2022
Ndao hitsidika ny tempoly
Martsa 2022


“Ndao hitsidika ny tempoly,” Liahona, Mar./Apr. 2022.

Ny Feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany: Vehivavy be finoana

Ndao hitsidika ny tempoly

Rehefa nivavaka aho hahafantarana ny fomba hanampiako ny rafozam-baviko, dia ny tempoly no tao an’eritreritro.

Sary
Tempolin’i Bogota Colombie

Sarin’ny tempolin’i Bogota Colombie nalain’i Ivan Ortiz Ponce

Nandritra ny valanaretina COVID-19 dia nikatona ny tempolin’i Bogota Colombie. Koa satria tsy afaka nankany intsony aho dia indraindray ato an-tsaiko aho no mandeha ao amin’ny tempoly sady mahatsiaro ny fanompoana nataoko tao amin’ny maha mpiasan’ny tempoly ahy.

Narary mafy ny rafozam-baviko fotoana fohy taoriana kelin’ny nanombohan’ny fihibohana noho ny COVID-19 taty Colombie. Rehefa nivavaka aho hahafantarana ny fomba hanampiako azy, dia ny tempoly no tao an’eritreritro.

Raha nieritreritra momba ny tempoly aho dia nahatsapa ho notaomin’ny Fanahy Masina hangataka ny rafozam-baviko raha te hiaraka haka sary an-tsaina amiko hitsidika ny “iray amin’ireo toerana tsara indrindra eto an-tany” izy.

Namaly tamin’ny feo iva izy hoe: “Eny.”

Nalainay sary an-tsaina hoe nanomboka avy teo amin’ny tranony any Medelin izahay ka nandeha tany amin’ny tranoko ao Bogota, ary avy eo dia tonga teo amin’ny tempoly. Nalainay sary an-tsaina hoe niditra ny tempoly izahay ary nanompo tao. Nalainay sary an-tsaina hoe niaraka nipetraka tao amin’ny efitrano selestialy izahay, nanolotra vavaka fankasitrahana ho an’ny Tompo.

Avy eo dia nitalaho tamin’ny Ray any An-danitra izahay, raha sitrany, ny mba hahazoan’ilay rafozako fahasitranana ka ho afaka ny hiverina any amin’ny tempoly indray ny vatany. Zavatra niainana tena niavaka sy matotra izany izay nampahery sy nitondra tanjaka ho azy.

Anisan’ny tantara iray momba ny Mpamonjy izay nanohina ahy indrindra ny niseho tao an-tanànan’i Kapernaomy. Io tantara io dia mampianatra antsika fa ny Tompo dia afaka mitahy sy manasitrana ny hafa amin’ny alalan’ny fanampian’ny havana na namana.

Rehefa naheno ireo vahoaka tao Kapernaomy fa tao anatina trano iray i Jesoa, dia nitondra lehilahy iray mararin’ny paralysisa izy ireo hankany Aminy.

“Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan’ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon’ny trano nitoeran’i Jesoa, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian’ilay nararin’ny paralysisa.”

Rehefa hitan’i Jesoa ny finoan’izy ireo dia hoy Izy tamin’ilay lehilahy: “Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.” (Jereo ny Marka 2:1–11.)

Tahaka ilay lehilahy mararin’ny paralysisa dia nositranin’ny herin’ny Mpamonjy ny rafozam-baviko tamin’ny alalan’ny tsodranon’ny fisoronana sy ny finoany ary ny finoan’ny fianakaviana sy namana.

Mandritra izao fotoana mampisalasala izao dia fantatro fa afaka mandray fitarihana isika hampaherezana sy hampatanjahana ireo mila fanampiana. Rehefa mitodika any amin’ny Ray any An-danitra isika sy mahatsiaro Azy sy ny Zanany mandrakariva dia afaka mahazo fiadanam-po sy fanantenana ary fahasitranana.

Hamoaka printy