2021
Susan H. Porter
Mey 2021


Susan H. Porter

Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany

Taorian’ny nahafatesan’ny Loholona Bruce D. Porter vadiny, izay Fitopololahy Manampahefana Ambony, vokatry ny aretin’ny avokavoka tamin’ny desambra 2016, ny Rahavavy Susan Porter dia lasa irery tao amin’ny tranon’izy ireo ao Bountiful Utah, Etazonia.

Nandritra ireo roa taona latsaka kely mialoha ny nahafatesan’ny vadiny dia nanao dia sy nanompo niaraka tamin’ny vadiny izy, fony naha-filohan’ny Vondromparitra Eorôpa Atsinanana ny vadiny.

Rehefa lasa nananotena izy dia nivavaka mba hahazo fitarihana. Indray andro izy nahita sary hosodoko maneho ny Mpamonjy miresaka amin’ilay vehivavy Samaritana teo amin’ilay fantsakan’i Jakoba (jereo Jaona 4:6–26). Nahatsapa ny bitsiky ny Fanahy nilaza taminy izy mba hanao torak’izany koa hoe “mipetraka eo an-tongotry ny Mpamonjy dia mianatra, dia hampianatra anao Izy.”

Niezaka nanakaiky ny Mpamonjy ny Rahavavy Porter, ary ny Fanahy Masina dia nampionona azy ary nitarika azy handroso.

“Fantatro fa notrotroina aho,” hoy izy. “Nahazo tanjaka sy fiadanana tsy avy amiko aho.”

Eto am-piatrehan’ny ankizy ao amin’ny Kilonga manerana izao tontolo izao fahoriana, dia tian’ny Rahavavy Porter izy ireo hahafantatra fa tia azy ireo Andriamanitra.

“Raha toa i Jesoa ka niaraka tamin’izy ireo ankehitriny dia handray azy ireo tsirairay ary hitsodrano azy ireo sy hivavaka ho azy ireo Izy, tahaka ny nataony ho an’ireo ankizy Nefita fahizay [jereo ny 3 Nefia 17:21]. Manantena aho fa ny ankizy tsirairay dia hivavaka mba hahazo ny fanampiany ary hangataka Azy mba hahita ny tanany be fitiavana eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana.”

I Susan Holland Porter dia teraka tamin’ny 31 jolay 1955, tao Ponca City, Oklahoma, Etazonia, zanak’i Hans sy i Charlene Holland. Nahazo mari-pahaizana licence en chimie tao amin’ny Oniversite Brigham Young ny Rahavavy Porter. Mpanampy tao amin’ny labôratoara sy mpampianatra matematika no asa efa nataony.

Nanambady ny Loholona Porter tamin’ny 1977 tao amin’ny tempolin’i Washington D.C. izy. Manan-janaka efatra izy ireo.

Mpikambana tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany ny Rahavavy Porter nanomboka tamin’ny 2017. Izy teo aloha dia efa mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana sy Zatovovavy eo anivon’ny paroasy, mpampianatra Fotopampianaran’ny Filazantsara, ary mpitarika hira ao amin’ny Kilonga.

Hamoaka printy