboka nandray fanafody mampihena ireo soritr’aretina aho ka izany no nanampy ireo mpitsabo hamantatra ilay aretiko. Aretina tsy fahita firy nefa azo tsaboina tsara no nahazo ahy, ary raha mahazo fanafody araka ny tokony ho izy aho dia afaka hiverina amin’ny fiainana mahazatra.

Na dia nositranina aza ny vatako dia fantatro fa tsy ho hadinoiko mihitsy ny zavatra nianarako. Noho ny fanomezana feno fitiavana avy amin’ilay namako dia nahafantatra aho fa notiavina aho ary ny Ray any An-danitra dia tsy nanadino ahy. Taorian’ny volana maro naha voatorotoro ahy dia sitrana aho noho ny hatsaram-panahin’ny namana iray sy ny fitiavan’ny Raiko any An-danitra.