Seminera sy Institiota
Lesona 10: Ny anjara asa sy andraikitra masin’ny vehivavy


Lesona 10

Ny anjara asa sy andraikitra masin’ny vehivavy

Fampidirana

Lafiny iray manan-danja ao amin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra ny nanomezany ny vehivavy ny anjara asa masina maha-vady sy reny. “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” dia mampianatra fa: “ny reny dia tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fitaizana ny zanany” ary ny ray sy ny reny dia tokony “[h]ifanampy amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo” (Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129).

Vakiteny Enti-mandalina

  • Dieter F. Uchtdorf, “The Influence of Righteous Women,” Ensign, sept. 2009, 5–9.

  • “Understand the Divine Roles of Women,” Ensign, feb. 2009, 67.

  • “The Women of the Church,” fizarana faha 20 ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball (2006), 214–25.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:1–3, 10, 13–16

Ny hery mitaona lehibe ananan’ireo vehivavy Olomasin’ny andro Farany amin’ny andro farany

Asehoy ity faminaniana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985), ary miangavia mpianatra iray hamaky mafy an’izany:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Maro amin’ireo fivoarana lehibe izay tonga amin’ny Fiangonana amin’ny andro farany no ho tonga satria maro amin’ireo vehivavy marin’izao tontolo izao … no ho voataona ho ao amin’ny Fiangonana ary maro an’isa izy ireo. Hitranga izany rehefa maneho fahamarinana sy fahaiza-mandahateny eo amin’ny fiainan’izy ireo ireo vehivavy ao amin’ny Fiangonana ary … hita ho misongadina sy miavaka —amin’ny fomba mahafaly—raha oharina amin’ny vehivavin’izao tontolo izao” (Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball [2006], 222–23).

  • Nahoana araka ny eritreritrao no ho lasa antony mahatonga ny fivoarana lehibe ao amin’ny Fiangonana ireo vehivavy Olomasin’ny Andro Farany marin-toetra?

Mba hamelabelarana io hevitra io, dia angataho ny mpianatra handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:1–3, 10, 13–16, ka hitady ireo teny sy andian-teny izay maneho ny fomba ahafahan’ireo vehivavy Olomasin’ny Andro Farany ho lasa “misongadina sy miavaka” am-pifaliana raha ampitahaina amin’ireo vehivavin’izao tontolo izao. Ampio ireo mpianatra hahatakatra ny sahankevitr’ity fanambarana ity amin’ny fanazavana fa fanambarana ho an’ny tena manokana ho an’i Emma Smith izy ity, kanefa azo ampiharina amin’ny vehivavy rehetra ao amin’ny Fiangonana izany.

  • Inona no azontsika ianarana avy ao amin’ireo andininy ireo mikasika toetoetra izay tokony ho trandrahan’ny vehivavy marin-toetra?

  • Amin’ny fomba ahoana no hilazanao ny fotopampianarana iray na fitsipika iray ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25? (Rehefa mamaly ireo mpianatra, dia lazao ity fitsipika ity: Amin’ny maha-mpianatry ny Tompo ny vehivavy, dia afaka mampiasa ireo fanomezam-pahasoavana sy talenta avy amin’ Andriamanitra izy ireo mba hitodrana fanampiana amin’ny fanorenana ny fanjakan’Andriamanitra.)

Zarao ireto teny manaraka ireto izay nolazain’ny Filoha Spencer W. Kimball sy ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Amin’ny vanim-potoana rehetra dia mendri-piderana izany hoe vehivavy marin-toetra. Antso feno voninahitra tena miavaka izany hoe vehivavy marina ao anatin’ireo toe-java-miseho izay mikorontana eto amin’ity tany ity izany, mialohan’ny fiavian’ny Tompo fanindroany. Ny tanjaka sy ny hery enti-mitaona ananan’ny vehivavy marina amin’izao fotoana izao dia mety ho avo folo heny noho izay misy mandritra ireo fotoana izay tony kokoa” (Teachings: Spencer W. Kimball, 217).

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Ry Rahavavy isany, miavaka ny fahafahana anananareo hoenti-mitaona ny hafa—izay zavatra iray tsy vitan’ny lehilahy alain-tahaka. Tsy misy afaka miaro ny Mpamonjy amin’ny fandresen-dahatra sy hery mihoatra noho izay afaka ataonareo—ireo zanakavavin’Andriamanitra izay tena manana hery sy hevitra ifikirana ao anatiny. Tsy hay refesina ny herin’ny feon’ny vehivavy iray niova fo, ary mila ny feonareo ny Fiangonana amin’izao fotoana izao mihoatra noho ny taloha” (M. Russell Ballard, “Men and Women and Priesthood Power,” Ensign, sept. 2014, 33).

Anontanio ireo vehivavy ao amin’ny kilasinao hoe inona no eritreritra sy fahatsapana tonga ao aminy rehefa mandinika ny hery enti-mitaona izay afaka ananany ao an-tokantranony sy ao amin’ny Fiangonana ary eo amin’ny fiarahamonina izy. Antitrantero ny anjara asa manan-danja izay ananan’ny vehivavy mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Azonao atao ny mangataka ireo rahalahy ao amin’ny kilasinao hizara ny fomba efa nahitan’izy ireo ny tanjaka sy ny hery enti-mitaona ananan’ireo vehivavy ao amin’ny paroasiny na sampana misy azy nitondra olona hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra.

2 Timoty 1:5; 3:14–15; Almà 56:47–48; 57:21

Ny anjara asa notendren’Andriamanitra ho an’ny vehivavy mba ho reny ao Ziona

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Manana fanomezam-pahasoavana samy hafa sy hery samy hafa ary fomba fijery sy fironana samy hafa ny lehilahy sy ny vehivavy. Izany no isan’ny antony fototra mahatonga antsika mifampila. Mila lehilahy iray sy vehivavy iray vao mahaorina tokantrano, ary mila lehilahy sy vehivavy maro vao mahatontosa ny asan’ny Tompo” (“Men and Women and Priesthood Power,” 32).

  • Ankoatra ireo fahasamihafana ara-batana izay miharihary, dia inona ireo fomba vitsivitsy izay tsikaritrao fa maha-samy hafa ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny ankapobeny?

Hazavao fa ankoatra ireo fahasamihafana amin’ny ankapobeny ireo, dia manana anjara asa samy hafa avy amin’ Andriamanitra ihany koa ny lehilahy sy ny vehivavy, araka izay voasoritsoritra ao amin’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (jereo ny andiam-pehezanteny fahafito). Asehoy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinfolo:

Sary
Loholona Russell M. Nelson

“Ianareo rahavavy dia nofinidy talohan’ny nanorenana izao tontolo izao mba hitondra ao am-bohoka sy hikarakara ireo zanak’Andriamanitra; rehefa manao izany ianareo, dia manome voninahitra an’ Andriamanitra (jereo ny F&F 132:63)” (“What Will You Choose?” Ensign, jan. 2015, 19).

  • Ahoana no ahafahan’ny vehivavy manome voninahitra an’ Andriamanitra rehefa mitondra ao am-bohoka sy mikarakara ny zanak’Andriamanitra izy ireo? (Rehefa mizara ny zavatra eritreretiny ireo mpianatra, dia ampio izy ireo hahatakatra ity fitsipika ity: Rehefa eken’ireo vehivavy am-pifaliana ilay anjara asa maha-reny nomen’Andriamanitra azy ireo mba hitondra ao am-bohoka sy hikarakara ireo zanak’Andriamanitra, dia manome voninahitry Azy izy ireo ary lasa mitovy bebe kokoa amin’ireo Ray Aman-drenintsika any An-danitra. Hazavao fa ny fitondrana ireo zanaka ho ety an-tany dia ampahany iray tena ilaina ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra.

Zarao ity teny nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

“Maro ny feo eto amin’ izao tontolo izao ankehitriny izay manao tsinontsinona ny maha-zava-dehibe ny fananan-janaka na manoro hevitra ny hanemorana na hamerana ny zaza ao anatin’ ny fianakaviana iray. Vao tsy ela akory izay ireo zanako vavy no nampiseho tamiko ny blaogy iray nosoratan’ ny reny Kristiana iray (izay tsy iray finoana amintsika) manan-janaka dimy. Hoy ny filazany: ‘[Raha lehibe ato] amin’ ity kolontsaina ity, dia tena sarotra ny mahita ny fomba fijery ara-baiboly ny amin’ ny maha-reny. … Ny toeran’ ny zanaka dia ambany lavitra noho ny fandrantoana fianarana. Ambany noho ny fitetezana izao tontolo izao, mazava ho azy. Ambany noho ny fahafahana mandeha mivoaka amin’ ny alina manao izay mahafinaritra anao. … Ambany noho izay mety asa anananao na irinao ho azo.’ Avy eo izy dia nanampy hoe: ‘Ny maha-reny dia tsy fialam-boly, fa antso’” (“Zanaka,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 28).

  • Inona no dikan’ny hoe “manao tsinontsinona” ny maha-zava-dehibe ny fananan-janaka?

  • Inona no faneriterena hitanao hoe atao amin’ny vehivavy mba “[hanaovana] tsinontsinona” ny maha-zava-dehibe ny fananan-janaka?

  • Inona no azon’ireo tanora ao amin’ny Fiangonana atao mba hitazonana ny fomba fijery marina momba ny maha-zava-dehibe ny fananan-janaka?

Omeo toky ireo mpianatra fa ny fanampahan-kevitra ny amin’ ny fotoana hiterahana sy ny isan’ ny zaza ateraka dia anjaran’ ny mpivady sy Andriamanitra irery ihany. Misy lesona izay hiresaka momba izany lohahevitra izany amin’ny antsipiriany kokoa ao aoriana ao.

Asao ireo mpianatra hamaky sy hampitaha ny 2 Timoty 1:5; 3:14–15 sy ny Almà 56:47–48; 57:21, ka hitady ny hery azon’ny reny ananana mba hoentiny mitaona ireo zanany ho amin’ny tsara. (Ny fianarana mampitaha ireo andinin-tsoratra soratra masina dia fahaiza-mandalina ny soratra masina izay azon’ireo mpianatra ampiasaina mandritra ny fiainan’izy ireo.)

  • Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny anjara asan’ny reny? (Antitrantero ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mampianatra ny filazantsara amin’ireo zanany ny renim-pianakaviana, dia manampy ireo zanany mba hanana finoana izy sy mampiomana azy ireo hiaina amim-pahamarinana.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hanazavan’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny antony hiasan’i Satana mafy tokoa mba hampihena ny hasin’ny anjara asan’ny reny?

  • Inona ireo toetran’ny vehivavy izay afaka manampy azy hahomby amin’ny anjara asa maha-reny azy?

Tandremo fa misy zatovovavy ao amin’ny kilasinao izay mety tsy hanambady mihitsy, ary raha manambady aza izy, dia mety tsy ho afaka ny hiteraka. Ampiasao ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Rahavavy Sheri L. Dew, izay mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, mba hanampiana ireo mpianatrao hahatakatra fa ny anjara asan’ny reny dia lova avy amin’ Andriamanitra ho an’ny vehivavy rehetra:

Sary
Sheri L. Dew

“Tahaka ny nanendrena mialoha ireo lehilahy mendrika mba hihazona ny fisoronana ety an-tany, ireo vehivavy marin-toetra dia nomena ny tombontsoa amin’ny maha-reny tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Ny mahareny dia mihoatra lavitra noho ny fitondrana vohoka , na dia ao anatiny tokoa aza izany. Tafiditra ao anatin’izany ny toetoetra fototra indrindra izay mamaritra ny maha-vehivavy antsika. Mamaritra ny tena maha-izy azy antsika izany, sy ny endritsika sy toetrantsika avy amin’ Andriamanitra, ary ny toetra tsy manan-tsahala izay nomen’ny Raintsika antsika. …

“… Takina amin’ny vehivavy sasany ny hiandry vao mahazo zanaka. … Kanefa ny fandaharam-potoan’ny Tompo ho antsika tsirairay dia tsy mifanohitra amin’ny toetrantsika. Ny sasany amintsika, noho izany, dia mila mitady fomba hafa fotsiny mba ho lasa reny. Ary eny amin’ny manodidina antsika no misy ireo izay mila fitiavana sy fitarihana” (“Are We Not All Mothers?” Ensign, nôv. 2001, 96–97).

  • Amin’ny fomba ahoana no ampitomboan’ny tenin’ny Rahavavy Dew ny fahatakaranao ny maha-reny?

Anontanio ireo mpianatra raha misy amin’izy ireo te hizara ny eritreritra sy fahatsapana ananany mikasika ny hery enti-mitaona amin’ny tsara izay ananan’ny reniny.

Asehoy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Rahavavy Julie B. Beck, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha, izay niresaka tamin’ireo vehivavy mikasika ny hoe mila manatanteraka ny anjara asa nomen’Andriamanitra azy izy ireo. Asaivo mamaky izany mafy ny mpianatra iray, ary asao ny mpianatra rehetrahandinika ny zavatra mety ho nitranga raha tsy nahavita nanatanteraka ny anjara asany ny vehivavy.

Sary
Julie B. Beck

© Busath.com

“Raha tsy manao ny anjarantsika isika dia tsy hisy olon-kafa hanao izany ho antsika. … Tsy afaka afindrantsika [ny anjarantsika ao amin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra]. Tsy afaka manilika izany any amin’ny hafa isika. Antsika izany. Afaka mandà sy tsy miraharaha izany isika, saingy mbola anjarantsika ihany izany ary tompon’andraikitra amin’izany isika. Ho avy ny andro izay hahatsiarovantsika ny zavatra fantatsika talohan’ny nahaterahantsika. Ho tadidintsika fa niady tao anatin’ny fifanolanana lehibe isika mba hahazoana izany tombontsoa izany. Ahoana no hanatanterahantsika izany andraikitra izany? Manokana ny herintsika amin’izany asa izany isika isan’andro, asa izay isika ihany no afaka manao azy” (“Understand the Divine Roles of Women,” Ensign, feb. 2009, 67).

  • Inona no eritreritra sy fahatsapana anananao mikasika ilay andian-teny hoe “Raha tsy manao ny anjarantsika isika dia tsy hisy olon-kafa hanao izany ho antsika”?

  • Inona no ho very tsy ho ao amin’ny fianakaviana, tsy ho ao amin’ny paroasy na sampana misy antsika, tsy ho ao amin’izao tontolo izao raha tsy manao ny “anjarany” intsony ny vehivavy?

  • Inona ireo fomba vitsivitsy izay afaka hanatanterahan’ny tanora vehivavy ny anjara asany avy amin’ Andriamanitra amin’ny maha-vehivavy azy ao amin’ny fanjakan’ny Ray any An-danitra?

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny anjara asa masina sy manan-danjan’ny vehivavy mba ho vady sy reny marin-toetra, ary antitrantero fa ny Raintsika any An-danitra indray andro any dia hanome ny fitahiana rehetra ho an’ireo zanany marin-toetra. Asao ireo mpianatra hilaza amin’ny renim-pianakaviana iray izay fantatr’izy ireo hoe midera azy fatratra izy ireo noho ny fomba nanatanterahany ny anjara asany masina.

Farano ny lesona amin’ny fanontaniana raha misy amin’ireo mpianatra no te hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany ny amin’ny fitahiana izay azo rehefa mahatsapa ny vehivavy hoe iza izy ireo ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra ka manao asa araka izany fahalalana ananany izany.

Vakitenin’ny Mpianatra

Hamoaka printy