Seminera sy Institiota
Lesona 3: Ny Fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra


Lesona 3

Ny Fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra

Fampidirana

Ny Ray any An-danitra dia nanome drafitra izay ahafahantsika miverina eo anatrehany indray sy ho lasa tahaka Azy. Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe: “Zanany isika talohan’ny nahatongavana teto amin’ity tany ity, ary mbola ho Zanany mandrakizay. Io fahamarinana fototra io dia tokony hanova ny fomba fiheverantsika ny tenantsika, sy ireo rahalahy sy anabavintsika, ary ny fiainana mihitsy” (“Fomba Efatra Iantsoana Antsika,” Ensign na Liahona, mey 2013, 58). Rehefa mihamahatakatra bebe kokoa ny fahafahany ho tonga tahaka an’ Andriamanitra ireo mpianatra, dia mety ho hainy kokoa ny hiatrika araka ny tokony ho izy ireo olana eo amin’ity fiainana an-tany ity.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Genesisy 1:27; Isaia 55:8–9; Asan’ny Apostoly 17:29; Hebreo 12:9; 1 Jaona 3:1; 4:8–9; 1 Nefia 9:6; 2 Nefia 9:20; Môrônia 8:18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:4; 88:41; 130:22

Zanak’Andriamanitra isika

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe misy namana iray tsy mpikamban’ny Fiangonana nanontany azy ireo hoe manao ahoana ny endriky ny Ray any An-danitra araka ny finoan’ny Fiangonantsika. Asaivo zarain’ny mpianatra vetivety ny fomba mety hamaliany izany.

Soraty eo amin’ny solaitrabe, na omeo azy ireo ao anatin’ny taratasy zaraina ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto:

Genesisy 1:27; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22

1 Nefia 9:6; 2 Nefia 9:20

Isaia 55:8–9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:41

1 Jaona 3:1; 4:8–9

Môrônia 8:18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:4

Asan’ny Apostoly 17:29; Hebreo 12:9

Asaivo mamaky ny sasany amin’ireo vondron’andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra ka hamantatra hoe inona no ampianarin’izy ireo momba ny Ray any An-danitra. Ataovy izay hahavoazara ny vondron’andinin-tsoratra masina tsirairay mba hovakin’ny mpianatra. Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra dia asao izy ireo hizara ny fomba mety hampiasany ny iray na ny maromaro amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hanazavana ny zavatra fantany na inoany momba ny Ray any An-danitra.

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahafantaranao ireo toetran’ny Ray any An-danitra ireo manampy anao hitsaoka Azy?

  • Nahoana no hampiova ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra ny fahafantaranao fa Izy dia tena olona izay manana vatana nofo sy taolana feno voninahitra sy nitsangana tamin’ny maty ary Izy dia Rain’ny fanahinao?

  • Nahoana no manampy antsika ny mahatsiaro, rehefa mitsaoka an’ Andriamanitra isika, fa Izy dia Rain’ny fanahintsika? (Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra, dia antitrantero fa noho Andriamanitra Rain’ny fanahintsika, dia afaka ny ho lasa tahaka Azy isika. Mety hanampy ihany koa ny mizara ity fanambarana manaraka ity izay navoakan’ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny taona 1909, teo ambany fitarihan’ny Filoha Joseph F. Smith [1838–1918]: “Ny lehilahy rehetra sy vehivavy rehetra dia manahaka ny Ray sy Reny iraisan’ny rehetra ary izy ireo dia zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra ara-bakiteny” [“Gospel Classics: The Origin of Man,” Ensign, feb. 2002, 29].)

Zarao ny tahadikan’ity teny manaraka nataon’ny Mpaminany Joseph Smith ity: Asao ireo mpianatra hamaky izay mangina sy hanoratra ireo andian-teny izay maneho ny maha-zava-dehibe ny fahatakarana hoe iza moa Andriamanitra.

Mpaminany Joseph Smith

“Raha tsy mahatakatra ny toetoetr’Andriamanitra ny olona, dia tsy mahatakatra ny toetoetrany izy. …

“Andriamanitra koa dia tahaka antsika izao tany aloha tany, ary olona nisandratra Izy ary mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra ambony any! … Raha rovitra ny voaly ankehitriny, ka mampiseho ny tenany ilay Andriamanitra lehibe izay mihazona ity tontolo ity sy ny manodidina azy, ary mihazona izao tontolo rehetra izao sy ny zava-drehetra amin’ny heriny, —dia hoy aho hoe raha toa ka mahita azy ianareo androany, dia ho hitanareo izy fa tahaka ny olona,—tahaka anareo, ny endrikareo, satria i Adama dia noforonina araka ny hatsara, endrika ary mitovy amin’ Andriamanitra, ary nandray ny torolalana, nandeha, niresaka ary, nifanakalo hevitra taminy, tahaka ny olona iray miresaka amin’ny iray hafa” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 40).

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampiana antsika hahatakatra ny momba ny tenantsika manokana amin’ny alalan’ny fahatakarana hoe iza moa ny Ray any An-danitra? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Rehefa mahatakatra tsara ny amin’ny Raintsika any An-danitra isika, dia afaka mahatakatra bebe kokoa ny fahafahantsika ho lasa tahaka ireo Ray aman-drenintsika any An-danitra .)

Asehoy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:

Loholona Dallin H. Oaks

“Diniho ny herin’ny hevitra ampianarina ao amin’ilay hira mamintsika hoe ‘Zanaky ny Ray aho’ [Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 113]. … Iray amin’ireo fanontaniana lehibe eto amin’ny fiainana ny hoe: ‘Iza moa Aho?’ Izaho dia zanak’Andriamanitra izay manana firazanana ara-panahy avy amin’ny ray aman-dreny any an-danitra. Ny fananantsika izany ray aman-dreny izany no mamaritra ny hery anaty ananantsika mandrakizay hanao zavatra. Izany hevitra mafonja izany dia manatsara ny fijerintsika ny tenantsika. Izany dia afaka mampahatanjaka ny tsirairay amintsika mba hanao safidy tsara sy hikatsaka ny tsara indrindra ao anatintsika” (“Powerful Ideas,” Ensign, nôv. 1995, 25).

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Ny fahafantarako fa zanaky ny Ray aho dia afaka manampy ahy rehefa .

Ny fahafantarako fa zanaky ny Ray aho dia efa nanampy ahy rehefa .

Asao ny mpianatra maromaro hizara izay fomba hamenoany ny iray amin’ireo fehezanteny ireo.

Romana 8:16–17; 1 Jaona 3:2; 3 Nefia 12:48

Ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra

Lazao ny mpianatrao fa indraindray isika dia mandre hoe misy olona iray manana “hery anaty lehibe hanaovan-javatra.”

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’io andian-teny io?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ary asaivo mandalina azy ireo ny mpianatra mba hianarany ny momba ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra: Romana 8:16–17; 1 Jaona 3:2; 3 Nefia 12:48. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hampifandray ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny fanoratana ireo andinin-tsoratra masina roa hafa eo amin’ny sisin’ny pejy akaikin’ny soratra masina tsirairay.

  • Raha miainga avy amin’ireo soratra masina nohalalinintsika mikasika toetoetran’Andriamanitra dia midika inona aminao ilay andian-teny hoe “ho tahaka Azy isika”

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mpiray lova” amin’i Jesoa Kristy? (Amin’ny maha-Zanaka Lahitokan’ny Ray ao amin’ny nofo an’i Jesoa Kristy, dia manan-jo handova izay rehetra ananan’ny Ray Izy. Ireo izay mankatò sy mandray ireo fitahiana feno entin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy koa dia handova izay rehetra ananan’ny Ray [jereo ny Romana 8:14–18; Galatiana 3:26–29; F&F 84:38]. Antitrantero izao fitsipika manaraka izao: Manome fomba iray ahafahantsika ho lasa tahaka ireo Ray aman-drenintsika any An-danitra ny drafitry ny Ray any an-danitra. Hazavao fa na dia misy aza ny olona sasany izay mety mitsikera ny finoantsika fa afaka ny ho lasa tahaka an’ Andriamanitra isika, dia mifototra amin’ny fampianarana ao amin’ny Baiboly io finoana io.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity:

Inona no nampianarin’ny Loholona Dallin H. Oaks momba ny tanjon’ny fiainantsika eto an-tany?

Vakio ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ity ary asaivo tadiavin’ireo mpianatra ny valin’ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe:

Loholona Dallin H. Oaks

“Ao amin’ny teôlojian’ny fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, ny tanjon’ny fiainana ety an-tany dia ny manomana antsika mba hanatanteraka ny anjarantsika amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra—ny ho lasa tahaka Azy. … Ny Baiboly dia mamaritra ny olombelona ho ‘zanak’Andriamanitra’ sy ho ‘mpandova an’ Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy’ (Rom. 8:16–17). Izy io koa dia manambara fa ‘miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa’ (Rom. 8:17) sy ny hoe ‘raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika’ (1 Jao. 3:2). Mandray ara-bakiteny ireo fampianaran’ny Baiboly ireo isika. Mino isika fa ny tanjon’ny fiainana ety an-tany dia ny hahazo vatana ary ny ho mendrika ny hahazo ny toetra feno voninahitra sy nitsangana tamin’ny maty ary selestialy izay antsoina hoe fisandratana faratampony na fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy amin’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara. … (Izany anjara hahazoana fiainana mandrakizay izany na fiainan’Andriamanitra dia tokony tsy ho vaovao ho amin’ireo rehetra izay nandalina ny fotopampianarana Kristiana taloha sy ny finoana ny fiovana ho lasa andriamanitra na fisondrotana amin’ny toetra maha-andriamanitra.) …

“… Ny teôlojiantsika dia manomboka amin’ny ray aman-dreny any an-danitra. Ny faniriantsika lehibe indrindra dia ny hitovy bebe kokoa amin’izy ireo. Ao anatin’ilay drafitra feno famindrampon’ny Ray, izany rehetra izany dia azo tanterahina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray, i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika” (“Apostasy and Restoration,” Ensign, mey 1995, 86–87).

(Fanamarihana: Azonao atao ny manazava fa ny fiovana ho lasa andriamanitra sy ny fisondrotana amin’ny toetra maha-andriamanitra dia entina milaza ny foto-kevitra hoe ny olona iray dia afaka ho lasa andriamanitra.)

Mifanakaloza hevitra momba ny valintenin’ny mpianatra amin’ny fanontaniana eo amin’ny solaitrabe. Dia manontania avy eo hoe:

  • Inona no eritreritra tonga ao aminao rehefa mandinika ianao hoe ny drafitry ny Ray any An-danitra dia manome anao fahafahana ho lasa tahaka Azy?

  • Nahoana no tena ilaintsika ny Sorompanavotan’i Kristy mba hahatonga antsika ho tahaka an’ Andriamanitra?

Mba hanohizana ity resadresaka ity, dia avereno jerena miaraka amin’ireo mpianatrao ity tena manaraka ity:

“Ny Olomasin’ny Andro Farany dia mahatakatra ny halehiben’ny Sorompanavotan’i Kristy raha ny fahafaha-manao goavana izay entiny ho an’ny olona no jerena. Tsy vitan’ny hoe mitondra famelan-keloka sy fandresena ny fahafatesana fotsiny ny Sorompanavotan’i Kristy, fa manavotra ihany koa ny fifandraisana tsy tomombana izy, manasitrana ireo ratra ara-panahy izay misakana ny fivoarana, ary mampahatanjaka sy mahatonga ny tsirairay ho afaka hampivoatra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy [jereo ny Almà 7:11–12]. Ny Olomasin’ny Andro Farany dia mino fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy irery ihany no ahafahantsika manana fanantenana azo antoka ny amin’ny voninahitra mandrakizay. Ny Olomasin’ny Andro Farany koa dia mino fa herin’ny Sorompanavotany dia tsy azo tanteraka raha tsy amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, amin’ny fibebahana, amin’ny batisa, amin’ny fandraisana ny fanomezan’ny Fanahy Masina, ary amin’ny faharetana hatramin’ny farany amin’ny fanarahana ny torolalana sy ohatra nasehon’i Kristy [jereo ny 2 Nefia 31:20; Fanakem-pinoana 1:4]. Noho izany, ireo izay lasa tahaka an’ Andriamanitra sy miditra ao amin’ny fahafenoan’ny voninahiny dia lazaina fa olona izay efa ‘natao fanaperana tamin’ny alalan’i Jesoa, ilay mpanalalan’ny fanekempihavanana vaovao, izay nanatontosa ity sorompanavotana fanaperana ity tamin’ny alalan’ny fandatsahana ny rany ihany’ [F&F 76:69]” [Gospel Topics, “Becoming Like God,” lds.org/topics).

Zarao ny tahadikan’ity teny nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity. Asao ireo mpianatra hamaky ilay fanambarana sy hanisy marika ireo hevitra izay manome azy ireo fanantenana fa afaka ny hahatratra ny fahafahany ho lasa andriamanitra izy ireo. Hazavao fa ny Filoha Uchtdorf dia nanao ity lahateny ity nandritra ny fivorian’ny fisoronana tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana, kanefa ireo hevitra dia miantefa amin’ny olona rehetra:

Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Fomba iantsoana iray izay mamaritra antsika rehetra, amin’ny lafiny faran’izay fototra indrindra, ny hoe [zanakalahy na zanakavavin’] ny Ray any An-danitra. Na iza isika na iza eo amin’ny fiainana ary na inona na inona ataontsika dia tsy tokony hadinointsika mihitsy hoe fanahy zanak’Andriamanitra ara-bakiteny isika. Zanany isika talohan’ny nahatongavana teto amin’ity tany ity, ary mbola ho Zanany mandrakizay. Io fahamarinana fototra io dia tokony hanova ny fomba fiheverantsika ny tenantsika, sy ireo rahalahy sy anabavintsika, ary ny fiainana mihitsy. …

“Mety mahakivy indraindray ny mahafantatra ny dikan’ny hoe zanakalahin’Andriamanitra ianao kanefa tsy mahavita azy araka izany. Tia manararaotra izany fahatsapana izany ny devoly. Aleon’i Satana ianao mamaritra ny tenanao amin’ny alalan’ny fahotanao toy izay amin’ny alalan’ny hery anaty izay mety hahatongavanao ho tahaka an’ Andriamanitra. Ry rahalahy isany, aza mihaino azy.

“Samy efa nahita zaza miana-mandeha isika rehetra. Mandroso kely izy aloha dia mivembena. Ary mianjera. Moa ve itezerantsika izany andrana izany? Mazava ho azy fa tsia. Ray toy ny ahoana no hanasazy zaza iray noho ny fianjerany? Amporisihana izy, sy tehafana ary deraina, satria isaky ny mandingana kely indray mandeha ilay zaza dia miha mitovy amin’ireo ray aman-dreniny.

“Ankehitriny ry rahalahy isany, raha ampitahaina amin’ny fahatanterahan’Andriamanitra isika dia tsy mihoatra lavitra noho ny zazakely miambakavaka sy tsy mahatoky tena. Saingy tian’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana isika ho tonga tahaka Azy bebe kokoa, ary izany koa ry rahalahy malala isany, no tokony ho tanjontsika mandrakizay koa. Takatr’Andriamanitra tsara raha hoe tsy ao anatin’ny indray mipi-maso isika no tonga amin’izany fa amin’ny alalan’ny dingana iray isaky ny mandeha” (“Fomba efatra iantsoana antsika,” Ensign na Liahona, mey 2013, 58).

  • Ahoana no hahafahan’ny fahatsiarovanao ireo fahamarinana ireo manampy anao hahatratra ny fahafahanao ho lasa andriamanitra?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hampiova ny fomba hitondranao ny olona ao amin’ny fianakavianao rehefa mahatsiaro ireo fahamarinana ireo ianao?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hampiova ny fanirianao hitady ny mombamomba ireo fianakavianao efa nodimandry sy hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireny noho ny fahafantaranao ireo fahamarinana ireo?

Entano ireo mpianatra hizara ny zavatra izay nianaran’izy ireo sy tsapany nandritra ity lesona ity amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany na amin’ny namana mandritra ny herinandro ho avy. Azon’izy ireo atao koa ny mandinika izay zavatra azony atao isan’andro mba hahatsiarovany tsara fa zanaky ny Ray any An-danitra izy ireo sy ny hanaovany drafitra mba hanoratra ao amin’ny diariny ny fomba fiantraikan’ny fahatsiarovany izany fahamarinana masina izany eo amin’ny zavatra ataony.

Vakitenin’ny Mpianatra