2022
Inona marina no atao hoe fanehoana fanajana?
Martsa 2022


“Inona marina no atao hoe fanehoana fanajana?,” Liahona, Mar./Apr. 2022.

Inona marina no atao hoe fanehoana fanajana?

Rehefa mampivelatra ny fahatakarantsika ny hoe fanehoana fanajana isika dia mampitombo ny fahafahantsika maneho fanajana na dia amin’ireo toe-javatra tsy ampoizina indrindra aza.

Sary
lehilahy mihaino écouteurs

Noho ireo zavatra manokana sasany niainako dia nieritreritra ny dikan’ny hoe fanehoana fanajana aho. Toy izao no famaritan’ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany izany:

“Matetika dia tafiditra ao anatin’ny fitsaohana ny asa, kanefa mitaky fomba fisainana miavaka hatrany ny fitsaohana marina.

“Mitaona ireo fahatsapana fankatoavana lalina, fiderana sy fitalanjonana ny fihetsika amin’ny fitsaohana. Manambatra ny fitiavana sy ny fanehoana fanajana amin’ny toetry ny fahafoizantena izay mitondra ny fanahintsika akaikin’ Andriamanitra bebe kokoa ny fitsaohana.” 1 .

Inona no tonga ao an-tsaina rehefa mieritreritra ny hoe fanehoana fanajana? Azo heverina ho fanehoana fanajana ve sa tsia mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ireto laha-tantara manaraka ireto?

  1. Ankizy manao sary ao anaty boky fandokoana.

  2. Zatovolahy mizara fanasan’ny Tompo sady manao écouteurs.

  3. Lehilahy mitsambikina sy manofahofa tanana fahatany.

  4. Zatovovavy milalao jeu amin’ny findainy.

  5. Misiônera mihiakiaka tampoka.

  6. Vehivavy mipetraka ao an-dalantsara foana, fa tsy ao amin’ny trano fiangonana.

  7. Lehilahy matory amin’ny kidoro ao amin’ny lalantsaran’ny Fiangonana.

  8. Andiana mpikambana manao fihetsika sy tabataba mafy.

  9. Tanora vavy iray mipetraka ao ambanin’ny sezany.

  10. Vehivavy mandeha mivezivezy ao amin’ny trano fivavahana.

Maro amintsika no manaiky fa ny misiônera mihiakiaka ao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia tsy maneho fanajana mihoatra ny ankizy manao sary mba hahavariana azy ireo. Saingy andeha hojerentsika ny fiheverantsika ny hoe fanehoana fanajana amin’ny alalan’ny fandinihana ireo laha-tantara tena misy ireo, izay samy efa hitako manokana tao anatin’ireo fivoriana ato amin’ny Fiangonana.

  1. Ankizy manao sary ato am-piangonana. Efa mahazatra io fanao io ary saika tonga dia eken’ny mpikambana rehetra. Fantatsika fa amin’ny ankapobeny dia tsy ho tsy fanajana io raha tsy hoe avelantsika hanelingelina ny fifantohantsika izany.

  2. Zatovolahy mizara ny fanasan’ny Tompo sady mihaino hira amin’ny écouteurs. Amin’ny ankamaroan’ny tranga dia iaraha-manaiky fa tsy mety io. Saingy mamelà ahy hizara “ny tohin’ny tantara.” Nahafantatra lehilahy iray nanana fijoroana ho vavolombelona matanjaka aho sady nanao asa fitoriana ary nanaiky karazana antso maromaro. Tao anatin’ireo taona faramparany anefa izy dia nahitana aretina hoe trouble schizo-affectif. Ny fanaovana ecouteurs dia mamela azy hihaino mozika malefaka sy mampitony ary manampy amin’ny fanakanana ireo feo reny ao an-tsaina. Afaka mahatsapa ny Fanahy izy ary manompo amim-panajana ny hafa rehefa manao écouteurs.

  3. Zatovolahy mitsambikina sy manofahofa tanana fahatany. Ny tohin’ny tantara: Ity rahalahy tsy be resaka ity izay voan’ny autisme dia lasa mientanentana isaky ny mahita ny eveka eny amin’ny polipitra. Amin’ny alalan’ny tehaka sy fitsambikinana no anehoany izany fahavononany izany.

    Sary
    Children attend primary. One has a service dog and another is in a wheelchair.
  4. Zatovovavy milalao jeu amin’ny findainy. Ny tohin’ny tantara: Miady amin’ny tebiteby ara-tsôsialiny ity rahavavy ity amin’ny alalan’ny filalaovana jeu amin’ny findainy amim-pahanginana. Eny tokoa, afaka mihaino amim-panajana kokoa sy mandray ny hafatry ny mpandahateny kokoa izy satria mifantoka amin’ny zavatra hafa ny tebitebin-tsainy.

  5. Misiônera mihiakiaka tampoka. Ny tohin’ny tantara: Raha tao amin’ny ivontoerana fanofanana misiônera aho dia nisy misiônera iray tao amin’ny faritra nisy ahy voan’ny syndrome de Gilles de la Tourette. Indraindray izy dia mihiakiaka ao an-dakilasy, ao amin’ny efitrano fisakafoana, ary ao amin’ireo fivoriam-piangonana. Ny fitabatabany dia tsy noraisina ho tsy fanajana, hita avy hatrany eny aminy fa vonona ny hanompo izy, mazoto hizara ny filazantsara, ary feno ny Fanahy.

  6. Vehivavy mipetraka ao an-dalantsara isan-kerinandro, fa tsy ao amin’ny trano fivavahana mihitsy. Ny tohin’ny tantara: Raha niasa tamin’ny Fiangonana aho tany Salt Lake City, dia nisy rahavavy iray nanoratra tamin’ny biraon’ny sampan-draharaha misahana ny fahasembanana nitantara ny zavatra niainany raha voan’ny syndrome de stress post-traumatique izy (aretin-tsaina noho ny ady) noho ny asa fanompoana nataony tany amin’ny tafika. Koa satria mety hampihetsika azy ny finday maneno na zavatra hafa maneno tampoka dia tsy mipetraka ao amin’ny efitrano fiangonana mihitsy izy sao mandratra olona tsy nahy.

  7. Lehilahy matory amin’ny kidoro ao amin’ny lalantsara. Tohin’ny tantara: Raha nifindra tamina paroasy vaovao aho dia gaga raha nahita rahalahy iray eo ambony fandrian’ny hôpitaly ao amin’ny trano fiangonana. Manana fahasembanana maro ity lehilahy ity ary amin’izany fomba izany ihany no ahafahany mandeha miangona. Tonga dia tsikaritro fa nahazatra an’io paroasy io izany, ary tonga dia neken’ny saiko haingana izany. Tsy hoe tsy fanehoana fanajana ny fijanonany eo fa ny mifanohitra amin’izany aza. Sady moa ve tsy nanasitrana lehilahy iray nampidinin’ireo namany teo am-pandriany tao anaty trano feno olona ny Mpamonjy? (jereo ny Lioka 5:18–20).

  8. Andiana mpikambana mitabataba mafy sy manao fihetsika be. Tohin’ny tantara: Mety “mitabataba” ho an’ny maheno ireo mpiangona marenina. Ho an’ny fiarahamonin’ireo marenina dia tsy hoe tsy fanehoana fanajana olona ny mitabataba na mihomehy na mikohaka mafy, fa raisina ho tsy fanajana ny mpikambana manao fihetsika momba ny zavatr’izao tontolo izao mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

  9. Tanora vavy iray mipetraka ao ambany seza. Ny tohin’ny tantara: Fony aho zatovo dia nisy ankizivavy iray nipetraka tao ambany sezany foana tao an-dakilasy. Lehibe tao amin’ny trano fitaizana kamboty maro ity rahavavy tanora ity ka tsy mahatsapa ho voaro raha tsy amin’ny toerana takotakona. Nanomboka tamin’izay aho dia nahatsikaritra fa tsy afaka ny hanantena ireo mpianatra hianatra isika raha toa ka mahatsapa ho mila miady na mandositra na tsy afa-mihetsika izy ireo. Tokony hahatsapa ho voaro ireo mpianatra raha toa ka tiana hianatra ary indrindra indrindra dia tokony hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy.

  10. Vehivavy mandeha mivezivezy ao amin’ny lalantsara. Ny tohin’ny tantara: Izaho izany raha ny tena marina. Nitolona tamin’ny adin-tsaina aho nandritra ny folo taona mahery, ary nisy fotoana tena nisy fihenjanana izany niaraka tamin’ny olana ara-pahasalamana hafa. Nandritra ireo fotoana ireo dia amin’ny toerana ahafahako mandehandeha ihany no fomba ahafahako miangona any am-piangonana. Ny fandehanana mihodinkodina na filalaovana zavatra kely hazonina amin’ny tanana indraindray no hany fomba ahafahako mifantoka amin’ireo haut parleur sy mahatsapa ny Fanahy. 

Araraotin’i Satana ny tsy fahalalantsika ny tohin’ny tantara, ny tsy fahafantarantsika ny fanamby atrehan’ireo rahalahy sy rahavavintsika isan’andro. Tiany ho hadinontsika fa ny ankamaroan’ny mpikambana dia manao izay vitany na manao ahoana na manao ahoana mety ho fahitan’ny hafa izany. Mety ho mahalana no ahitana ireo laha-tantara notanisaiko etsy ambony ireo, saingy maneho ny tolona manokana lalovan’ireo mpiara-mivavaka amintsika amin’ny fandehanana miangona izy ireo.

Mino aho fa tian’i Satana hino isika hoe manakana ny fitsaohana ataontsika ny olana na ny fahasamihafana ny fahalemen’ny hafa. Raha ny marina dia nahita aho fa amin’ireo fotoana toa mampikorontana ireo mihitsy aho no tena mianatra momba ny fitiavan’ny Mpamonjiko.

Ny zavatra nianarako momba ny fanehoana fanajana

Sary
vehivavy mampiasa fiteny tanana

1. Safidy sy fahaiza-manao ny fanehoana fanajana

Anjarako ihany no tokony ho mahatsapa hoe maneho fanajana. Matetika loatra aho no tsy mahatsapa ho maneho fanajana satria variana. Rehefa mampivoatra ny fifehezan-tenako ara-panahy aho sy mampiofana ny fanahiko mba hifantoka amin’ny zavatra manan-danja indrindra, dia tompon’andraikitra feno kokoa aho amin’ny fifandraisako amin’ny Ray any An-danitra.

2. Tsy iray ihany ny endrika fanehoana fanajana.

Nisy naman’ny fianakaviana iray tany am-ponja nandritra ny 17 taona nandray ny Fanahy tao amin’ny efitra misy azy tamin’ny alalan’ny fanamboarana sarin’ny tempoly tamin’ny taratasy. Afaka misy fanehoana fanajana ny toe-javatra rehetra rehefa mandray ny Fanahy isika.

3. Azo amporisihina ny olona haneho fanajana kanefa safidiny manokana izany.

Fanoloran-tena anaty hampiroborobo ny “fahatsapana fankatoavana lalina” no mahatonga fanehoana fanajana. Tsy misy izany raha tsy rehefa mahatsapa sy mampiseho ny fitiavantsika ny Tompo sy ireo mpikambana hafa isika. Nilaza tamiko ny raiko indray mandeha fa rehefa manaiky ny andraikitsika amin’ny fanehoana fanajana isika dia hiova ny fomba fijerintsika ka ilay hoe “Manelingelina ny fitsaohako ianao” dia ho lasa hoe “Tsy maninona ianao. Tongasoa ianao eto. Tsy manelingelina ny fanehoako fanajana ianao satria nisafidy ny haneho fanajana aho.” Avy eo dia hitantsika fa tsy tokony hanembatsembana ny fomba fifandraisantsika manokana amin’ny Mpamonjintsika sy ny Raintsika any An-danitra ny zavatra ataon’ny hafa. Mazava ho azy fa ny fandraisana andraikitra manoloana ny fanehoam-panajantsika manokana dia tsy midika hoe tokony tsy horaharahiantsika ny fiantraikan’ny fihetsitsika ataontsika amin’ny zavatra iainan’ny hafa. Ny ezaka ataontsika haneho fanajana manokana dia mety ho fanehoana ny fitiavantsika azy ireo amin’ny maha rahalahy sy rahavavintsika azy ireo.

Ny fanompoana nataon’ny Mpamonjy

Tao anatin’ny ohatra tsara iray momba ny fanompoana ny Mpamonjy dia nanana fangorahana tamin’ny lehilahy iray nidiran’ny fanahy maro. Na dia nitabataba mafy aza io lehilahy io sy nandeha tsy niankanjo dia tsy nandà ny hitsabo azy i Jesoa. Rehefa sitrana ihany io lehilahy io vao afaka “nipetraka teo anilan’ny tongotr’i Jesoa nitafy lamba sady ary saina,” sady nangataka ny hijanona niaraka tamin’ny Tompo. (Jereo ny Lioka 8:27–39; jereo koa ny Marka 5:1–20.)

Toy izany koa dia tsy niteny tamin’ilay lehilahy tao anatin’ny saina maloto i Jesoa mba tsy hivareraka sy tsy handoa vory ary tsy hikitro-nify vao nanasitrana azy. (jereo ny Marka 9:17–27). Zavatra iainana amin’ny fiainana an-tany no fahitany ireo toe-javatra ireo fa tsy kilema ara-panahy. Ny Fariseo ihany no tsy nitodihany satria nanakana ny fanasitranana ny fahamarinan-tenany sy ny avonavony.

Rehefa velarintsika ny famaritantsika ny hoe fanehoana fanajana dia ho afaka mampianatra sy manompo bebe kokoa amin’ny fomban’ny Mpamonjy isika. Ho tadidintsika ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10). Ho afaka maneho fanajana isika na dia amin’ireo toe-javatra tsy ampoizina indrindra aza.

Angamba ny fanehoana fanajana eo imason’ny Tompo dia tsy misy ifandraisany loatra amin’ny hoe mipetraka mangina sy miresaka malefaka fa kosa ny fahanginan’ny saintsika sy fahalemen’ny fontsika.

Monina any Texas Etazonia ny mpanoratra.

Fanamarihana

  1. Dallin H. Oaks, Pure in Heart (1988), 125.

Hamoaka printy