Ny dia manokana eo amin’ny fiainana ataon’ny zanak’ Andriamanitra iray
Amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra nanao fanekempihavanana antsika dia tia, manaja, mikolokolo, miaro, ary mandray ireo fanahy izay tonga avy any amin’ny tontolon’ny fiainana talohan’ny nahaterahana isika.
Isika tsirairay avy dia samy voakasik’ilay valanaretina maneran-tany avokoa, rehefa nodimandry tamin’ny fomba tsy nampoizina ny fianakaviana sy ireo namana. Mamelà ahy hilaza telo amin’izy ireo izay tsy foinay tokoa, misolo tena ireo rehetra izay olon-tiantsika fatratra.
Rahalahy Philippe sy Rahavavy Germaine Nsondi ireo. Patriarika tao amin’ny tsatòkan’i Brazzaville repoblikan’i Congo Rahalahy Nsondi tamin’ny fotoana nahafatesany. Dokotera mpitsabo izay nizara ny talentany tamin’ny hafa tamin-kalalahan-tanana izy.1
Izy no Rahavavy Clara Elisa Ruano de Villareal avy ao Tulcán ao Équateur. Nanaiky ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy teo amin’ny faha-34 taonany ary mpitarika nolalain’ny olona. Nanao veloma azy tamin’ny fihirana ny hira tiany indrindra ny fianakaviany, dia ny “Velona Ilay Mpanavotra ahy.”2
Izy no Rahalahy Ray Tuineau avy ao Utah, izay miaraka amin’ny fianakaviany mahafinaritra. Hoy i Juliet vadiny hoe: “Ny zavatra tiako [hotadidian’ireo zanako lahy] dia ny hoe niezaka nametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana foana [ny rain’izy ireo].” 3
Hoy ny Tompo: “Ianareo dia hiara-honina amim-pitiavana, ka hitomany ny famoizana an’izay maty.”4
Na dia mitomany aza isika dia miravoravo ihany koa amin’ny Fitsanganana amin’ny maty be voninahitry ny Mpamonjintsika. Noho Izy dia hanohy ny dian’izy ireo mandrakizay ireo olon-tiantsika sy namantsika. Nanazava ny Filoha Joseph F. Smith hoe: “Tsy afaka ny hanadino azy ireo isika ary tsy afaka ny hitsahatra tsy hitia azy ireo. … Nandroso izy ireo; mandroso isika; mivoatra tahaka ny nivoaran’izy ireo isika.”5 Hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny ranomason’alahelontsika … dia hiova ho ranomasom-panantenana.”6
Mahafantatra mikasika ny fisian’ny fiainana alohan’ny fahaterahana isika
Ny fananantsika ilay fomba fijery mandrakizay dia tsy vitan’ny hoe mampivelatra ny fahatakarantsika ny amin’ireo izay manohy ny diany aorian’ny fahafatesana fotsiny fa mampisokatra ihany koa ny fahatakarantsika ny amin’ireo izay vao manomboka ny diany ary vao manomboka miditra eto amin’ny fiainana an-tany.
Ny olona tsirairay tonga eto an-tany dia zanakalahy na zanakavavin’ Andriamanitra iray miavaka.7 Tsy nanomboka teo amin’ny fahaterahana ny diantsika manokana eo amin’ny fiainana. Talohan’ny nahaterahantsika dia niaraka tao amin’ny tontolo fiomanana iray isika, izay “[nandraisantsika ny lesontsika] voalohany tao amin’ny tontolon’ny fanahy.”8 Hoy i Jehovah tamin’i Jeremia hoe: “Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro; ary hatry ny fony hianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko.”9
Mety hanontany tena ny sasany raha toa ny fiainana ka miantomboka amin’ny fiforonan’ny tsaika, na rehefa manomboka mitempo ny fo, na rehefa afaka miaina any ivelan’ny kibon-dreniny ilay zaza, fa ho antsika kosa dia tsy isalasalana fa ireo fanahy zanakavavy sy zanakalahin’ Andriamanitra dia manohy ny dian’izy ireo manokana eo amin’ny fiainana ka tonga ety an-tany mba hahazo vatana sy hiaina ny fiainana an-tany.
Amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra nanao fanekempihavanana antsika dia tia, manaja, mikolokolo, miaro, ary mandray ireo fanahy izay tonga avy any amin’ny tontolon’ny fiainana talohan’ny nahaterahana isika.
Ny anjara biriky mahatalanjona entin’ny vehivavy
Ho an’ny vehivavy iray, ny fiterahana zaza iray dia mety ho fahafoizan-tena lehibe ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-bola. Tia sy manaja ireo vehivavy mahatalanjona ato amin’ity Fiangonana ity isika. Mizaka ny vesatra mianjady amin’ny fianakavianareo, amim-paharanitan-tsaina sy amim-pahendrena ianareo. Tia ny hafa ianareo. Manompo ianareo. Mahafoy tena ianareo. Ianareo dia manamafy orina ny finoana, manompo ireo izay sahirana, ary mitondra anjara biriky lehibe tokoa eo amin’ny fiarahamonina.
Ny andraikitra masina amin’ny fiarovana ny aina
Taona maro lasa izay, rehefa nahatsapa fanahiana lehibe noho ny isan’ny fanalan-jaza manerana izao tontolo izao ny Filoha Gordon B. Hinckley dia niresaka tamin’ireo vehivavy tao amin’ny Fiangonana ka nampiasa teny mety tsara amintsika ankehitriny. Hoy izy: “Ianareo vady sy reny no vatofantsiky ny fianakaviana. Ianareo no mitondra ireo zaza ao am-bohoka. Andraikitra lehibe sy masina tokoa izany. … Inona no mitranga amin’ny fankamamiantsika ny fahamasinan’ny ain’olombelona? Ny fanalan-jaza dia ratsy, feno habibiana sy tena misy ary maharikoriko, izay mamely mafy ny tany. Miangavy an’ireo vehivavy ato amin’ity Fiangonana ity aho mba hanalavitra izany, hanaja fenitra hisorohana izany, hiala amin’ireo toe-java-misy manala baraka izay toa mahatonga izany ho toy ny mahatsiriritra. Mety hisy toe-javatra vitsivitsy izay tsy maintsy hanaovana izany, saingy tena voafetra izany.10 … Renin’ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra ianareo, izay masina ny ain’izy ireo. Ny fiarovana azy ireo dia andraikitra nomen’ Andriamanitra izay tsy azo ailikilika fotsiny.”11
Ny Loholona Marcus B. Nash dia nizara tamiko ny tantaran’ny vehivavy 84 taona iray tena lalaina izay, nandritra ny dinidinika momba ny batisa natao taminy, dia “niaiky fa nanala zaza [taona maro lasa tany aloha].” Tamim-piontanam-po lehibe no nilazany hoe: “Nizaka zioga isan’andro teo amin’ny fiainako aho nandritra ny 46 taona noho ny fanalako zaza iray. … Tsy nisy na inona na inona nataoko ka afaka nanala ilay fanaintainana sy fahatsapana ho meloka. Tsy nanan-kantenaina intsony aho mandra-pampianarana ahy ny filazantsara marin’i Jesoa Kristy. Nianatra ny fomba hibebahana aho … ary tampoka teo dia heniky ny fanantenana. Lasa nahafantatra aho nony farany fa afaka ny ho voavela heloka raha nibebaka marina tamin’ny fahotako.”12
Tena feno fankasitrahana tokoa isika noho ireo fanomezam-pahasoavana masin’ny fibebahana sy ny famelan-keloka.
Inona no azontsika atao?
Inona no andraikitsika amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy mandala filaminana antsika? Andao isika hiaina ireo didin’ Andriamanitra, hampianatra azy ireny an’ireo zanatsika, ary hizara azy ireny amin’ireo olona hafa izay vonona ny hihaino izany.13 Andao isika hizara ny fahatsapana lalina ananantsika momba ny fahamasinan’ny aina amin’ireo izay mandray fanapahan-kevitra eo amin’ny fiarahamonina. Mety tsy hankasitraka tanteraka ny zavatra inoantsika izy ireo, kanefa mivavaka isika mba hahatakaran’izy ireo kokoa ny antony mahatonga ireo fanapahan-kevitra ireo ho zavatra lehibe kokoa mihoatra ny zavatra tian’ny olona iray eo amin’ny fiainany manokana, araka ny fijerintsika azy.
Raha misy vohoka tsy nirina mitranga, dia aoka isika hanampy amim-pitiavana, amin’ny fankaherezana, ary rehefa ilaina dia hanome fanampiana ara-bola, ary hampatanjaka ny renim-pianakaviana iray mba hamela ny zanany ho teraka ka hanohy ny diany manokana eto amin’ny fiainana an-tany.14
Ny hatsaran’ny fananganan-jaza
Tao anatin’ny fianakavianay dia nahazo fitahiana tsy hay lazaina izahay, satria 20 taona lasa izay, dia nisy tovovavy 16 taona iray nahafantatra fa nitondra vohoka izy. Tsy mpivady izy sy ny rain’ilay zaza, ary nihevitra izy ireo fa tsy afaka ny hivady mba hiara-hitaiza ilay zaza. Nino ilay tovovavy fa sarobidy ilay aina tao an-kibony. Niteraka zazavavy kely izy ary namela fianakaviana marin-toetra iray hanangana azy ho zanak’izy ireo. Ho an’i Bryce sy i Jolinne dia valin’ny vavaka nataon’izy ireo ilay zazavavy kely. Nomen’izy ireo anarana hoe Emily izy ary nampianarin’izy ireo hatoky ny Rainy any An-danitra sy ny Zanany lahy Jesoa Kristy.
Nihalehibe i Emily. Velom-pankasitrahana tokoa izahay satria nifankatia i Emily sy i Christian zafikelinay, ary nivady tao amin’ny tranon’ny Tompo. Manana ny zanany vavy kely i Emily sy i Christian ankehitriny.
Vao haingana i Emily no nanoratra hoe: “Nandritra izay sivy volana lasa nitondrako vohoka izay dia nanana fotoana nieritreretana ireo zava-nitranga tamin’ny nahaterahako aho. Nieritreritra ilay reniko niteraka ahy aho, izay vao 16 taona monja. Rehefa niaritra ireo fanaintainana sy fiovana nentin’izany fitondrana vohoka izany aho dia tsy vitako ny tsy naka sary an-tsaina ny mety ho halehiben’ny fahasarotana niainana tamin’izany teo amin’ny faha-16 taonan’ny olona iray. … Mbola latsa-dranomaso foana aho hatramin’izao rehefa mieritreritra ilay reny niteraka ahy, izay nahafantatra fa tsy afaka nanome ahy ilay fiainana [niriny ho ahy izy ka nanolotra ahy tsy tamim-pitiavan-tena] mba hatsangan’olona. Tsy takatry ny saiko ny zavatra mety ho nodiaviny tao anatin’ireo sivy volana ireo. Notsaratsarain’ny olona rehefa niova ny vatany, ny fiainan-jatovo tsy niainany, ary fantany fa rehefa tapitra ilay fotoana hamoahan’ilay reny be fitiavana ny zaza ao an-kibo, dia hanolotra ny zanany ho eny an-tanan’olon-kafa izy. Feno fankasitrahana aho noho ny safidy tsy nisy fitiavan-tena nataony, fa tsy nisafidy ny hampiasa ny fahafahany misafidy mba hahatonga ahy tsy hanan-tsafidy izy.” Nofaranan’i Emily hoe: “Feno fankasitrahana aho noho ny drafitra masin’ny Ray any An-danitra, noho ireo ray aman-dreniko mahavariana izay [nitia sy nikarakara] ahy, ary noho ny tempoly izay ahafahako ho voafehy amin’ny fianakavianay mandrakizay.”15
Ny Mpamonjy dia “nandray zaza … ka nametraka azy teo afovoany; ary raha notrotroiny ilay zaza dia hoy Izy tamin’ny mpianany: Na zovy na zovy no mandray zaza iray [amin’ireo] amin’ny anarako, dia mandray Ahy.”16
Raha tsy mbola tanteraka ireo faniriana tsara
Maneho ny fitiavako sy ny fangorahako aho ho an’ireo olon-droa miaina amim-pahamarinana izay mivady ary tsy afaka mahazo ny zanaka izay nantenain’izy ireo fatratra sy ireo vehivavy sy lehilahy izay tsy nanana fahafahana hanambady araka ny lalàn’ Andriamanitra. Ireo nofinofy tsy tanteraka teo amin’ny fiainana dia sarotra takarina raha tsy jerena afa-tsy amin’ny alalan’ny fomba fijery eto amin’ny fiainana an-tany. Amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo ahy, dia mampanantena anareo aho fa rehefa mahatoky amin’i Jesoa Kristy sy ny fanekempihavanana nataonareo ianareo dia handray fitahiana hafa eto amin’ity fiainana ity ary ho tanteraka ireo faniriana tsara anananareo any amin’ny mandrakizay araka ny sitrapon’ny Tompo.17 Afaka ny hisy fifaliana mandritra ny fiainana eto an-tany na dia rehefa tsy tanteraka daholo aza ireo fanantenana feno fahamarinana ananantsika.18
Aorian’ny fahaterahany dia mbola mila ny fanampiantsika ny ankizy. Mila mafy an’izany ny sasany. Isan-taona, amin’ny alalan’ireo eveka be fiahiana sy ny anjara biriky feno fahalalahan-tanana ataonareo amin’ny fanatitra amin’ny ny fifadian-kanina ary ny vatsim-bola natokana ho an’ny asa fanampiana olona, dia fiainan’ankizy an-tapitrisany maro no voatahy. Vao haingana ny Fiadidiana Voalohany no nanambara momba ny 20 tapitrisa dôlara fanampiny hanampiana ny UNICEF amin’ny ezaka ataon’izy ireo maneran-tany mba hanaovana vakisiny an-davitrisany.19 Tian’ Andriamanitra ny ankizy.
Ny fanapahan-kevitra masina mba hanan-janaka
Mampanahy fa na dia any amin’ny sasany amin’ireo firenena mandroso indrindra eto amin’izao tontolo izao aza dia mihavitsy ny ankizy teraka.20 “Ny didin’ Andriamanitra ho an’ny zanany mba hitombo ka hameno ny tany dia mbola manan-kery.”21 Ny hoe rahoviana no hanan-janaka na firy no isan’ny zaza ateraka dia fanapahan-kevitra manokana ataon’ny mpivady sy ny Tompo. Afaka ny ho traikefa hahazoana fanambarana ny fandraisana io fanapahan-kevitra masina io rehefa atao amim-pinoana sy ombam-bavaka.22
Hizara ny tantaran’ny fianakaviana Laing avy ao Californie Atsimo aho. Nanoratra Rahavavy Rebecca Laing hoe:
“Tamin’ny fahavaratry ny taona 2011 dia toa lafatra ny fijery ny fiainanay mianakavy. Nanana fiainam-panambadiana sambatra izahay ary nanan-janaka efatra, izay 9, 7, 5, ary 3 taona. …
“Nananosarotra tokoa ny fitondrako vohoka sy ny fiterahako … [ary] nahatsapa ho [tena] voatahy izahay noho ny fananana zanaka efatra, ka [nieritreritra] fa ampy tsara ny fianakavianay. Tamin’ny ôktôbra raha teo am-pihainoana ny fihaonamben’ny Fiangonana, dia nanana fahatsapana tsy azoko nolavina aho fa tokony hiteraka zaza iray hafa izahay. Rehefa nisaintsaina sy nivavaka izaho sy i LeGrand, … dia fantatray fa nanana drafitra hafa ho anay Andriamanitra fa tsy ilay drafitra nataonay ho anay manokana.
“Taorian’ny fitondrana vohoka sy ny fiterahana iray hafa tena nanahirana, dia nahazo zazavavy kely iray tsara tarehy izahay. Nomenay anarana hoe Brielle izy. Fahagagana ho anay izy. Fotoana fohy taorian’ny nahaterahany, raha mbola tao [amin’ny efitrano fiterahana] aho dia reko ilay feon’ny Fanahy tsy azoko nolavina niteny hoe: -Mbola misy iray hafa.-
“Telo taona taty aoriana dia tonga i Mia, izay fahagagana iray hafa. Mitondra fifaliana goavana ho an’ny fianakavianay i Briella sy i Mia.” Nofaranany tamin’ny hoe: “Ny fahavononana hihaino ny fitarihan’ny Tompo sy ny fanarahana ny drafiny ho antsika dia hitondra foana fifaliana lehibe kokoa mihoatra ny … fiankinana amin’ny fahalalantsika manokana.”23
Tia ny ankizy sarobidy tsirairay avy ny Mpamonjy.
“Ary nalainy tsirairay ny ankizy madininy ary notsofiny rano izy ireo, …
“Ary … nijery izy ireo mba hitazana, dia nanandratra ny masony nankany an-danitra izy ireo, ary … nahita anjely nidina avy tany an-danitra … teo afovoan’ny afo; ary nidina [ireo anjely] … nanodidina ireo ankizy madinika ireo; … ary ny anjely dia nanompo azy ireo.”24
Mijoro ho vavolombelona aho fa ny dianao manokana eo amin’ny fiainana amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra anao dia tsy nanomboka ho anao tamin’ny fotoana voalohany nifohanao rivotra nankany amin’ny avokavokao ary tsy hifarana amin’ny fotoana hahafatesanao.
Enga anie isika ka hahatsiaro mandrakariva fa tonga eto an-tany ny fanahy zanak’ Andriamanitra tsirairay mba hanao ny diany manokana eo amin’ny fiainany.25 Enga anie isika handray tsara azy ireny, hiaro azy ireny, ary ho tia azy ireny mandrakariva. Rehefa mandray ireo zanaka sarobidy ireo amin’ny anaran’ny Mpamonjy ianareo ary manampy azy ireo amin’ny dia ataony eo amin’ny fiainany mandrakizay, dia mampanantena anareo aho fa hitahy anareo ny Tompo ary hampitobaka ny fitiavany sy ny fankatoavany eo aminareo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.