2021
Fifanakalozan-kevitra manan-danja
Mey 2021


11:24

Fifanakalozan-kevitra manan-danja

Tsy afaka miandry izay hitrangan’ny fiovam-po eo amin’ny zanatsika fotsiny isika. Ny fiovam-po kisendrasendra dia tsy fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Mba efa nanontany tena ve ianareo hoe nahoana ny Kilonga no antsointsika hoe “Kilonga”? Raha toa ilay anarana ka ilazana ny fianarana ara-panahy raisin’ny ankizy amin’ny fahazazany, ho ahy kosa dia fampahatsiahivana fahamarinana mahery vaika koa izany. Amin’ny Raintsika any An-danitra, ny ankizy dia tsy mba maivan-danja izany mihitsy fa efa “laharam-pahamehana” foana izy ireo hatrizay.1

Matoky antsika Izy mba hanome lanja sy hanaja ary hiaro azy ireo amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra azy ireo. Ny dikan’izany dia hoe tsy mandratra azy ireo mihitsy isika na ara-batana, na amin’ny alalan’ny teny, na ara-pihetseham-po na amin’ny fomba ahoana na ahoana, eny fa na dia rehefa somary mafampana aza ny toe-draharaha. Fa manome lanja ny ankizy kosa isika ary manao izay rehetra vitantsika hisorohana ny faharatsian’ny fanararaotana. Lohalaharana amintsika ny fikarakarana azy ireo, tahaka ny maha-lohalaharana izany Aminy.2

Nisy reny sy raim-pianakaviana tanora iray nipetraka teo amin’ny latabatr’izy ireo tao an-dakozia nandinika ny androny. Nahare zavatra nianjera mafy tao akaikikaiky tao izy ireo. Nanontany ilay renim-pianakaviana hoe: “Inona izany?”

Avy eo dia nahare tomany malefaka avy ao amin’ny efitra fatorian’ny zanany lahy efa-taona izy ireo. Nihazakazaka tany amin’ilay efitra izy ireo. Indro izy mitsilany eo amin’ny tany akaikin’ny fandriany. Noraisin’ilay renim-pianakaviana ilay zazalahy kely dia nanontaniany azy ny zava-nitranga.

Hoy izy hoe: “Nianjera avy teo am-pandriana aho.”

Hoy ny reniny hoe: “Fa naninona ianao no nianjera avy eny am-pandriana?”

Nanetsika ny sorony izy dia niteny hoe: “Tsy haiko. Mety tsy tafakatra tsara teo am-pandriana angamba aho.”

Mahakasika io “tsy tafakatra tsara” io no tiako horesahina androany maraina. Tombontsoa lehibe sy andraikitsika ny manampy ny zanaka ho “tafakatra tsara” ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ary tsy misy izany hoe manomboka aloha loatra izany.

Misy fotoana manokana tena miavaka eo amin’ny fiainan’ny ankizy izay maha-voaro azy ireo amin’ny fitaoman’i Satana. Fotoana maha-tsy manan-tsiny sy tsy manam-pahotana azy ireo izany.3 Fotoana sarobidy ho an’ny ray aman-dreny sy zanaka izany. Ny zanaka dia tokony hampianarina, amin’ny alalan’ny teny sy ny ohatra mialoha sy aorian’ny “[hahatongavany] eo amin’ny taona maha-tompon’andraikitra azy eo anoloan’ Andriamanitra.”4

Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Manana fahafahana manao zavatra lehibe isika miaraka amin’ny zatovo. Ny fotoana tsara indrindra hampianarana dia any aloha be, rehefa mbola iny voaro amin’ny fakam-panahin’ny fahavalon’ny fiainana an-tany iny ny ankizy ary mialoha lavitra ny fotoana izay mety hahasarotra ny handrenesan’izy ireo ny tenin’ny fahamarinana ao anatin’ireo zava-manahirana azy manokana.”5 Ny fampianarana toy izany dia hanampy azy ireo hahafantatra ny maha-zanak’ Andriamanitra azy ireo, ny tanjony, ary ireo fitahiana sesehena izay miandry azy ireo rehefa manao fanekempihavanana masina sy mandray ireo ôrdônansy eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izy ireo.

Tsy afaka miandry izay hitrangan’ny fiovam-po eo amin’ny zanatsika fotsiny isika. Ny fiovam-po kisendrasendra dia tsy fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tsy hitranga ho azy fotsiny izany fahatongavana tahaka ny Mpamonjintsika izany. Ny fitiavana sy ny fampianarana ary ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny nahim-po dia afaka manampy ny zanaka hanomboka hahatsapa ny fitarihan’ny Fanahy Masina dieny mbola kely. Ny Fanahy Masina dia ilaina amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo zanatsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny fiovam-pon’izy ireo ho Azy. Irintsika “hotsaroa[n’izy ireo] mandrakariva Izy, mba hananany ny Fanahiny miaraka aminy.”6

Fifanakalozan-kevitra ataon’ny mpianakavy

Eritrereto ny lanjan’ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny fianakaviana momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, fifanakalozan-kevitra manan-danja izay afaka manasa ny Fanahy. Rehefa miara-manao fifanakalozan-kevitra toy izany amin’ny zanatsika isika dia manampy azy ireo hanorina fototra “izay fototra azo antoka, dia fototra izay tsy ahafaha[n’izy ireo] mianjera raha miorina eo amboniny.”7 Rehefa mampatanjaka zanaka iray isika dia mampatanjaka ilay fianakaviana.

Ireny fifanakalozan-kevitra manan-danja ireny dia afaka mitarika ny zanaka:

  • Hahatakatra ny fotopampianaran’ny fibebahana.

  • Hanam-pinoana an’i Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra velona.

  • Hisafidy ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina rehefa feno valo taona.8

  • Ary hivavaka sy “handeha araka ny hitsiny eo anoloan’ny Tompo.”9

Nanentana antsika ny Mpamonjy hoe: “Koa omeko didy ianao mba hampianatra malalaka ny zanakao amin’izany zavatra izany.”10 Ary inona no tiany hampianarintsika malalaka toy izany?

  1. Ny Fahalavoan’i Adama

  2. Ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy

  3. Ny maha-zava-dehibe ny fahaterahana indray11

Hoy ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Mazava ho azy fa faly ny fahavalo rehefa tsy raharahin’ny ray aman-dreny ny fampianarana sy fanofanana ny zanany mba hanana finoana an’i Kristy sy hateraka ara-panahy indray.”12

Mifanohitra amin’izany, ny Mpamonjy dia hanasa antsika hanampy ny zanaka “[hametraka] amin’ilay Fanahy izay mitarika hanao ny tsara ny fitokia[n’izy ireo]”.13 Mba hanaovana izany dia afaka manampy ny zanaka isika hamantatra ny fotoana hahatsapan’izy ireo ny Fanahy sy hanavaka ny zavatra atao izay mahatonga ny Fanahy handao. Noho izany dia mianatra mibebaka izy ireo sy miverina amin’ilay fahazavana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy. Mampitombo ny faharetana ara-panahy izany.

Afaka mahazo fahafinaretana isika manampy ny zanatsika hanorina faharetana ara-panahy na firy taona na firy taona. Tsy mila hasarotina na handaniana fotoana be izany. Ny fifanakalozan-kevitra tsotra sy feno fiahiana dia tsy vitan’ny hoe afaka mitarika ny zanaka hahafantatra fotsiny ny zavatra inoany, fa ny manan-danja indrindra dia ny hahafantatra ny antony inoan’izy ireo izany. Ny fifanakalozan-kevitra feno fiahiana izay mitranga ho azy sy matetika, dia afaka mitarika amin’ny fahatakarana sy ny fahazoana valinteny tsara kokoa. Aoka isika tsy hamela ny fahazarantsika mampiasa fitaovana elektrônika hanakana antsika hampianatra sy hihaino ny zanatsika ary hibanjina ny mason’izy ireo.

Fifampiresahan’ny reny sy ny zanaka vavy

Afaka mitranga amin’ny alalan’ny filalaovana an-tsehatra ireo fahafahana fanampiny hanao fifanakalozan-kevitra manan-danja. Azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao ny milalao an-tsehatra tranga iray izay hahazoan’ny fakam-panahy antsika na hahatsapantsika ho iharan’ny tsindry hanao safidy ratsy. Ny fampiharana toy izany dia afaka manamafy ireo zanaka ho vonona hiatrika toe-javatra sarotra. Ohatra hoe afaka milalao izany an-tsehatra isika ary avy eo dia miresadresaka momba izany sady manontany ny zanaka ny zavatra hataony:

  • Raha alaim-panahy tsy hanaja ny tenin’ny Fahendrena izy ireo.

  • Raha mahita pôrnôgrafia izy ireo.

  • Raha alaim-panahy handainga, na hangalatra, na hamitaka.

  • Raha mahare zavatra avy amin’ny namana na mpampianatra iray any an-tsekoly izay manohitra ny zavatra inoany na ny soatoaviny izy ireo.

Rehefa milalao an-tsehatra izany ny zanaka ary avy eo miresaka momba izany, dia tsy ho tafalatsaka ao anatin’ny tsy fahavononana rehefa mifanehitra amin’ny andian’olona mitovy taona aminy izay mankahala azy, fa afaka ampirongoana “ny ampingan’ny finoana, izay hahazoa[n’izy ireo] mamono ny zana-tsipika mirehitra rehetra] alefan’ilay ratsy.”14

Nianatra io lesona manan-danja io teo amin’ny faha-18 taonany ny namako akaiky iray. Nirotsaka ho miaramila tao amin’ny tafika tao Etazonia izy nandritra ny ady teo amin’i Etazonia sy i Vietnama. Notendrena hanaraka fanazaran-tena fanombohana tao amin’ny andiany mpandeha an-tongotra izy mba ho lasa miaramila mpandeha an-tongotra. Nanazava izy fa tena nandreraka ilay fanazaran-tena. Nofariparitany ho biby toetra sy tsy mifaditrovana ilay mpanazatra mpampianatra azy.

Nisy andro iray manokana nanaovan’ny andiany misy azy ny fitafiana fentina miady rehetra, nandeha an-tongotra tao anatin’ny hafanana be niharo hamandoana. Tampoka teo dia nihiaka nanome baiko ilay mpanazatra ny hiladinan’izy ireo tamin’ny tany ary tsy hihetsika. Nijery izay zavatra nihetsika na dia kely monja aza ilay mpampianatra. Raha nisy nihetsika dia ho tena ratsy taorian’izay ny vokany. Niaritra ny mafy nandritra ny adiny roa mahery tao anatin’ny hafanana ilay andiany ary nihanitombo hatrany ny hatezeran’izy ireo sy ny fankahalany ny mpitarika azy.

Volana maro taty aoriana dia nitarika ny andiany nisy azy tany anaty ala tany Vietnama ilay namanay. Tena izy amin’izay izany fa tsy fanazaran-tena fotsiny. Nanomboka nanakoako avy any ambony tao anatin’ireo hazo nanodidina ny poa-basy. Avy hatrany dia niladina tamin’ny tany ilay andiany iray manontolo.

Inona no notadiavin’ny fahavalo? Izay zavatra nihetsika. Hanintona ka hampipoaka ny basy ny fihetsehana na dia kely aza. Nilaza ilay namako fa teo am-piladinany tamin’ny tany sady tsemboka no tsy nihetsika mihitsy tao anaty ala, niandry ny haizina hilatsaka nandritra ny ora maro, no nahatsiarovany an’ilay fiofanana tany am-boalohany. Tadidiny ny fankahalany an’ilay mpampianatra mpanazatra azy. Tamin’izay izy dia nahatsapa fankasitrahana lalina, noho ny zavatra nampianarin’ilay mpampiofana azy sy ny fomba nanomanany azy hiatrika toe-javatra tena mananosarotra. Ilay mpampianatra mpanazatra dia nanome tamim-pahendrena an’ilay namanay sy ny andiany nisy azy ny fahaizana mahafantatra izay tokony hatao rehefa raikitra ny ady. Raha ny marina dia nanavotra ny ain’ilay namanay izy.

Ahoana ahafahantsika manao toy izany ara-panahy ho an’ireo zanatsika? Fotoana maro alohan’ny hidiran’izy ireo ao anatin’ny adin’ny fiainana an-tany, ahoana no ahafahantsika miezaka kokoa mampianatra sy mampatanjaka ary manomana azy ireo?15 Ahoana no ahafahantsika manasa azy ireo ho “tafakatra tsara”? Tsy aleontsika ve mahita azy ireo “tsemboka” ao anatin’ny tontolo fianarana azo antoka ao an-tokantrano toy izay maratra ao anatin’ny adin’ny fiainana?

Rehefa manao jery todika aho dia nisy fotoana nahatsapanay mivady ho toy ny mpampianatra mpanazatra tamin’ny fahavitrihanay hanampy ireo zanakay hiaina ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy. Toy ny nitantara fahatsapana toy izany koa ny mpaminany Jakôba rehefa nilaza hoe: “Maniry aho ny hiadanan’ny fanahinareo. Eny, lehibe ny fitaintainako noho ny aminareo; ary fantatrareo fa izany dia efa toy izany hatrany.”16

Rehefa mianatra sy mivoatra ny ankizy dia hosedraina ny finoan’izy ireo. Fa noho izy ireo efa ampy fiarovana dia afaka mitombo finoana sy herimpo ary fahatokian-tena izy ireo na dia eo anivon’ny fanoherana mahery vaika aza.

Nampianatra antsika i Almà mba “hanomana ny sain’ny [zanaka].”17 Manomana ny taranaka vao misondrotra isika mba ho mpiaro ny finoana amin’ny ho avy, mba hahatakatra “fa afaka manao araka ny sitrapo[ny izy ireo]—na hifidy ny lalan’ny fahafatesana mandrakizay na ny lalan’ny fiainana mandrakizay.”18 Mendrika ny hahatakatra ity fahamarinana lehibe ity ny zanaka: ny momba ny mandrakizay no tsy tokony hahadiso hevitra antsika mihitsy.

Enga anie ny fifanakalozan-kevitra tsotra kanefa manan-danja ataontsika amin’ireo zanatsika hanampy azy ireo “hankamamy ny tenin’ny fiainana mandrakizay” amin’izao fotoana izao, mba hahafahan’izy ireo mahazo ny “fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy, dia voninahitra tsy mety maty.”19

Rehefa mikolokolo sy manomana ireo zanatsika isika dia mamela azy ireo hampiasa ny fahafahany misafidy, tiantsika amin’ny fontsika rehetra izy ireo, ampianarintsika azy ireo ny didin’ Andriamanitra sy ny fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana avy Aminy, ary tsy milavo lefona amin’izy ireo na oviana na oviana isika. Sady moa ve tsy toy izany ihany no fomban’ny Tompo amintsika tsirairay avy?

Andao isika “hibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy” satria fantatsika fa afaka manana “fanantenana mamirapiratra”20 amin’ny alalan’ny Mpamonjintsika be fitiavana isika.

Mijoro ho vavolombelona aho fa Izy foana no valin’ny fanontaniantsika. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny 3 Nefia 17:23–24.

  2. Jereo ny Michaelene P. Grassli, “Behold Your Little Ones,” Ensign, Nov. 1992, 93: “Ho ahy dia manan-danja ilay teny hoe jereo. Mifono hevitra mihoatra ny hoe -mijery- fotsiny izany. Rehefa nampianatra ny Nefita ny Tompo mba hijery ireo ankizy madinik’izy ireo dia mino aho fa nasainy izy ireo mba hifantoka tamin’ireo zanany, handinika azy ireo, ary hijery mihoatra ny zavatra hitany ankehitriny ka hahita ny zavatra mety hitranga amin’izy ireo any amin’ny mandrakizay.”

    Jereo koa ny Russell M. Nelson, “Listen to Learn,” Ensign, May 1991, 22: “Paik’adin’i Satana ny fifehezana ny zanaka an-tery, fa tsy an’ny Mpamonjy. Tsia, tsy tompon’ny zanatsika isika. Ny tombontsoantsika amin’ny maha-ray aman-dreny dia ny hitia azy ireo, hitarika azy ireo, ary hamela azy ireo handeha.”

  3. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:46–47.

  4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:71.

  5. Henry B. Eyring, “The Power of Teaching Doctrine,” Liahona, July 1999, 87.

  6. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:79.

  7. Helamàna 5:12.

  8. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25; jereo koa ny Fanekem-pinoana 1:4.

  9. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:28.

  10. Mosesy 6:58; nampiana fanamafisana.

  11. Jereo ny Mosesy 6:59; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:29–31.

  12. D. Todd Christofferson, “Nahoana no ilaina ny manambady sy manorina fianakaviana?,” Liahona, mey 2015, 52.

  13. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–13; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93.

  14. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:17; nampiana fanamafisana; jereo koa ny Marion G. Romney, “Home Teaching and Family Home Evening,” Improvement Era, June 1969, 97: “I Satana, ilay fahavalontsika dia manao herisetra araka izay faraheriny hanimbana ny fahamarinana. Tsy hita isa ireo miaramilany izay tsara lamina. Ny zanatsika sy ireo zatovontsika no kendreny amin’ny fanafihana fototra ataony. Iharan’ny fampielezan-kevitra feno haratsiam-panahy sy mahatsiravina izy ireo na aiza na aiza misy azy ireo. Na aiza na aiza itodihan’izy ireo dia atopatopan’ny onjan’ny faharatsiana izy ireo, izay novolavolaina tamin-kafetsena mba hamitahana sy hamotehana ny zavatra masina tsirairay sy ny fitsipika marina tsirairay. … Raha tiantsika hanana tanjaka ampy ireo zanatsika mba hanoherana io fanafihan’i Satana io, dia tsy maintsy ampianarina sy hofanina ao an-tokantrano izy ireo, araka izay nandidian’ny Tompo.”

  15. Jereo ny Russell M. Nelson, “Children of the Covenant,” Ensign, May 1995, 32:

    “Taona maro lasa izay fony aho mpianatra mpitsabo tamin’ny fahatanorako dia nahita marary maro nampijalian’ny aretina izay azo sorohina ankehitriny. Azo atao tsara amin’izao fotoana izao ny miaro ny olona tsy handairan’ireo toe-javatra izay namparofy, ary nahafaty mihitsy aza. Fomba fitsaboana iray hahazoana fiarovana mba tsy handairan’ny aretina ny fampidiram-panefitra. Ny teny hoe mampiditra fanefitra dia mahavariana. Avy amin’ny foto-teny latina miisa roa izany: ny in, izay midika hoe -ao anaty-, ary ny oculus, izay midika hoe -maso.- Ilay matoanteny hoe inoculate, noho izany dia midika ara-bakiteny hoe -mijery any anaty-, manara-maso izay zavatra manimba.

    “Ny zavatra mampahory toy ny lefakozatra dia afaka mampalemy na manimba ny vatana. Ny zavatra mampahory toy ny fahotana dia afaka mampalemy na manimba ny fanahy. Ny fanimban’ny lefakozatra dia azo sorohana ankehitriny amin’ny alalan’ny vakisiny, saingy ny fanimban’ny fahotana dia mitaky fomba fisorohana hafa. Tsy afaka manome fanefitra iadiana amin’ny faharatsiana ireo mpitsabo. Avy amin’ny Tompo ihany no ahatongavan’ny fiarovana ara-panahy, ary amin’ny fombany manokana. Nisafidy ny tsy hampiditra fanefitra i Jesoa fa ny hampianatra ny fotopampianarana. Tsy mampiasa fanefitra ny fombany, fa mampiasa kosa ny fampianarana fotopampianarana masina, -maso mijery ao anaty- izay manjaka, mba hiaro ny fanahy maharitra mandrakizain’ireo zanany.”

  16. 2 Nefia 6:3.

  17. Almà 39:16.

  18. 2 Nefia 10:23.

  19. Mosesy 6:59; nampiana fanamafisana.

  20. 2 Nefia 31:20.