Tahirim-pitaovana
Ataovy izay hahatakarana ny lasa


“Ataovy izay hahatakarana ny lasa,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

vehivavy sy lehilahy miara-mandalina

Fikatsahana ny valin’ireo fanontanianao

Ataovy izay hahatakarana ny lasa

Afaka manampy antsika hahita ny tanan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ireo zanany ny fandalinana ny tantaran’ny Fiangonana. Feno tantaram-pinoana, sy herimpo, ary ny hatsaran’ireo Olomasina tamin’ny lasa izany. Indraindray izany dia mampiharihary ny fahalemen’izy ireo amin’ny maha olombelona azy sy mampiseho ireo zava-tsarotra lalovantsika rehetra rehefa miezaka ny hanaraka an’i Jesoa Kristy isika. Mety hanozongozona ny finoantsika ny fahatantarana ireo zavatra sarotra takarina amin’ny tantaran’ny Fiangonana na momba ana zavatra niseho taloha izay tsy mifanaraka amin’ny zavatra andrandraintsika.

Samy hafa ny fihetsika hasetrintsika tsirairay avy ny fampahalalana vaovao iray momba ny tantara. Mety hamelombelona ny olon-kafa ny fanontaniana mahatezitra ny olona iray. Samy mitondra ny petrakeviny, ny zavatra andrandrainy, sy ny traikefam-piainany, ary ny fahalalany avy isika rehetra eo amin’ny fikatsahana fahatakarana. Afaka manampy antsika hahita ny lasa amin’ny fomba mazava kokoa sy amin’ny fomba mitondra fanatsarana kokoa ny fampiharana ireto fitsipika manaraka ireto rehefa mandalina tantara isika:

  • Ekeo ny fetran’ny fahalalantsika. Ireto misy fanazavana ny lasa nifototra tamin’ireo loharano vitsy sisa tavela. Maro ny zavatra azontsika lazaina amim-patokiantena momba ny lasa. Saingy maro koa ireo zavatra tsy haintsikatsotra izao. Ary saika misy fanazavana mihoatra ny iray foana ny fampahalalana ananantsika. Rehefa manetry tena hatrany isika manoloana ny zavatra eritreretintsika fa fantatsika dia ho vonona kokoa handray fanazavana vaovao isika rehefa misy loharanom-pahalalana fanampiny mipoitra. Tsarovy fa indraindray isika dia tsy maintsy miaina ao anatin’ny fanjavozavoana sy ny fisalasalana, eny fa na dia mikasika ireo fanontaniana izay toa manan-danja aza.

  • Manantenà fiovana. Rehefa mandalina ny lasa isika dia hitantsika indraindray fa toa betsabetsaka ihany ireo fiovana nitranga tamin’ireo fomba fanao sy fampianarana ary hevitra noheverintsika ho tsy azo hovaina. Mandrakizay ireo fitsipika fototry filazantsara, saingy ny fomba fahatakarana sy ny fanehoana azy ireny rehefa mandeha ny fotoana dia maneho ny toetran’ny fanambarana izay tonga andalana anampy andalana, sy ny fiovaovana tsy tapaka mitranga eo amin’ny kolontsain’olombelona. Manampy antsika hamakivavy ireny fiovana ireny ny fitsipiky ny fanambarana mitohy. Amin’ny fijerinao dia mety hahatonga ireo zavatra mitoetra ho mora dinihina kokoa ny fianarana momba ireo zava-maro izay niova.

  • Ataovy ao anatina sahan-kevitra ny zavatra dinihina. Nisy olona izany niteny hoe: “Ny lasa dia firenena vahiny, hafa ny fomba fanaovan’izy ireo zavatra any.”1 Nanana petrakevitra hafa amin’ny antsika momba izao tontolo izao ny olona taloha. Nampiasa sary ohatra isan-karazany sy teny hamaritany ny traikefany izy ireo. Raha te hahatakatra tsara kokoa ireo teny sy zavatra nataon’ireo olona taloha isika dia mila mahatakatra ihany koa ny kolontsaina sy ny sahan-kevitra nitrangan’izy ireny. Tsy midika izany fa tsy azontsika ariana ireo zavatra mikasika ny kolontsaina taloha. Raha ny marina, ny filazantsara dia mandidy ny hanariantsika ny sasany amin’ireo zavatry ny lasa. Saingy ny fahatakarana ny sahan-kevitra ara-tantara dia manampy antsika tsy hiziriziry amin’ny fomba fijerintsika ankehitriny ireo olona taloha izay mety hanakana ny fisian’ny fahatakarana.

  • Tsarovy fa manao hadisoana ny olombelona. Manana fironana hifantoka amin’ireo tantara maneho herimpo sy manana fiafarana tsara isika rehefa mitantara tantara avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana. Tsara ny mahatsiaro ny olona rehefa mahavita zavatra tsara izy ireo. Saingy adinontsika indraindray fa ireo Olomasin’ny Andro Farany fahiny, anisan’izany ireo mpitarika tato amin’ny Fiangonana, dia olombelona. Manana fahalemena ny olombelona. Manao fahadisoana izy ireo. Manota izy ireo. Tsarovy fa mampiasa olona tsy tonga lafatra Andriamanitra mba hanatontosana ny asany. Afaka mianatra avy amin’ireo anjara biriky nentin’izy ireo sy ny fahadision’izy ireo isika. Ary na dia tsara aza ny mijery amin’ny fomba mahitsy ireo zava-nanahirana teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana dia aza mifantoka amin’izy ireny ndrao hahatonga anao hanadino ny zavatra tsara sy kanto izany.

  • Mitandrema amin’ireo fanazavana mety hampidi-doza. Tsy ny fanazavana momba ny lasa rehetra no marina avokoa. Manao fanambarana maro momba ny tantaran’ny Fiangonana ny olona, sady momba no manohitra, kanefa tsy mahafeno ny fenitry ny fahamarinana, sy ny maha-azo antoka, ary ny fahitsiana. Mitombina izany, indrindra amin’ny vanim-potoana izay ahafahan’ny olon-drehetra mamoaka ny heviny amin’ny alalan’ny fanindriana bokotra iray. Nandidy antsika ny Tompo mba hikatsaka fahendrena avy “ao amin’ny boky tsara indrindra.”2 Amin’ny maha mpandalina ny tantaran’ny Fiangonana anao dia azonao ampiasaina avokoa ireo fitaovam-pianarana sy ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Soratra masina manan-danja: 1 Nefia11:17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118