2023
Mahita ny sori-dalana avy amin’ Andriamanitra ao anatin’ilay fianakavianay “tsy tonga lafatra”
Janoary 2023


“Mahita ny sori-dalana avy amin’ Andriamanitra ao anatin’ilay fianakavianay -tsy tonga lafatra-,” Liahona, Jan. 2023.

Tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

Mahita ny sori-dalana avy amin’ Andriamanitra ao anatin’ilay fianakavianay “tsy tonga lafatra”

Mety maharary ny tsy fananana fianakaviana “tonga lafatra” eto amin’ny fiainana an-tany, saingy azontsika ampiasaina ny zava-misy marina iainantsika mba hanakaikezana kokoa ny Mpamonjy.

Vehivavy lehibe iray miaraka amina tapoaka mifono eritreritra momba ny fianakaviana

Sary nataon’i David Green

Tsy misy zavatra hafa mitondra fahatsapana fananana lanja, fifaliana, faniriana ary fangirifiriana lalina noho ilay fifandraisana izay tena ivon’ny zavatra iainantsika eto an-tany, dia ny fifandraisan’ny fianakaviana izany. Ary noho ny maha zava-dehibe izany fifandraisana izany dia nentanin’ny Fanahy ireo mpitarika antsika ato amin’ny Fiangonana mba hamorona ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao.”1 Ny fahamarinana ao anatiny dia mijoro ho vavolombelona mikasika an’ilay Ray be fitiavana izay maniry ny hahafantarantsika ilay lamina masina izay mitondra fifaliana maharitra mandrakizay eo amin’ny fiainan’ny fianakaviana.

Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Noho ny fitiavan’ny Ray ireo zanany, Izy dia tsy hamela antsika haminavina izay zavatra manan-danja indrindra eto amin’ity fiainana ity izay mahakasika ny fitondran’ny fifantohan-tsaina filaliana na ny fitondran’ny tsy firaikana alahelo.”2 Tafiditra ao anatin’izany ireo anjara asa masina maro dia maro hazonin’ny fianakaviana: zanakavavy na zanakalahy, rahalahy na anadahy, anadahy na anabavy, reny na ray, nenitoa na dadatoa, renibe na raibe.

Ireo fahamarinana ao amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana dia manoritsoritra ilay “endrika tonga lafatra mandrakizay” izay irin’ny maro amintsika fatratra, dia ilay fifandraisan’ny fianakaviana mandrakizay izay mafy orina sy sambatra. Ny olana dia miaina ao anatin’ilay “zava-misy marina eto an-tany izay tsy tonga lafatra” isika. Ary mety hangirifiry ilay elanelana misy eo amin’ny “zava-misy marina tsy tonga lafatra” sy ny “tonga lafatra.” Indraindray raha tokony hojerentsika ho toy ny hazavana mitarika antsika ny fanambarana ho an’ny fianakaviana dia mety horaisintsika hoy toy ny mpampahatsiahy manohina ny fo mihitsy aza izany mikasika ny hoe taiza no “tsy nahombiazantsika” teo amin’ny fanatratrarana ilay “tonga lafatra.”

  • Mety maniry ny hanambady isika nefa tsy mahita ny hahatanterahan’izany.

  • Mety nanambady isika ary niaina fisaraham-panambadiana tena nanimba.

  • Mety maniry ny hanan-janaka isika nefa tsy afaka ny hitoe-jaza.

  • Mety niaina herisetra tao anatin’ilay fifandraisan’ny fianakaviana nitokiantsika isika.

  • Mety niaina fangirifiriana goavana isika noho ireo safidy nataon’ireo olona akaikin’ny fo ao amin’ny fianakaviana.

  • Mety mahatsapa ho misaratsaraka isika na dia eo aza ny ezaka faran’izay tsara ataontsika mba hitondrana firaisan-kina eo anivon’ireo olona akaikin’ny fontsika.

  • Mety mahatsapa fahadisoam-panantenana aza isika eo anatrehan’ireo faniriana sy fampanantenana tsy tanteraka.

Raha ny marina dia hiaina olana sy fangirifirana ary alahelo isika rehetra ao anatin’ny fiainam-pianakaviana, ny sasany mety hiaina zavatra bebe kokoa noho ny hafa. Amin’ny lafiny iray dia any ivelan’ilay lamina tonga lafatra ao anatin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana isika rehetra.

Ny zavatra mety tsy fantatsika dia ny fisian’ny sori-dalana avy amin’ Andriamanitra ao anatin’ny zava-misy marina iainana.

Mikatsaka sy manoa ny Mpamonjy

Amin’ny maha vehivavy tokan-tena ahy izay naniry ny hanambady sy hanan-janaka nandritra ny taona maro dia naniry sy nino aho fa ny tanjona fototry ny fiainako dia ny hanatanteraka ilay endrika tonga lafatry ny fiainam-pianakaviana ao anatin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana. Na dia teo aza anefa ireo ezaka nataoko tamin-kitsim-po tokoa dia toa tsy nampitranga izany araka ny ninoako fa tokony hitrangany aho. Nangirifiry izany tolona izany.

Tamin’izany fotoana izany dia tsy hitako ny asa mahagaga notanterahin’ny Tompo tao am-poko tao anatin’izany tolona izany.

Rehefa manao jery todika aho dia nitana anjara asa masina tamin’ny fianteherako kokoa amin’ny Mpanavotra ahy ireo faniriako tsy tanteraka mba hitady fiadanana sy torolalana izay Izy irery ihany no afaka manome azy ary mba hampahalalina ny fahatokiako ny fitiavany tonga lafatra sy ny heriny manome fahafahana hanao zavatra. Lasa andry hiankinana mba hahazoana fanantenana sy torolalana ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina ary indrindra ireo lahateny mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana. Nisy nanosika ahy hitodika any amin’ireo teny nolazaina tao amin’ny tsodranon’ny patriarika nomena ahy, sy ireo tsodranon’ny fisoronana hafa noraisiko, mba hahita fitiavana sy torolalana izay natokana ho ahy manokana avy amin’ilay Raiko any An-danitra.

Rehefa namboraka tamin’ny Tompo ny tao anatiko aho, na dia tamin’ny fotoana nahatsapana ho alaim-panahy ny hisintaka amin’alahelo aza, dia nisy fahatsapana masina tonga tao an-tsaiko sy tao am-poko izay nanome toky ahy fa fantany hoe aiza no misy ahy, sy nanana drafitra tena tsara ny fiainako, ary afaka matoky Azy aho. Ny fiombonana ao amin’nyfanekempihavanana3 amin’ny Mpanavotra ahy dia lasa fantsona mitondra fiadanana sy fifaliana lalina mihoatra lavitra an’ireo loharano hafa mitondra fivelarana na fifaliana.

Hitako fa na dia ny hanatanteraka ilay nofiko mba hanana fianakaviana tonga lafatra aza no ninoako fa tanjon’ny fiainako dia nataon’ny Tompo ho azo tanterahina ilay nantsoin’ny Loholona hoe Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe tanjona fototry ny fiainana an-tany. Rehefa nindrana ny tenin’i Benjamina Mpanjaka izy dia nanazava hoe: “Ny tanjona fototry ny fiainana angamba … dia ny ho -tonga olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo,- izay hitaky ny hahatongavantsika ho -tahaka ny ankizy, mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana, vonona hanoa amin’ny zava-drehetra izay hitan’ny Tompo fa mety ampitondraina azy, dia tahaka ny zaza manoa an-drainy.-”4

Ilay filako fanampiana sy tanjaka avy amin’ny Mpamonjy dia nitondra ahy hikatsaka sy hiaina ilay fony feno fankatoavana, halemem-panahy, fanentrenena sy faharetana ary fitiavana. Novain’ilay heriny manome fahafahana hanao zavatra aho tao anatin’izany zavatra nitranga izany. Ary raha ny marina dia izany mihitsy no tena niriko. Ilay zavatra toa tena “tsy tonga lafatra” no lasa nanamboatra ny lalana nitondra tany amin’ilay zavatra tena “tonga lafatra.”

Namaritra fahamarinana iray mitovy amin’izany i Ty Mansfield namako sy mpiara-miasa amiko. Amin’ny maha lehilahy iray azy izay miaina ny fifanintonana eo amin’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy, i Ty dia vavolombelon’ny fivoarana ara-panahy izay afaka ny hitranga rehefa mampifikitra ny fiainantsika amin’i Jesoa Kristy isika ary manolotra amim-pahavononana ny fontsika iray manontolo ho Azy ka mamela Azy mba hanokana ireo zava-tsarotra iainana rehetra ho tombontsoantsika. Ho an’i Ty, dia nanomboka izany rehefa nampianatra azy ny Fanahy “fa na nanambady aza aho dia tian’ Andriamanitra sy ekeny foana. Ny andraikitro dia ny nanohy niaina andro iray isaky ny mandeha teo am-pikatsahana sy teo am-panarahana ny fitarihan’ny Fanahy.”5 Ary nitondra an’i Ty hiditra tao anatin’ny fanambadiana feno fifaliana sy mahafinaritra ary mandrakizay an’ilay vadiny ny fahatokiana an’ Andriamanitra tamin’ny farany.

Mampivelatra fifandraisana lalina kokoa amin’ny Mpamonjy

Nanambady koa aho nony farany rehefa avy nanontany tena raha toa ka mba hanambady ihany. Saingy ilay filana fifikirana lalina amin’i Jesoa Kristy dia nitohy hatrany na nitombo rehefa nandeha teny ireo taona nanomboka tamin’ny namehezana ahy tamin’ny vadiko. Nanomboka nitady Azy indray aho mba hahazo fiadanana noho izaho tsy nety nahazo zaza. Tsy fantatro hoe ahoana no fomba hahazoako ilay fifaliana nantenaiko hitranga eo amin’ny fiainam-pianakaviana raha tsy misy zanaka. Saingy na dia nahazo zanaka anankiroa aza izaho sy ny vadiko dia matetika aho no nifantoka tamin’ireo fahalemeko amin’ny maha reny ahy. Na dia azoko ihany aza tamin’ny farany ny zavatra niriko hatrizay dia toa nitombo amin’ny lafiny iray ilay elanelana nisy teo amin’ilay “tonga lafatra” sy ilay “zava-misy marina tsy tonga lafatra.”

Ireo toe-javatra ireo dia nanasa ahy hamerina hieritreritra indray ny tanjon’ny fiainana an-tany sy ireo dingana notinendrin’ Andriamanitra harahina mba hivoarantsika. Ny tanjon’ny fiainana angamba raha ny marina dia tsy ny hanatratra ilay fianakaviana tonga lafatra. Mety tsy misy akory aza ilay hoe zavatra tonga lafatra eto amin’ny fiainana an-tany. Ny fianakaviana kosa angamba dia sehatra iray azo araraotina mba hivoarana.

Raha ny marina ny zava-misy tena iainana izay indrisy fa “tsy tonga lafatra” tokoa dia manatanteraka ilay tanjona masina hitondra ny fivoarana ilaintsika mba tena hiainana fifandraisana “tonga lafatra.” Ilay hery angamba dia mitoetra ao anatin’ilay hoe: ny elanelana lalina misy eo amin’ny zava-misy marina tsy tonga lafatra sy ny zavatra tonga lafatra dia manasa antsika hirotsaka ao anatina fifandraisana lalina amin’i Jesoa Kristy izay hanasitranany sy hanamasinany ny zavatra rava, ka manorina fahendrena, tanjaka sy fitiavana izany eny an-dalana eny. Mahagaga fa amin’ny alalan’ny famindrampony sy ny fanavotany ary ny Azy irery ihany no ahafahantsika ho lasa ilay karazana olona ao anatin’ireo karazana fifandraisana katsahintsika mba hananana any an-danitra.

Lasa nino aho fa tsy ho tanteraka raha ny marina ny hoe “tonga lafatra” eo amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana, na ho an’iza na ho an’iza, farafaharatsiny eto amin’ity fiainana ity. Saingy afaka ny ho tanteraka ny fahitsim-po aman-tsaina, ny fahamarinan-toetra, ary ny fifamatorana akaiky. Raha ny marina ny fihamboana fa misy ny fahalavorariana na ny fiandrandrana fahalavorariana dia hanelingelina ny fifamatorana akaiky amin’ Andriamanitra sy amin’ny fianakaviantsika ary amin’ny hafa. Raha avelantsika kosa mba ho hitan’i Kristy sy ny fianakaviantsika ary ny hafa hoe iza marina isika ary tafiditra ao anatin’izany ireo zavatra rehetra izay “tsy tonga lafatra,” dia afaka manasa ilay heriny manamasina ho ao amin’ny fiainantsika isika. Afaka miaina ilay heriny mahagaga isika mba handravonana ny zavatra tsy azo naravona, mba hamenoana ny tenantsika amin’ny fitiavany, ary mba hanovana antsika ho olona manana fifandraisana lalina Aminy sy amin’ireo olona akaikin’ny fontsika.

Ny tanjona masin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana angamba dia ny manome antoka antsika fa noho i Jesoa Kristy, ilay fianakaviana “tonga lafatra” dia afaka ny ho anjara mandrakizay ho antsika tsirairay.

Ao anatina fianakaviana mandrakizay iray isika rehetra amin’ny maha zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra antsika. Ny zavatra miavaka iainantsika eto an-tany dia ampahany iray manan-danja ao anatin’ny drafitry ny Raintsika mba hanampiana antsika hivoatra ary “hanatratrarana any amin’ny farany ilay anjaran[tsika] tahaka ny an’ Andriamanitra amin’ny maha mpandova ny fiainana mandrakizay antsika.”6 Izany dia ilay fiainam-pianakaviana mahafinaritra iainany mihitsy, na dia tsy mitovy amin’ilay tonga lafatra aza ny endriky ny fiainam-pianakaviantsika amin’izao fotoana izao. Nanambara ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Efa noraisin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy an-tanana mialoha ary amin’ny farany honerany daholo ny fihafiana sy ny famoizan-javatra rehetra nozakain’ireo izay mitodika any Aminy. Tsy misy na iza na iza voafidy mialoha mba hahazo kely kokoa noho ny zavatra rehetra omen’ny Ray ny zanany.”7

Tahaka ny nanaovan’ny Tompo fampanantenana tamin’i Jakoba tao anatin’ireo olana nianjady tamin’ilay fianakaviany “tsy tonga lafatra,” dia manome toky antsika ilay fifandraisany amintsika ao anatin’ny fanekempihavanana hoe: “Izaho momba anao ka hiaro anao amin’izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin’ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao” (Genesisy 28:15). Rehefa manaraka Azy isika na tsy tonga lafatra tahaka ny inona aza ny zava-misy marina iainantsika dia tsy “hamela antsika handeha” Izy mandra-pahatonga antsika any amin’ilay irintsika hahatongavana, voafatotra ao anatina fifandraisan’ny fianakaviana feno fifaliana lehibe mandrakizay.