2022
Afaka manampy antsika ao anatin’ireo fotoan-tsarotra Andriamanitra
Martsa 2022


“Afaka manampy antsika ao anatin’ireo fotoan-tsarotra Andriamanitra,” Liahona, Mar./Apr. 2022.

Fitsipika momba ny fanompoana

Afaka manampy antsika ao anatin’ireo fotoan-tsarotra Andriamanitra

Ary azontsika ampiasaina ny zavatra azontsika avy amin’ny fitsapana antsika mba hanampiana ny hafa.

Sary
vehivavy mipetraka sy mijery masoandro milentika amin’ny ranomasina.

Sary tao amin’i Getty Images

Narary sy nalahelo i Marcela Endrek, avy ao Córdoba, Argentine. Navesatra be taminy izany. Tao anatin’ny fahatsapana hoe tsy ho tafavoaka intsony dia naheno lahateny iray tamin’ny fihaonambe izy izay miresaka momba ny vavaka. Tonga nivantana tao am-pony ny eritreritra hivavaka mafy momba ny olany.

Nanomboka nivavaka tsy tapaka izy mba ho afaka. Nitondra fiadanana sy fankaherezana ho azy ny vavaka na dia tsy nihatsara aza ny fahasalamany. Raha ny marina dia niharatsy ny toe-batany ka tsy afaka niasa intsony izy. Izao dia nitombo indray ny tebitebin-tsainy fa tsy ho afaka ny hanefa ny fandaniana amin’ny fitsaboana azy.

Koa satria nilaina dia nanomboka nanao fanadihadiana ny fomba mety hiatrehany ny olany amin’ny fomba hafa izy. Nahatsapa ho voataona hifantoka tamin’ny fanovana ny fahazarany mihinan-kanina izy ary talanjona tamin’ny fomba nanampian’izany azy. Tena nahatalanjona ny fahasitranany hany ka nanomboka nandalina lalina ny resaka sakafo izy.

Taty aoriana dia nihaona tamina zatovovavy iray antsoina hoe Evelyn izy izay nanana aretina nitovy taminy, narary sy nalahelo ary very fanantenana ny hahita valiny. Nahita ny tenany tamin’ny alalan’ilay namany vaovao i Marcela. Nozarainy ny sasany tamin’ny zavatra nianarany momba ny safidy ara-tsakafo sy ny fihinanana sakafo. Nozarainy tamin’i Evelyn ihany koa ny tenivavolombelony momba ny herin’ny vavaka. Nanasa an’i Evelyn izy hivavaka mba hahatsapany ihany koa ny fitiavan’ Andriamanitra sy hahafantarany fa mahafantatra ny manjo azy Izy.

Andro vitsy taty aoriana dia nientanentana ery i Marcela hahita an’i Evelyn indray. Hita taratra sahady fa nisy fiovana ara-batana sy ara-panahy. Nampahafantarin’i Evelyn azy fa niova ny fiainany ary afaka nahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra azy izy.

Avy amin’ireo fitsapana sy fanamby i Marcela dia nahazo fangorahana sy fampahalalana nilainy izay nanampy azy.

Afaka isika mba ho lasa mpanafaka

Sary
I Josefa mizara vary mandritra ny mosary tany Egypta

Joseph avy any Egypta, nataon’i Robert T. Barrett

Ny tantaran’i Josefa avy any Egypta dia ohatra iray amin’ny zavatra mety hitranga rehefa tapa-kevitra isika ny hatoky an’ Andriamanitra ao anatin’ny fitsapana antsika: tsy vitan’ny hoe afaka manafaka antsika fotsiny Izy, fa mametraka antsika amin’ny toerana hampiasantsika ny traikefantsika hanampiana ny hafa Izy (jereo ny Genesisy 37–45).

Tapa-kevitra ny hatoky an’ Andriamnitra sy hitandrina ny didiny i Josefa na dia teo aza ny famadihana sy ny fahaverezana ary ny fanagadrana. Noho ny finoan’i Josefa an’ Andriamanitra sy ny fahavononany hiaritra amim-paharetana ireo fitsapana azy tsy misy lolom-po dia “nomba an’i Josefa” ny Tompo (Genesisy 39:21) ary nametraka azy tamin’ny toerana hahafahany mitahy olona maro (jereo ny Genesisy 45:5–8).

Fitsipika hodinihana

Rehefa mandinika ireo fahafahana anananao hanompo ny hafa ianao dia diniho ireto fitsipika ireto izay naseho tao amin’ireo tantara:

  • Afaka ny ho fitahiana ireo fanamby. Rehefa “[mivavaka] mandrakariva, ary mino” isika rehefa miaina fanamby dia afaka manova izany ho soa ho antsika ny Ray any An-danitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:24; jereo ihany koa ny Romana 8:28).

  • Afaka manomana antsika ny fanambintsika. Rehefa malemy fanahy isika ao anatin’ny fitsapana dia afaka mampiasa ny zavatra iainantsika Andriamanitra mba hampianarana antsika sy hanovana antsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:13).

  • Afaka ny ho lasa fahafahana manompo ireo fanambintsika. Rehefa vonona ny hatoky Azy isika dia hametraka antsika amin’ny toerana izay ahafahantsika mampiasa ny zavatra nianarantsika tamin’ny zavatra niainantsika manokana ny Ray any An-danitra mba hanampiana ny hafa (jereo ny Môzià 24:13–14).

Inona no azontsika atao?

Mivavaha mba hahafantatra ny fomba ahafahan’ny zavatra iainanao manampy anao hitahy ireo izay tompoinao. Avy eo dia manolora tanana.

Hamoaka printy