2022
Ary Jehovah nomba an’i Josefa
Martsa 2022


“Ary Jehovah nomba an’i Josefa,” Liahona, Mar./Apr. 2022.

Avia, hanaraka Ahy

Genesisy 37–41

Ary Jehovah nomba an’i Josefa

Raha misangodina eo amin’ny tsara sy ny ratsy ny fiainantsika dia afaka mianatra avy amin’ny ohatr’i Josefa mpaminany fahiny isika.

Sary
Josefa tany Egypta manazava ny nofin’i Farao

Josefa manazava ny nofin’i Farao, nataon’i Jean Adrien Guignet, Musée des Beaux-Arts, Rouen, France / Bridgeman Images

Taona maro lasa izay dia tsindrindaona ny fianakavianay rehefa naheno izahay fa bevohoka ny zanakay fahefatra i Terri vadiko. Kanefa rehefa bevohoka volana maromaro izy dia nahare izahay fa voan’ny aretina mety hampidi-doza azy i Terri. Ny safidy azo antoka indrindra ho azy dia ny mampiditra hopitaly azy, izay ahafahana mahazo fikarakarana tsy tapaka. Noferana tsy hiala eo am-pandriana izy hihazonana ela ilay vohoka araka izay azo atao.

Lasa fotoana matroka sy mafy tamin’ny fianakaviako izany, indrindra fa ho an’i Terri. Nahatsapa ho irery izy. Ary nanana ny fanamby ny hikarakara ankizy kely anakintelo aho sady niasa ary koa nanompo ho eveka. Toa nikorontana sy sarotra ny fiainana.

Tao anatin’ny fanireriny i Terri dia nahita fampiononana tao amin’ny tonon’ny fihirana mahafinaritra iray hoe:

Mila ny fanatrehanao tsy tapaka aho.

Tsy misy afa-tsy ny famindram-ponao no afaka mampiala ny herin’ilay mpaka fanahy.

Tsy misy afa-tsy Ianao no mpitarika ahy sy loharanon-keriko.

Na inona re miseho, mitoera eto! 1

Niaraka taminay ny Tompo

Tamin’ny farany dia nilaina ny fandidiana maika mba hamoahana an’i Jace zanakay lahy. Saingy voakarakara tsara ny reniny sy ny zanany satria efa tao amin’ny hôpitaly i Terri. Nahatsapa ny fiarovan’ny Tompo izahay teo amin’ny fiainanay.

Teraka efatra herinandro mialoha i Jace ary napetraka tao amin’ny sampan-draharaha fameloman’aina ho an’ny zaza vao teraka. Nody tsy niaraka tamin’ny zanakay izahay. Nandritra ny volana nanaraka izany dia nandeha isan’andro tany amin’ny hôpitaly izahay. Toa tonga teo amin’ny tendrony ratsy teo amin’ny fiainanay izahay.

Averiko indray anefa fa nahita maso ny fiasan’ny tanan’ny Tompo izahay. Nihatsara i Jace ka afaka nitondra azy nody izahay, tendrony tsara satria tafiaraka izahay mianakavy.

Avy eo izahay dia nahafantatra fa voan’ny cranyosténose i Jace, aretina iray izay mampikatona aloha loatra ny taolana ao amin’ny lohany. Ny vokatr’izany dia tsy mety mitombo ny lohan’ny zaza. Ny hany fitsaboana azy dia fandidiana ka anesorana ampahany be ny karandohan’i Jace kanefa izy vao 3 volana monja. Tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny tsodranon’ny fisoronana no niaretanay izany fanamby izany. Dia mbola nahita ny fiasan’ny tanan’ny Tompo hatrany izahay teo amin’ny fiainanay. Voavaly ireo vavaka natao. Tanteraka ireo tsodrano. Nahomby ny fandidiana. Teo amin’ny tendrony tsara indray ny fiainana.

Miaka-midina tokoa ny fiainana! Saingy nampianatra lesona maro anay ny Tompo nandritra izany lalana izany. Fantatray fa niaraka taminay Izy nandritra ny dia.

Nandalo ny avo sy ny iva ihany koa i Josefa.

Sary
Josefa namidy tany Egypta

Josefa namidy tany Egypta, nataon’i William Brassey Hole, © Look And Learn / Bridgeman Images

Rehefa mandalina ny fiainan’i Josefa ao amin’ny Testamenta Taloha isika dia ho hitantsika fa ny fiainany dia sangodina eo amin’ny tsara sy ny ratsy ihany koa. Ary mianatra isika fa niaraka taminy foana ny Tompo na teo amin’ny tsara na teo amin’ny ratsy.

Ny akanjo izay nomen’i Jakoba an’i Josefa dia tandindona tsara maneho ny fitiavan’i Jakoba an’i Josefa. Saingy fampahatsiahivana misarika an’ireo rahalahin’i Josefa ny amin’ny fifandraisana misy eo amin’ny Josefa sy ny rainy ihany koa izany.

Rehefa lasa namahana ny ondrin-drainy ireo rahalahiny dia nasain’i Jakoba nijery azy ireo i Josefa. Nandeha i Josefa araka ny nangatahina. Toa very teny an-dalana anefa izy. Koa nandefa olona ny Tompo hanoro lalana an’i Josefa mba hahitany ireo rahalahiny (jereo ny Genesisy 37:15–17).

Rehefa niray tsikombakomba hamono azy ny rahalahin’i Josefa dia toa tsy kisendrasendra akory fa nisy andiana mpivaro-mandeha sendra nandalo teo ho any Egypta. Raha saika namono an’i Josefa na namela azy ho faty tao anaty lava-drano ireo rahalahiny dia namidin’izy ireo tamin’ilay andiana mpivaro-mandeha izy. (Jereo ny Genesisy 37:25-28.)

Niharihary indray ny fitarihan’ny Tompo rehefa namidin’ireo mpivaro-mandeha ireo tamin’i Potifara, kapitenin’ny mpiambina an’i Farao i Josefa. Na dia mpanompo aza i Josefa dia navadiny ho zavatra tsara avokoa ny zavatra rehetra niainany. Nanendry an’i Josefa ho mpanapaka ny tranony i Potifara. Napetrany teo am-pelatanan’i Josefa ny fananany rehetra. (Jereo ny Genesisy 39:4.) Avy tamin’ny fotoana ratsy teo amin’ny fiainany i Josefa no lasa nandalo fotoana tsara. Mianoka ireo fahafahana sy tombontsoa tao amin’ny tranon’i Potifara izy izao.

Tsy naharitra anefa io fotoana tsara io. Rehefa nitsoaka ny fangatahana ratsin’ny vadin’i Potifara i Josefa dia noampangainy ho ratsy fitodran-tena izy. Na tsy marina aza ny fiampangany azy dia azo novonoina ho faty izy. Mahavariana fa naiditra am-ponja fotsiny izy. Niaro an’i Josefa indray ny tanan’ny Tompo.

Finoana mahavariana

Raha ianao ilay naiditra am-ponja tsy ara-drariny dia inona no ho nataonao? Raha misy olona manana antony hahakivy sy hiainana ny ngidiny dia i Josefa izany. Ny filatsahany mafy avy amin’ny fiainana tsara ho amin’ny ratsy dia mety ho nahatonga azy hieritreritra hoe: “Inona no ilana ny fiezahana manompo an’ Andriamanitra? Tsy misy afa-tsy ny manasazy ahy no ataony.” Tsy tezitra na nanome tsiny ny Tompo anefa i Josefa, ary tsy nilavo lefona izy. Tsy nalemy mihitsy ny finoana mahavariana nananany.

Ary na dia tao amin’ireo andro maloka niainany tao am-ponja aza dia tsy nandao an’i Josefa ny Tompo. Voalohany dia nomen’ny Tompo fahafahana i Josefa hanazava ny nofin’ilay mpitondra kapoaka sy mpanao mofo (jereo ny Genesisy 40). Avy eo, taona vitsy taty aoriana, rehefa nitarika azy hanana ny fahafahana hanazava ny nofin’i Farao izany dia fantatr’i Josefa fa avy tamin’ Andriamanitra no nahafahany nanao izany (jereo ny Genesisy 41:16 Tsy vitan’ny hoe nafahan’i Farao fotsiny i Josefa fa “notendreny ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra” (Genesisy 41:43) ihany koa izy. Rehefa avy nijaly sy nitolona nandritra ny taona maro i Josefa dia navelan’ Andriamanitra ho lasa olona manan-kery teo amin’ny tany izy, faharoa nanarakaraka an’i Farao, tendrony avo iray hafa teo amin’ny fiainan’i Josefa.

Nataon’ Andriamanitra ho soa ho antsika izany

Tamin’ny farany i Josefa dia nihaona tamin’ireo rahalahiny, ireo izay niray tsikombakomba ratsy nifofo azy sy namarotra azy ho andevo. Afaka ny ho tezitra izy. Azony natao ny nanome tsiny azy ireo ho nanao “zavatra tsy rariny mahasendoatra” taminy. 2

Saingy tsapan’i Josefa fa ny Tompo no nanara-maso ny ambony sy ny ambany teo amin’ny fiainany. Ny zavatra nolazainy tamin’ireo rahalahiny dia manome hevitra ny amin’izany fahatakarana izany:

“Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin’izao anio izao, hamelona olona betsaka.

“Koa ankehitriny, aza matahotra hianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy” (Genesisy 50:20–21).

Rehefa mihodinkodina eo amin’ny tsara sy ny ratsy ny fiainantsika dia fampahatsiahivana tena tsara izany, izay midika hoe nataon’ Andriamanitra ho soa ho antsika izany. Nampianarin’ny Tompo an’i Joseph iray tamin’ny andro farany io fitsipika io:

“Raha voantso hamakivaky fahoriana ianao; …

Raha iampangana anao avokoa ireo karazana fiampangana sandoka rehetra; raha manafika anao ny fahavalonao; raha esoriny hiala amin’ny fiarahanao amin’ny rainao sy ny reninao … ianao; … ary hotaritaritiny ianao ho any am-ponja, …

“… Dia fantaro anaka, fa ireo zavatra rehetra ireo dia hanome anao traikefa ary ho soa ho anao izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:5–7).

Nisy foana ny fahasarotana hatramin’izay

Rehefa nandalo ireo fanamby izaho sy i Terri, dia nahita fampiononana avy tamin’ity teny nambaran’ny mpaminanin’ Andriamanitra ity:

“Tiako ho fantatrareo fa nisy fahasarotana foana ny fiainana an-tany, ary mbola hisy foana. Saingy rehefa mahalala ny zavatra fantatsika sy miaina araka izay tokony hiainantsika isika dia tena tsy misy toerana ary tsy misy hanamarinana ny fahitana lafiratsin-javatra sy ny fahakiviana. …

“… Antenaiko fa tsy hino ianareo hoe nalefa tamin’ny vanin’andronareo avokoa ny fahasarotana rehetra eo amin’izao tontolo izao na hoe tsy mbola nisy zavatra ratsy noho izao iainanao manokana izao, na hoe tsy ho tsara intsony izany. Manome toky anareo aho fa efa nisy ratsy indrindra ary tsy maintsy hihatsara foana izany. Mihatsara foana izy ireny, indrindra rehefa miaina sy mitia ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika sy mamela izany hiroborobo eo amin’ny fiainantsika.” 3

Avy amin’ny tantaran’i Josefa sy ireo tranga tsy ampoizina miseho eo amin’ny tontolo manodidina antsika dia mora ny mahita fa mitranga amin’ny olona tsara ny zavatra ratsy. Ny fiainana amim-pahamarinana dia tsy midika hoe hisoroka ny olana sy alahelo eo amin’ny fiainantsika isika. Na izany aza anefa dia hiaraka amintsika ny Tompo, tahaka ny niarahany tamin’i Josefa nandritra ny fijaliany. Tsy azo sakanana fa ho tonga ny fitsapana. Saingy rehefa mandalo azy ireny ao anatin’ny fahavononana hihaino Azy isika dia hitarika antsika sy hitaona fanahy antsika ny Tompo, tahaka ny nataony tamin’i Josefa.

Fanamarihana

  1. Reste avec nous, SeigneurCantiques, no. 92.

  2. Jereo ny Dale G. Renlund, “Zavatra tsy rariny mahasendaotra,” Liahona, mey 2021, 41–45.

  3. Howard W. Hunter, “An Anchor to the Souls of Men,” Ensign, Oct. 1993, 70.

Hamoaka printy