2022
Antsoy aho aloha
Martsa 2022


“Antsoy aho aloha,” Liahona, Mar./Apr. 2022.

Ny Feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany: Vehivavy be finoana

Antsoy aho aloha

Faly aho fa tsy very ilay fahafahako hanampy rahavavy iray nila ahy sy nilaiko.

Sary
vehivavy lehibe iray sy vehivavy tanora iray mifamangy

Fony aho reny vao herotrerony nitaiza ny zanako voalohany dia mbola tany amin’ny oniversite ny vadiko. Samy niasa tapak’andro izahay mba hiantohana ny fivelomanay.

Raha niandrandra andro iray tsy fiasana aho dia nikasa hijery horonan-tsary tranainy iray tamin’ny fahitalavitra. Talohan’ny nisian’ny DVD sy ny internet izany.

Amin’ny ora tena mety mihitsy ilay horonan-tsary no hanomboka, tamin’ny 10 ora maraina, satria matory ilay zanakay. I Cary Grant no milalao izany, iray amin’ireo mpilalao sarimihetsika amerikana tiako indrindra.

Ny alina mialoha ilay andro tsy fiasana nandrasana mafy dia niantso ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana. Nisy rahavavy iray tapaka lalan-dra tao amin’ny paroasinay ary nila fikarakarana ny ampitson’io mandra-piverin’ny zanany avy miasa.

“Tokony ho vitako izany fa manana vahiny aho,” hoy ilay filohan’ny Fikambanana Ifanampiana. Nohazavainy fa tsy nahita olon-kafa hangatahana hanao izany izy ary nanolo-tena ny hiambina ny zanakay mandritra ny fikarakarako ilay rahavavy. Nanaiky tsy sazoka aho.

Ny marain’io dia nateriko ilay zanakay ary nandeha nitsidika ilay rahavavy aho. Louise no anarany ary lasa nanana fitiavana tampoka azy aho. Antitra be toy ny renibeko izy, izay maty vao tsy ela.

Nanampy an’i Louise niankanjo aho ary nikarakara sakafo maraina. Nipetraka tamin’ny seza iray izy ary namelona ny fahitalavitra. Tsy ela dia tonga ny tamin’ny 10. Raha namadibadika ireo chaines tamin’ny télécommande izy dia nilaza hoe: “Tsy misy zavatra atolotra mihitsy ity fahitalavitra ity.”

Somary niahotra aho dia nilaza hoe: “Misy sarimihetsika lalaovin’i Cary Grant amin’ny canal 11.”

“Marina ve izany?” hoy izy. “Tena tiako i Cary Grant!”

Nojerenay ilay horonan-tsary ary nankafizinay tanteraka izany. Taorian’izay izy dia nizara zavatra momba ny fiainany fony izy tamin’ny taonako. Niresaka tamiko momba ilay zanany lahy izy, dia nolazaiko azy ny momba ny ahy. Niresaka momba ny Fiangonana izy sy ny fanembonany azy.

Rehefa tonga ilay zanany lahy dia nampanantena ny hiverina aho. Nolazaiko ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana mba hiantso ahy aloha raha mbola mila olona i Louise.

Fotoana fohy tao anatin’ny roa herinandro dia tapaka lalan-dra indray i Louise ary maty. Tsy nanana fahafahana ny nahita azy indray aho. Adiny sivy sy horonan-tsary iray ihany no mba nifampizaranay, saingy lasa namana mamiko izy. Mahatsiaro azy matetika aho.

Feno fankasitrahana aho tsy nanary fahafahana nanampiana rahavavy izay nila ahy, izay nilaiko koa na tsy tsapako aza izany tamin’izany.

Hamoaka printy