2021
-Afaka manova ny fiainantsika ny tenin’ Andriamanitra-: Mizara ireo zavatra nianarany avy tamin’ny fampaherezam-panahy nataon’ny Loholona Andersen ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony any Madagasikara
Jolay 2021


FEO ETO AN-TOERANA

-Afaka manova ny fiainantsika ny tenin’ Andriamanitra-

Mizara ireo zavatra nianarany avy tamin’ny fampaherezam-panahy nataon’ny Loholona Andersen ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony any Madagasikara

“Ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony ao amin’io nosy io dia nivory mba hijery hafatra miavaka tamin’ny teny frantsay nataon’ny Apôstôlin’ny Tompo iray, ary nizara ny hevitr’izy ireo taorian’izany.”

Avy ao La Réunion ka hatrany Maurice, ireo tanora tokan-teny sy mpivady vao erotrerony tao amin’ny Vondromparitra Afrika Atsimo dia nivory ny volana febroary mba hijery mivantana ny fampitana mivantana en ligne ny fampaherezam-panahy nataon’ny Loholona sy ny Rahavavy Andersen.

Izany no fampaherezam-panahy voalohany tamin’ireo fampaherezam-panahy maro nozaraina Apôstôlin’ny Tompo, miaraka amin’ny vadin’izy ireo sy ireo mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana izay manenanta ny fanahy, amin’ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony any amin’ny faritra misy azy ireo ary amin’ny fitenin’izy ireo.

Ny Loholona Andersen, izay nitory ny filazantsara tany amin’ny Misiônan’i Paris, France tamin’ny fahatanorany, dia nilaza fa tsy maintsy nanatsara ny teny frantsainy ho an’izany fotoana izany.

Ny hafany dia nifototra tamin’ny fisian’ny Ray any An-danitra be fitia iray sy i Jesoa Kristy Zanakalahiny: zavatra izay lasa nihatsikariny nandritra ireo 12 taona nanompoany tamin’ny maha-Apôstôly azy.

Tao anatin’ny fotoana samihafa nandritra ireo taona ireo dia niresaka tamin’ireo tanora izy hoe “niaina zavatra sy nanana fahatsapana tsy hay lazaina izay tsy nampoiziko na oviana na oviana fa hitranga teo amin’ny fiainako aho, izay nahazoako antoka ny amin’ny fisian’i Jesoa Kristy.”

Nanome fanasana enina an’ireo nihaino azy izy:

  1. Minoa an’ Andriamanitra.

  2. Minoa fa ianareo dia zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra, ary fantany sy tiany ianareo.

  3. Minoa fa ianareo dia afaka miresaka amin’ny Rainareo any An-danitra ary handefa ny Fanahiny aminareo Izy.

  4. Minoa fa ny fanjakan’ Andriamanitra dia mihamanenika izao tontolo izao ary ny tsirairay avy amintsika dia ampahany manan-danja amin’ny fanomanana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

  5. Minoa fa ireo olona hafa fantatrao dia handray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  6. Minoa fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao.

Nanome toky ireo tanora ny Loholona Andersen fa “tsy ho zava-poana ny finoanareo an’i Jesoa Kristy. Hahita Azy indray ianareo. Izao tontolo izao dia hahafantatra fa Zanak’ Andriamanitra Izy.”

Taorian’izany dia nizara ny zavatra nianaran’izy ireo avy tamin’io zavatra niainana io ireo tanora avy any Madagasikara.

Nilaza Ramasiantsimba Harinirina Faniry Andriamanana, avy any Ivandry ao Antananarivo fa nandritra ilay fotoana dia tsapany lalina tao anatiny fa tia antsika tokoa ny Rainy any An-danitra ary izay mahasoa antsika no hany faniriany.

“Niteny tamintsika i Jesoa mba hahery,” hoy izy. “Hoy Izy: -Aza malahelo na matahotra ny fonareo . . .

“minoa an’ Andriamanitra, ary minoa Ahy koa-.1

“Mitaona antsika ny Fanahy mba hino an’ Andriamanitra sy hanana finoana an’i Jesoa Kristy. Indrisy anefa fa toa tsy miraharaha izany izahay tanora,” hoy izy. Noho izany antony izany no hanasan-dRamasiantsimba ireo tanora namany rehetra mba hanamafy orina ny finoan’izy ireo.

“Te hanasa ny tsirairay avy amintsika aho mba hanamafy orina mandrakariva ny zavatra izay inoantsika. Ndeha hifankahery isika mba hino ireo zavatra tsy hita kanefa marina2,” hoy izy.

Ankoatra izay, hoy izy dia “’ndeha isika hanaraka ireo didin’ Andriamanitra, hivavaka tsy tapaka, na miaraka amin’ny fianakaviana na manokana, ary indrindra indrindra, ndeha hikatsaka faniriana ny hanaraka an’i Jesoa Kristy isika.

“’Ndeha isika hiantehitra amin’ Andriamanitra sy hatoky Azy,” hoy izy namarana. “Satria ilaintsika tadidina fa ny tanora ankehitriny no hoavin’ny Fiangonana.”

Ho an’i Fanxy avy any amin’ny paroasin’i Avalatu, ny hafatra lehibe indrindra dia niompana tamin’ ny fananana fifandraisana amin’ Andriamanitra. “Ny lanjan’ny finoana an’ Andriamanitra sy ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy no zavatra nianarako avy tamin’ny Apôstôly Andersen,” hoy izy. “Ny tontolo rehetra dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fisian’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra.”

Ny rahavavy iray hafa izay nanatrika dia nilaza fa nianatra izy fa ny Raintsika any An-danitra dia tia antsika ary mihaino antsika Izy rehefa mivavaka isika. “Fantatro fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao,” hoy izy nijoro ho vavolombelona. “Tsy maintsy mandray anjara amin’ny fanomanana ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany isika rehetra.”

Nilaza i Elodie fa feno fankasitrahana tokoa izy noho ny fahafahana nihaino ireo fampianaran’ny Loholona sy Rahavavy Andersen.

“Nampatanjaka tokoa ny finoako an’i Jesoa Kristy ny fampianaran’izy ireo sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo,” hoy izy.

“Fantatro fa Andriamanitra dia tena tia antsika amin’ny fitiavana tsy miova sy lehibe.

“Nandefa an’i Jesoa Kristy Zanany Izy hanavotra antsika. Feno fankasitrahana tokoa aho ny amin’ny Sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy sy ny fitiavany ary ny ohatra nomeny.”

Hoy i Martine, “Tsapako ankehitriny ny halehiben’ny fitiavan’ Andriamanitra antsika. Tiany amin’ny fitiavana madio isika. Fantany isika. Fantany ireo fahatsapantsika sy izay ao anatin’ny fontsika.”

Noho ny fitiavany antsika, hoy i Martine, dia afaka matoky Azy isika amin’ireo antsipirian-javatra eo amin’ny fiainantsika. “Zava-dehibe ho an’ny tsirairay avy amintsika ny hoe akaiky Azy, sy ny mametraka ny fiainantsika eo an-tanany,” hoy izy.

“Eo mandrakariva Izy ho ahy sy ho anao, mandritra ireo fotoana tsara ary koa mandritra ireo fotoan-tsarotra,” hoy i Martine nijoro ho vavolombelona. “Afaka mahatsapa ny fisiany isika amin’ny alalan’ny vavaka. Afaka miresaka aminy isika; afaka mamboraka ny ao anatintsika Aminy isika. Afaka manova ny fiainantsika ny teniny.”

Naoty

  1. Jaona 14:27; 14:1–2.

  2. Jereo ny Hebreo 11:1.