Tahirim-pitaovana
Fanampiana ny hafa amin’ny famaliana ny fanontaniany: Teny fanolorana


“Fanampiana ny hafa amin’ny famaliana ny fanontaniany: Teny fanolorana,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Fanampiana ny hafa amin’ny famaliana ny fanontaniany

Teny fanolorana

Raiso ho toy ny tombontsoa masina rehefa misy namana Olomasin’ny Andro Farany manam-panontaniana na fanahiana momba ny finoany ka manatona anao. Manana fahafahana ny hampiorim-paka ny fifandraisanao amin’izy ireo sy hanompo mba hanome izay ilainy ianao. Tsy voatery hanana ny valiny amin’ny fanontanian’izy ireo rehetra ianao. Mila manam-pahavononana ny hitia, sy hihaino ary hanampy fotsiny ianao.

Manana fanontaniana na fanahiana ny olona sasany saingy mitoetra ho mavitrika ao am-piangonana izy ireo ary mahita fifaliana ao amin’ny filazantsara. Ao ireo hafa mihataka amin’ny Fiangonana noho ireo antony samihafa. Miverina ho mavitrika tsara ny sasany amin’ny farany. Maro no mandalo ny dingan’ny fanorenana indray ny finoan’izy ireo, ka ny vokany dia hoe midika ho zavatra hafa amin’izy ireo ny finoana sy ny fandraisana anjara amin’ireo fivoriam-piangonana. Ny hafa dia manala ny tenany tsy ho mpikamban’ny Fiangonana amin’ny fotoana maharitra kokoa na dia misafidy ny hihazona fifandraisana akaiky amin’ny fianakaviana sy ny namana izay mitoetra ho mpandray anjara mavitrika aza.

Afaka mijanona ho fitaomana ho amin’ny tsara eo amin’ny fiainan’izy ireo ny fifandraisanareo na dia eo aza ny safidin’izy ireo. Afaka ny hitondra fitaomana ara-panahy ho azy ireo ny namana mahatoky na ny olona iray ao amin’ny fianakaviana raha mitady lalana hiverenana eo amin’ny fiainam-pinoana sy ny fahavitrihana ato am-piangonana izy ireo. Miresaka momba ireo fitsipika hitarika anao rehefa manompo am-pitiavana ireo izay manam-panontaniana momba ny Fiangonana ireo lahatsoratra ato amin’ity fizarana ity.

Hamoaka printy