“Inona no fitahiana azontsika amin’ny alalan’ilay Fahazavan’izao tontolo izao?” Liahona, Jan. 2023.
Avia, hanaraka Ahy
Inona no fitahiana azontsika amin’ny alalan’ilay Fahazavan’izao tontolo izao?
I Jaona dia tonga “ho vavolombelona hanambara ny Mazava,” ilay “tena Mazava, Izay Mahazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao” (Jaona 1:7, 9). “Izay fahazavana mivoaka avy eo anatrehan’ Andriamanitra … [ary] manome aina ny zava-drehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:12–13).
Amin’ny fomba ahoana no hitahian’ny fahazavana antsika? Jereo ny Almà 19:6; 36:20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:67.
Ampitahaina amin’ny inona ny fahazavana? Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:45.
Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mivoatra ao anatin’ny fahazavana? Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihanana 93:9.
Iza ilay Fahazavan’izao tontolo izao? Jereo ny Jaona 8:12; 3 Nefia 18:16, 24.
Nampianatra ny Filoha Lorenzo Snow (1814–1901) hoe: “Mino isika fa ilay fanahy izay manazava ny fianakaviamben’olombelona dia mivoaka avy eo anatrehan’ilay Tsitoha, ary miely manerana ny toerana rehetra, sy fahazavana ary aina ho an’ny zava-drehetra, ary ny fo madio rehetra dia manana izany arakaraka ny fahamasinany sy ny fahamarinan-toetrany ary ny faniriany hahafantatra ny fahamarinana sy hanao tsara amin’ny mpiara-belona aminy” (The Teachings of Lorenzo Snow, ed. Clyde J. Williams [1996], 107).