2021
Manasoa ireo asa fanampiana olona
Mey 2021


Manasoa ireo asa fanampiana olona

Manohy ny ezaka amin’ny fanampiana ireo izay sahirana manerana izao tontolo izao sy amin’ny fanolorana fanampiana ny olona mandritra ny fotoam-pahasahiranana ny Fiangonana.

Tao anatin’ny asa fanampiana olona goavana indrindra teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana, dia nanampy olona maro nandritra ny valanaretina COVID-19 ny Latter-day Saint Charities (ilay rafitra fanampiana olona an’ny Fiangonana), ka nanomezana vola sy fitaovana mba hanampiana amin’ny fisorohana sy fitsaboana ilay aretina. Tao anatin’ilay ezaka natao koa no nanomezana fitaovana sy fanofanana ho an’ireo matihanina eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, ka tafiditra ao anatin’izany ny toromarika amin’ny fanolorana fanampiana ara-batana, ara-tsaina ary ara-pihetsehampo.

Ny orinasa mpampiditra sakafo amin’ny boaty sy ny toerana fanamboarana sakafo an’ny Fiangonana dia narafitra mba ho afaka hanome ireo zavatra ilaina izay mihamitombo, ka hanamboatra sakafo sy fitaovana araka izay ilain’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana, ireo toerana fizarana sakafo ao amin’ny fiarahamonina, ireo tetikasa fanomezan-tsakafo any an-tsekoly, ireo toerana fitahirizana sakafo, ary ireo fikambanana hafa miara-miasa amin’ny Fiangonana, ao anatin’izany ireo fitondram-panjakana, ireo fikambanana iraisam-pirenena tsy miankina, ary ireo vondrona mpanao asa soa hafa. Hatramin’izao ny Latter-day Saint Charities dia nanohana tetikasa fanampiana amin’ny COVID-19 miisa 1050 any amin’ny firenena 152.

Hatramin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany teo, ny Latter-day Saint Charities sy ireo mpitarika isam-paritra sy ao an-toerana an’ny Fiangonana dia:

  • Nandrindra mpilatsaka an-tsitrapo ho an’ny Manome Tanana ary asa fanampiana taorian’ny namelezan’ny rivo-doza telo ny morontsiraka atsimon’i Etazonia nanomboka teny amin’ny faritra atsimo atsinanan’i Texas ka hatrany amin’ny faritra andrefan’i Floride.

  • Niasa niaraka tamin’ireo mpiara-miasa ary nandrindra asa niaraka tamin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana eo an-toerana mba hitondrana fanampiana taorian’ny namelezan’ny rivo-doza iray an’i Philippines. Trano fiangonana efapolo no nampiasaina mba ho ivon-toerana fialofana.

  • Nanampy traboina vokatry ny doro tanety tany amin’ny tsatòka 23 tao Californie, Idaho, Oregon, ary Washington, Etazonia.

  • Niasa niaraka tamin’ny mpiara-miasa iray mba hitondrana sakafo 180 taonina ho fanampiana olona sahirana tao Wyoming, Maryland, Michigan, Nebraska, Caroline du Sud, Colorado, Massachusetts, ary Caroline du Nord, Etazonia.

  • Nanome 1 tapitrisa dôlara amerikana ho an’ny Armée du salut mba hanohanana ny fizarana sakafo any amin’ny toerana niisa 150 mahery manerana ny Etazonia.

  • Nanome sakafo ho ana toeram-pizarana sakafo ao an-toerana miisa 200 tao New York, Etazonia.

  • Nanatitra ankanjo 17.000 kilao sy sakafo 77.650 kilao tany Honduras, tao anatin’ny fiaraha-miasa tamin’ny governemanta sy ireo mpitarika eo amin’ny fiarahamonina mba hanampiana traboina taorian’ny rivo-doza anankiroa.

  • Nanampy ara-bola tetikasa izay manome sakafo miisa 30 tapitrisa ho ana sekoly any amin’ny firenena sivy ao Afrika.

  • Nanohana fiantsonana fanomezan-dra miisa 200 manerana ny faritanim-panjakana miisa 14 ao amin’ny Vondromparitra Amerika Avaratra Afovoany an’ny Fiangonana.

  • Nanolotra 200.000 dôlara amerikana mba hamatsiana akanjo fiarovana ho ana matihanina eo amin’ny sehatry ny fitsaboana ary arotava ho ana ankizy mianatra any an-tsekoly ao Botswana. Niara-nisalaha ny rantsana iraika ambin’ny folo ao an-toerana an’ny Fiangonana mba hanjaitra arotava miisa 8.000 ho fanampiana amin’ilay hetsika.

  • Nanolo-tena hanolotra 20 tapitrisa dôlara amerikana ho fanohanana ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ny COVID-19 ataon’ny United Nations International Children’s Emergency Fund (UNICEF), izay hanampy ny fanomezana vaksiny any amin’ny firenena miisa 196.

  • Nanatitra sakafo 358.500 kilao; rano ao anaty fitoerana miisa 17.000; kidoro ary fitaovana hafa ho an’ireo sahirana tany Texas sy Oklahoma taorian’ny oram-panala mahery vaika.

Hamoaka printy