2020
Raha toa ka iharan’ny fanararaotana ianao
Ôktôbra 2020


Raha toa ka iharan’ny fanararaotana ianao

Inona no atao hoe fanararaotana?

Ny fanararaotana dia fanaovana tsinontsinona na fampijaliana olona (toy ny ankizy, na ny zokiolona, na olona manana fahasembanana, na olona hafa) ka miteraka ratra ara-batana na ara-pihetseham-po na ara-nofo. Mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy izany.

“Ny fijerin’ny Fiangonana dia hoe ny fanararaotana dia tsy azo leferina na amin’ny endriny ahoana na amin’ny endriny ahoana” Boky Torolalana Ankapobeny: Manompo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany [2020], 38.6.2.). Ny fanararaotana dia mandika ny lalàn’ Andriamanitra ary mety handika ny lalàn’ny fiarahamonina ihany koa.

Karazana fanararaotana

Fanararaotana ara-batana: Fihetsika mahery vaika na mahery setra ataon’ny olona iray amin’ny olona iray hafa ka mandratra ny vatana.

Fanararaotana ara-nofo: Firaisana na fifampikasohana ara-nofo, ka mampiasa hery, na mandrahona, na maka fahafinaretana amin’ilay iharan’ilay herisetra izay tsy afaka manaiky ny mpanao heloka. Ny firaisana ara-nofo rehetra eo amin’ny olon-dehibe sy ankizy dia fanararaotana na manaiky na tsy manaiky ilay ankizy.

Fanararaotana am-bava na ara-pihetsehampo: Fomba fihetsika izay inian’ny olona iray mamely matetika olona tsy misy fikasihan-tanana, toy ny teny henjana, fampitahorana, fanodikodinana, na fanalam-baraka. Mahatonga fihenan’ny fatokian-tena sy ny hasina izany. Na tsy mikasika ny vatana aza izany, ity karazana fanararaotana ity dia mandratra ny sain’ny olona sy ny fahasalamany ara-pihetsehampo.

Fomba ahazoana fanampiana

Mila antsika manao izay rehetra azontsika atao ny Tompo mba hisorohana ny fanararaotana sy hiarovana sy hanampiana ireo izay iharan’ny fanararaotana. Tsy misy olona natao hiaritra ny fihetsika misy fanararaotana. Na izao izany no mitranga na efa ela be, dia afaka mahita loharanom-pitaovana afaka manampy anao ianao ao amin’ny abuse.ChurchofJesusChrist.org.

Hamoaka printy