Seminera
Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana: Hevitra amin’ny famerenana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy


“Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana: Hevitra amin’ny famerenana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Tovana

Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana

Hevitra amin’ny famerenana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Mandritra ny lesona Fampiharana ny fifehezana fotopampianarana tsirairay dia mety hanampy ny fanomezana fahafahana ny mpianatra hamerina ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Izany dia hanampy azy ireo hiomana tsara kokoa hampihatra ireo fitsipika ireo ao anatin’ny rafi-tantara ao an-dakilasy sy ao anatin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Ireto manaraka ireto dia ohatra vitsivitsy amin’ireo fomba azonao hanampiana ny mpianatrao hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy:

Avereno tsianjery ireo fitsipika. Anontanio ny mpianatra raha afaka mamerina tsianjery ireo fitsipika telon’ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Azon’ny mpianatra atao manokana ny manoratra ireo fitsipika ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo, na afaka mitanisa amin’ny feo mafy ireo fitsipika ireo ny mpianatra samihafa. Raha mila fanampiana ny mpianatra dia azon’izy ireo jerena ny andiam-pehezan-teny 4 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023). Azonao atao ihany koa ny manoro fomba ahitana ny valiny, toy ny sahanana famenoana ny banga na fanomezana ny litera voalohany amin’ny teny tsirairay ao amin’ireo fitsipika samihafa.

Ampifandraiso amin’ilay fitsipika marina ireo fehezan-teny. Tanisao eny amin’ny solaitrabe ireo fitsipika telon’ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Avy eo dia vakio na asehoy ireo fehezan-teny na andian-teny samihafa avy ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana. Asao ny mpianatra hizara hoe iza amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy no mifandray tsara indrindra amin’ilay fehezan-teny.

Hazavao ny dikany. Manasà mpianatra samihafa hanazava ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny tenin’izy ireo manokana. Azo atao izany amin’ny alalan’ny fanontaniana mpianatra samihafa momba ireo fitsipika samihafa, na azonao zaraina ho vondrona misy olona telo ny mpianatra ary omeo ny iray amin’ireo fitsipika ireo ny mpianatra tsirairay. Raha ilaina dia afaka mamerina mijery ireo fitsipika ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana izy ireo mialoha ny hangatahana azy ireo hanome fanazavana.

Fintino amin’ny teny miisa 10 na latsaka izany. Asao ny mpianatra hamorona famintinana ho an’ny tsirairay amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny teny miisa 10 na latsak’izany. Manasà mpianatra samihafa hizara ny famintinany ary hanazava ny antony nisafidianany ireo teny nofidiny.

Mamoròna sary na sary famantarana. Asao ny mpianatra hamorona fanehoana an’ohatra, sary, na sary famantarana ho an’ny tsirairay amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ny zavatra foronin’izy ireo dia tokony haneho ny zavatra ampianarin’ireo fitsipika. Rehefa vitan’ny mpianatra izany dia asao izy ireo hampiseho ny zavatra noforoniny amin’ny hafa ary hanazava ny antony nampidiran’izy ireo ny zavatra nataony.

Avereno rehefa mifanakalo hevitra momba ny rafi-tantara. Rehefa avy mizara rafi-tantara toy ny tena zava-misy ianao dia asao ny mpianatra handalina ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana. Azon’ny mpianatra atao ny mitady sy mizara fampianarana avy amin’ireo andiam-pehezan-teny ireo izay afaka manampy ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara (1) hanao asa amim-pinoana, (2) hamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, ary (3) hikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Zarao ireo zavatra niainana. Azo atao ny mangataka ny mpianatra hizara ny zavatra niainany rehefa nampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy izy ireo. Azon’izy ireo atao ny manazava ny fomba nanampian’ireo fitsipika ireo azy ireo tamin’ny fanontaniany manokana na ny toe-javatra niainany manokana na ny fomba nahafahan’izy ireo nampiasa ireo fitsipika ireo mba hanampiana ny hafa.

Misafidiana andian-teny iray. Asaivo mifantoka amin’ny iray amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny mpianatra tsirairay. Omeo fotoana izy ireo hisafidianana andian-teny iray avy ao amin’ny andiam-pehezan-teny tsirairay ao amin’ny fizarana nomena azy ireo izay tsapan’izy ireo fa maneho tsara indrindra ny zavatra ampianarina ao amin’io andiam-pehezan-teny io. Avy eo dia asao ireo mpianatra hivezivezy eran’ny efitrano ary hitady olona iray izay nomena fitsipika mitovy amin’ny azy ary hampitaha ireo andian-teny nosafidin’izy ireo. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mitady ireo mpianatra izay nampiandraiketina ireo fitsipika roa hafa ary hizara ireo andian-teny nosafidin’izy ireo.

Hevitra amin’ny famerenana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Makà fotoana mandritra ny taona hamerenana mijery tsy tapaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay halalinin’ireo mpianatra. Afaka manampy ny mpianatrao hampitombo ny fahafahan’izy ireo mitadidy ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izany. Afaka manampy azy ireo hahatakatra sy hanazava ary hampihatra ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ihany koa izany. Ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina dia hita ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

Ireto ambany ireto misy sahanasa sasantsasany izay azo ampiasaina na amboarina mba hanampiana ny mpianatrao hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba maro samihafa.

Manao tsianjery

Karatra fitadidiana. Asao ireo mpianatra hamorona karatra fitadidiana misy ny andinin-tsoratra masina voasoratra eo amin’ny lafy iray amin’ny taratasy iray ary ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina voasoratra eo amin’ny lafy ilany. Azon’ny mpianatra atao ny mamorona karatra ho an’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana maromaro amin’ny taratasy iray ihany ary avy eo manety ireo karatra fitadidiana. Avy eo izy ireo dia afaka miasa samirery na miaraka amin’ny namana iray mba hanao fanazaran-tena amin’ny fanaovana tsianjery ireo toko sy andininy sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Ireo famerenana ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ireo karatra fitadidiana dia azo atao matetika mandritra ny taona.

Application Doctrinal Mastery. Ampiasao ireo sahanasa fanaovana tsianjery ao amin’ny application Doctrinal Mastery. Raha azo atao dia afaka mampifandray ny findainao amina projecteur na fahitalavitra ianao mba hampisehoana ny votoatin’ilay application mba hahafahan’ny mpianatra mamita miaraka ireo sahanasa fanaovana tsianjery. Azonao atao ihany koa ny manasa ireo mpianatra manana finday mba hampiasa ilay application mba hakan’izy ireo fotoana hanaovana ireo sahanasa fanaovana tsianjery mandritra ny fotoam-pianarana na any ivelan’ny kilasy.

Fitanisana ataon’ny iray kilasy. Rehefa avy milaza andinin-tsoratra masina iray ianao dia azon’ny iray kilasy averina miaraka ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Azonao atao ihany koa ny miteny andian-teny manan-danja iray ao amin’ny soratra masina ary manasa ny iray kilasy hamerina ny andinin-tsoratra masina mifandray amin’izany.

Sary mifandray amin’izany. Mitadiava sary na kisarisary izay mifandray amin’ny fampianaran’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Asehoy ny mpianatra ireo sary ireo rehefa manao fanazaran-tena amin’ny fanaovana tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izy ireo. Azo atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hitady na hamorona ny sariny manokana izay manampy azy ireo hitadidy ireo andinin-tsoratra masina ireo. Raha toa ka sary mitovy no ampiasain’ny iray kilasy rehefa mitadidy andinin-tsoratra-tsoratra masina nomena, dia azonao atao tsindraindray ny mihazona ireo sary ireo mandritra ireo fotoam-pianarana manaraka mba hahitana raha mbola mahatadidy ireo andian-teny sy andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra.

Fandaminana teny mikorontana. Asehoy amin’ny fomba mikorontana ireo teny ao amin’ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ary asao ireo mpianatra handahatra izany araka ny tokony ho izy.

Litera voalohany. Ny litera voalohany amin’ny teny tsirairay amin’ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ihany no asehoy ary asao ny mpianatra hiezaka ny hilaza araka ny tokony ho izy ilay andinin-tsoratra masina sy ilay andian-teny manan-danja. Fafao tsikelikely ireo litera voalohany arakaraka ny fahafahan’ny mpianatra mamerina tsianjery ilay andininy sy ny andian-teny manan-danja.

Fenoy ny banga. Asehoy ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ary aza soratana ny teny sasany. Asao ny mpianatra hamerina tsianjery ilay toko sy andininy sy ilay andian-teny manan-danja eo am-pamenoana ny banga. Fafao tsikelikely ireo teny arakaraka ny hitomboan’ny fahafahan’ny mpianatra mamerina tsianjery ny toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja.

Fampifandraisana. Mampisehoa toko sy andininy sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina maromaro ao anaty tsanganana roa. Tanisao araka ny filaharany ao amin’ny tsanganana voalohany ireo toko sy andininy. Tanisao tsy milahatra araka ny tokony ho izy ao amin’ny tsanganana faharoa ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Avy eo dia asao ny mpianatra hampifandray ireo toko sy andininy amin’ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina marina.

Mahatakatra ary manazava

Andinin-tsoratra masina mifandray. Asao ny mpianatra hitady andinin-tsoratra masina mifandray maromaro izay mifandray amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray. Avy eo izy ireo dia afaka mampianatra ny mpiara-mianatra aminy momba ny zavatra nianarany, anisan’izany ny ifandraisan’ireo soratra masina fanampiny nohalalinin’izy ireo amin’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Azonao atao ny manome sosokevitra hoe ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina mifandray hitan’izy ireo dia alaina avy amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ireo bokin-tsoratra masina hafa.

Mifandray amin’i Jesoa Kristy. Omeo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray ny mpianatra mba hohalalinina, ary angataho izy ireo hieritreritra fomba samihafa izay hifandraisan’izany andinin-tsoratra masina izany amin’i Jesoa Kristy. Afaka mieritreritra sy mifanakalo hevitra izy ireo hoe manampy azy ireo hahatakatra bebe kokoa inona momba an’i Jesoa Kristy, na ny fotopampianarany, na ny drafitry ny famonjena ilay andinin-tsoratra masina nomena azy ireo. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mitady ohatra amin’ny fomba nampianaran’ny Mpamonjy na nanehoany ny fahamarinana hita ao amin’ilay andinin-tsoratra masina.

Fanazavana tsotsotra. Asao ny mpianatra hiomana hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana isan-karazany amin’ny olona iray izay tsy mahafantatra ireo fampianarana ireo. Azon’izy ireo alaina sary an-tsaina hoe manazava ireo fampianarana ireo amin’ny ankizy iray na amin’ny olona iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana izy ireo. Asao izy ireo hanoratra ny fanazavany ao amin’ny diary fandalinany ary avy eo hizara izany amin’ny mpiara-mianatra iray.

Andalana anampy andalana. Mampisehoa ohatra amin’ny sasany amin’ireo pejy Andalana anampy andalana avy ao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery! izay ahitana teny na andian-teny manan-danja avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina nofakafakaina. Asao ny mpianatra hamorona ny andalana anampy andalana azy ireo manokana. Angataho izy ireo hisafidy teny manan-danja vitsivitsy avy ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray ary hampiditra soratra masina mifandray amin’izany sy fanambarana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ary famaritana izay manampy amin’ny fahatakarana lalina kokoa momba ireo teny manan-danja ireo.

Mametraha fanontaniana. Asao ireo mpianatra hisafidy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay tiany ho takatra kokoa. Asao izy ireo hamaky ilay andinin-tsoratra masina ary hanao lisitra fanontaniana roa na telo ananan’izy ireo momba izany andalan-tsoratra masina izany. Ireo fanontaniana ireo dia mety mifandray amin’ireo teny na andian-teny tian’izy ireo ho takatra bebe kokoa na ny antony maha-zava-dehibe ny fahatakarana ilay andinin-tsoratra masina. Rehefa avy nitanisa ny fanontanian’izy ireo ny mpianatra dia asao izy ireo hampiasa loharanom-pitaovana toy ny application Médiathèque de l’Évangile, Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na fitaovana fandalinana hafa mba hahitana ny valin’ny fanontanian’izy ireo. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra nianarany.

Fampisehoana an-tsary. Azon’ny mpianatra atao ny mamorona sary, sary atambatambatra, mème, teny natao amin’ny endrika kanto, na rahona misy teny ao anatiny, na fampisehoana an-tsary hafa izay manampy amin’ny famaritana ny zavatra ampianarina ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mampiseho ilay zavatra noforonin’izy ireo amin’ny hafa ary manazava ny fomba ifandraisan’izany amin’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nifantohan’izy ireo.

Ampiharo

Rafi-tantara. Mizarà rafi-tantara isan-karazany izay mifandray amin’ny toe-javatra na olana na fanontaniana ara-panahy mety hananan’ny zatovo. Asao ny mpianatra hizara andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na maromaro izay tsapany fa azo ampiharina amin’ilay rafi-tantara ary hanazava ny fomba heveriny fa ahafahan’ireo andinin-tsoratra masina ireo manampy.

Zarao ireo zavatra niainana. Azon’ny mpianatra atao ny misafidy iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nampihariny vao haingana teo amin’ny fiainany na tian’izy ireo hampiharina bebe kokoa amin’ny fiainany. Azo atao ny manasa ny mpianatra hizara ny fiantraikan’ireo fampianarana ireo teo amin’izy ireo.

Ataovy an-tsaina ny toe-javatra iray iainan’ny tena manokana rehefa mandalina ireo andinin-tsoratra masina. Asao ireo mpianatra hieritreritra toe-javatra na fanontaniana na fanapahan-kevitra iray izay atrehin’izy ireo. Asao izy ireo hitady andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay hanampy amin’ilay toe-javatra iainan’izy ireo ary hizara ny zavatra hitany fa hanampy.

Manampy zatovo iray. Asao ny mpianatra hanao sarina zatovo anankiray ka hanoratra ny anarany, ny taonany, ary ny toe-javatra iainan’ny fianakaviany sy izay mety ho fanontaniana, na olana, na fanamby iainan’izy ireo amin’izao fotoana izao. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mamantatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay tsapan’izy ireo fa hanampy io zatovo io. Afaka manazava ny fotopampianarana ao amin’ny andinin-tsoratra masina nosafidiny izy ireo ary manome sosokevitra ho an’ireo fihetsika mety ho azon’io zatovo io atao.

Manomàna fampaherezam-panahy na lahateny iray. Omeo fahafahana ireo mpianatra hampiasa ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba hanomanana hafatra fampaherezam-panahy na lahateny fohy. Azonao atao ny mandamina fotoana ho an’ny mpianatra tsirairay mba hizarany ny fampaherezam-panahiny na lahateniny any am-piandohan’ny fotoam-pianarana mandritra ny tapa-taona. Ampio izy ireo hiomana hamintina ny sahan-kevitra sy hanazava ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra-tsoratra masina ireo. Asao ny mpianatra hizara zavatra niainana manan-danja na ohatra eo amin’ny fampiharana ny fahamarinana ao amin’ireo andinin-tsoratra masina nosafidiny sy hijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.