2021
Fo mifamihina
Mey 2021


15:10

Fo mifamihina

Rehefa mifanerasera amin’ny olona amin-katsaram-panahy, sy fahamoram-po, ary fangorahana ianao, dia mampanantena anao aho fa hanatanjaka tanana miraviravy ianao, ary hanasitrana fo.

Teny fanolorana

Moa ve tsy mahatalanjona ny mahita fa indraindray ireo voka-pikarohana ara-tsiantifika dia miainga avy amina tranga tsotra iray toy ny paoma iray nilatsaka avy tamina hazo?

Anio dia mamelà ahy hizara voka-pikarohana izay nitranga noho ny fikarohana natao tamina andiana bitro.

Tamin’ny taona 1970 dia nanao fanandramana ireo mpikaroka mba handinihana ireo vokatry ny karazan-tsakafo hanina amin’ny fahasalaman’ny fo. Amam-bolana maro no namahanan’izy ireo ny andiana bitro nanaovana ilay fanandramana ka nomena sakafo matavy ary nojerena ny tosi-drà, sy ny fitempon’ny fo, ary ny tahan’ny menaka tao amin’ny ran’izy ireo.

Araka ny nanampoizana azy dia maro tamin’ireo bitro no nahitana tavy niandrona tanatin’ny lalan-drany. Tsy izany ihany anefa! Nahita zavatra hafa izay tsy dia nitombina loatra ireo mpikaroka. Na dia samy natavy aza ireo bitro rehetra dia tsy nampoizina fa ho an’ny andiany iray dia 60 isan-jato latsaky ny an’ny hafa ny tavy tao anatin’izy ireo. Toy ireny hoe andiana bitro roa samy hafa ireny no nodinihan’izy ireo.

Tsy nahatafandry mandry ireo mpikaroka ireo vokatra azo. Ahoana no nahatonga izany? Avy amina karazana bitro iray avy any Nouvelle Zélande ihany ireo bitro rehetra, samy mitovy fototarazo. Mitovy izao ihany ny sakafo sy ny habetsahan’ny sakafo nomena azy ireo.

Inona no mety ho dikan’izao?

Tsy nampitombina ilay fandalinana ve ireo vokatra azo? Nisy tsy nety ve tamin’ny fikarakarana ilay fanaovana fanandramana?

Sahirana ireo mpikaroka tamin’ny fiezahana ny hahatakatra ilay vokatra tsy nampoizina!

Nony farany dia lasa tany amin’ireo mpiasa nanao fikarohana ny sain’izy ireo. Sao dia mba nanao zavatra izay nisy fiantraikany tamin’ireo voka-pikarohana ary ireo mpikaroka? Rehefa notomorin’izy ireo izany dia hitan’izy ireo fa ny tsirairay avy tamin’ireo bitro rehetra izay tsy nanana tavy niandrona firy dia nokarakaraina mpikaroka iray. Nomeny sakafo mitovy tamin’ny an’ireo hafa ireo bitro. Saingy, araka ny notaterin’ny mpikaroka iray dia “olona tsara fanahy sy tia mikarakara amin’ny fomba miavaka izy.” Rehefa manome sakafo ireo bitro izy dia “resahany, sy trotroiny, ary safosafoiny ireo. … ‘Tsy vitany ny tsy hanao izany. Toy izany mihitsy izy.’”1

Mpanao fikarohana tsara fanahy sy bitro

Nanao mihoatra ny nanome sakafo ireo bitro fotsiny izy. Nomeny fitiavana ireo!

Raha jerena ivelany dia toa tsy ho izany no antony nampisy ilay fahasamihafana lehibe, saingy tsy nahita antony hafa ilay ekipa mpanao fikarohana.

Koa naverin’izy ireo ilay fanandramana, ary tamin’ity indray mandeha ity dia narahi-maso akaiky izay mety ho tranga hampaningana. Rehefa nohadihadihana ny vokatra azo dia nitovy ny zava-nitranga! Salama lavitra ireo bitro nokarakarain’ilay mpikaroka be fitia.

Navoakan’ireo mpikaroka tao amina gazetim-pikarohana fanta-daza nantsoina hoe Science ireo voka-pikarohana tamin’ilay fanadihadihana.2

Taona maro taty aoriana dia toa mbola misy akony lehibe eo amin’ny sehatry ny fitsaboana ireo voka-pikarohana tamin’io fanadihadihana io. Taona vitsy lasa izay ny Dr. Kelli Harding dia namoaka boky mitondra ny lohateny hoe The Rabbit Effect [Mianàra avy amin’ny bitro] izay nalaina avy tamin’ilay fanadihadihana. Ny tsoa-keviny dia ny hoe: “Makà bitro tsy misakafo ara-pahasalamana. Iresaho izy. Fihino izy. Omeo fitiavana. Dia hitondra fiovana ilay fifandraisana. … Amin’ny farany,” araka ny tsoan-keviny, “ny zavatra misy fiantraikany lehibe indrindra amin’ny fahasalamantsika dia misy ifandraisany lehibe amin’ny fomba fifampitondrantsika, ny fomba fiainantsika, ary ny fomba fihevitsika ny dikan’izany atao hoe olombelona izany.”3

Eo amin’ny tontolo tsy ara-pivavahana, dia misy ireo petra-kevitra izay maneho fa misy itambarana ireo fahamarinana ara-pilazantsara sy ny siansa. Kanefa amin’ny maha-Kristianina, mpanara-dia an’i Jesoa Kristy, amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany, dia vokatra ampoizina ny toy ireny fa tsy mahagaga. Ho ahy izany dia iray amin’ireo porofo mivaingana izay mandrafitra ny fototry ny zavatra inoana iray, eny zavatra inoana izay afaka manasitrana ara-pihetseham-po, sy ara-panahy, ary araka ny noporofoina teo dia na dia ara-batana koa aza.

Fo mifamihina

Rehefa nanontaniana hoe: “Mampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe … ?” ny Mpamonjy dia noaliany hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra” sy ny hoe “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”4 Manamafy ny adidintsika amin’ Andriamanitra ny valin-tenin’ny Mpamonjy. Nandidy ny mpaminany fahiny iray mba “tsy hisian’ny fifandirana eo amin[tsika samy isika], fa ny hibanjinan[tsika] kosa ny ho avy … manana ny fon[tsika] mifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavan[tsika samy isika].”5 Nampianarina ihany koa isika fa “tsy misy hery na fitaomana … tokony hotanana … [raha tsy] amin’ny fahari-po, … ny hatsaram-panahy, … tsy mihatsaravelatsihy.”6

Mino aho fa io fitsipika io dia mihatra maneran-tany amin’ny Olomasin’ny Andro Farany: ho an’ny olon-dehibe, sy ny zatovo, ary ny ankizy.

Raha heverina ireo zavatra voalaza vao teo, dia mamelà ahy hiresaka mivantana vetivety aminareo ankizy ao amin’ny sokajin-taonan’ny Kilonga.

Efa hainareo ny lanjan’ny hatsaram-panahy. Ny fiverenan’ilay hiran’ny Kilonga hoe: “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa” dia mampianatra hoe:

Aoka ianareo mba hifankatia.

Ho tsara fanahy sy ho feno fitia.

Ho feno fiantrana ao an-tsaina ao am-po.

F’izay no nampianarin’i Jesoa.7

Eny na dia mety ho sendra zavatra sarotra aza ianareo indraindray. Inty misy tantarana ankizilahy ao amin’ny Kilonga iray antsoina hoe Minchan Kim avy any Kôrea Atsimo izay mety hanampy anareo. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny fianakaviany tokony ho enin-taona lasa izay.

Minchan Kim

“Indray andro tany am-pianarana, nisy mpiara-mianatra amiko vitsivitsy nihomehy mpianatra iray sady nandrabiraby azy. Ohatran’ny nahafinaritra ilay izy ka niara-nanao izany tamin’izy ireo aho nandritra ny herinandro vitsivitsy.

“Herinandro maro taty aoriana dia nolazain’ilay ankizilahy tamiko fa na dia mody tsy noraharahiany aza ireny dia nandratra azy ireo teninay, ary nitomany izy isak’alina. Saika latsa-dranomaso mihitsy aho rehefa nolazainy izany. Nalahelo aho ary te hanampy azy. Ny ampitson’iny dia nanatona azy aho ary napetrako teny an-tsorony ny tanako sady niala-tsiny aho no niteny hoe: -Tena mifona aho nihomehy anao.- Nekeny ny fifonako ary nanganohano ny masony.

“Saingy mbola nihomehy azy ihany ny ankizy hafa. Dia tsaroako ny zavatra nianarako tao amin’ny kilasin’ny Kilonga hoe: fidio ny tsara. Koa nolazaiko ny mpiara-mianatra amiko mba hanatsahatra izany. Nanapa-kevitra ny tsy hiova ny ankamaroan’izy ireo, ary tezitra tamiko izy ireo. Kanefa niala tsiny ny iray tamin’ireo ankizilahy hafa, ary lasa mpinamana be izahay telo.

“Na dia mbola nisy olona vitsivitsy aza nihomehy azy dia nahatsapa tena ho tsy naninona izy satria manana anay namany vaovao manohana azy.

“Nisafidy ny tsara aho tamin’ny alalan’ny fanampiako ny namana sahirana iray.”8

Sarin’i Minchan Kim

Moa ve izany tsy ohatra tsara iray ho anareo amin’ny fiezahana ny ho toa an’i Jesoa?

Ho anareo zatovolahy sy zatovovavy indray izao. Rehefa mihalehibe ianareo dia mety ho lasa mampidi-doza ny fihomezana ny hafa. Tahotra, alahelo lalina, ary ny ratsy kokoa noho izany aza no vokatry ny fihetraketrahana. “Na dia tsy vaovao aza ny fihetraketrahana, ny tamba-jotran-tserasera sy ny teknôlôjia kosa dia nanampy trotraka izany. Lasa mitoetra kokoa sy lasa loza manambana tsy an-kiato izany, fihetraketrahana ao amin’ny internet.”9

Miharihary fa mampiasa izany ilay fahavalo mba hanimbana ny taranaka misy anareo. Tsy tokony hisy toerana ho an’izany ao amin’ny sehatry ny internet misy anareo, ny fiarahamonina misy anareo, any am-pianaranareo, ny kôlejinareo na ny kilasinareo. Miangavy aho, ataovy izay rehetra azonareo atao mba hahatonga ireo toerana ireo ho toerana feno hatsaram-panahy kokoa sy hieren-doza kokoa. Raha toa ianareo ka mahita kanefa tsy miteny na mandray anjara amin’ny iray amin’izany dia mahafantatra torohevitra nomen’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf aho.

“Raha mikasika ny fankahalana, fifosafosana, tsy firaharahiana, fanalana baraka, fananana lolom-po na faniriana handratra fo no resahina—dia ampiharo izao manaraka izao:

“Ajanony izany!”10

Renareo ve izany? Ajanony izany! Rehefa mifanerasera amin’ny olona amin-katsaram-panahy, sy fahamoram-po, ary fangorahana ianao, eny na dia amin’ny alalan’ny fitaovana nomerika aza, dia mampanantena anao aho fa hanatanjaka tanana miraviravy ianao, ary hanasitrana fo.

Vita izay ny resako tamin’ny Kilonga sy ny zatovo. Izao aho dia hitodika amin’ireo olon-dehibe ato amin’ny Fiangonana. Ny andraikitsika voalohany dia ny maneho ohatra sy ho fakan-tahaka amin’ny hatsaram-panahy, ny fandraisana tsara sy amim-pahalalam-pomba ny hafa, eny mampianatra ireo taranaka vao misondrotra ny fitondran-tena tahaka ny an’i Kristy amin’ny teny ambarantsika sy ny fomba fihetsitsika. Zava-dehibe izany indrindra indrindra eo amin’ny fiarahamonina izay miova tokoa mankany amin’ny fitsitokotokoana ara-pôlitika, ara-tsaranga, ary saika ho amin’izao fanavahana rehetra noforonin’olombelona izao.

Nampianatra ihany koa ny Filoha M. Russell Ballard fa ny Olomasin’ny Andro Farany dia tsy vitan’ny hoe tokony ho tsara fanahy amin’izy samy izy fa amin’ny olon-drehetra manodidina antsika ihany koa. Nandinika izy hoe: “Indraindray aho mahare mpikamban’ny Fiangonana manafintohina olona avy amin’ny antokom-pivavahana hafa amin’ny tsy firaharahiana azy ireny sy ny tsy fanasana azy ireny amina hetsika karakaraina. Mety hitranga izany indrindra indrindra amina fiarahamonina izay ny mpikamban’ny Fiangonana no maro an’isa ao. Nahare mahakasika ray aman-dreny tery saina aho izay milaza amin’ireo zanany fa tsy afaka miara-milalao amina vondrona ankizy eo amin’ny manodidina azy izy ireo satria fotsiny hoe tsy mpikambana ao amin’ny Fiangonantsika ny fianakavian’izy ireo. Tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy izany karazana fitondran-tena izany. Tsy mety azoko hoe nahoana no misy mpikamban’ny Fiangonana misy antsika mamela karazan-javatra toy izany hitranga. … Tsy mbola nahare aho hoe namporisihana ireo mpikamban’ity Fiangonana ity hanao zavatra ankoatra ny ho be fitiavana, tsara fanahy, sy mandefitra, ary miantra ireo namana sy mpiara-monina amintsika avy amin’ny antokom-pivavahana hafa.”11

Ny Tompo dia miandry antsika hampianatra fa ny fandraisana tsara ny hafa dia fomba tsara mitondra ho amin’ny firaisan-kina fa ny fanilikilihana dia mitarika ho amin’ny fisaraham-bazana.

Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy antsika dia mahakivy antsika ny mandre ny amin’ny fitondrana ratsy atao amin’ireo zanak’ Andriamanitra noho ny fiaviany. Nahavaky fo antsika ny nandre ireo fanenjehana nanjo ireo olona Mainty, Aziatika, Latinô, na izay mety ho vondrona hafa. Tsy tokony hisy toerana ho an’ny fanavakavahana, fifandirana ara-pirazanana, na hetraketraka mihitsy eo amin’ny fiaraha-monintsika, na ato amin’ny Fiangonana.

’Ndeha isika tsirairay avy, na firy taona na firy taona, hiezaka ny ho ny olona tsara indrindra azontsika ahatongavana.

Tiavo ny fahavalonao

Rehefa miezaka ny mifanerasera amin’ny hafa amim-pitiavana sy amim-panajana, ary amin-katsaram-panahy aza ianao dia tsy azo ialana fa ho tohina na hiaran’ny voka-dratsin’ny safidy ratsy hataon’ny hafa. Inona izany no ataontsika? Isika dia manaraka ilay torohevitry ny Tompo hoe “tiava ny fahavalonareo; ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo.”12

Isika dia manao izay rehetra azontsika atao mba handresena ireo zava-tsarotra apetraka eo amin’ny lalantsika. Miezaka ny haharitra hatramin’ny farany isika, mivavaka mandrakariva mba hanampian’ny Tompo antsika hanova ny toe-javatra iainantsika. Manolotra fankasitrahana ireo olona ampifaneraseran’ny Tompo amintsika isika mba hanampy antsika.

Fahagagana tao Quincy, Illinois

Mampihetsi-po ahy ny ohatra iray momba izany avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana tany aloha. Nandritra ny ririnin’ny taona 1838 i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tato amin’ny Fiangonana dia notanana tao amin’ny fonjan’i Liberty raha noterena handao ny fonenany tao amin’ny faritr’i Missouri ireo Olomasin’ny Andro Farany. Nahantra sy tsy nana-namana, ary nampahorian’ny hatsiaka sy ny tsy fahampiam-batsy ireo Olomasina. Hitan’ireo mponina tao Quincy, Illinois ny toe-java-tsarotra niainan’izy ireo koa dia nampian’izy ireo tamim-pangorahana sy ny tamin’ny finamanana izy ireo.

Taty aoriana i Wandle Mace, mponina tao Quincy, dia nitantara toy izao raha nahita voalohany ireo Olomasina nanamorona ny Reniranon’i Mississippi tao anatina lay zary tenany: “Ny sasany dia namelatra firakotra mba hanamboarana fialofana amin’ny rivotra, … ny ankizy nangovitra mitanina ny afo izay tsofin’ny rivotra izay zara raha nanafana azy ireo akory. Nijaly aoka izany ireo Olomasina nahonena.”13

Raha nahita ny fahorian’ireo Olomasina ireo mponina tao Quincy dia niara-nisalahy nanome fanampiana. Ny sasany aza nanampy mihitsy tamin’ny fitaterana ny naman’izy ireo vaovao niampita ny renirano. Notohizan’i Mace hoe: “Nanome an-kahalalahana [izy ireo]. Nifaninana ireo mpivarotra ahitana hoe iza amin’izy ireo no afaka manampy be indrindra sy tena malala-tanana indrindra.”14 Vetivety ihany ireo mpitsoa-ponenana ireo dia nihoatra ny isan’ireo mponina tao Quincy izay nanokatra ny varavaran’izy ireo sy nizara ny vatsy manifin’izy ireo izay mila tsy ho nisy ho an’ny tenan’izy ireo.15

Olomasina maro no tsy tafavoaka velona tamin’ilay ririnina namirifiry raha tsy noho ny fangorahana sy ny fahalalahan-tanan’ireo mponina tao Quincy. Nanokatra ny fony sy ny tokantranony ireo olombelona anjely ireo ka nanome sakafo nahavelona sy hafanana, ary angamba ny manan-danja indrindra, dia nanolotra finamanana tamin’ireo Olomasina nijaly. Na dia tsy dia naharitra ela aza ny nijanonan’izy ireo tao Quincy, dia tsy nohadinoin’ireo Olomasina na oviana na oviana ny trosam-pankasitrahana nananan’ireo namana malalan’izy ireo tamin’izy ireo, ary i Quincy dia lasa fantatra amin’ny hoe “ilay tanàna fialokalofana.”16

Rehefa sendra ny fahoriana sy fijaliana isika noho ny toe-java-tsarotra sy ratsy ary mety noho ny filan-dratsy te hanimba ao amin’ny hafa mihitsy aza, dia afaka misafidy ny hanam-panantenana ao amin’i Kristy isika. Io fanantenana io dia tonga avy amin’ilay fanasany sy ilay fampanantenany hoe “matokia fa hitari-dalana anareo Aho”17 ary Izy koa hanokana ireo fahorianareo ho tombontsoanareo.18

Ilay Mpiandry Ondry Tsara

’Ndeha hofaranantsika tamin’ny nanombohantsika azy: mpikarakara feno fangoraham-po iray, manao asa amin-katsaram-panahy tsy misy tambiny omban’ny fikolokoloana ary vokatra tsy nampoizina, nanasitrana ny fon’ireo biby niandraiketany. Nahoana? Satria toy izany mihitsy izy!

Raha jerentsika amin’ny fomba fijery ara-pilazantsara izany dia hitantsika fa isika ihany koa dia eo ambany fiahiana feno fitiavana-na mpikarakara feno fangoraham-po iray, izay mikolokolo antsika tsy misy tambiny amin-katsaram-panahy. Fantatr’ilay Mpiandry Tsara amin’ny anarantsika tsirairay avy isika ary “manana fiahiana antsika manokana Izy.”19 I Jesoa Kristy Tompo Izy tenany mihitsy no nilaza hoe: “Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy. … Ary Izaho [h]anolotra ny aiko hamonjy ny ondry.”20

Mitady ilay ondry very

Amin’izao faran’ny herinandron’ny Paska izao dia mahita fiadanana mitoetra aho noho ny fahafantarana fa “Jehovah no Mpiandry ahy”21 ary isika tsirairay avy dia fantany sy eo ambany fiahiany. Rehefa sendra ireo fitsapana sy olana eo amin’ny fiainana, ary ny aretina sy ny ratra isika dia ny Tompo, ny Mpiandry antsika, ilay Mpikarakara antsika, no hikolokolo antsika amim-pitiavana sy hatsaram-panahy. Hositraniny ny fontsika ary haveriny amin’ny laoniny ny tenantsika.

Izany no ijoroako ho vavolombelona—sy i Jesoa Kristy amin’ny maha Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Azy —amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Kelli Harding, The Rabbit Effect (2019), xxiii–xxiv.

  2. Jereo ny Robert M. Nerem, Murina J. Levesque, and J. Frederick Cornhill, “Social Environment as a Factor in Diet-Induced Atherosclerosis,” Science, vol. 208, no. 4451 (June 27, 1980), 1475–76.

  3. Harding, The Rabbit Effect, xxiv, xxv.

  4. Jereo ny Matio 22:36–39.

  5. Môzià 3:10; nampiana fanamafisana.

  6. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–42.

  7. “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa,” Bokin-kiran’ny ankizy, 40

  8. Nosintomina avy tamin’ny Minchan K., “The Apology,” Friend, Jan. 2020, 35.

  9. Frances Dalomba, “Social Media: The Good, the Bad, and the Ugly,” Lifespan, lifespan.org.

  10. Dieter F. Uchtdorf, “Izay miantra no hiantrana,” Liahona, mey 2012, 75.

  11. M. Russell Ballard, “Doctrine of Inclusion,” Liahona, Jan. 2002, 41.

  12. Lioka 6:27–28.

  13. Wandle Mace autobiography, circa 1890, typescript, 32–33, Church History Library, Salt Lake City.

  14. Wandle Mace autobiography, 33; tsipelina sy renintsoratra nampanarahana fitsipika.

  15. Jereo ny Richard E. Bennett, “‘Quincy—the Home of Our Adoption’: A Study of the Mormons in Quincy, Illinois, 1838–40,” Mormon Historical Studies, vol. 2, no. 1 (Spring 2001), 110–11.

  16. Jereo ny Susan Easton Black, “Quincy–A City of Refuge,” Mormon Historical Studies, vol. 2, no. 1 (Spring 2001), 83–94.

  17. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:18.

  18. Jereo ny 2 Nefia 2:2.

  19. Jereo ny James E. Talmage, Jésus le Christ (1916), 417.

  20. Jaona 10:14–15.

  21. Salamo 23:1.