2022
Fitovizana eo amin’i Josefa tany Egypta sy i Jesoa Kristy
Martsa 2022


“Fitovizana eo amin’i Josefa tany Egypta sy i Jesoa Kristy,” Liahona, Mar./Apr. 2022.

Avia, hanaraka Ahy

Genesisy 37–50

Fitovizana eo amin’i Josefa tany Egypta sy i Jesoa Kristy

Ny Testamenta Taloha dia ahitana faminaniana sy tantara ary tandindona maro izay naneho mialoha ny fiainana sy ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Iray amin’ireo tantara ireo ny an’i Josefa tany Egypta.

Sary
sary maromaro, toy ny zanak’ondry iray sy mofo iray, ho fanehoana ny fitovizana eo amin’i Josefa tany Egypta sy i Jesoa Kristy

Say nataon’i Andrew Colin Beck

Josefa tany Egypta

Jesoa Kristy

I Josefa dia mpiandry ondry (jereo ny Genesisy 37:2).

Anisan’ny anarana iantsoana an’i Kristy ny hoe “Mpiandry Tsara” (Jaona 10:11).

Namidy ho andevo tany Egypta i Josefa (jereo ny Genesisy 37:26–28).

Nisy namadika tamin’ny sekely volafotsy 30 i Jesoa—ny vidina andevo iray (jereo ny Eksodosy 21:32; Matio 26:15).

Tsy nahafantatra azy ireo rahalahin’i Josefa rehefa nankany Egypta izy ireo mba hividy sakafo (jereo ny Genesisy 42:7–8).

Tsy nahafantatra Azy ho ilay Mpamonjy ny vahoakan’i Kristy (jereo ny Lioka 4:22, 28–29; Jaona 1:10).

Nanambara ny tenany tamin’ireo rahalahiny i Josefa rehefa tonga niresaka taminy fanindroany izy ireo (jereo ny Genesisy 45:1–5).

I Kristy dia hambara amin’ny Isiraely amin’ny Fiaviany fanindroany (jereo ny Matio 24:30–31; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:104).

Rehefa nanaraka ny fitarihan’ Andriamanitra i Josefa dia nanana mofo ampy hanavotana an’i Egypta tamin’ny mosary (jereo ny Genesisy 47:13–19).

I Jesoa Kristy no “mofon’aina” (Jaona 6:35; jereo koa ny andininy 51).

Hamoaka printy