2022
Kuala Lumpur, Malezia
Martsa 2022


“Kuala Lumpur, Malaisie,” Liahona, Mar./Apr. 2022.

Tafaorina eto ny Fiangonana

Kuala Lumpur, Malezia

Sary
world map with Malaysia highlighted
Sary
Kuala Lumpur

Sary avy amin’ny Adobe Stock

Ireo tilikambo kambana avo indrindra maneran-tany no misongadina amin’ny endrik’ity renivohitra ity. Nankatoavin’ny fitondrana malezianina tamin’ny fomba ôfisialy Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny taona 1977. Ankehitriny ao amin’io firenena io ny Fiangonana dia ahitana:

  • mpikambana miisa 10.900 (eo ho eo)

  • distrika 5, vondrona mpikambana 31

  • ivontoeran’ny tantaram-pianakaviana 8

Manasa ny fanahy ny hira

Ao amin’ny tanàna iray ambanivohitr’i Kuala Lumpur i Brian Chan sy i Sukanya Choysrakoo vadiny, ary ny zanak’izy ireo lahy sy vavy dia miaraka mihira hiran’ny ankizy. “Ampahany manan-danja ao anatin’ny fiderana ny hira” hoy i Sukanya. “Manasa ny Fanahy hiaraka amintsika izany.”

Sary
fianakaviana miara-mihira

Sary nalain’i Clayton Chan

Hamoaka printy