“Auckland, Nouvelle Zélande,” Liahona, Jan. 2023.
Tafaorina eto ny Fiangonana
Auckland, Nouvelle Zélande
I Auckland no faritra an-tanàn-dehibe be mponina indrindra ao amin’ilay firenena. Ny mpikambana voalohany tao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tany Nouvelle Zélande dia natao batisa tamin’ny 1854. Ny Fiangonana ao Nouvelle Zélande ankehitriny dia ahitana:
-
mpikambana miisa 116.900 (eo ho eo)
-
tsatòka miisa 30, paroasy sy sampana miisa 229, ary misiôna miisa 3
-
tempoly 1 ao Hamilton izay mandalo fanavaozana ary tempoly 1 ao Auckland eo an-dalam-panorenana
Ny zavatra rehetra dia vavolombelona manambara
Mankafy ny fiainana ao amin’ny toeram-piompiana sy fambolena iray ao Maromaku Valley (Lohasahan’i Maromaku) i Fabian sy i Adrienne Kehoe ary ny zanak’izy ireo vavy. “Feno fankasitrahana izahay noho ny fanomezana atolotr’ity tany ity,” hoy i Adrienne. “Ary ireo zavatra rehetra ireo dia vavolombelona manambara an’ilay Mpahary be fitiavana.”
Zavatra misimisy kokoa momba ny Fiangonana any Nouvelle Zélande
-
Tantaran’ny finoana teo anivon’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Nouvelle Zélande tany am-piandohana.
Manokana fotoana iray hiarahana mba hifanehoana fitiavana ny reny sy ny zanakavavy iray.
Miaraka amin’ny fianakavian’izy ireo mba hanao ny fandalinana ny Avia, hanaraka Ahy atao ny hariva isan-kerinandro ny ray iray sy ny zanakalahy iray.
Ny Tempolin’i Hamilton Nouvelle Zélande izay mandalo fanavaozana amin’izao fotoana izao dia notokanana tamin’ny taona 1958. Misy tempoly iray hafa vao aorina ao Auckland.
Mankafy mamaky ny gazetiboky Namana ny ankizy any Nouvelle Zélande.
Mampianatra ny zanany ny fomba fampisakafoana ondry ny reny sy ray iray. Amin’izao fotoana izao any Nouvelle Zélande dia misy ondry dimy ho an’olona iray, raha tany amin’ny ondry roa amby roapolo ho an’olona iray izany no lasa nilatsaka ho ondry iray ho an’olona iray tamin’ny 1982.
Miara-mandalina ny filazantsara mandritra ny fivorian’ny kôlejin’izy ireo ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna
Tena mahasarika olona ny baolina lavalava sy ny tora-pasika any Nouvelle-Zélande.