Lesona 26
Tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra
Fampidirana
Ireo mpaminany sy apôstôly dia efa nampitandrina fa “ireo izay mandika ny fanekempihavanan’ny fahadiovam-pitondrantena, ireo izay mamono ny vadiny sy ny taranany, na ireo izay tsy mahatanteraka ny andraikiny ao amin’ny fianakaviana dia hijoro ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra indray andro any” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 129). Ity lesona ity dia mamaofivaofy ny fomba hitondran’ireo fandikana goavana ny lalàn’ Andriamanitra voka-dratsy, eto amin’ ity fiainana ity sy any amin’ny fiainana ho avy. Ity lesona ity ihany koa dia manamafy fa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manome fanantenana sy fanasitranana ho an’ireo izay mibebaka.
Vakiteny Enti-mandalina
-
Jeffrey R. Holland, “Ny fitenin’ny Anjely,” Ensign na Liahona, Mey 2007, 16–18.
-
Richard G. Scott, “Manasitrana ireo vokatra mamaivay ateraky ny Fanararaotana,” Ensign na Liahona, Mey 2008, 40–43.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Matio 18:1–6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22–25; 93:39–44
Ny fandikana ny fanekempihavanan’ny fahadiovam-pitondrantena, ny fanararaotana, azy ny tsy fanatanterahana ny andraikitra ao amin’ny fianakaviana
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tamin’ny lesona teo aloha dia nianatra momba ny andraikitra manan-danja ao amin’ny fianakaviana izy ireo izay ahitana izao manaraka izao: (1) ireo mpivady dia tokony hifankatia sy hifampikarakara, (2) ireo zanaka dia tokony hobeazina am-pitiavana sy amin’ny fahamarinana, ary (3) ireo ray aman-dreny dia tokony hamatsy ireo zavatra ilain’ny fianakaviany.
-
Inona no zavatra mety hitranga ao amin’ny fianakaviana iray raha toa ka manao tsinontsinona ireo andraikitra ireo ny vady sy ny ray aman-dreny?
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny zavatra nolazain’ireo mpaminany maoderina mahakasika ny maha-zava-dehibe ny fanatanterahana ireo andraikitra ao amin’ny fianakaviana dia mangataha mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny andiam-pehezanteny faha-8 ao amin’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao.” Hamafiso ireto fitsipika manaraka ireto: “Ireo izay mandika ny fanekempihavanan’ny fahadiovam-pitondrantena, ireo izay mamono ny vadiny sy ny taranany, na ireo izay tsy mahatanteraka ny andraikiny ao amin’ ny fianakaviana dia hijoro ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra indray andro any.”
-
Midika inona no hoe izay manao ireo heloka ireo dia hijoro ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra? (Amin’ny Andro Fitsarana dia hijoro eo anoloan’ Andriamanitra isika ary ho tompon’andraikitra eo anoloany amin’ireo fahotana mbola tsy nibebahantsika; jereo ny Fanambarana 20:11–15; 2 Nefia 9:15–16.)
Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Dennis B. Neuenschwander ao amin’ny Kôlejin’ny Fitopololahy:
“Ny maha-tompon’andraikitra antsika amin’ Andriamanitra, amin’ny maha-Raintsika sy Mpahary Azy dia iray amin’ireo lesona fototra indrindra amin’ny filazantsara” (“The Path of Growth,” Ensign, Des. 1999, 15).
-
Nahoana no hanampy antsika hitombo ara-panahy ny fitsipiky ny maha-tompon’andraikitra antsika eo anoloan’ Andriamanitra noho ireo fihetsika ataontsika?
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto ho lohatenin’ireo fizarana telo.
Fandikana ny Lalàn’ny Fahadiovam-pitondrantena |
Famonoana ny vady na ny taranaka |
Tsy fanatanterahana ireo andraikitra ao amin’ny fianakaviana |
Zarao telo ny mpianatra. Asao ny ampahatelony voalohany hamaky ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22–25, ny ampahatelony manaraka hamaky ny Matio 18:1–6, ary ny ampahatelony farany hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:39–44. Asao ny mpianatra hampifandray ny andalan-tsoratra masina novakian’izy ireo amin’ireo lohateny izay mifanaraka amin’izany eny amin’ny solaitrabe. Asao ireo mpianatra hitady ireo teny na andianteny izay mampianatra ny toetra maha-saro-pady ireo heloka ireo. Rehefa avy nomena fotoana ampy dia asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany. (Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eo ambanin’ireo lohahevitra sahaza azy avy ireo soratra masina nomena.)
-
Inona ireo teny na andianteny ao amin’ireo andalana ireo izay mampianatra momba ny toetra maha-saro-pady ireo heloka ireo.
Saintsaino ny hijerena tsirairay ireo lohahevitra eny amin’ny solaitrabe ireo sy ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto izay mifandray amin’ireo heloka tsirairay avy. Rehefa mamaly ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny ireo lohahevitra tsirairay avy ny valintenin’izy ireo.
-
Inona no sasany amin’ireo fomba fisainana na fomba fihetsika izay mety hitarika ny olona iray hanao ity heloka ity raha tsy voafehy? (Ohatra, ny valinteny ho an’ny heloka vokatry ny famonoana vady na ireo taranaka dia mety ahitana ny tsy fananana faharetana amin’ny hafa, fironana amin’ny fitsikerana ny hafa, ary ny finoana ny fomba fijery tsy marina momba ny lehilahy na vehivavy.)
-
Inona no torohevitra homenao ny olona iray izay maneho izany fomba fisainana na fomba fihetsika izany?
-
Ahoana no ahafahan’ny mpikamban’ny Fiangonana iray handresy ireo fomba fisainana sy fomba fihetsika ireo? (Rehefa mizara ny valinteniny ireo mpianatra dia ampio izy ireo hahatakatra fa rehefa mampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara isika toy ny fibebahana, asa fiantrana, fangorahana, faharetana, sy famelan-keloka dia afaka hanovo hery avy amin’ny Sorompanavotana isika.)
2 Korintiana 5:17–21
Fanantenana ho an’ny fibebahana sy ny famelan-keloka ary ny fiovana
Mijoroa ho vavolombelona fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manome fahafahana ny tsirairay sy ny fianakaviana mba hahomby sy hankamamy ny fiainana. Kanefa isika rehetra dia manao safidy ratsy, ary ny sasany amin’izy ireny dia afaka hampisy fiantraikany maro amin’ny tenantsika na amin’ny hafa. Soa ihany fa misy ny fanantenana.
Hazavao fa ireo mpikamban’ny Fiangonana sasany dia iharan’ny ataon’ny hafa—ohatra amin’izany ny vady tsy mahatoky na ny vady tia manararaotra na ny ray aman-dreny tia manararaotra—ary ireo izay iharan’izany dia misaintsaina ny zavatra azon’izy ireo atao momba ny toe-javatra misy. Angataho ho vakian’ny mpianatra iray ity teny nambaran’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity:
Raha toa ka efa niharan’ny fanararaotana ianao, Satana dia hiezaka ny handresy lahatra anao fa tsy misy ny vahaolana Eny fa na dia fantany mazava tsara aza fa misy izany. Mahafantatra i Satana fa ny fanasitranana dia tonga amin’ny alalan’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra tsy voahozongozona ho an’ny tsirairay avy amin’ireo zanany. Mahafantatra ihany koa izy fa ny herin’ny fanasitranana dia hita ao amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Noho izany, ny tetik’adiny dia ny hanao ny zavatra rehetra hampisarahany anao amin’ny Rainao sy ny Zanany. Aza avela handresy lahatra anao i Satana fa tsy misy fanampiana azo atao aminao intsony” (“Manasitrana ireo vokatra mamaivay ateraky ny Fanararaotana,” Ensign na Liahona, Mey 2008, 41).
-
Nahoana i Satana no miezaka ny mandresy lahatra ireo izay niharan’ny herisetra hino fa ny olan’izy ireo dia tsy ahitana vahaolana intsony?
-
Inona no vokatra mety hiseho rehefa mino ny olona fa tsy misy intsony ny fanantenana na ny vahaolana ho an’ny olan’izy ireo?
Zarao ity fijoroana ho vavolombelona sy torohevitra avy amin’ny Loholona Richard G. Scott manaraka ity:
“Mijoro ho vavolombelona aho fa mahafantatra olona niharan’ny fanararaotana mafy izay nahatanteraka am-pahombiazana ilay dia sarotra izay nitondra mankany amin’ny fanasitranana tanteraka tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana. Taorian’ny namahana ny olana nianjady taminy tamin’ny alalan’ny finoany ny hery fanasitranan’ny Sorompanavotana, dia nisy zatovovavy iray izay efa niharan’ny fanararaotana mafy nataon’ny rainy nangataka ny hanao dinidinika amiko. Niverina niaraka tamin’ny mpivady efa antitra izy. Hitako taratra fa tiany ireo olona roa ireo. Nahitana soritry ny hafaliana teny amin’ny tarehiny. Ary hoy izy, ‘Loholona Scott, izy no raiko. Tiako izy. Manana ahiahy izy mikasika ny zavatra nitranga tamin’ny fahazazako. Ary izany dia tsy olana amiko intsony. Afaka manampy azy ve ianao?’ Akory ny fanamafisana mahery vaika ny amin’ny fahafahan’ny Mpamonjy hanasitrana! Tsy nijaly intsony izy tamin’ny vokatr’ilay fanararaotana satria nanana fahatakarana ampy momba ny Sorompanavotany, sy finoana ampy, ary nankatò ny lalàny. Raha manohy tsy tapaka ny fandalinana ny Sorompanavotana ianao sy mampihatra ny finoanao fa manana ny hery manasitrana i Jesoa Kristy dia afaka handray izany fanamaivanana feno fitahiana toy izany ianao. …
“Ny fanasitranana dia mety hiantomboka amin’ny eveka iray na filohan’ny tsatòka, na mpanoro hevitra matihanina iray izay mieritreritra momba ny fiadanan’ny hafa. Raha tapaka ny tongotrao dia tsy hanapa-kevitra ny hitsabo izany amin’ny fahaizanao manokana ianao. Ny fanararaotana mahery vaika ihany koa dia azo hatsaraina avy amin’ny fanampian’ny matihanina” (“Manasitrana ireo vokatra mamaivay ateraky ny Fanararaotana,” 40–42).
-
Ahoana no mety hanampian’ny torohevitra nentanim-panahy avy amin’ny Loholona Scott ny olona izay efa niharitra fampijaliana?
Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity ary miangavia mpianatra iray hamaky mafy izany:
“Tsy voafetra ho an’ireo izay nanota noho ny fanaovana ny ratsy amim-panahy iniana na noho ny fanadinoana manao ny tsara fotsiny ihany ny famindrampo sy fahasoavan’i Jesoa Kristy, fa tafiditra ao anatin’izany ilay fampanantenana ny fiadanana mandrakizay ho an’ireo rehetra izay manaiky sy manaraka Azy sy ny fampianarany. Mpanasitrana mahery vaika ny Famindram-pony, na dia ho an’ireo maratra tsy manantsiny aza” (“Ny Anton’ny Fanantenantsika,” Ensign na Liahona, Nôv. 2014, 7).
-
Ahoana no fomba hanomezan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy fanantenana sy fanasitranana? (Rehefa mizara ny valinteniny ireo mpianatra dia ampio izy ireo hahatakatra izao fitsipika manaraka izao: Ireo rehetra izay manaradia an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany dia afaka hahazo fanasitranana sy fiadanana maharitra mandrakizay amin’ny alalan’ny famindram-pony sy ny fahasoavany)
Mba hampianarana ny mpianatra ny fomba ahafahan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy manampy ireo izay manararaotra ny hafa na manafitohina ny hafa amin’ny fomba maro samy hafa dia vakio miaraka ny 2 Korintiana 5:17–21 ho an’ny mpianatra rehetra.
-
Inona no dikan’ny hoe tonga “olom-baovao” ao amin’i Kristy? (Ireo valiny mety ho azo dia tokony hahitana ny hevitra hoe ho valin’ny fahazotoantsika amin’ny fankatoavana ny didin’ny Tompo dia mitahy antsika amin’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Izy, izay toetra masina. Ireo fanomezam-pahasoavana ireo dia miteraka fiovana goavana ao anatintsika, ary tonga olom-baovao isika izay mitovy bebe kokoa amin’ Andriamanitra.)
-
Araka ny andininy 21, ahoana no fomba hitrangan’izany? (Tsy nanana fahotana tokoa i Jesoa na dia kely aza, kanefa dia nitondra teo Aminy ny fahotantsika Izy koa amin’ny fepetran’ny fibebahana izay ataontsika dia afaka hamarinina isika amin’ny alalany. Lasa sorona nisolo toerana antsika Izy. Rehefa mibebaka sy mikatsaka ny hanaraka ny ohatra nataony isika dia afaka hanovo hery avy Aminy hanampy antsika ho tonga olom-baovao.)
-
Inona no dikan’ilay teny hoe fampihavanana ao amin’ny andininy 18? (“Ny fampihavanana dia dingana hanavotana ny olombelona amin’ny toetran’ny fahamaizinana ara-panahy ary ny famerenana azy amin’ny toetran’ny filaminana sy firaisankina amin’ny maha-izy azy. Tsy ho mpifahavalo intsony ny olombelona sy Andriamanitra tamin’ny alalan’izany” [Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, 3 vols. (1965–73), 2:422].)
Anontanio ny mpianatra raha toa ka mahafantatra olona efa niaina ny fanantenana sy ny fanasitranana tanteraka tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ohatra avy amin’izy ireo raha toa ka tsy manahirana azy ireo izany.
Zarao ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Tsy mahafantatra aho hoe iza ao anatin’ity mpanatrika marobe androany ity no mila maheno ny hafatry ny famelankeloka izay hita taratra ao amin’ny [Fanoharana momba ireo mpiasan’ny tanim-boaloboka; jereo ny Matio 20:1–15], koa na hatraiza na hatraiza no fieritreretanao ny fahataranao, na firy na firy ny fahafahana izay tsy noraisinao, na firy na firy ny fahadisoana tsapanao fa nataonao na koa hoe talenta izay heverinao fa tsy hanananao, na hatraiza ny halavirana misy anao miala ny tokantrano sy ny fianakaviana ary Andriamanitra, dia hijoroako ho vavolombelona fa tsy nandeha lavitra mihoatra izay takatry ny fitiavana masina ianao. Tsy mitombina ny hilentehanao ambanimbany kokoa noho ny fahazavana tsy manapetran’ny Sorompanavotan’i Kristy izay mamiratra. …
“Koa raha efa nanao fanekempihavanana ianao dia tandremo izany. Raha mbola tsy nanao izany ianao dia mandehana ataovy. Raha efa nanao izany ianao ary nandika azy ireo dia mibebaha ary amboary izy ireny. Tsy hisy mihitsy izany hoe tara loatra izany raha toa ka mbola miteny ny Tompo hoe misy ny fotoana. Henoy ny bitsiky ny Fanahy Masina izay milaza aminareo amin’izao fotoana izao mihitsy hoe tokony hanaiky ilay sorompanavotana nomen’i Jesoa Kristy Tompo ianareo sy mankafy ny fiarahana manatanteraka ny asany” (“Ireo mpiasa ao amin’ny Tananim-boaloboka,” Ensign na Liahona, Mey 2012, 33).
Asao ny mpianatra handray an-tsoratra ny zavatra namafisin’ny Fanahy taminy androany.
Vakitenin’ny Mpianatra
-
Matio 18:1–6; 2 Korintiana 5:17–21; Môsià 4:30; Almà 5:15–22; 12:14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22–25; 93:39–44.
-
Richard G. Scott, “Manasitrana ireo vokatra mamaivay ateraky ny Fanararaotana,” Ensign na Liahona, Mey 2008, 40–43.