Lesona 25
Fampiharana finoana ao anatin’ny toe-javatra sarotra lalovan’ny fianakaviana
Fampidirana
“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” dia mitanisa fa ny “fahasembanana, ny fahafatesana na ny toe-javatra hafa misy [ny fianakaviana] dia mety hitaky fanatsarana avy amin’ny tsirairay. Ireo havana dia tokony hanome fanampiana raha ilaina” (Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 129). Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manome hery sy fomba fijery hahafahana manatanteraka ireo fanatsarana ilaina rehafa mitranga ireo toe-javatra sarotra.
Vakiteny Enti-mandalina
-
David A. Bednar, “Ny Sorompanavotana sy ilay Dia eto An-tany,” Ensign, Apr. 2012, 40–47.
-
“Strengthening the Family: Adapting to Circumstances,” Ensign, Des. 2005, 34–35.
Sosokevitra Enti-mampianatra
1 Nefia 16:34–39; 17:1–4
Fandaminana atao amin’ireo toe-javatra sarotra misy ny fianakaviana.
Manomboha ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanazavana fa ireo mpitarika ny Fiangonana amin’ny ankapobeny dia mampianatra antsika ny fomba hanatanterahana sy hitazomana ny foto-kevitra lafatra—ahitana ny fanambadiana sy ny fianakaviana lafatra. Kanefa amin’ireo trangan-javatra sasany, ny toe-piainana dia manakana antsika tsy hahatanteraka izany foto-kevitra lafatra izany. Mangataha mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Amin’ny alalan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia mianatra isika fa misy ny fianakaviana lafatra. Izany dia fianakaviana ahitana mpihazona Fisoronana Melkizedeka iray marina miaraka amin’ny vady marina izay nofehezina taminy ary ireo zanaka teraka tao amin’ny fanekempihavanana na nofehezina tamin’izy ireo. Ahitana reny izay ao anatin’ny tontolon’ny fitiavana sy fanompoana ao amin’ilay tokantrano, mampianatra ny zanaka, amin’ny alalan’ny ohatra sy fitsipika, ny lalan’ny Tompo sy ny fahamarinany ireo ray aman-dreny. Manatanteraka ny andraikitra masina izay nanendrena azy izy ireo izay voalaza ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana. Mihamatotra ny zanak’izy ireo amin’ny alalan’ny fiainana tsikelikely ireo fampianarana hatramin’ny nahaterahana. Izy ireo dia mampitombo ireo toetran’ny fankatoavana, fahamarinan-toetra, fitiavana an’ Andriamanitra, ary finoana ny drafiny masina” (“First Things First,” Ensign, Mey 2001, 7).
-
Inona avy ireo trangan-javatra na toe-piainana izay mety hanakana antsika farafahakeliny indray mandeha tsy hahatanteraka ny fiainam-pianakaviana ho lafatra. (Mety ahitana ireto manaraka ireto ny valinteny azo: fahafatesana, fahasembanana, fisaraham-bady, tsy fahafahana hanan-janaka, fahaverezan’asa, ary ny ray aman-dreny izay manao asa maro.)
-
Asao ny mpianatra hikaroka ny andininy fahafito ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana ary hijery ireo zavatra antenain’ny Ray any An-danitra hataontsika raha toa ka tsy lafatra ny fiainam-pianakaviantsika:
“Ny kilema, ny fahafatesana, na ny toe-javatra hafa dia mety ilàna ny fandaminana avy amin’ny tsirairay. Ireo havana dia tokony hanome fanampiana raha ilaina izany” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 129).
Ary avy eo dia vakio izao fanambarana manaraka izao ary angataho ny mpianatra hikaroka ireo karazana fifandaminana izay mety ilain’ireo fianakaviana hatao rehefa mitranga ireo olana:
“Ao anatin’ny tontolo lafatra dia ho faly ao amin’ny fanambadiana ireo olon-dehibe, ho voatahy amin’ny fanana-janaka ireo fanambadiana rehetra, ary hanana fahasalamana, mankatò sy mifanohana avokoa ny mpikamban’ny fianakaviana rehetra. Saingy ny fiainana dia tsy ho lafatra mandrakariva. Misedra fijaliana ny tsirairay, ary tsy misy ny fotoana izay lanian’ny fianakaviana miaraka eto amin’ity fiainana ity tsy hisian’ny olana. …
“Ny aretina, ny fahasembanana, ny fahafatesana, ny fisaraham-bady, sy ireo antony maro mampisy fikorontanana dia afaka miteraka olana. Amin’ny toe-javatra toy izany dia mety ilaina ny fifandaminan’ny tsirairay amin’ny fanaovana ireo andraikitra. Mety ilain’ny ray iray ny manao raharaha fanampiny sy mandray andraikitra amin’ny fitaizana, na mety ilain’ny reny iray izay efa manao ny fikarakarana rehetra ao an-tokantrano ny manampy amin’ny fitadiavana. Na dia ireo zanaka aza dia mety ilaina mba hanaiky ireo andraikitra vaovao.
“Rehefa mitranga ireo toe-javatra mampisy fikorontanana dia mety ilaina ireo havana mba hanampy. Ny fanampiana dia mety alamina manomboka amin’ny fanohanana ara-bola ka hatramin’ny fanomezana fotoana mba hikarakarana ireo ankizy, hanampiana amin’ireo raharaha tokony ho vitaina na hikarakarana olona iray marary na sembana ao amin’ilay fianakaviana. Ny habetsaky ny fandraisana anjara ataon’ireo havana dia miankina amin’ny toe-java-misy sy ny zavatra ilain’ilay fianakaviana” (“Strengthening the Family: Adapting to Circumstances,” Ensign, Des. 2005, 34–35.
-
Inona avy ireo fifandaminana mety ilain’ny fianakaviana na ny tsirairay hatao rehefa mitranga ireo olana?
-
Inona avy ireo zavatra efa hitanao nataon’ireo fianakaviana na ny tsirairay mba handaminana sy hijanonana ho matanjaka rehefa miatrika toe-javatra sarotra sy mikorontana?
-
Oviana no efa nahitanao ny havan’ny fianakaviana iray nanolotra fanampiana sy fanohanana rehefa nilaina izany?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Merrill J. Bateman ao amin’ny Fitopololahy: Asao ny iray kilasy hihaino ny zavatra afaka hanampy ireo fianakaviana izay miatrika toe-javatra sarotra araka ny lazain’ny Loholona Bateman.
“Ireo fitsapana sy fahoriana dia manana endrika maro: ny fahafatesan’ny olon-tiana, ny fanambadiana izay mifanohitra amin’ny zavatra nantenaina, tsy fisian’ny fanambadiana, fisaraham-bady, zaza teraka miaraka amin’ny fahasembanana, tsy fananan-janaka, fahaverezan’asa, ireo ray aman-dreny izay manao hadisoana, zanakalahy na zanakavavy mania, tsy fahasalamana. Tsy misy fiafarana ny lisitra. Nahoana Andriamanitra no mamela ny fahadisoam-panantenana, ny fanaintainana, ny fijaliana, sy ny fahafatesana hisy ao amin’ny drafiny? …
“Ny fahatakarana ny drafitry ny Famonjena, ny fiainana talohan’ny nahaterahana, ny fiainana an-tany, sy ny fiainana aorian’ny fahafatesana dia mitondra fomba fijery hafa” (“Living a Christ-Centered Life,” Ensign, Jan. 1999, 13).
-
Ahoana no fomba ahafahan’ny fahatakarana ny drafitr’ Andriamanitra hanomana ireo fianakaviana hiatrika olana? Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao: Ny fahatakarana ny drafitry ny Tompo dia hamela ireo fianakaviana hiatrika ireo olana eto an-tany amin’ny finoana izay mitombo sy amin’ny fomba fijery mandrakizay.)
-
Ahoana no hanomezan’ny fomba fijery araka ny filazantsara antsika risi-po hanao fandaminana eny fa na dia hisahana andraikitra vaovao ao amin’ny fianakaviana aza raha toa ka ilaina izany?
Anontanio ny mpianatra raha misy fianakaviana azony eritreretina avy ao amin’ny soratra masina izay niatrika olana ary nandray fanampiana masina mba handresena na hiaretana izany. Ampahatsiahivo momba ny fianakavian’i Lehia sy i Ismaela ny mpianatra, izay nanao dia namakivaky ny tany foana rehefa nandao an’i Jerosalema. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny sasany tamin’ireo olana izay mety natrehan’ireto fianakaviana ireto nandritra ny diany nankany amin’ny tany nampanantenaina ary avy eo hizara ny heviny amin’ny mpianatra.
Manasà ankizy vitsivitsy hifandimby hamaky ny 1 Nefia 16:34–39 sy ny 17:1–4 amin’ny feo avo. Asao ny mpianatra hihaino ireo ohatra mahakasika ny fomba niatrehan’ireo mpikambana samy hafa tao amin’ny fianakavian’i Lehia sy i Ismaela ireo olana nisy.
-
Nahoana araka ny hevitrao no afaka nanohy am-pinoana sy nahatoky an’ Andriamanitra ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny fianakavian’i Lehia sy i Ismaela raha toa ka nimonomonona kosa ny sasany noho ny fahasarotana nananan’izy ireo?
-
Inona avy ireo fomba efa nahitanao ny fahalalana sy ny fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara izay nitahy ireo fianakaviana misedra olana?
Araka ny bitsiky ny Fanahy sy ny zavatra ilain’ny mpianatrao dia azonao atao ny mizara ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Mandritra ny fiainanao eto an-tany dia katsaho amim-pahazotoana ny hanatanteraka ireo tanjona fototr’ity fiainana ity amin’ny alalan’ny fianakaviana lafatra. Mety tsy mbola tonga amin’izany foto-kevitra lafatra izany ianao, ataovy izay rehetra azonao atao amin’ny alalan’ny fankatoavana sy ny finoana ny Tompo mba hanakaiky kokoa izany ianao araka izay vitanao. Aza avela hisy zavatra hamily anao tsy hahatratra izany tanjona izany … Aza manao na inona na inona mety hahatonga anao tsy ho mendrika izany. Raha toa ka very ny fibanjinanao ny fanambadiana mandrakizay, dia avereno izany. Raha mitaky faharetana ny fanatanterahana ny nofinofinao, dia omeo izany” (“First Things First,” 7).
Ohabolana 3:5–6; Matio 11:28–30; Môsià 24:8–16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8
Rehefa manatona an’i Kristy isika, dia hampahatanjaka antsika Izy
Ampahatsiahivo ny mpianatra ny tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna rehefa nandositra ny miaramilan’ny Mpanjaka Noà i Almà sy ny olony ary nanangana tanàna iray izay niaina tamim-pahamarinana. Rehefa niaina tao anatin’ny fiadanana i Almà sy ny olony nandritra izany fotoana izany dia hitan’ny miaramilan’ny Lamanita izay nametraka azy ireo ao amin’ny famatorana. Rehefa nino sy nanam-paharetana i Almà sy ny olony, dia nanamaivana ny entany ny Tompo ary nanafaka azy ireo tamin’ny fanandevozana tamin’ny farany.
Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky ny Môsià 24:8–16 amin’ny feo avo. Asao ny iray kilasy haka sary an-tsaina ny fomba mety niantefan’ireo fahasarotana nisy ireo tamin’ny fianakavian’i Almà sy ny olony izay hita ao amin’ireo andalana ireo. (Mariho fa ny fakana sary an’eritreritra dia fomba iray fandalinana soratra masina izay hahafahana mampiaina sy mamelona kokoa ireo tantara ao amin’ny soratra masina ho an’ny mpamaky.) Asao ihany koa ny iray kilasy hikaroka ny zavatra nataon’i Almà sy ny olony izay nahafahan’izy ireo niatrika ampahombiazana ny fahasarotana izay nananan’izy ireo.
-
Rehefa avy nisaintsaina ireo trangan-javatra hita ao amin’ireo andalana ireo, ahoana araka ny hevitrao no fomba niantefan’izany tamin’ireo fianakaviana ireo?
-
Inona no zavatra nataon’ny olon’i Almà nahafahany nahazo ny fanampian’ny Tompo (Na dia mahita fitsipika manan-danja vitsivitsy aza ireo mpianatra, dia hamafiso izao manaraka izao: Rehefa mampihatra finoana sy faharetana isika ao anatin’ny fahoriantsika ary miantso an’ Andriamanitra, dia afaka ny hanatanjaka antsika Izy mba ahafahantsika hitondra amim-pahamorana lehibe ireo enta-mavesatra ananantsika
-
Araka ny hevitrao, ahoana no fomba nampahatanjahan’ny Tompo azy ireo ka “nahafahan’izy ireo nitondra mora foana ny enta-mavesany”?
Mangataha mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ity fanambarana manaraka ity, izay iresahan’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mahakasika ny tantaran’ireo olon’i Almà:
Inona no novaina tao anatin’izany toe-javatra izany? Tsy niova ilay enta-mavesatra ary tsy tonga dia nesorina teo amin’ny olona ireo olana sy fahasarotana noho ny fanenjehana. Saingy nampahatanjahana i Almà sy ireo mpanara-dia azy ary ilay heriny sy tanjany izay nitombo dia nahatonga ilay enta-mavesany ho maivana kokoa. Ireo olona tsara ireo dia nampahatanjahana tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana mba hanao asa toy ny mpandraharaha ary hitondra fiantraikany eo amin’ny toe-javatra iainan’izy ireo. Ary ’tamin’ny herin’ny Tompo’ no nitarihana soa aman-tsara an’i Almà sy ny olony tany amin’ny tanin’i Zarahemla” (“Ny Sorompanavotana sy ilay dia eto An-tany,” Ensign, Aprily 2012, 44).
-
Nahoana no zava-dehibe ny mahita fa ny Tompo dia tsy manaisotra lalandava ireo enta-mavesatry ny tsirairay sy ny fianakaviana na manala tanteraka ireo olana na mamela antsika hiaina ao anatin’ny toe-pianana lafatra?
-
Inona avy ireo fomba ahafahan’ny fahalalantsika an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany mampahery antsika hiasa am-pinoana rehefa mifanehatra amin’ny toe-javatra sarotra hiainan’ny fianakaviana isika?
Mba hanampiana amin’ny famaliana ity fanontaniana ity dia asehoy izao fanambarana nataon’ny Loholona Steven E. Snow avy ao amin’ny Fitopololahy manaraka izao, ary mangataha mpianatra iray hamaky izany amin’ny feo avo:
“Ny fanantenantsika ao amin’ny Sorompanavotana dia manome hery antsika hanana fomba fijery ny mandrakizay. Ny tanjona toy izany dia mamela antsika hanana fomba fijery mihoatra ny fiainana eto sy ny ankehitriny amin’ny fampanantenana ho amin’ny mandrakizay” (“Fanantenana,” Ensign na Liahona, Mey 2011, 54).
Soraty eo amin’ ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Asao ny mpianatra handalina ireto andalan-tsoratra masina ireto ary hijery ireo fampanantenana izay natao ho an’ireo maharitra am-pitokiana amin’ireo fitsapana.
-
Ahoana ny fomba hanampian’ny fitadidiana ireo fampanantenana ireo ny fianakaviana izay miatrika ireo fanamby?
Rehafa mamarana ny lesona ianao, dia asao ny mpianatra hisaintsaina fotoana iray izay nahatsapan’ny fianakavian’izy ireo fa nampahatanjaka azy ireo ny finoana an’ Andriamanitra na notahiana noho ny fahalalany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo na dia teo aza ireo fahasarotana nisy. Asao ny mpianatra izay terem-panahy hizara traikefa izay azony zaraina amin’ny mpianatra. Ankaherezo ny mpianatra hanoratra ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo mikasika ny fomba ahafahan’ Andriamanitra mitahy sy manatanjaka ny fianakaviana ao amin’ny diarin’izy ireo.
Vakitenin’ny Mpianatra
-
Ohabolana 3:5–6; Matio 11:28–30; 1 Nefia 16:34–39; 17:1–4; Môsià 24:8–16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8.
-
“Strengthening the Family: Adapting to Circumstances,” Ensign, Des. 2005, 34–35.