“Taiza ianao?” Liahona, Jan. 2023.
Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany
Taiza ianao?
Tsy maintsy nanaiky ny fotoan’ Andriamanitra sy ny tanjony aho rehefa nianatra nitia ny renibeko tahaka ny hitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy.
“Taiza ianao re anaka?” hoy ny renibeko nanontany raha namaly ny fandondonako tao am-baravarany izy. Vao niverina avy nitory ny filazantsara tamin’ny fotoana feno tany El Salvador aho. Feno fifaliana ny mason’i bebe rehefa nahita ahy indray. Tsapako ho nalefaka sy nafana ny sandriny raha namihina ahy nanodidina ny tendako izy.
Nahafinaritra ny resadresaka nataonay rehefa namaly ireo fanontaniany momba ny asa fitoriana nataoko aho. Lasa nihetsi-po aho teo am-pitantarako azy momba ireo olona, ny sakafo, sy ny asa mafy ary ny fahagagana nitranga nandritra ny fotoana nitoriako ny filazantsara. Rehefa vita ny fitantarako dia nangina tampoka izy. Avy eo izy nanontany hoe: “Taiza ianao re anaka?”
Niharihary fa tsy nihaino akory izy. Koa dia naverinay indray ny resakay. Tsy ampy 20 minitra akory taty aoriana dia nanontany fanintelony izy hoe: “Taiza ianao re anaka?”
Nisy zavatra tsy nety tao. Tsy ela dia fantatro fa nanodidina ny herintaona teo taorian’ny nandehanako nitory ny filazantsara dia voatily ho tratran’ny aretina Alzheimer i bebe.
Nanam-paniriana lehibe ny hanampy azy aho. Roa taona aho no nitory ny fitiavan’ Andriamanitra ireo zanany. Ankehitriny kosa aho manana fahafahana ny hiaina ireny fampianarana ireny. Na dia fantatro aza fa ho sarotra izany dia nanolo-tena ny hiara-hipetraka aminy aho mba hahafahako manampy azy.
Ireo volana vitsy voalohany no mafy indrindra. Tahaka ny tany amin’ny sahan’ny misiôna ny fananana faharetana sy ny fifehezana ny fahasorenana dia lasa asa atao amin’ny fotoana feno. Ary tahaka ny nandritra ny asa fitoriana ny filazantsara nataoko dia tsy maintsy nanaiky ny fotoan’ Andriamanitra sy ny tanjony aho rehefa nianatra nitia ny renibeko tahaka ny hitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy.
Ny miara-miaina amin’i Bebe indraindray dia toy ireny miara-miaina amina olona telo samy hafa ireny. Indraindray izy tsy mahatanty ny fisian’olon-kafa ao an-trano. Indraindray izy mila ny fikarakarako sy ny firaharahiako, no sady faly fa tsy irery. Indraindray ny hany ao an-tsainy dia ny hanina homena ity zafikeliny lahy izay vao tafaverina avy nitory ny filazantsara. Vetivety eo ilay hoe: “Aza manao an’izao!” dia mety ho lasa hoe: “Maninona ianao no tsy manao an’izao?”
Na izany aza dia fitahiana lehibe ho ahy ny renibeko. Fantatro fa na dia eo aza ny aretiny, ny zavatra rehetra ataony ho ahy dia noho ny fitiavany ahy.
Ireo teny mamy sy tena avy amin’ny fo avy amin’ny renibeko no mitsena ahy isaky ny mody avy nianatra na avy niasa aho. Miaraka amin’ny fijery malefaka no hamihinany ahy sy hanorohany ny takolako ary hanontaniany ahy am-pitiavana hoe: “Taiza ianao re anaka?”