Mey 2021 Ireo zavatra nisongadina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-taona faha-191Ny zavatra nifantohana tamin’ny fihaonambe maneran-tany fanao isan-taona faha-191 an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia i Jesoa Kristy Mpamonjy, ny fanamafisana orina ireo mpikambana, ary ny maha-maneran-tany ny Fiangonana. Fivoriana sabotsy maraina Russell M. NelsonFiarahabana tonga soaMiarahaba antsika tonga soa amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ny Filoha Nelson, manambara izy fa ny Tompo dia manafaingana ny Asany, ary manasa antsika mba hanaisotra amin’ny fiainantsika ireo pitsopitsony mba hahafahantsika ho mendrika kokoa. Dieter F. UchtdorfEo anivontsika AndriamanitraMampianatra antsika hanana fanantenana, tsy ho kivy, ary hahita ireo fomba isehoan’ Andriamanitra eto anivontsika ny Loholona Uchtdorf. Joy D. JonesFifanakalozan-kevitra manan-danjaNohamafisin’ny Rahavavy Jones ny maha-zava-dehibe ny fampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy an’ireo zanatsika. Jan E. NewmanMampianatra araka ny fomban’ny MpamonjyNanamafy ireo lanjan’ny fampianarana tahaka ny nataon’ny Mpamonjy ao amin’ny Fiangonana sy ao an-tokantranontsika ny Rahalahy Newman. Gary E. StevensonFo mifamihinaMampianatra ny maha-zava-dehibe ny hatsaram-panahy, fitiavana, ary fanajana ny Loholona Stevenson, ary manome torohevitra manokana ho an’ny ankizy sy ny zatovo, ary ny olon-dehibe. Gerrit W. GongToerana ao an-tranom-bahinyMampianatra ny Loholona Gong fa ny Mpamonjy dia manasa antsika mba ho Samaritana tsara fanahy mandray ny olona rehetra ao amin’ny tranom-bahininy (izany hoe ny Fiangonany), izay ahitan’izy ireo fialofana. Henry B. EyringMahita ny tempoly no mahafinaritra ahyMijoro ho vavolombelona momba ireo fitahiana ara-panahy izay tonga eo amin’ireo izay manompo any amin’ny tempoly ny Filoha Eyring. Fivoriana sabotsy tolakandro Dallin H. OaksFanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra AmbonyManolotra ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony mba hotohanana ny Filoha Oaks. Jared B. LarsonTatitra avy amin’ny Departemantan’ny fanamarinana ny fampiasam-bolan’ny Fiangonana, taona 2020Manolotra ny tatitry ny Departemantan’ny Fiangonana misahana ny Fanamarinam-bola ho an’ny taona 2020 i Jared B. Larson. Jeffrey R. HollandTsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izaoMampianatra ny Loholona Holland fa afaka mahita fiadanana ao amin’i Kristy isika, na dia ao anatin’ny ady sy fifandirana aza. Jorge T. BecerraEndrey! MampalaheloMampianatra ny lanjan’ny fifampitsinjovana sy ny fahatsapana fa samy ilaina avokoa isika rehetra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra ny Loholona Becerra. Dale G. RenlundZavatra tsy rariny mahasendaotraMampianatra ny Loholona Renlund fa tsy tokony havelantsika hampahatezitra antsika na hanimba ny finoantsika ny zavatra tsy ara-drariny fa tokony hangataka ny fanampian’ Andriamanitra isika ary hampitombo ny fianteherantsika amin’ny Mpamonjy. Neil L. AndersenNy dia manokana eo amin’ny fiainana ataon’ny zanak’ Andriamanitra irayMampianatra ny Loholona Andersen fa ny zanaka fanahin’ Andriamanitra dia tonga eto an-tany amin’ny dia manokana ataony eo amin’ny fiainana ary tokony horaisintsika izy ireo, ho arovantsika ary ho tiavintsika. Thierry K. MutomboDia ho afaka tokoa ianareoMampianatra ny Loholona Mutombo fa i Jesoa Kristy no ilay Fahazavana ho an’izao tontolo izao ary Izy dia afaka mitarika antsika Izy mandritra ireo fotoan-tsarotra sy manahirana. M. Russell BallardFanantenana ao amin’i KristyMizara fitsipika fototra dimy izay afaka hanampy ny olon-drehetra manirery, tafiditra ao anatin’izany ireo tsy manam-bady, mba hahita fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy ny Filoha Ballard. Fivoriamben’ny fisoronana maneran-tany Quentin L. CookEveka—Mpiandry ny andian’ondrin’ny TompoMampianatra mikasika ny fomba fikarakaran’ireo eveka an’ireo mpikambana izay ao anatin’ny taranaka vao misondrotra any amin’ny paroasin’izy ireo ny Loholona Cook. Ahmad S. CorbittAfaka manangona an’i Isiraely ianao!Nampianatra ny Rahalahy Corbitt fa ny zatovon’ny Fiangonana dia afaka manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely rehefa takatr’izy ireo ny tena maha-izy azy sy ny hery miavaka ananany. S. Gifford NielsenFotoanantsika izao!Mampahatsiahy antsika ny Loholona Nielsen fa afaka mankahery antsika ny hoe nalefan’ny Ray any An-danitra tety isika amin’izao fotoana lehibe izao mba hanatanteraka ireo tanjony. Henry B. EyringHitsodrano amin’ny anaranyMampianatra ireo mpihazona ny fisoronana ny Filoha Eyring fa ny tanjon’ny fandraisan’izy ireo ny fisoronana dia ny hisolo tena ny Tompo hitahy ny vahoakany amin’ny anarany, eo am-pilofosana amin’ny antson’izy ireo amim-pitiavana sy amim-pahazotoana. Dallin H. OaksInona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?Mampianatra ny Filoha Oaks fa nataon’i Jesoa Kristy izay ahafahantsika tsirairay hiverina any amin’ny Raintsika any An-danitra sy hahatratra ny tanjontsika mandrakizay. Russell M. NelsonNy zavatra ianarantsika ka tsy ho hadinontsika mandrakizayMampianatra lesona efatra izay antenainy fa nianarantsika tao anatin’ilay valanaretina ny Filoha Nelson. Fivoriana alahady maraina Ulisses SoaresI Jesoa Kristy: ilay mpikarakara ny fanahintsikaNampianatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ary ny fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana ny Loholona Soares. Reyna I. AburtoTsy manam-pandresena ny fasanaMijoro ho vavolombelona ny amin’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty sy ny Sorompanavotany izay manampy antsika handresy ny alahelo sy hahita fanantenana ny Rahavavy Aburto. S. Mark PalmerHody fifaliana ny alahelontsikaMijoro ho vavolombelona ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty ny Loholona Palmer ary mizara ny nidiran’ireo ray aman-dreniny ho mpikamban’ny Fiangonana. Edward DubeMiezaka hanatratra ny marikaMamporisika antsika hifantoka amin’ny tanjontsika hahazoana ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra, na manao ahoana na manao ahoana olana misy eto amin’ity fiainana ity ny Loholona Dube. José A. TeixeiraTsarovy ny lalana mitondra anao miverina modyMampianatra ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ny Mpamonjy eo am-piasantsika amin’ny fiverenana any amin’ny fonenantsika any an-danitra ny Loholona Teixeira. Taniela B. WakoloTian’ Andriamanitra ireo zananyMijoro ho vavolombelona momba ny fitiavan’ Andriamanitra ary mamariparitra ny fomba hanehoan’ Andriamanitra ny fitiavany amin’ireo zanany ny Loholona Wakolo. Chi Hong (Sam) WongTsy afaka mandresy izy ireo, tsy afaka mianjera isikaMampianatra ny Loholona Wong fa tsy afaka mianjera isika raha toa ka manorina ny fototra iorenantsika amin’i Jesoa Kristy. Michael John U. TehNy Mpamonjy antsika manokanaMampianatra ny maha-zava-dehibe ny fahafantarana ny Mpamonjy sy ny fankamamiana ny Sorompanavotany ho an’ny tena manokana ny Loholona Teh. Russell M. NelsonNitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana AzyMijoro ho vavolombelona ny amin’ny herin’ny finoana an’i Jesoa Kristy izay hanampy antsika hiatrika ireo fanambin’ny fiainana ny Filoha Nelson. Mandroso fomba dimy hanamafisana kokoa ny finoana izy. Fivoriana Alahady Tolakandro Dallin H. OaksMiaro ny lalàmpanorenantsika izay nomen’ny tsindrimandrin’ AndriamanitraMamariparitra ireo fitsipika nomen’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra ao amin’ny Lalàmpanorenan’i Etazonia ny Filoha Oaks. Mampianatra ny fomba ahafahan’ny Olomasin’ny Andro Farany miaro ireo fitsipika ireo izy. Ronald A. Rasband“Indro! Andriamanitry ny fahagagana Aho”Mijoro ho vavolombelona ny Loholona Rasband fa tsy mitsaha-mitahy ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ireo fahagagana, arakaraka ny finoantsika sy ny sitrapon’ Andriamanitra. Timothy J. DychesNy fahazavana miraikitra amin’ny fahazavanaMampianatra ny Loholona Dyches fa i Jesoa Kristy no Fahazavana sy Fiainan’izao tontolo izao ary loharanon’ny fahasambarana sy fiadanana marina. D. Todd ChristoffersonNy antony handehanana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavananaMamaritra singa dimy mandrafitra ny dikan’ny hoe eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ary mamporisika antsika mba hihaino ny antson’ny mpaminany hitoetra eo amin’izany lalana izany ny Loholona Christofferson. Alan R. WalkerIlay hazavan’ny filazantsaran’ny fahamarinana sy fitiavanaMampianatra ny Loholona Walmer fa ny asan’ Andriamanitra dia mandroso amin’ny hafainganam-pandeha fatratra amin’ny andro farany. David A. Bednar“Ireo fitsipiky ny filazantsarako”Mampianatra ny Loholona Bednar fa ireo fitsipika marin’ny filazantsara dia manampy antsika hanao safidy hendry ary hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Russell M. NelsonNy COVID-19 sy ny tempolyMiresaka momba ny fisokafan’ireo tempoly indray ny Filoha Nelson ary manambara drafitra hanorenana tempoly vaovao. Manampahefana Ambony sy Mpiandraikitra Ambony ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro FaranyTabilao ahitana ireo mpitarika an’ny Fiangonana. Tatitra momba ny antontan’isa ho an’ny taona 2020Tatitra momba ny antontan’isa an’ny Fiangonana ho an’ny taona 2020. Antso vaovao Loholona Paul V. JohnsonTantaram-piainan’ny Loholona Paul V. Johnson. Loholona S. Mark PalmerTantaram-piainan’ny Loholona S. Mark Palmer. Loholona Sean DouglasTantaram-piainan’ny Loholona Sean Douglas. Loholona Michael A. DunnTantaram-piainan’ny Loholona Michael A. Dunn Loholona Clark G. GilbertTantaram-piainan’i Clark G. Gilbert. Loholona Patricio M. GiuffraTantaram-piainan’ny Loholona Patricio M. Giuffra. Loholona Alfred KyunguTantaram-piainan’i Alfred Kyungu. Loholona Alvin F. Meredith IIITantaram-piainan’ny Loholona Alvin F. Meredith III. Loholona Carlos G. Revillo Jr.Tantaram-piainan’ny Loholona Carlos G. Revillo Jr. Loholona Vaiangina SikahemaTantaram-piainan’ny Loholona Vaiangina Sikahema. Camille N. JohnsonTantaram-piainan’i Camille N. Johnson. Susan H. PorterTantaram-piainan’i Susan H. Porter. Amy A. WrightTantaram-piainan’i Amy W. Wright. Vaovaom-piangonana Mitohy hatrany ny fivoaran’ny tempolyFilazana mahakasika ny fivoaran’ny fanamboarana tempoly. Fitopololahin’ny Vondromparitra vaovao notohananaLisitra ahitana ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra notohanana vao haingana. Andraikitra vaovao: Mpanoro hevitra iraisam-pirenena ao amin’ny rafitra eo anivon’ny vondromparitraFilazana mahakasika andraikitra vaovao, dia ny mpanoro hevitra iraisam-pirenena ao amin’ny rafitra eo anivon’ny vondromparitra. Mitondra ireo zavatra ilaina maneran-tany ireo gazetibokyFamariparitana ireo gazetiboky maneran-tany telo an’ny Fiangonana. Manasoa ireo asa fanampiana olonaFamariparitana ireo ezaka nataon’ny Fiangonana vao tsy ela mba hanampiana olona. Zavatra vaovao takina mikasika ny fahavitana fianarana semineraFamariparitana ny zavatra vaovao takina mikasika ny fahavitana fianarana seminera. Mitondra firaisan-kina ireo hetsika virtoalyFamariparitana hetsika virtoaly sasantsasany natao vao tsy ela. Mianatra avy amin’ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany