Lesona 5
Ny Toetoetry ny Fiainana An-tany
Fampidirana
Tao amin’ny tontolo talohan’ny fahaterahana isika dia “nanaiky ny [drafitry ny Ray any An-danitra] izay ahafahan’ireo zanany hahazo vatana sy hahazo traikefa etỳ ambonin’ny tany mba handrosoany mankany amin’ny fahatanterahana” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129). Fitahiana lehibe ny vatantsika mety maty; na izany aza, dia iharan’ny fakampanahy maron’i Satana izy io. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka mandresy ireo fakampanahy ireo isika sy miverina any amin’ny Raintsika any An-danitra.
Vakiteny Enti-mandalina
-
David A. Bednar, “Things as They Really Are,” Ensign, jona 2010, 16–25.
-
David A. Bednar, “The Atonement and the Journey of Mortality,” Ensign, apr. 2012, 40–47.
Sosokevitra Enti-mampianatra
2 Nefia 2:27–29; Abrahama 3:25
Tena ilaina mba hahazoana ny fiainana mandrakizay ny traikefantsika ety an-tany
Asehoy ity teny nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary manasà mpianatra iray hamaky izany mafy:
“Moa ve isika efa nandinika hoe nahoana no manan-danja tokoa ny fananana vatana? … Tena takatsika ve hoe nahoana no tena manan-danja fototra ao anatin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray ny vatana? Moa ve isika milaza io valiny io matetika sy entim-pahazarana loatra hany ka tsy hitantsika ny tena maha-zava-dehibe azy? Tiako ny hanadihadiantsika bebe kokoa io fanontaniana manan-danja mandrakizay io izay mikasika ny antony maha-zava-dehibe ny vatana. Raha ny marina dia misy fiantraikany amin’ny zavatra rehetra ataontsika ilay valinteny” (“Ye Are the Temple of God,” Ensign, sept. 2001, 14).
-
Araka ny nambaran’ny Loholona Bednar, nahoana isika no tokony hikatsaka ny hahatakatra ny antony maha-zava-dehibe ny vatantsika?
Asao ireo mpianatra hanoratra ny valintenin’izy ireo ho an’ity fanontaniana manaraka ity. Rehefa mandroso ny lesona, dia amporisiho izy ireo hanoratra eritreritra sy hevitra fanampiny.
-
Nahoana no manan-danja lehibe ao anatin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra ny vatantsika?
Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny andiam-pehezanteny fahatelo ao amin’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” ka hitady ny fanambarana izay manazava ny antony ilàna ny vatana amin’ny fivoarantsika mandrakizay.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Loholona David A. Bednar. Angataho ny mpianatra mba hihaino ny antony maha-zava-dehibe ny vatantsika ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Omeo ny mpianatra tsirairay ny tahadikan’ity teny nambara ity alohan’ny hamakina azy.
“Ny vatantsika dia manome fahafahana hahazo traikefa lalina sy mahery vaika, izay tsy afaka ny ho azo mihitsy nandritra ny fisiantsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Ny Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo teo aloha, dia nampianatra fa ‘Ny fanahintsika sy ny vatantsika dia natambatra amin’ny fomba iray mba hahatongavan’ny vatantsika ho lasa fitaovana ho an’ny saintsika ary fototry ny toetrantsika’ [“The Instrument of Your Mind and the Foundation of Your Character” (Lahateny tao amin’ny Fampaherezam-panahy tao amin’ny Brigham Young University, feb. 2, 2003, speeches.byu.edu]. Noho izany, ny fifandraisantsika amin’ny olona hafa, ny hery ananantsika ny hanaiky sy hanao zavatra mifanaraka amin’ny fahamarinana, ary ny fahafahatsika mankatò ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mihamafy amin’ny alalan’ny vatantsika. Mandritra ny fiainana an-tany isika dia miaina halemem-panahy, fitiavana, hatsaram-panahy, fahasambarana, alahelo, fahadisoam-panantenana, fanaintainana, eny fa na dia ireo zava-tsarotra avy amin’ny sakana ara-batana aza, izay manomana antsika amin’ny mandrakizay. Raha lazaina amin’ny fomba tsotra dia misy ireo lesona tsy maintsy ianarantsika sy ireo traikefa tsy maintsy ananantsika araka izay faritan’ny soratra masina manao hoe ‘araka ny maha-nofo’ (1 Nefia 19:6; Almà 7:12–13)” (“Things as They Really Are,” Ensign, jona 2010, 16).
-
Inona no nampianarin’ny Loholona Bednar momba ny antony ilàna ny vatana amin’ny fivoarantsika mandrakizay? (Na dia mety hiovaova aza ny valinteny, dia antitrantero ity fahamarinana ity: Rehefa manana vatana isika, dia miaina anatin’ny toetoetran’ny fiainana an-tany izay afaka manomana antsika ho amin’ny mandrakizay.)
-
Ny vatantsika dia “fitaovan’ny saintsika sy fototry ny toetrantsika.” Amin’ny fomba ahoana?
-
Amin’ny fomba ahoana ny “fahafahantsika mankatò ireo fitsipika sy ôrdônsansin’ny filazantsara … no mitombo amin’ny alalan’ny vatantsika”? (Mety ahitana izao manaraka izao ny valinteny: Ny vatana dia manome fahafahana antsika hankatò ilay didy mba hitombo sy hameno ny tany. Ny vatana dia mamela antsika hahatsapa ny fifaliana avy amin’ny fiainana ao anaty fianakaviana, izay toerana ianarantsika sy hampiharantsika ireo fitsipiky ny filazantsara ao an-tokantrano—ohatra, mianatra ny fomba hifehezantsika ny toetrantsika ao amin’ny fianakaviana isika.)
Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Abrahama 3:25 sy 2 Nefia 2:27–29 ary ny mpianatra rehetra kosa mitady ny fomba h’iarahanireo andinin-tsoratra masina ireo miasa mba hanampiana antsika hahatakatra bebe kokoa ny tanjon’ny fananana vatana.
-
Na dia fitahiana lehibe aza ny fanana vatana, dia nahoana no tafiditra ao amin’ny fitsapana ety an-tany ny fananana vatana? (Maro amin’ireo fakampanahin’i Satana no mihamatanjaka noho ny fananantsika vatana.)
-
Amin’ny fomba ahoana no hanomezan’ny fisafidianana “ny sitrapon’ny nofo” “fahefana [ … ] mba hambabo” ho an’ny devoly?
Môsià 3:19; Mosesy 6:49, 53–55
“Ny olona araka ny nofo dia fahavalon’Andriamanitra”
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Mosesy 6:53–54, ary asao ireo mpianatra ambiny hitady ary avy eo hanazava hoe inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny toetoetra misy antsika amin’ny fotoana ahaterahantsika. Mariho fa ny teny hoe “madio” eto amin’ity sahankevitra ity dia midika hoe afaka amin’ny vokatry ny fandikan-dalana nataon’i Adama.
Avy eo dia asaivo mamaky ny Mosesy 6:49 sy 55 ilay mpianatra, ary anontanio ny mpianatra rehetra hoe:
-
Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny fomba mahatonga ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva hisy fiantraikany amintsika mandritra ny fiainana ety an-tany? (Rehefa manaraka ny fakampanahin’i Satana isika, dia miaina ireo voka-dratsin’ny safidintsika mba ho olon’ny nofo, sy tia ny zavatra ara-nofo ary manaraka ny devoly. Azonao atao ny miresaka ny Etera 3:2, izay mampianatra fa “noho ny fahalavoana dia efa zary ratsy lalandava ny toetrantsika.”).
Asaivo mamaky mafy ny andalana vitsy voalohany ao amin’ny Môsià 3:19 ny mpianatra iray. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto:
Omeo minitra vitsy ireo mpianatra mba hitadiavany ny valin’ireo fanontaniana ireo sy hampitomboany ny fahatakarany ny teny hoe “olona araka ny nofo” amin’ny fandalinany ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy ho an’ny andininy 19 (indrindra ny fanovozan-kevitra a sy ireo andinin-tsoratra masina hafa izay voalaza ao amin’ilay fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy). Mifanakaloza hevitra momba ny zavatra hitan’ireo mpianatra rehefa avy nanome fotoana ampy tsara ho azy ireo. Hazavao fa io teny io dia milaza ny toetoetra izay mahakasika ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny fomba mitovy.
-
Raha manana ny toetran’ny olona araka ny nofo ny olona iray dia inona no vokatra mety aterak’izany amin’ny fanambadiana na amin’ny fianakaviana?
Asaivo mamita ny famakiana ny Môsià 3:19 ilay mpianatra teo, ary asao ny mpianatra rehetra hitady fitsipika iray mikasika ny fomba afahafantsika mandresy ny olona araka ny nofo. (Rehefa mamaly ireo mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika ity: Amin’ny alalan’ny fanekena ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fanarahana ny fitaoman’ny Fanahy Masina, dia afaka manaisotra ny olona araka ny nofo isika ary lasa olomasina.)
Hazavao fa eto amin’ity sahan-kevitra ity, ny hoe fanarahana dia midika hoe milefitra na miaiky ny bitsiky ny Fanahy Masina.
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny olona iray mamantatra izay hibitsihan’ny Fanahy Masina azy mba hataony?
-
Afaka mizara traikefa izay tsy saropady loatra ve ianao izay nibitsihan’ny Fanahy Masina anao mba hanaisotra ny olona araka ny nofo?
Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina isika, dia lasa afaka mahazo ny herin’ny Sorompanavotana.
Môsià 3:19; 16:3–6
Mampihatra ny Sorompanavotan’i Kristy
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 16:3–6, ary asao ny mpianatra rehetra hanaraka ny vakiteny, ka hitady ny zavatra hanampy antsika handresy ny vokatry ny Fahalavoana eo amin’ny fiainantsika.
-
Inona no efa nomanina tao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra mba hamela antsika handresy ilay toetrantsika anaty fahalavoana? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fotopampianarana manaraka ity: Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, dia afaka ny ho avotana amin’ny toetrantsika very sy lavo isika.)
Asehoy ity teny nolazain’ny Loholona David A. Bednar ity, ary mangataha mpianatra iray hamaky mafy izany:
Ny filana, ny faniriana, ny fironana, ary ny fihetsehampo tsy hay tohaina rehetra an’ny olona araka ny nofo dia azo toherina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Eto an-tany isika mba hampitombo toetra tahaka ny an’ Andriamanitra sy hifehy ny filan’ny nofo rehetra” (“Mino Isika fa tokony ho Madio Fitondrantena,” Ensign na Liahona, mey 2013, 43).
Hazavao amin’ireo mpianatra fa rehefa mino ny Sorompanavotana isika, dia mandray ny fahasoavan’i Jesoa Kristy, izay azo notanterahina noho ny sorona manavotra nataony. Ny hevi-dehiben’ilay teny hoe: fahasoavanadia hoe “fomba masina entina hanampiana na hanomezana hery, omena amin’ny alalan’ny famindram-po sy ny fitiavan’i Jesoa Kristy izay miavosa.” Izany dia “hery manome fahafahana” izay manampy antsika hibebaka sy hahazo ireo toetra izay tsy vitantsika samirery ny mahazo azy (jereo ny Bible Dictionary, “Grace”). Mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay tokony hananantsika, dia asaivo averin’izy ireo jerena ny lisitr’ireo toetra izay mitarika antsika mba ho lasa olomasina, araka izay hita ao amin’ny Môsià 3:19.
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny Mpamonjy anao hanana ny iray amin’ireo toetra voatanisa ao amin’ny Môsià 3:19?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao fa fitahiana ho an’ny fianakaviany ireo olona izay manana ny iray na maromaro amin’ireo toetra ireo?
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao ho tonga vady tsaratsara kokoa, na ray na reny tsaratsara kokoa rehefa manao izay hananao ny iray na maromaro amin’ireo toetra ireo ianao amin’ny alalan’ny hery manome fahafahana avy amin’ny fahasoavan’ny Mpamonjy?
Hazavao amin’ireo mpianatra fa isika tsirairay dia homena fanontaniana iray manan-danja izay tsy maintsy hovaliana aorian’ny lesona androany. Asehoy ity teny nolazain’ny Loholona David A. Bednar ity, ary asaivo mamaky izany mangina ireo mpianatra:
“Ny toetra voajanahary marin’ny fitsapana amin’ny fiainana an-tany, noho izany, dia afaka ny ho fintinina ao amin’ity fanontaniana manaraka ity: Hanao zavatra amin’ny fironan’ny olona araka ny nofo ve aho, na hihaino ny fitaoman’ny Fanahy Masina ve aho ary hanaisotra ny maha olona araka ny nofo ary tonga olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo (jereo ny Môsià 3:19)? Izay ilay fizahan-toetra” (“Mino Isika fa Tokony Hadio fitondrantena,” 43).
Omeo minitra vitsivitsy ireo mpianatra hanoratana valiny ho an’ilay fanontanian’ny Loholona Bednar. Asao izy ireo hisaintsaina ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay hita ao amin’ny Môsià 3:19 sy hanao drafitra hanomboka hanao izay hananana feno kokoa ny iray amin’ireo toetra ireo.
Vakitenin’ny Mpianatra
-
2 Nefia 2:27–29; Môsià 3:19; 16:3–6; Mosesy 6:49, 53–55; Abrahama 3:25.
-
David A. Bednar, “The Atonement and the Journey of Mortality,” Ensign, apr. 2012, 40–47.