2021
Ireo zavatra nisongadina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-taona faha-191
Mey 2021


Ireo zavatra nisongadina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-taona faha-191

Ny zavatra nifantohana tamin’ny fihaonambe maneran-tany izay notanterahina tamin’ny faran’ny herinandron’ny Paska dia i Jesoa Kristy Mpamonjy, ny fanamafisana orina ireo mpikambana, ary ny maha-maneran-tany ny Fiangonana.

  • Pejy 6: Tao amin’ny lahateny fanokafana nataony dia nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Tafavory eto isika toy ny fianakaviana lehibe maneran-tany maniry hidera an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjintsika.” Nomarihany fa “ny tanjaky ny Fiangonana dia hita ao amin’ny ezaka ataon’ireo mpikambana ao aminy sy ny fijoroana ho vavolombelona tsy mitsaha-mitombo ananan’izy ireo.” Niharihary nandritra ilay fihaonambe ny ezaka nataon’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana hanamafy orina ny mpikambana tsirairay.

  • Pejy 79: Nandritra ny fivoriamben’ny fisoronana, ny Filoha Nelson dia nampianatra ny fomba ahafahantsika manao ny tokantranontsika mba ho toerana masina, ho “ivon-toerana fianarana ny filazantsara sy fiainana ny filazantsara,” na dia aorian’ny fiafaran’ny valanaretina aza.

  • Pejy 101: Tao amin’ny hafany nandritra ny alahady maraina, ny Filoha Nelson dia nanao izay hampazava ny hoe fiangonana maneran-tany ity ary ny filazantsara dia ho an’ny olona rehetra: “Tamin’ity maraina ity dia nihaino mpitarika ato amin’ny Fiangonana avy amin’ireo kaontinanta rehetra misy olona eto an-tany isika. Tena natao ho an’ny foko, sy ny fiteny ary ny olona rehetra tokoa ny filazantsara. Fiangonana natao ho an’izao tontolo izao ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. I Jesoa Kristy no mpitarika antsika.”

  • Pejy 127: Ho fanampin’izany, ny ezaka atao mba hanamafisana orina ireo mpikambana dia naseho tamin’ny alalan’ny fanambarana tempoly 20 vaovao. “Te hitondra ny tranon’ny Tompo hanakaiky kokoa ny mpikambana ato amintsika izahay,” hoy ny Filoha Nelson tao amin’ny lahateny nataony. Io no isana tempoly betsaka indrindra nambara hatramin’ny taona 1998, raha nanambara tempoly miisa 32 ny Filoha Gordon B. Hinckley, ka izany dia nanokatra ny vanim-potoana vaovaon’ny fanitarana ny tempoly.

  • Pejy 139: Mba hahitana ohatra bebe kokoa maneho ny fikatsahan’ny Fiangonana ny mba hanamafy orina ireo zanak’ Andriamanitra rehetra dia jereo ireo zavatra nisongadina tamin’ireo tetikasa fanaovana asa soa maro notontosaina tamin’ny taona 2020.

Hamoaka printy