2023
Omano ny tany ara-panahinao
Janoary 2023


“Omano ny tany ara-panahinao,” Liahona, Jan. 2023.

Avia, hanaraka Ahy

Omano ny tany ara-panahinao

Ilay fanoharana momba ny mpamafy dia afaka manampy antsika hiomana ho amin’ny fandalinantsika ny Avia, hanaraka Ahy momba ny Testamenta Vaovao amin’ity taona ity.

Iray amin’ireo fanoharana tiako indrindra ao amin’ny Testamenta Vaovao ny fanoharana momba ny mpamafy, araka ny hita ao amin’ny Matio 13:3–23 (jereo koa ny Marka 4:3–20; Lioka 8:5–15). Ao amin’io fanoharana io dia ampitahaina amina karazana tany samihafa ny fomba fandraisan’ny olona ny teny (ny voa). Ianarantsika fa ny tany tsirairay dia manana toetra manan-danja, na tsara na ratsy.

Matetika isika no mamaky io fanoharana io ary mieritreritra fa izany dia mamariparitra ny fahavononan’ny olona hanaiky sy hiaina ny filazantsara. Na dia marina aza izany dia mihevitra aho fa io fanoharana io dia afaka mamariparitra ihany koa ny fivoarantsika tsirairay rehefa mampitombo ny finoantsika sy ny fahalalantsika momba ny filazantsara isika. Raha lazaina amin’ny teny hafa, isika dia tsy hoe mihitsoka amina karazana finoana na ambaratongana finoana voafaritra. Afaka mampivoatra ny tany ara-panahintsika isika, amin’ny alalan’ny finoana sy ny ezaka, mba hamoazan’izany voa tsara kokoa.

Tiako ny hiaraka handinika ity hevitra ity aminareo satria nanampy ahy hahatakatra io fanoharana io tamin’ny fomba lalindalina kokoa izany. Mino aho fa afaka manampy antsika hanomana ny fontsika handray ny filazantsara ny famerenana mijery ny fanoharana momba ny mpamafy rehefa miomana ho amin’ny fandalinana ny Avia, hanaraka Ahy ho an’ny Testamenta Vaovao amin’ny taona ho avy isika.

Mandray ny voan’ny filazantsara

Mianatra isika ao amin’ilay fanoharana fa rehefa namafy voa ilay mpamafy dia:

  • Nilatsaka teny amin’ny sisin-dalana ny voa sasana ka nohanin’ny vorona.

  • Nilatsaka teny amin’ny tany vatoina ny sasany. Nitsimoka izy ireny saingy main’ny masoandro.

  • Nilatsaka tao anaty tsilo ny sasany ka nokendain’ny tsilo izy ireny.

  • Nilatsaka tamin’ny tany tsara ny sasany ka namoa.

Nohazavain’ny Tompo hoe:

“Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka nanaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dalana.

“Fa ilay nafafy teny amin’ny tany marivo ambony vatolampy dia izay mandre ny teny ka malaky mandray azy amin’ny hafaliana;

“Nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy.

“Ary ilay nafafy teny amin’ny tsilo dia izay mandre ny teny ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.

“Fa ilay nafafy teny amin’ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny” (Matio 13:19–23; nampiana fanamafisana).

Andeha hojerentsika tsirairay ny karazana tany dia ho hitantsika ny zavatra azo atao hanatsarana izany.

voa sy vorona

sary nataon’i David Green

Tany eny amoron-dalana

Hoy ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Ireo voa izay -voafafy teny amoron-dalana- (Marka 4:4) dia tsy tody teny amin’ny tanin’ny olombelona izay mety ho naniriany. Mitovy amin’ny fampianarana izay latsaka tao amin’ny fo nohamafisina sy tsy ampy fiomanana izany.”1

Ankoatra izany, indraindray isika tsy mahatakatra ny zavatra rentsika na vakintsika ao amin’ny soratra masina satria tsy voaomana ny fontsika. Inona tokony hataontsika rehefa izany no toe-java-misy?

Afaka mitady fanampiana avy amin’ireo izay mahatakatra isika. Mety hanontany ireo misiônera isika, na ny mpampianatra ny Sekoly alahady, na mpitarika ao amin’ny fisoronana na mpitarika ao amin’ny rafitra, na mpampianatra seminera na institiota, na ireo izay manompo antsika, na ny ray aman-drenintsika mahatoky sy ireo olona mahatoky ao amin’ny fianakaviantsika. Azontsika atao ny mandalina ireo lahateny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ny application Médiathèque de l’Évangile dia manome loharanom-pahalalana maro isan-karazany izay afaka manampy antsika hikatsaka fahatakarana bebe kokoa.

Tokony hivavaka ihany koa isika ary hangataka an’ Andriamanitra mba hanome fahazavana misimisy kokoa. Raha mahitsy ny fontsika, manam-piniavana marina isika, ary manam-pinoana an’i Jesoa Kristy, dia hahazo fahalalana ny amin’ireo fahamarinan’ny filazantsara isika (jereo ny Môrônia 10:4–5). Hoy ny Tompo:

“Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.

“Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondona no hovohana” (3 Nefia 13:7–8).

voa sy vato

Tany eny amin’ny toerana vatoina

Ny olona sasany dia nandre ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ireo misiônera, mahatsapa ny fitiavan’i Kristy sy manatrika ary mankafy ireo fivoriana any am-piangonana. Saingy rehefa mandeha ny fotoana dia mitohy ny fahasarotan’ny fiainana. Hitan’izy ireo fa tsy niova ho fikorianana fitahiana tsy mety tapitra ny fiainana. Mihena ny finoan’izy ireo ary misintaka tsikelikely izy ireo.

Ny sasany koa dia mahita ny “tany marivo eny ambony vatolampy” rehefa manatrika fivoriana na fihaonambe iray ka mahatsapa ho taomim-panahy hanao araka ny tokony ho izy ny zava-drehetra manomboka eo. Saingy avy eo ny alatsinainy dia miverina amin’ny andraikitra fanaony izy ireo. Mbola sarotra ihany ireo fanamby atrehina any am-piasana. Toa manintona tsy misy ohatra izany ireo fakam-panahy. Ary noho izany dia mihena sy lefy ny fanirian’izy ireo mba hivoatra ara-panahy.

Tamin’ny fomba sarotra no nianaran’izy ireo fa raha toa isika tsy manana faka ara-panahy lalina izay hihazona antsika mandritra ny rivo-mahery, na hanome sakafo antsika rehefa noana, na hamelombelona antsika rehefa migaina ny masoandro, dia mety ho faty ara-panahy isika.

Ahoana no fomba hanatsarantsika ny tany vatoina? Esory ireo vato ary alatsao lalina ny faka ara-panahinao.

Mety hanahirana ny fanesorana ireo vato. Mety hitaky ny hamoronana tontolo izay mamporisika ny hisian’ny finoana izany. Mety hitaky ny fanaovana namana vaovao sy ny fifadiana ny fanao ratsy rehetra izany (jereo ny 1 Tesaloniana 5:22).

tanana mihazona vato

Mba hananana ny hery hanesorana ireo vato dia mila ny fanampian’ny Mpamonjy isika. Izany dia tonga amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana atolony. Miantomboka amin’ny fanekena ny fanasana mba hatao batisa izany. Izany dia midika hoe raisina ho mpikamban’ny Fiangonana sy mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Izany dia midika hoe mandray izay mety ho fanekempihavanana mbola tsy nataontsika, toy ny mandray ny fisoronana na mandeha any amin’ny tempoly. Izany dia midika hoe mankany am-piangonana sy manavao fanekempihavanana amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro.

Afaka mamikitra amin’ireo fankempihavanana nataontsika tamin’ny Tompo isika rehefa tonga ny fitsapana sy ny fakam-panahy. “Mifamatotra tsara amin’ny fomba azo antoka amin’ny Mpamonjy isika rehefa mahatsiaro amim-pahatokiana ary manao izay tratra mba hiaina araka ireo adidy izay nekentsika,” hoy ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Ary io fifatorana Aminy io no loharanon’ny hery ara-panahy eo amin’ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainantsika”2

voa sy tsilo

Tany eny anivon’ny tsilo

Ity tany ity dia mamela ny zava-maniry hitsiry, anisan’izany ny tsilo. Ireo tsilo dia ny “fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa” (Lioka 8:14).

Inona no mitranga rehefa nanao fanekempihavanana isika kanefa tsy mizotra intsony eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana? Na mandray ny fanasan’ny Tompo isika kanefa tsy mangataka famelan-keloka satria tsy mieritreritra intsony akory ny ireo hadisoantsika. Na mety mangataka famelan-keloka isika saingy mandà ny hamela ny hafa. Manao ireo fanekempihavanan’ny tempoly isika kanefa tsy manompo ireo izay sahirana. Hodiantsika tsy hita ireo fahafahana mizara ny filazantsara satria matahotra isika fandrao tsy amin’ny fotoana maha mety azy izany na mahamenatra izany, na satria tsy fantatsika intsony izay zavatra holazaina.

Ny vahaolana dia ny miaina ny fanekempihavanana izay nataontsika fony isika natao batisa, “hiara-malahelo amin’izay malahelo; … hampionona ireo izay mila fampiononana, sy hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra izay mety hisy [antsika], na dia hatramin’ny fahafatesana aza” (Môzià 18:9).

Manala ireo ahi-dratsy isika rehefa mibebaka isan’andro, manao fanovana kely na lehibe, sy miverina eo amin’ilay lalana ety sy terin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Tsy avelantsika hanakenda antsika ireo ahi-dratsin’ny fiainana. Ataontsika izany amin’ny alalan’ny fanovana ny tokantranontsika ho lasa fitoerana masina hanjakan’ny finoana. Mikatsaka izay rehetra manasa ny fitarihan’ny Fanahy isika. Lavintsika izay rehetra mandroaka izany fitaomana izany. Ary manompo ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra isika, ao amin’ny antsontsika, ao amin’ny tempoly, amin’ny fitoriana ny filazantsara, ao amin’ny fianakaviantsika.

Ny tany tsara

Misy maro ireo izay mahare ny teny sy mahatakatra izany ary mamela izany haniry ao am-pon’izy ireo. Ho azy ireo no nitenanan’ny Tompo hoe: “Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo” (Jaona 15:16). Ho an’ny olona toy izany, ny valiny dia ny miroso hatrany amim-pinoana sy maharitra amin’ny fanaovana asa soa.

Nanontany ny Filoha Oaks hoe: “Inona no ataontsika amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy rehefa miaina ny fiainantsika isika?”3 Amin’ity taona ity, eo am-piomanantsika handalina ny Testamenta Vaovao, dia enga anie isika hanakaiky ny Mpamonjy sy hampivoatra ny tany ara-panahintsika mba hahafahantsika mandray ny teniny. Avy eo isika dia afaka mamoa ireo voa izay asainy vokarintsika amin’ny alalan’ny fanaovana sy fanavaozana ireo fanekempihavanana izay mamatotra antsika Aminy, amin’ny alalan’ny fanompoana an’ Andriamanitra sy ny fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izay hitondra antsika hiverina any amin’ny fonenantsika any an-danitra indray andro any.