Tahirim-pitaovana
Kolokoloy ny finoanao


“Kolokoloy ny finoanao,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
vehivavy roa mikolokolo zaridaina

Fanampiana ny hafa amin’ny famaliana ny fanontaniany

Kolokoloy ny finoanao

Mitaky ezaka sy mety hanahirana antsika amin’ny fomba tsy ampoizina ny fanampiana amin’ny fanamaivanana ny enta-mavesatry ny hafa. Alaovy antoka ny mikolokolo ny ara-panahinao sy miorim-paka ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Rehefa ao anatin’ny hamehana dia asaina mamatotra tsara ny saron-tava fifohan’izy ireo ôksizena aloha ny mpandeha ao amin’ny fiaramanidina vao manampy ny hafa avy eo. Torak’izay koa, tsy afaka mampitraka ny hafa isika raha tsy rehefa mandray an-tanana ny asa manan-danja amin’ny fikolokoloana ny finoantsika sy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika manokana.

Ireto fitsipika manaraka ireto dia afaka manampy anao hanamafy orina ny finoanao eo am-panompoanao ny hafa:

  • Tsarovy ny zavatra inoanao sy efa niainanao. Saintsaino ireo fotoana nahatsapanao ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Tsarovy ireo fotoana niainanao fiadanana, fifaliana, fitiavana ary fahazavan-tsaina. Eritereto ny fotoana nahatsapanao an’ Andriamanitra niresaka taminao manokana mba hanamafisana ny finoanao. Afaka ny ho loharanon-kery sy fiarovana amin’ny fisalasalana sy ny tahotra ireo traikefa ara-panahinao taloha.

  • Tohizo ny fampivelarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Manan-danja ny mitozo amin’ny fanaovana ireo zavatra izay nanampy anao nanorina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsara. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny soratra masina, vavaka, fandraisana ny Fanasan’ny Tompo, fitsaohana any amin’ny tempoly, ary ny fanompoana ny hafa. Afaka manampy hahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy sy hitoetra ho mahatoky ireny fomba tsotsotra ireny.

  • Tolory tanana ny hafa. Raha toa mavesatra ny enta-mavesatry ny fanompoana namana na olona ao amin’ny fianakaviana dia tsarovy fa tsy irery ianao. Afaka mangataka fanampiana amin’ny olona ao amin’ny fianakavina izay azo itokisana, na namana, na mpitarika ato amin’ny Fiangonana, na matihanina ianao. Afaka manampy anao hahatsiaro ny halehiben’ny fitiavan’ Andriamanitra anao ny fiombonam-pihetseham-po, ny vavaka ary ny fahaiza-manaon’izy ireo. Afaka manohana anao ihany koa izy ireo eo am-pikatsahanao ny valin’ireo fanontanianao manokana.

  • Asio fetra mahasoa ny fanampiana ataonao. Na dia tokony hiezaka ny hihaino sy hanohana amin’ny fanontaniana na ny olan’izy ireo aza isika, dia tokony hofantarintsika ihany koa ireo filantsika manokana sy ireo fahalementsika. Manan-danja ihany koa ny fihetseham-ponao sy ireo fahatsapanao. Mety hiaina tahotra, fahasorenana ary alahelo isika mandritra ity dingana ity. Raha tsapanao ho mavesatra loatra ilay resaka dia lazao ny zavatra tsapanao ary manamboara fotoana iray hafa hiresahana. Mety ho tian’ireo olona akaikin’ny fonao hoe ny fanontanian’izy ireo foana no hatao lohahevitry ny fifanakalozan-kevitra rehetra na hiresaka momba ana lohahevitra izay manambany anao na ny finoanao. Tahaka ny ilànao manaja ny zavatra niainan’ny hafa dia mila manaja ny anao koa izy ireo. Tsy mila mahatsapa tena ho natao tsinontsinona na tsy marani-tsaina ianao raha tsy mitovy amin’ny tsoakevitry ny hafa ny anao.

  • Ataovy izay hanananao fahalalana misimisy kokoa. Tsy voatery ho matihanina momba ana olana iray ianao vao hoe mpanohana tsara. Saingy mety ho tsara tokoa ny mianatra momba ana lohahevitra izay tsy hainao ny mombamomba azy. Halalino ao anatin’ny fisaintsainana lalina ny fotopampianaran’ny Fiangonana sy ny tantarany. Fantaro tsara ireo fanontaniana be mpametraka. Ianaro ny zavatra nolazain’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana sy ireo manam-pahaizana mahatoky momba ireny lohahevitra ireny. Mety hianatra, hamery izay efa hay na hamerina hianatra zavatra maro ianao ao anatin’izany dingana izany.

  • Fantaro tsara ireo fitsipika ho an’ny fikasahana valim-panontaniana. Halalino sy ampiasao ireo fitsipika resahina ao amin’ny fizaranana “Fikatsahana ny valin’ireo fanontanianao” ato amin’ity loharanom-pahalalana ity.

Soratra masina manan-danja: Lioka 22:31–32; 1 Nefia 15:8–11; Jakoba 4:6; Almà 32:41–43; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:14

Hamoaka printy