2020
Asa fanompoana isan’andro ataon’i Marta
Ôktôbra 2020


Asa fanompoana isan’andro ataon’i Marta

Miezaka mafy ity reny sy ny zanany vavy ity mba hiarahana miaina ny filazantsara. Ary afaka miaina izany i Marta amin’ny fanompoana an-dreniny amin’ny fomba miavaka.

Sary
Marta smiling

Sary nalain’i Leslie Nilsson

I Marta dia ankizivavy 11 taona avy any Portugal, ary tahaka ny ankizivavy rehetra mitovy taona aminy dia tia mandany ny fotoany miaraka amin’ireo namany sy misakafo ary milalao ny saribakoliny izy. Tia mandany fotoana miaraka amin-dreniny ihany koa izy. Saingy ny hoe miaraka miaina amin-dreny dia midika fa manana fiainana hafa kely amin’ny an’ireo ankizy hafa i Marta.

I Sonia renin’i Marta dia manana fahasembanana hatrany am-bohoka izay nananosarotra ny fahafahany mandeha. Tsy tena malemy tanteraka izy saingy mila mampiasa tehana mba hahafahany mandehandeha. Tsy afaka mampiakanjo tena izy, na mampandro tena, na mandeha am-pandriana irery. Mahatonga azy ho tsy afaka mipetra-drery izany. Afaka nanampy an’i Sonia i Marta nandritra ireo taona vitsivitsy lasa amin’ny fanampiana azy amin’ireo zavatra izay tsy vitany irery.

Sary
Marta with her mother

“Hazoniko ho madio ny toerana ilalaovako mba hanamora ny fandehanan-dreniko eo,” hoy i Marta. “Manajanona matetika ny kilalaoko ihany koa aho mba hahafahako manana fotoana mijery an-dreniko raha toa ka mila fanampiana izy. Raha eo am-pilalaovana aho no miantso izy dia tonga dia mandeha haingana aho satria mety zavatra maika izany.”

Saingy i Sonia dia miezaka mamela an’i Marta hiaina tsara araka ny tokony ho izy. Rehefa tsy mila fanampiana i Sonia, dia ataony izay hananan’i Marta fotoana hilalaovana miaraka amin’ireo namany.

Sary
Marta walking with her mother

Miaina ny finoany

I Marta dia manana ny fahafahana miaina ny filazantsara isan’andro amin’ny alalan’ny fanompoana an-dreniny. Mandray andraikitra betsaka mihoatra ny tokony ho andraikitry ny ankizy hafa izy. Ohatra, mifoha maraina be izy manampy an-dreniny ho vonona ny handeha hiasa mialoha ny handehanana any an-tsekoly. Raha tsy misy ny fanampian’i Marta dia tsy ho afaka mandehandeha na mandeha miasa i Sonia.

Sary
Marta and mother sitting at a table

Miaraka mandeha miangona ihany koa i Marta sy i Sonia. I Sonia dia vita batisa fony izy valo taona, noho izany i Marta dia lehibe tato amin’ny Fiangonana. Mampianatra isan’andro an’i Marta momba ny maha-zava-dehibe ny filazantsara i Sonia. Fomba iray hanaovany izany ny fananana sarin’i Jesoa Kristy betsaka ao an-tranon’izy ireo.

“Fantatro fa velona Andriamanitra ary tena misy i Jesoa Kristy,” hoy i Sonia. “Ary tiako ny tsirairay izay mankaty an-tranoko mba hahafantatra fa tena manan-danja amiko ny finoana. Zava-dehibe amiko ihany koa ny mampianatra izany an’i Marta mba hahatonga azy hihalehibe miaraka amin’izany fahalalana an’i Jesoa Kristy izany.

Noraisin’i Marta ny zavatra nampianarin-dreniny azy ary manohy mianatra irery ny filazantsara hatrany izy. Fomba iray tiany hianarana ny famakiana ny soratra masina, izay manampy azy hanorina fifandraisana matanjaka amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy. “Rehefa mamaky ny soratra masina aho dia mahatsapa fa eo anilako i Kristy,” hoy izy.

Sary
Marta with her mother

Mitady fankaherezana

Na dia sarotra aza ny manana andraikitra betsaka toy izany, dia manampy an’i Marta hahita ny fankaherezana ilainy amin’ny fanampiana an-dreniny ny fandehanana any am-piangonana isan-kerinandro. “Rehefa tononina ireo vavaka eo am-panombohana sy famaranana ny fivoriana fanasan’ny Tompo, dia tena mahatsapa fiadanana aho” hoy izy. “Rehefa any aho dia matetika toa mahatsapa ny Ray any An-danitra milaza amiko fa olona tsara aho ary tokony manohy ny maha-olona tsara ahy hatrany amin’ny fanampiana an-dreniko.”

Isaky ny mahatsapa izany izy dia mahatsiaro feno fankasitrahana noho ny reniny. Mahatsapa izy fa nandefa anjely ny Ray any An-danitra mba hanohana azy. “Mino aho fa mankahery ahy Izy mba hifoha ary ho faly sy mirehareha ny amin’ny reny izay ananako,” hoy i Marta.

Anisan’ny lesona iray izay nianaran’i Sonia sy i Marta miaraka ny hoe tsy mora na tonga lafatra ny fiainana, na ho an’iza na iza. Hoy i Sonia: “Tsy misy mahatonga ahy halahelo ireo fahasarotana iainako. Fantatro fa Andriamanitra no nanome ahy ity nofo sy ra ary taolana toy izao ity satria miavaka aho, ary nilaza tamiko Andriamanitra fa vitako io. Manao izay tsara vitako aho. Afaka manao bebe kokoa aho, saingy amin’izao aho dia mahatsapa ho afa-po amin’ny tenako. Mampirehareha ahy ny zavatra ataoko, sy izay hoataoko amin’ny hoavy.”

Mahita ihany koa i Marta fa hilamina ny zava-drehetra, na dia mety sarotra aza ny fiainana indraindray rehefa mikarakara an-dreniny izy. Hitany fa manana fanamby samy hafa ny tsirairay. “Tsy misy fiainan’olona tonga lafatra,” hoy izy. Saingy na dia eo aza ny fanamby atrehany manokana dia mahita zavatra tsara ao anatin’ny toe-javatra tsirairay i Marta, ny fifandraisany amin-dreniny dia ohatra iray amin’izany. “Manana fahasembanana ara-batana ny reniko, saingy tena maranin-tsaina izy ara-tsaina sy ara-pihetseham-po. Tena mpinamana tsara izahay.”

Sary
Marta with her mother

Mibanjina ny hoavy

Koa inona no zavatra miandry an’i Marta sy i Sonia amin’ny hoavy? Hoy i Marta: “Te hijanona akaiky an-dreniko aho, ary mazava hoazy fa te hanambady sy hanan-janaka ary hanana fianakaviana aho. Saingy amin’ny hoavy, raha azoko atao, dia te hividy trano aho ho an’ny fianakaviako sy ho an-dreniko satria tsy te ho lavitra azy aho na dia iray andro monja aza!”

Manana fanantenana ny amin’ny hoavy ihany koa i Sonia ary feno fankasitrahana foana noho ny fiarahana sy ny fitiavan’i Marta. “Tena mahafinaritra ny manana zanaka vavy tsara. Tena tsara ny manana an’i Marta eo amin’ny fiainako. Fanomezana avy amin’ Andriamanitra izy. Nomaniny hipetraka miaraka amiko eto i Marta.”

Hamoaka printy