“Ny afo mandion’ny fahoriana,” Liahona, Mar./Apr. 2022.
Ny afo mandion’ny fahoriana
Mivavaka aho ny hanakaikezantsika tsirairay ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fahoriantsika.
Tsy tokony hahagaga antsika ny fahoriana amin’ny fiainana. Na avy amin’ny fahotana sy fahadisoana nataontsika izany na avy amin’ny zavatra hafa dia tsy maintsy andalovana eo amin’ny fiainana an-tany ny fahoriana Mieritreritra ny olona sasany fa tokony ho afaka amin’ny fahoriana izy ireo rehefa mitandrina ny didin’ Andriamanitra kanefa “ao amin’ny memy fahoriana” (Isaia 48:10; 1 Nefia 20:10) no hisafidianana antsika. Na ny Mpamonjy aza tsy afa-bela tamin’izany:
“Dia nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza;
“Ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manaraka Azy” (Hebreo 5:8–9).
Ho antsika izay tompon’andraikitra, ny fahasarotana matetika dia singa iray manan-danja amin’ny “fahatongavantsika ho tanteraka.” Izany no mahatonga ny fiainana ho lasa mihoatra lavitra noho ny fanadinana ampiasana safidy maro tsotra fotsiny. Tsy ny zavatra ataontsika na tsy ataontsika ihany no mahaliana an’ Andriamanitra fa ny hoe tonga olona toy ny ahoana koa isika. 1 Raha vonona isika dia hampianatra antsika hihetsika tahaka Azy Izy fa tsy ahetsiky ny hery hafa fotsiny (jereo ny 2 Nefia 2:14–16). Mila mianatra ny ho marina isika amin’ny toe-javatra rehetra, na araka ny nolazain’ny Filoha Brigham Young hoe na dia “ao amin’ny maizina.” 2 aza.
Mino aho fa nanintona antsika ilay fanamby handresy ny fahoriana sy ny hitombo ao anatin’izany rehefa nasehon’ Andriamanitra tamintsika ilay drafiny ho an’ny fanavotana tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Tokony horaisintsika izany fanamby izany izao satria fantatsika fa hanohana antsika ny Raintsika any An-danitra. Saingy tena zava-dehibe ny hitodihantsika any Aminy. Rehefa tsy miaraka amin’ Andriamanitra dia toa mitondra any amin’ny fahaverezan’ny fanantenana, fahakiviana ary fahangidiana mihitsy aza ireo fijaliana sy fahoriana maloka niainana.
Rehefa manana ny fanampian’ Andriamanitra, dia amin’ny farany ny fankaherezana no manolo ny toeran’ny fanaintainana, fiadanana no manolo ny toeran’ny korontana, ary fanantenana no lasa eo amin’ny toeran’ny alahelo. Hanova ny fitsapana ho fitahiana Andriamanitra ary araka ny tenin’i Isaia dia “hanome … hamama ho solon’ny lavenona” (Isaia 61:3). Ny fampanantenany dia tsy ny hanafoana ny fifanjihirana eo amintsika fa ny hitsimbina sy hampahery antsika ao anatin’ny fahoriana ary hanokana izany mba ho tombontsoa ho antsika (jereo ny 2Nefia 2:2; 4:19–26; Jakôba 3:1).
Na tsy hanery antsika handray ny fanampiany sy ny fitahiany ho eo amintsika aza ny Ray any An-danitra dia hanao zavatra araka ny famindram-po sy ny fahasoavan’ny Zanaka Malalany ary ny herin’ny Fanahy Masina Izy, mba hanohana antsika rehefa mikatsaka Azy isika. Mahita ohatra maro amin’izany fanohanana izany isika manodidina antsika sy ao amin’ny soratra masina.
Ohatra ao amin’ny Testamenta Taloha
Ao amin’ny Testamenta Taloha isika dia mahita an’i Abrahama mpankatò, miandry amim-paharetana mandritra ny taona maro ny fampanantenan’ Andriamanitra taminy mba ho tanteraka, dia tany lova sy taranaka marina. Tamin’ny alalan’ny mosary, fifofoana ny ainy, alahelo, ary fitsapana i Abrahama no natoky tsy tapaka an’ Andriamanitra sy nanompo Azy ka dia notohanany. Manome voninahitra an’i Abrahama isika izao amin’ny maha “rain’ny mpino” azy. 3
Nitsoaka ny fonenany i Jakoba zafikelin’i Abrahama, nanirery ary mety tsy ho nanana zavatra firy ankoatra ny fitafiany mba handositra ny fandrahonana ho faty nataon’i Esao rahalahiny. Nandritra ny 20 taona manaraka i Jakoba dia nanompo an’i Labana dadatoany. Na dia nomen’i Labana fialofana tsara aza i Jakoba ary ny zanany roavavy ho vady tamin’ny farany, dia nifampiraharaha tamin’i Jakoba tamin’ny fomba feno fitaka izy, nanova imbetsaka ny karamany sy ny fifanarahana nataony isaky ny toa nandroso i Jakoba (jereo ny Genesisy 31:41).
Rehefa nisaraka izy ireo nony farany dia hoy i Jakoba nanala baraka an-drafozany: “Raha tsy Andriamanitry ny raiko … no nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny” (Genesisy 31:42). Tsy izany anefa fa rehefa niaraka taminy Andriamanitra dia niverina i Jakoba niova tsy mpitsoa-ponenana mahantra intsony fa lasa vady sy rain’ny fianakaviana lehibe iray. Nanana mpanompo betsaka izy ary notahiana fatratra tamin’ny harena tamin’izany fotoana izany, ondry aman’osy, omby sy rameva (jereo ny Genesisy 32).
I Josefa zanak’i Jakoba no ohatra maodely amin’ny olona izay naharesy tao anatin’ny fahoriana tamin’ny alalan’ny fatokiana an’ Andriamanitra raha ny olona sasany kosa mety nahatsapa ho nilaozany. Voalohany, namidin’ireo rahalahiny ho andevo izy. Avy eo rehefa nisondrotra toerana sy voninahitra izy tao an-tranon’i Potifara, ilay Egyptiana tompony, dia nampangain’ny vadin’i Potifara tamin’ny fomba tsy marina i Josefa ary nogadraina tany am-ponja na dia nitsoaka ara-bakiteny ny fahotana aza. Na izany aza dia mbola natoky an’ Andriamanitra hatrany i Josefa. Na tao am-ponja aza izy dia niroborobo saingy hadinon’ireo olona izay nampiany izy avy eo na dia teo aza ny fampanantenana nataon’izy ireo. (Jereo ny Genesisy 37; 39–41.) Tamin’ny farany araka ny fantatsika dia nomena valisoa ny ho lasa mpiandraikitra ambony i Josefa, sy fomba hanavotana ny fianakavian-drainy (sy Egypta iray manontolo) tamin’ny fotoan’ny mosary.
Miaritra am-paharetana
Ireo ohatra ireo sy ny ohatra hafa dia maneho amintsika fa amin’ny ankapobeny ny fahoriana dia resy rehefa mandeha eny ny fotoana. Mila fiaretana sy faharetana. Mijery sy manampy antsika anefa ny Raintsika any An-danitra ao anatin’izany lalan’ny faharetana izany, tsy miandry ny farany Izy.
Indray mandeha ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe: “Mazava ho azy fa raha avela amin’izao dia tsy mitondra fivoarana ho azy ny fandehan’ny fotoana. Kanefa, tahaka ilay zanaka adala, dia matetika isika no mila ilay fotoana -afaka elaela- mba ho tonga saina ara-panahy. (Lioka 15:17.) Ohatra iray tena maodely ilay fihaonan’i Jakoba sy i Esao tany an-tany foana taona marobe taorian’ny disadisam-pianakaviana nisy teo amin’izy ireo. Afaka manolo ny fankahalana ny fahalalahan-tanana. Afaka mampisokatra ny fijery ny fisaintsainana. Saingy ny fisaintsainana sy ny fandinihan-tena dia mitaky fotoana. Vokatra ara-panahy maro no mitaky ny fampifangaroana ireo fahamarinana manavotra sy fotoana, izay manome ireo singa fototry ny traikefa, ilay vahaolana lehibe indrindra amin’ny zavatra marobe.” 4
Nilaza ny Filoha M. Russell Ballard, Filoha mpisolo toerana an’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
“Ny fiandrasana ny fotoan’ny Tompo dia tsy midika hoe miandry fotsiny eo tsy manao na inona na inona. Tsy tokony hahatsapa ho toy ny ao anaty efitrano fiandrasana velively ianao.
“Mitaky asa ny hoe miandry ny Tompo. “Nianarako tanatin’ny taona maro fa mampitombo ny fanantenantsika an’i Kristy ny fanompoana ny hafa. …
“Ny fivoaran’ny tena manokana azon’ny olona iray tratrarina amin’izao eo am-piandrasana ny Tompo sy ireo fampanantenany dia singa iray tena sarobidy sy masina ao amin’ny drafiny ho antsika tsirairay.” 5
Ny fiaretana am-paharetana dia karazana fitodihana sy fatokiana an’ Andriamanitra. Ao amin’ireo andininy mialoha ny toroheviny mba hangataka amin’ Andriamanitra raha toa ka tsy ampy fahendrena isika dia nilaza izao i Jakoba mikasika ny faharetana:
“Raiso ho fifaliana ny fahoriana maro mianjady aminareo;
“Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.
“Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra hianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona” (Dikantenin’i Joseph Smith, Jakoba 1:2; Jakoba 1:4).
Voadion’ny fahoriana
Rehefa manana ny fanampian’ny Raintsika any An-danitra isika dia hanadio antsika ny fahoriantsika sy ireo fijaliantsika fa tsy handresy antsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8). Hampipoitra olona faly kokoa sy masina kokoa isika. Tao anatin’ny fanambarana iray ho an’i Thomas B. Marsh, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany, dia nilaza toy izao ny Tompo momba ireo Apôstôliny: “Ary aorian’ny fakana fanahy azy ireo sy ny fahoriany be, dia indro, Izaho Tompo no hitady azy ireo, ary raha tsy manamafy ny fony izy ireo ary tsy manenjana ny hatony Amiko dia hovana fo ary hositraniko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:13).
Afaka milaza isika fa ao anatin’ny fahoriana dia lasa mahafantatra ilay “Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, Izay efa nirahi[ny]” (Jaona 17:3). Miaraka amin’ Izy Ireo isan’andro isika ao anatin’ny fahoriana. Rehefa aetry isika dia mianatra ny mibanjina Azy ireo “amin’ny eritreritra rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36). Hanompo antsika Izy Ireo amin’ny alalan’ny dingan’ny fahaterahana indray. Mino aho fa tsy misy lalana hafa ankoatra izany.
Mivavaka aho ny hanatonantsika tsirairay akaiky kokoa ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fahoriantsika. Mandritra izany dia enga anie isika hianatra manompo ny hafa ao amin’ny fahoriany araka ny fomban’ Andriamanitra. Tamin’ Izy “[n]iaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany” no nahafantaran’ny Mpamonjy “araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny.” (Almà 7:11–12). Ho antsika kosa, “raha toa isika amin’izao ka tsy mandalo fitsapana manokana dia mety afaka manampy olona hafa mandalo fitsapana, ho feno fangorahana sy manolotra famelombelomana ara-panahy.” 6