2020
Mivantana
Ôktôbra 2020


Mivantana

Raha toa ka manana olana eo amin’ny fahasalaman’ny saina aho, moa ve mbola afaka manao asa fitoriana ny filazantsara?

Sary
missionaries walking

Eny. Ireo rehetra izay “manam-paniriana ny hanompo an’ Andriamanitra … dia antsoina ho amin’ny asa” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:3). Ny toerana hanompoantsika dia tsy manan-danja mihoatra ny fomba hanompoantsika. Ary izay rehetra mieritreritra ny hanao asa fitoriana ny filazantsara dia hojerena ny fahasalamany ara-batana sy ara-tsaina.

Raha manam-paniriana hanao asa fitoriana ny filazantsara ianao dia miresaha amin’ny evekanao. Afaka manampy anao hanomboka ny dingan’ny fanaovana fangatahana izy. Ho tafiditra amin’izany dingana izany ny fandehanana any amin’ny dokotera sy olona matihanina hafa, sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ary ny ray aman-dreny. Ireo fizahana ireo dia tsy natao hanombatombanana hoe “tsara” amin’ny Tompo ve ianao fa mba hanampiana amin’ny famantarana ny safidy tsara ho an’ny asa fanompoanao.

Ny antso mba hanompo dia mety ho tonga amin’izay rehetra maniry ny hanompo. Ny fanendrena azonao mba hanompo amin’ny toerana iray miavaka na amin’ny fomba iray miavaka dia mety hiankina amin’ny antony maro. Ny olona izay manana olana eo amin’ny fahasalamany (tafiditra amin’izany ny fahasalamana ara-tsaina) dia matetika nanafina izany ao amin’ny famenoany fangatahana, satria mieritreritra hoe hanampy azy ireo hahazo ny fanendrena izay tiany izany. Kanefa rehefa marin-toetra tsara ianao amin’ny mombamomba ny fahasalamanao (tafiditra amin’izany ny fahasalamana ara-tsaina), dia hitahy anao ny Tompo. Manantena anao hanao izay rehetra azonao atao Izy mba hanatsara ny fahasalamanao. Ary maro amin’ireo fikarakarana ny fahasalamana azonao any an-trano no azo tohizana any amin’ny sahan’ny misiôna.

Hamoaka printy