2021
Tian’ Andriamanitra ireo zanany
Mey 2021


8:40

Tian’ Andriamanitra ireo zanany

Mba tiako ny hizara fomba telo voafaritra tsara hanehoan’ny Raintsika any An-danitra ny fitiavany antsika zanany.

Ry rahalahy sy ranabavy isany, miara-mifaly aminareo ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho. Hoentiko miaraka amiko ny fitiavana avy amin’ireo mpikambana feno faharetana any Filipina ary misolo tena azy ireo aho hilaza hoe Mabuhay!

Amin’izao marain’ny Paska izao dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ilay Kristy velona aho, fa nitsangana tamin’ny maty Izy ary ny fitiavany antsika sy ny Raintsika any An-danitra dia madio sy mandrakizay. Anio aho dia maniry ny hifantoka amin’ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho an’ny rehetra, izay miseho amin’ny alalan’ilay Sorompanavotan’ny Zanany Lahy, dia Jesoa Kristy izany. “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zananilahy Tokana” (Jaona 3:16).

Rehefa nanontanian’ny anjely iray i Nefia mpaminany momba ny fahalalany an’ Andriamanitra, dia namaly tamin’ny fomba tsotra i Nefia hoe: “Fantatro fa tia ireo zanany Izy” (1 Nefia 11:16–17).

Misy andininy iray avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy izay mamariparitra amin-kery ny fitiavana tonga lafatry ny Mpamonjy: “Ary izao tontolo izao, noho ny helony dia hihevitra Azy ho tsinontsinona; … koa karavasiny Izy, … asiany Izy, … rorany Izy ary miaritra izany noho ny lemim-panahiny sy ny fitiavany ary ny faharipony amin’ny zanak’olombelona” (1 Nefia 19:9). Ny fitiavan’ny Mpamonjy manerana izao tontolo izao no hery manosika Azy hanao ny zavatra rehetra ataony. Fantantsika fa fitiavana mitovy amin’izany ihany no itiavan’ Andriamanitra antsika satria nampianatra tamim-panetrentena ny Mpamonjy fa Izy sy ny Ray “dia iray ihany” (jereo ny Jaona 10:30; 17:20–23).

Ahoana ary izany no hamaliantsika izany sy hanehoantsika ny fankasitrahantsika noho ny fitiavan’Izy Ireo manerana izao tontolo izao? Nampianatra antsika tamin’ny alalan’ity fanasana tsotra sy tsy manam-petra ity ny Mpamonjy: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko” (Jaona 14:15).

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Ny fitiavan’ Andriamanitra tonga lafatra sy manerana izao tontolo izao dia miseho amin’ireo fitahiana rehetra avy amin’ny drafitry ny filazantsarany, anisan’izany ireo fitahiana avo indrindra izay natokany ho an’ireo izay mankato ny lalàny.”1

Mba tiako ny hizara fomba telo voafaritra tsara hanehoan’ny Raintsika any An-danitra ny fitiavany antsika zanany.

Voalohany, ny fifandraisana amin’ Andriamanitra sy amin’ny fianakaviana dia maneho ny fitiavany

Ireo fifandraisana sarobidy indrindra amintsika dia miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ireo fianakaviantsika manokana satria mandrakizay ny fifandraisantsika amin’izy ireo. Ny drafitra lehiben’ny fahasambarana dia fanehoana tena mahatalanjona ny fitiavan’ Andriamanitra antsika. Rehefa mifantoka amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny masontsika dia misafidy an-tsitrapo isika ny hanaisotra ireo tany sy vato ao anatintsika izay manohana ireo faniriana feno fitiavan-tena ary manolo izany amin’ny fototra hanorenana fifandraisana mandrakizay. Azo antsoina hoe “fihadian-tany ara-panahy” izany. Eo ampihadiantsika tany ara-panahy dia mila mikatsaka an’ Andriamanitra aloha isika ary miantso Azy (jereo ny Jeremia 29:12–13).

Ny fikatsahantsika Azy sy ny fiantsoantsika Azy dia fiantombohan’ilay dingana ary manome toerana mba hanorenana sy hanamafisana ireo fifandraisantsika mandrakizay. Mampivelatra ny fijerintsika ara-panahy ary manampy antsika hifantoka amin’ny fanovana ireo zavatra haintsika fehezina izany fa tsy hifantoka amin’ireo tahotra tsy voafehintsika. Ny fandalinantsika ny fiainana sy ny asa fanompoan’ny Mpamonjintsika, Jesoa Kristy, dia hanome fahafahana antsika hahita ireo olana hafa ireo amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Ireo zavatra mahavariana dia mety hanakana antsika tsy hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny fianakaviantsika sy amin’ny zavatra ataontsika. Nahita vahaolana ny reny iray izay nahatsapa fa nanomboka nanimba ny fifandraisan’ny fianakaviany ny fitaovana elektrônika. Rehefa eo amin’ny latabatra fisakafoana sy mandritra ireo fotoana hafa iarahan’ny fianakaviana dia miantsoantso izy hoe: “Ampirimo daholo ny telefaonina, fotoana fifanatrehan-tava izao.” Fenitra vaovao ho an’ny fianakaviany izany hoy izy ary manamafy ny fifandraisan’izy ireo amin’ny maha fianakaviana rehefa mametraka fotoana hifanatrehan-tava marina izy ireo. Izao izy mianakavy dia miara-mianoka ireo fifanakalozan-kevitra tena tsara ao amin’ny Avia, Hanaraka Ahy.

Faharoa, maneho ny fitiavany amin’ireo zanany Izy amin’ny fiantsoana mpaminany

Ny tontolontsika ankehitriny dia safotry “ny ady antsanga sy horakoraka [eo] amin’ny hevitra” (Joseph Smith—Tantara 1:10). Mampahatsiahy antsika i Paoly fa: “Misy … fiteny maro samy hafa amin’izao tontolo izao” (1 Korintiana 14:10). Iza amin’ireo fiteny ireo no mahasakana mazava tsara sy amin’ny fomba manan-danja ny fifandirana? Ny feon’ireo mpaminany, sy mpahita ary mpanambaran’ Andriamanitra izany.

Tsaroako mazava tsara, raha avy nandalo fandidiana aho tamin’ny 2018 ka niverina niasa, dia tao amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara tao amin’ny Foiben’ny Fiangonana aho. Tampoka teo dia naheno ny feon’ny Filoha Russell M. Nelson aho niantso hoe: “Taniela, Taniela.” Nihazakazaka nankeny aminy aho dia nanontaniany hoe nanao ahoana aho.

Hoy aho hoe: “Sitrana soa aman-tsara aho ry Filoha Nelson.”

Nomeny torohevitra sy nofihininy aho. Tena tsapako marina ny asa fanompoana manokana nataon’ny mpaminany iray tamin’ilay “iray.”

Nitety firenena maro teto ambonin’ny tany ny Filoha Nelson. Ny tao an-tsaiko dia hoe tsy nanompo an’arivony fotsiny izy fa nanompo kosa an’arivony amin’ilay “iray.” Eo am-panaovana izany izy dia mizara ilay fitiavan’ Andriamanitra ireo zanany rehetra.

Vao tsy ela akory izay dia loharanon-kery sy fanentanam-panahy ho an’ireo vahoaka tany Filipina ny tenin’ny Filoha Nelson. Toa ireo firenena rehetra eto amin’ity izao tontolo izao ity dia voadona mafy tamin’ilay valanaretina COVID-19 i Filipina tamin’ny 2020 ary koa fipoahana volkano, sy horohoron-tany, sy rivomahery ary tondra-drano nandravarava.

Saingy tahaka ny andrim-pahazavana namirapiratra avy ao ambadiky ny raho-maintin’ny tahotra sy ny fahatsapana ho irery ary ny famoizam-po no tonga ireo tenin’ny mpaminany. Tafiditra anatin’izany ilay antso mba hifady hanina sy hivavaka maneran-tany ary ilay torohevitra mba handroso hatrany na dia eo aza ilay valanaretina. Nanasa antsika hanova ny fonenantsika ho toerana masina isian’ny finoana izy. Niantso ireo Olomasin’ny andro farany na aiza na aiza izy hanaja ireo zanak’ Andriamanitra rehetra ary hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika.2

Torak’izany ihany koa dia nampientam-po ilay horonan-tsary ahitana ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Filoha Nelson vao tsy ela akory izay momba ny herin’ny fankasitrahana, ary re nanakoako nanerana an’i Filipina ny vavaka famaranana nataony.3 Tao amin’ny faritanin’i Leyte dia nalefa nandritra ny hetsika iraisam-pinoana iray ilay horonan-tsary ary noresahin’ny mpisorona iray tao amin’ny toriteny nataony. I Filipina sy izao tontolo izao dia tena voatahy mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo tenin’ny mpaminany voafidiny.

Fahatelo, ny famaizana dia afaka ny ho fanehoan’ Andriamanitra ny fitiavany an’ireo zanany

Indraindray Andriamanitra dia maneho ny fitiavany amin’ny famaizana antsika. Fomba iray ampahatsiahivany antsika izany fa tia antsika Izy ary fantany hoe iza isika. Ireo fitahiana hahazoana fiadanana nampanantenainy dia natao ho an’ireo rehetra izay mandeha amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana amin’ny herim-po ary vonona handray fanitsiana.

Rehefa miaiky isika fa misy ny famaizana ary mandray izany an-tsitrapo dia lasa fandidiana ara-panahy ho antsika izany. Iza tokoa moa no tia fandidiana? Kanefa ho an’ireo izay mila izany sy vonona handray izany dia mety hamonjy ny aina mihitsy aza izany. Manafay ireo izay tiany ny Tompo. Milaza izany amintsika ireo soratra masina (jereo ny Hebreo12:5–11; Helamàna 12:3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:27; 95:1). Izany famaizana na fandidiana ara-panahy izany dia hitondra fiovana tena ilaina eo amin’ny fiainantsika. Ho tsapantsika ry rahalahy sy ranabavy isany fa manefy sy manadio ilay atin’ny vazintsika izany.

I Joseph Smith, ilay mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny dia nofaizina. Rehefa nanary ireo 116 pejy tao amin’ilay Bokin’ny Môrmôna vita sora-tanana izy dia sady nanitsy azy no naneho fitiavana taminy ny Tompo raha nilaza taminy hoe: “tsy tokony ho natahotra ny olona mihoatra noho Andriamanitra ianao. … Tokony ho nahatoky ianao. … Indro, ianao no Joseph, ary ianao dia nofinidy. … Tsarovy fa feno famindram-po Andriamanitra; koa mibebaha” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:7–10).

Tamin’ny 2016 raha nanao asa fanompoana tao Little Rock tany Arkansas aho dia nangataka ny Rahalahy Cava mba hanatitra fonosana iray ho an’ny zokiko vavy izay nipetraka tany amin’ny nosy iray any Fidji. Tsy nampoiziko ny valin-teny nomeny. “Ry Filoha Wakolo,” hoy izy sady nisento, “nodimandry ny anabavinao ary nalevina 10 andro lasa izay.” Nitsetra tena aho ary nahatsapa ho sosotra kely mihitsy aza satria tsy nisahirana nampilaza ahy akory ny fianakaviako.

Ny andro manaraka raha nampianatra ireo misiônera ny vadiko dia nisy izao eritreritra izao nandoaka ny fanahiko: “Ry Taniela, izany zavatra iainanao rehetra izany dia natao hahasoa anao sy hampivoatra anao. Nampianatra sy nizara ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ianao. Ankehitriny kosa dia iaino izany.” Nampahatsiahivina ahy fa “sambatra ny zanak’olombelona izay anarin’ Andriamanitra, koa [tsy tokony] atao ho zavatra kely ny famaizan’ny Tsitoha” (Joba 5:17). Fandidiana ara-panahy ho ahy izany ary teo no eo ny vokany.

Raha teo am-pandinihana ilay zavatra niainana aho dia notendrena hanolotra teny ho famaranana ilay fifanakalozan-kevitra. Ankoatra ireo zavatra maro hafa dia nozaraiko ilay lesona vao avy nianarako: voalohany, vao avy nofaizin’ny Fanahy Masina aho ary tiako izany satria izaho ihany no nandre izany; faharoa, noho ny fahafoizan-tena sy ny sorompanavotan’ny Mpamonjy dia tsy ho antsoina hoe fitsapana sy fahoriana intsony ireo fanamby atrehako fa traikefam-pianarana; ary fahatelo, noho ny fiainana tonga lafatra sy tsy nisy fahotana niainany dia tsy ho antsoina hoe fahalemena intsony ireo kilemako sy tsy fahaiza-manaoko fa ho antsoina kosa hoe fahafahana hitombo. Io zavatra niainana io dia nanampy ahy hahafantatra fa manafay antsika Andriamanitra satria tia antsika Izy.

Hofaranako izany. Ny Raintsika Mandrakizay sy ny Zanany, Jesoa Kristy dia maneho ny fitiavan’izy ireo amin’ny alalan’ny fanomezana antsika fahafahana hanana fifandraisana amin’Izy Ireo sy ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika, sy amin’ny alalan’ny fiantsoana mpaminany maoderina mba hampianatra sy hanompo antsika ary amin’ny famaizana antsika mba hianarantsika sy hitomboantsika. “Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy manam-paharoa ny Zanany,”4 ilay Tompontsika izay nitsangana tamin’ny maty dia ilay Kristy velona izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.