2023
Raha afaka manova ny rano ho divay Izy …
Janoary 2023


“Raha afaka manova ny rano ho divay Izy … ,” Liahona, Jan. 2023.

Ireo fahagagana nataon’i Jesoa

Jaona 2:4–11

Raha afaka manova ny rano ho divay Izy …

Ireo zavatra anankitelo izay nianarako avy amin’ity fahagagana izay matetika hadino ity.

Sary
Siny misy rano sy divay

I Jaona ihany no mpanoratra filazantsara nitantara mikasika ny Mpamonjy nanova ny rano ho divay (jereo ny Jaona 2:1–11). Resy lahatra tamin’io zava-niseho io mihitsy aza izy ka nilaza tamintsika fa “voaloham-pamantarana” ny Mpamonjy izany (Jaona 2:11).

Raha ara-kolontsaina, ny vokatry ny fahalanian’ny divay dia mety ho nanaratsy ny toerana ara-piarahamonina nisy an’ireo olona izay tompon’andraikitra an’izany. 1 Ary noho izaho tsy mino hoe tsy maintsy mahatalanjona be ny fahagagana iray vao hanova fiainan’olona, dia nanontany tena aho hoe nahoana i Jaona no nahatsapa fa tena nanan-danja ity fahagagana ity teo anivon’ireo fahagagana tena maro hafa izay sady nahatalanjona no nanova fiainana.

Nahoana no nisy ireo fahagagana?

Nahoana ireo fahagagana no nanan-danja nandritra ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy? Azo antoka fa amin’ny ampahany izany dia noho ny fananany fangorahana an’ireo izay sahirana (jereo ny Marka 1:41). Ankoatra izany ireo fahagagana dia porofo manan-danja an’ilay heriny sy fahefany masina (jereo ny Marka 2:5, 10–11). Ny fisehoan-javatra mahagaga koa dia afaka manatanjaka ny finoana sy mampifantoka ny saina amin’ny hafany (jereo ny Jaona 2:11; 6:2).

Avy eo nisy olona iray nilaza tamiko fa tsy nitondra ny olona mba hihaino ny hafany fotsiny ireo fahagagan’ny Mpamonjy fa nanampy tamin’ny fampianarana ny hafa izy ireo.2 Rehefa nanontany tena aho hoe inona no azoko ianarana mikasika an’i Jesoa Kristy sy sy ny asa masina nanirahana Azy mba hanova ny rano ho divay, dia nanomboka nahita zavatra vaovao aho.

Ireto misy lesona telo nianarako avy amin’ilay fahagagana tao Kana mikasika ny Mpamonjy sy ny fananany hery mba hamonjena.

1. “Tsy mbola tonga ny fotoako”

Rehefa nangataka fanampiana tamin’i Jesoa i Maria dia namaly izy hoe: “Tsy mbola tonga ny fotoako” (Jaona 2:4). Raha tsy misy antsipiriany bebe kokoa dia tsy mazava tsara ny zavatra ao anatin’ny rakitsoratr’i Jaona mikasika ny zavatra nantenain’i Maria na ny zavatra tian’i Jesoa holazaina tao anatin’ny valin-teniny hoe tsy mbola tonga ny fotoany.

Nisarika ny masoko ho toy ny zavatra manan-danja io andian-teny io. Azo eritreretina hoe zavatra hiseho atsy ho atsy no tian’i Jesoa holazaina, toy ny fiantombohan’ny asa fanompoany ampahibemaso. Etsy ankilany, io andian-teny io dia misy akony izay manako manerana ny rakitsoratr’i Jaona, matetika nampahafantatra mialoha ilay fahagagana faratampony fonosin’ilay sorona fanavotana nataony (jereo ny Jaona 4:21–23; 5:25–29; 7:30; 8:20). Farany dia niverina indray io andian-teny io tany amin’ny fiafaran’ny asa fanompoany tety an-tany rehefa “fantatr’i [Jesoa] fa tonga ny foana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray” (Jaona 13:1, nampiana fanamafisana; jereo koa ny Jaona 12:23, 27; 16:32). Ary nialoha ny nialany tao Getsemane dia nivavaka izy hoe: “Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan’ny Zanaka Anao” (Jaona 17:1, nampiana fanamafisana).

Ny fahitana an’i Jaona namerina io andian-teny io nanerana ny rakitsorany dia nanampy ahy hahita ny fiafarana hatrany am-piandohana. Voalohany, nanova ny rano ho divay i Jesoa mba hanamaivanana ny hetaheta ara-batana. Avy eo tany amin’ny farany dia nampiasa ny divain’ny fanasan’ny Tompo Izy mba hanehoana ny ran’ny sorompanavotany izay nahatanteraka ny fiainana mandrakizay sy nahatonga ireo izay nino Azy tsy hangetaheta na oviana na oviana (jereo ny Jaona 4:13–16; 6:35–58; 3 Nefia 20:8).

2. “Ataovy izay asainy ataonareo”

Taorian’ny nangatahan’i Maria fanampiana tamin’i Jesoa dia nolazainy ireo mpanompo hoe: “Ataovy izay asainy ataonareo” (Jaona 2:5). Misy lesona iray ao anatin’io teny nambara io sy ao anatin’ireo fitovian-javatra mahavariana eo amin’ity tantara ity sy ilay tantara momba an’i Josefa tany Egypta.

“Ary rehefa mosarena ny tany Egypta rehetra, dia nitaraina nangataka hanina tamin’i Farao ny olona; ary hoy Farao tamin’ny Egyptiana rehetra: Mankanesa any amin’i Josefa; ary izay holazainy aminareo dia ataovy” (Genesisy 41:55, nampiana fanamafisana).

Mety tsy nieritreritra ny hampifandray an’ireo zavatra ireo i Mary ary na i Jaona koa aza angamba. Saingy rehefa nahita ireo fitovian-javatra ireo aho dia nisy hevitra anankiroa tonga tao an-tsaiko.

Voalohany, nahita fomba iray hafa indray aho izay nentin’i Josefa sy ireo olona hafa tao amin’ny Testamenta Vaovao mba hanehoana ny tandindon’i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana Azy. Saingy ny tena manan-danja kokoa dia ireo tantaran’i Egypta sy i Kana ireo izay nampahatsiahy ahy fa i Jesoa Kristy dia tsy hoe manavotra antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana fotsiny amin’ny alalan’ny Sorompanavotany, izay nasehony tamin’ny alalan’ny mofo sy rano taty aoriana, fa afaka mamonjy antsika amin’ireo olana ara-batana sy ara-piarahamonina ary ireo olana hafa koa Izy. Rehefa noana ny vahoaka dia notenenin’i Farao izy ireo mba hanao izay lazain’i Josefa. Nataon’izy ireo izany ary nahazo hanina sy voavonjy tamin’ny fijaliana ara-batana izy ireo. Rehefa tsy nanana divay intsony ireo mpanompo dia nasain’i Maria nanao izay nasain’i Jesoa natao izy ireo. Nataon’izy ireo izany ka nahazo divay izy ireo ary ireo tompon’andraikitra tamin’izany dia voavonjy tamin’ny tsy fandraisan’izy ireo ny andraikiny.

Sary
I Jesoa miaraka amina lehilahy iray sy ankizy iray

Raha vonona ny hanao izay lazain’i Jesoa isika dia afaka manatanteraka fahagagana eo amin’ny fiainantsika Izy.

Balm in Gilead [Balsaman’i Gileada], nataon’i Annie Henrie Nader, tsy azo adika

Raha vonona ny hanao izay lazain’i Jesoa isika dia afaka manao izany ho antsika koa izy ary manatanteraka fahagagana eo amin’ny fiainantsika (jereo ny Hebreo 10:35–36). Ny hoe voavonjy no fahagagana lehibe indrindra amin’ireo fahagagana nataony rehetra, ary mitaky fankatoavana avy amintsika izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7; Fanekem-pinoana 1:3).

3. “Dia nofenoiny hatramin’ny molony”

Nasain’ny Mpamonjy nofenoina rano ny siny vato miisa enina. “Dia nofenoiny hatramin’ny molony” (Jaona 2:6–7).

Na dia nanome fatrany samihafa aza ireo manam-pahaizana, dia tsara kokoa ny milaza hoe nahazaka litatra maromaro ny siny tsirairay. Tsy fantatro raha hoe sarotra na tsia ny manova ny rano iray litatra na rano 100 litatra ho divay. Ny zavatra nanova ny fiainako dia ilay hevitra hoe manana ny hery hanovana zavatra iray ho lasa zavatra iray hafa tanteraka i Jesoa. Tsy hoe nanamboatra rano misy tsiron-divay fotsiny Izy, fa naka rano miaraka amin’ireo firafitra tsotran’ny molekiola ao aminy ka nanova izany ho divay izay fifangaroan-tsinga simika be pitsipitsiny an-jatony maro.

Raha afaka manao izany Izy dia afaka manova ireo olako ho fitahiana. Tsy hoe manisy mariky ny fanantenana fotsiny fa manova mihitsy ny votoatin’ilay fitsapana ho zavatra mitahy ahy (jereo ny Romana 8:28; 2 Nefia 2:2).

Ary raha afaka manao izany amin’ny olana iray Izy dia afaka manao izany amin’izy rehetra. Noho izany raha toa ka tototry ny fitsapana ny fiainana dia tsarovy fa afaka manova ny rano ho divay Izy. Afaka manome hamama ho solon’ny lavenona Izy (jereo ny Isaia 61:3). Afaka maka ny ratsy ary manova izany ho soa Izy (jereo ny Genesisy 50:20). Afaka manova ireo fahadisoako ho zavatra mampivoatra Izy ary maka ireo fahotako ka manova izany avy amin’ny fanamelohana ho amin’ny fivoarana.3

Ary ho ahy dia zavatra faran’izay tena manan-danja ny fahatsapana izany. Ity fahagagana izay nisy fotoana hadinoko ity dia nampianatra ahy fa amin’ny alalan’ny heriny, raha manana finoana ny hanao izay angatahiny isika, dia afaka manova antsika avy eo amin’izay nisy antsika ho amin’izay azontsika hahatongavana Izy, dia ny ho tonga tahaka Azy.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Peter J. Sorensen, “The Lost Commandment: The Sacred Rites of Hospitality,” BYU Studies, vol. 44, no. 1 (2005), 4–32.

  2. Jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fahagagana.”

  3. Jereo ny Bruce C. Hafen, “The Atonement: All for All,” Liahona, May 2004, 97–99.

Hamoaka printy